jeudi 12 juin 2014

MANOROTORO NY LOHAN'NY MENARANA



“Dia ampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy no hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony” Genesisy 3: 15

NY FAHARESEN’ ILAY FAHAVALO

1.Oviana no tanteraka ilay faminaniana izay milaza fa ilay taranaky ny vehivavy no hanorotoro ny lohan’I Satana? Genesisy 3:15; Kolosiana 2:14b, 15


Nanondrika ny lohany Kristy dia maty, nefa nofikiriny mafy ny finoany sy ny fileferany tamin’Andriamanitra. “Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tonga ny famonjena sy ny hery sy ny fanjakan’Andriamanitsika, ary ny fahefan’I Kristiny, satria nazera ilay mpiampanga eo anatrehan’ Andriamanitsika andro aman’alina”
Hitan’I Satana fa afaka ny nanaronany ny fitaka nataony. Mivelatra mivandravandra eo anatrehan’ ireo anjely tsy nanota sy eo anatrehan’ izao rehetra izao any an-danitra ny fomba fitondrany. Hita teo ny maha-mpamono olona azy… 
“Nasehon’i Kristy marimarina tamin’ny marina sy ny rariny, fa tsy mamono ny famindrampon’Andriamanitra ny fahamarinan’ny lalàna ary azo atao ny mankatoa azy tanteraka. Voatosika ny fiampangan’ I Satana.” Ilay Fitiavana Mandresy pp 762, 765

2.Inona ilay fitaka nataon’I Satana izay afa-tsarona tamin’ny alàlan’ny hazo fijalian’I kristy? Lioka 2: 35


“Raha tsy teo amin’ ny fahafatesan’ I Kristy dia tsy niseho mazava tamin’ ny anjeliny na tamin’ ireo izao tontolo izao tsy lavo ny toetra amam-panahin’ I Satana. Nanafy ny tenany tamin’ ny fitaka ilay filohan’ ny mpihemotra ka na dia ireo masina aza tsy nahazo ny foto-kevitra narosony…
« …Ny tena tanjon’i satana : dia ny hanala ny satroboninahitr’Andriamanitra sy hanimba izay miaina amin’izany fitiavan’Andriamanitra izany…
“Hitan’ I Satana fa afaka ny nanaronany ny fitaka nataony. Mivelatra mivandravandra eo anatrehan’ ireo anjely tsy nanota sy eo anatrehan’ izao rehetra izao any an-danitra ny fomba fitondrany. Hita teo ny maha-mpamono olona azy. Tamin’ny nandatsahany ny ran’ny Zanak’Andriamanitra, dia very taminy ny fisakaizan’ireo mponina tany an-danitra.” Ilay Fitiavana  Mandresy 762, 41, 765

3.Nanombo ny Zanak’Andriamanitra tamin’ny hazo fijaliana izy ireo rehefa voaraoka niala tany an-danitra. Inona no vokatr’izany? Apokalipsy 12: 9,10

Nanomboka tany amin’ny kiajan’ny lanitra ny fanoherana ny lalàn’Andriamanitra, ka I Losifera, ilay Kerobima mpiaro no nanao izany.
“Rehefa izany dia nisy ady tany an-danitra, ary satana sy ireo rehetra izay nifanaraka taminy, dia noroahina niala tany an-danitra”. Commentaires bibliques, p 401
“Nanondrika ny lohany Kristy dia maty nefa nofikiriny mafy ny finoany sy ny fileferany tamin’ Andriamanitra. ‘Dia nahare feo mahery tany an-danitra aho nanao hoe: Ankehitriny dia tong any famonjena sy ny hery sy ny fanajakan’ Andriamanitra ary ny fahefan’ I Kristiny, satria nazera ilay mpiampanga azy eo anatrehan’ Andriamanitra andro aman’ alina’.”Ilay Fitiavana Mandresy p 820
“Ny fandroahana an’I Satana niala tany an-danitra tamin’ny maha mpiampanga an’ireo rahalahy azy, dia vita tanteraka tamin’ilay asa lehibe nataon’ I Kristy, tamin’ny alàlan’ny nanolorany ny ainy.” Commentaries bibliques p. 402

4.Voaraoka niala tany an-danitra I satana, satria resin’ ilay Arik’anjely Mikaela. Rehefa izany ary, ahoana no fomba ahafahany manohy miampanga an’ireo rahalahy eo anatrehan’ Andriamanitra? Joba 1: 6, 7; Jaona 12: 31


“Tsy ny olombelona ihany tsy akory no latsaka teo ambanin’ ny herin’ i Satana ka tokony ho vonjena fa ny tany koa. “Fa izay maharesy ny olona dia mahandevo azy.” Natolotra an’ I Adama ny fanapahana ny tany rehetra. Nefa rehefa nanaiky ho resin’ ny fakam-panahy izy, dia lasan-ko babo ary ny fanjakany dia azon’ ilay mpandresy. Toy izany no nahatonga an’ I Satana ho “andriamanitr’izao tontolo izao”. Raha nanaiky handoa ny onitra noho ny ota ny Mpamonjy dia tsy ny olona ihany no avotany amin’ izany fa ny tany izay efa nielezan’ ny fahotana koa.”Patriaka sy Mpaminany p. 45
« Satana dia “mpiampanga ny rahalahy” ary ny fanahiny no manainga ny olona hanara-maso ny fahadisoana sy ny fahalemen’ ny vahoakan’ I Jehovah, ary harangaranga ho hitan’ ny olon-drehetra nefa ny asa tsara ataony dia tsy misy mahita. Mifofotra mafy mandrakariva izy rehefa miasa Andriamanitra ho famonjena ny fanahy. Rehefa tonga ireo zanak’ Andriamanitra hiseho eo anatrehan’ i Jehovah, dia mba tonga teo koa Satana.” - Hery mifanandrina, pp. 409


FANJAKAN’ NY FAHASOAVANA

5.Oviana no very niala tamin’I satana ny fahefana nanany teto ambon’ ity tany ity? Vokatr’izany, fanjakana inona no tafaorina? Isaia 61:2; Hebreo4:16 ; Matio 4:17 ; Lioka 17: 21


“Ny fanapahan’ I Satana dia izay nalainy an-keriny tamin’ I Adama, nefa I Adama dia mpitantana mpanampy ny mpamorona.” Ilay Fitiavana Mandresy, P 119
“Naorina avy hatrany taorian’ ny nahalavoan’ ny olona ny fanjakam-pahasoavana fony namolavola drafitra hoenti-manavotra ny taranak’ olombelona meloka Andriamanitra .Efa nisy izy tamin’ izany , voafono tao amin’ny planin’Andriamanitra sy tamin’ny alàlan’ny teny fikasany, ary azon’ny olombelona atao ny ho tonga ho anisan’izany tamin’ny alàlan’ny finoana . Nefa tsy mbola tena tafaorina marina izany raha tsy tamin’ny fahafatesan’I Kristy.” Hery Mifanandrina, p 362

“Na inona na inona fihantsiana dia tsy ho azony hatao intsony ny hiandry ireo anjely raha avy any amin’ ny lapan’ ny lanitra ireo ary hanameloka ny rahalahin’ I Kristy eo anatrehany izay lazainy fa nitafy ny fitafian’ ny famaizana sy ny loton’ ny fahotana. Tapaka ny fatorana farany nampiray fo an’ I Satana sy izao tontolo izao any an-danitra.”Ilay Fitiavana Mandresy p. 821

6.Inona ilay fanomezana noraisin’ ireo vahoakan’ny fanjakam-pahasoavana? Efesiana 1: 7; I Petera 5: 10


“Mitaky fahamarinana ny lalàna, fiainana marina, toetra amam-panahy tanteraka ; ary tsy manan-komena an’ izany ny olona. Tsy afaka manome fahafaham-po ny fitakian’ ny lalàn’ Andriamanitra masina izy. Nefa raha tonga teto an-tany tamin’ ny maha olona Azy Kristy dia efa nivelona tamin’ ny fiainana masina ary efa nahavanona toetra amam-panahy tanteraka. Ireo dia atolony ho fanomezana maimaim-poana ho an’ izay rehetra mandray Azy. Ny fiainany no mijoro ho solon’ ny fiainan’ ny olona. Amin’ izany fotoana izany dia mahazo famelana tamin’ ny fiainany lasa ny olona noho ny faharipon’ Andriamanitra.  Ary mihoatra noho izany aza dia vontosan’ I Kristy amin’ ny toetran’ Andriamanitra ny olona. Manorina ny toetra amam-panahin’ ny olombelona Izy hanampitoviana amin’ ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra, dia sangan’ asa kanto feno hery sy hatsaran-tarehy ara-panahy. Amin’ izany dia tanteraka mihitsy ao amin’ ny mpino an’ I Kristy ny fahamarinana izay mino an’ I Jesosy.” Ilay Fitiavana Mandresy p 822

7.Inona ilay fahadisoan-kevitra hafa izay naelin’ I satana mba hanoherany an’ ilay fanjakam-pahasoavana?  Daniela 7: 25; Hosea 8: 1


“Ankehitriny dia fitaka hafa no narosony. Nilaza I satana fa mamono ny fahamarinana ny famindram-po, fa nanafoana ny lalàn’ ny Ray ny fahafatesan’ I Kristy. Raha azo atao ny nanova na nanafoana ny lalàna dia tsy ilain’ I Kristy ny ho faty nefa ny fanafoanana ny lalàna dia nampaharitra mandrakizay ny fandikan-dalàna, ka nametraka izao tontolo izao teo ambanin’ ny fanapahan’ I Satana, satria tsy azo atao ny nanova lalàna. Satria tsy azo vonjena ny olona raha tsy amin’ ny alalàn’ ny fankatoavana ireo foto-kevitra ao, dia izany no antony nanandratana an’ I Jesosy teo amin’ ny hazo fijaliana. Nefa ny fomba indrindra izay nanorenan’ I Kristy ny lalàna no asehon’ i Satana ho nandrava azy. Eo no hahatonga ny ady farany eo amin’ ny fifanoheran’ I Kristy sy Satana.” Ilay Fitiavana Mandresy pp. 823
“Ilay fahalavoan’ny zavatra rehetra izay tsara dia nanova an’ ilay tsato-kazo fanoroana izay nanondro ny làlana mankeo amin’ny tsy fankatoavana, toy ny hoe io no làlana mankeo amin’ny hasambarana… Izy dia nanantena hanova ireo fotoana sy ireo lalàna ( R M 17-04-1900) Commemntaires bibliques, p 170.

8.Mandritra ny hafiriana no mbola hitohizan’ ny ady ataony hanoherany ny lalàn’ Andriamanitra? Isaia 24: 5 ; Salamo 74: 10 ; 94: 3


“Azo antoka fa hanamboatra ny lalàny ny olona mba hanoherana ny lalàn’ Andriamanitra. Hiezahany izay hanereny ny foen’ ny fiheritreretan’ ny hafa ary nohon’ ny hafanam-pony hanamafy ireny lalàna ireny dia hampahory ny mpiara-belona aminy izy.
Ny ady atao amin’ ny lalàn’ Andriamanitra izay nanomboka tany an-danitra dia hitohy hatramin’ ny faran’ ny andro. Hosedraina ny olona tsirairay. Fankatoavana na tsy fankatoavana izany no zavatra tsy maintsy hotapahan’ izao tontolo izao manontolo. Hantsoina ny rehetra hisafidy  any lalàn’ Andriamaitra  any lalàn’ olombelona. Eo no hamaritana ny faritra fampisarahana. Tsy hisy afa-tsy antokon’olona roa. Samy ho tonga eo amin’ ny fahafenoany ny toetra amam-panahin’ ny tsirairay; ary hasehon’ ny rehetra izay nofidiny  any hiandany amin’ ny fahatokiana amin’ Andriamanitra na amin’ ny fikomiana.” Ilay Fitiavana Mandresy PP 768, 769

MBA HAVERINA IANARANA SY HO SAINTSAININA LALINA.

.Oviana no voatorotoro ny lohan’I Satana?
.Oviana no nanomboka ilay fanjakam-pahasoavana, ary inona no tombotsoa manokana ananan’ ireo vahoaka ireo?
.Inona ireo fitaka sasantsasany izay ataon’I satana ankehitriny?

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire