vendredi 27 juin 2014

NY TOMBO-KASEN'ILAY ANDRIAMANITRA VELONA



“Ary hoy Jehovah taminy : Mandehana mamaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika ny andrin’ ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao aminy.” Ezekiela 9 : 4

NY TOMBO-KASEN’ ANDRIAMANITRA

1-Inona ilay teny fikasana ao anaty Baiboly izay omena antoka ho an’ ireo izay manaiky an’ I Kristy ho Mpamonjy ny tenany manokana? Efesiana 1: 13; 4: 30;.2 Korintiana 1: 22.
 
“Isika dia afaka miresaka momba ireo fitahiana avy amin’ ny Fanahy Masina, kanefa, raha toa isika ka tsy miomana mba handray an’ io Fanahy masina io, inona moa no mba lanjan’ ireo asa ataontsika? Moa ve isika manao ny ezaka amin’ ny herintsika manontolo, mba ho tonga lehilahy sy vehivavy mahatratra ny ohatr’ I Kristy? Moa ve isika mitady ny fahafenoan’ I Kristy amin’ ny alàlan’ ny fandrosoantsika mandrakariva mankeo amin’ ilay tanjona izay napetraka eo anoloantsika, dia ny fananana toetra lavorary? Rehefa mahatratra io tanjona io ny vahoakan’ Andriamanitra dia hapetaka ao amin’ny handriny ny tombo- kase. Rehefa feno ny Fanahy izy, dia  ho tanteraka sy feno ao amin’ I Kristy, ary ilay anjely izay mandray an- tsoratra izany dia hanambara manao hoe: ‘ Vita ny zavatra rehetra’ (RH 10/06/1902)” . Commentaires bibliques, p. 322

NY FITANDREMANA NY SABATA: ILAY FAMANTARAN’ ANDRIAMANITRA

2-Inona no didy misy ilay tombo- kasen’ Andriamanitra? Eksodosy 20: 8- 11; 31: 13.


3-Raha toa isika  mandray ilay famantaran’ Andriamanitra amin’ ny alàlan’ny fitandremana ny Sabata sy ny fitahiana ara- panahy avy amin’ izany, ahoana no iheverantsika ireo didy hafa? Isaia 8: 16; Jakoba 2: 10, 11.

“Amin’ izany fomba izany no niraisany amin’ ireo rehetra izay te hanatona Azy, amin’ ny alàlan’ ny fandefasany tsiokam- pahasoavana vaovao ho azy ireo. Dia apetany amin’ izy ireo ny tombo-kaseny, izay famantarana ny fahatokiana sy fankatoavana ny sabata masiny. (Manusrit 104, 28 septembre 1887) - Levez vos yeux en haut. P.277”.
“ Ny famantarana fa mankatoa izy, dia ny fitandremany ny sabatan’ ny didy fahefatra. Raha toa ka mitandrina ny didy fahefatra ny olona, dia mitandrina ireo didy hafa rehetra.(Lettre 31, 1898)” - Commentaires bibliques, p.409.
« … Raha ny fitandremana ny sabata sandoka no fanekena ny lalàm-panjakana, izay manohitra ny didy fahefatra, ary fiaikena ny fiandaniana amin’ ny fahefana manohitra an’ Andriamanitra, ny fitandremana ny sabata marina kosa dia fankatoavana ny lalàn’ Andriamanitra, sy porofo mazavan’ ny toetra mahatoky amin’ ny Mpamorona. Ny antokon’ olona iray izay manaiky ny famantarana amin’ ny fileferana amin’ ny fahefana eto an-tany, dia mandray ny mariky ny bibidia, ny anankiray kosa izay mifidy ny famantarana ny fiandaniana amin’ ny fahefan’ Andriamanitra, dia nandray ny tombo-kasen’ Andriamanitra. » Hery mifanandrina, p. 631

NY TOMBO-KASE SY NY TOETRA

4-Inona no fifandraisana misy eo amin’ ny tombo-kasen’ Andriamanitra sy ny toetran’ ny olona anakiray? Matio 5: 48

“ Ny tombo-kasen’ Ilay Andriamanitra velona dia apetaka amin’ ireo izay manana toetra manahaka ny an’ I Kristy ihany.( 7 BC 970, 1895)” Evènements des derniers jours, p.222
“ Tahaka ny savoka mandray ny mariky ny fitomboka, dia toy izany ihany koa ny fanahintsika, dia tsy maintsy mandray ny mariky ny Fanahin’ Andriamanitra ary mitana ny endrik’ I Kristy.” Messages choisis, vol.1, p.395
“ Ny tena vahoakan’ Andriamanitra marina dia tsy maintsy manana fahatsapana mahiratra tsara ny amin’ ny fahadisoana izay mbola ao anatin’ izy ireo ao, indrindra indrindra eo amin’ ireo ora faran’ ny tantaran’ ny fiangonana, amin’ ny fotoana izay hahavitan’ ny fametahana tombo-kase amin’ ireo 144.000, izay tsy maintsy hijoro tsy manan-tsiny eo anoloan’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra.” Témoignages pour l’ église, vol 1, p. 385

5-Fomba ahoana no hahatonga ny olona ho voaomana handray ny tombo-kasen’ Ilay Andriamanitra velona? Apokalypsy 14 : 4b, 5 ; II Korintiana 6 : 17
 
“Ankehitriny izao no fotoana izay anaovana ny fiomanana. Ny tombo-kasen’ Andriamanitra dia tsy hapetaka mihitsy eo amin’ ny handrin’ ny tsy madio, amin’ ny handrin’ ny mpizahozaho sy izay tia izao tontolo izao. Tsy hapetaka na oviana na oviana eo amin’ ny handrin’ ny lehilahy sy vehivavy izay manana molotra maloto sy miteny zavatra tsy marina ary fo mpamitaka. Noho izany, ireo rehetra izay handray io tombo-kase io dia tsy maintsy eo anatrehan’ Andriamanitra, izany hoe voatokana ho any an-danitra. Aoka ianareo hanadio ny tenanareo ranadahy sy rahavaviko! Amin’ izao fotoana izao dia teny fohy ihany no voasoratro ho anareo mikasika ireo zavatra ireo, ary ny hany zavatra hisarihako ny sainareo, dia ny tsy maintsy hilanareo ny fiomanana. Aoka hianareo handinika ny Soratra Masina ho an’ ny tenanareo manokana mba hahatonga anareo ho afaka hahafantatra tsara fa ny fotoana izay iainantsika ankehitriny dia tena mampangitakitaka.” Témoignages pour l’ église, vol 2, p 79
“Ny fahefana ambony dia ambony ananan’ ny Fanahy Masina, dia manatanteraka fiovana feno eo amin’ ny toetran’ olombelona, ho tonga olona vaovao voaforona ao amin’ I Kristy. Rehefa feno ny Fanahy Masina ny olona iray dia arakaraka ny hamafin’ ny fizahan-toetra atao aminy sy handinihana azy, no hanehoany mazava tsara fa solon-tenan’ I kristy izy. Ilay fiadanana izay mitoetra ao anatin’ ny fanahy dia hita eo amin’ ny endrika. Ireo teny aloaky ny vavany sy ireo asa ataony dia maneho ny fitiavan’ ny Mpamonjy. Tsy misy ady azo atao mba hahatrarana ireo toerana ambony. Izany olona izany dia mitsipaka ny izaho. Ny anaran’ I Jesosy dia voasoratra eo amin’ ny zavatra rehetra lazainy sy ataony. (RH 10/06/1902) Commentaires bibliques, p. 322

144.000 IREO OLONA VOAISY TOMBO-KASE

6-Firy ireo olona izay ho voaisy tombo-kase eo amin’ ny Isiraely? Ny Isiraely ara- nofo sa ny Isiraely ara-panahy no ambaran’izany? Apok. 7 : 4 ; Rom. 8 : 28 ; 9 : 6-8



7-Iza avy no mandrafitra ilay antsoina hoe Isiraely ara-panahy ankehitriny? Inona avy ireo toetoetran’ Izy ireo? Ezekiela 20 : 12, 20 ; Eksodosy 31 : 13
 
“Hitako fa ny sabata masina no ilay rindrina mampisaraka ny tena Isiraelin’ Andriamanitra marina sy ireo tsy mpino, ary mbola ho izany ihany amin’ ny ho avy, ary hitako ihany koa fa ny sabata no ilay fahamarinana lehibe hampiray ny fon’ ireo zanak’ Andriamanitra.” Premiers écrits, p 33
“Mivavaka amin’ ny Tompo aho mba hahatonga ireo rahalahiko hahafantatra tsara, fa ny hafatra faha-telo dia mirakitra hevitra lehibe tokoa ho antsika, ary koa ny fitandremana ilay tena andro fitsaharana marina no tsy maintsy ho ilay mampiavaka ireo izay manompo an’ Andriamanitra amin’ ireo izay tsy manompo Azy.” Témoignages pour l’ Eglise, vol 3 p 148

8-Ahoana no fomba hanovana ny fiainan’ ireo izay mitandrina ny sabata masina? Moa ve ny famantaran’ Andriamanitra dia hitan’ny mason’ olombelona? Ezekiela 20 : 12
 Ho an’ireo izay mitandrina ny sabata, izy io dia famantarana ny fahamasinana. Raha tena voamasina marina izy ireo, dia miditra ao anatin’ ny firindrana amin’ Andriamanitra, ny toetran’ izy ireo dia mitovy amin’ ny toetran’ Andriamanitra. Ny fahamasinana dia omena amin’ ny alàlan’ ny fanekena ho fehezin’ ireo fitsipika izay maneho ny toetran’ Andriamanitra. Noho izany, ny sabata dia famantarana fa mpankatoa ilay olona. Ny olona iray izay mitandrina amin’ ny fony manontolo ny didy fahefetra dia hankatoa ny lalàna rehetra. Izany olona izany dia ho voamasin’ ny fankatoavana.” Témoignages pour l’ Eglise, vol 3, pp 16, 17
“Inona moa ilay tombo-kasen’ Andriamanitra velona izay apetaka eo amin’ ny handrin’  ny vahoakany? Io tombo-kase io dia famantarana anankiray izay hain’ ireo anjely vakiana, fa kosa tsy hain’ ny olombelona vakiana, satria tsy maintsy haseho ho hitan’ ilay anjely mpandainga io famantarana ho amin’ ny fanavotana io. (Lettre 126, 1898)” Commentaires bibliques, p 159
  
AVERINA  IANARANA SY MBA HO SAINTSAININA LALINA

-Inona no fifandraisana misy eo amin’ ny tombo-kasen’ ny Fanahy masina sy ny an’ Andriamanitra velona?
-Inona no porofo miharihary ho an’ny finoana, fa ny sabata no ilay tombo-kasen’ Andriamanitra velona?
-Inona no fiomanana tsy maintsy atao mba hahatonga ny fandraisana io tombo-kasen’Andriamanitra io ho zavatra azo heverina?

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire