mercredi 11 juin 2014

ANDRIAMANITRA DIA FITIAVANA


« Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan’ Andriamanitra antsika, Andriamanitra dia fitiavana ary izay mitoetra amin’ ny fitiavana no mitoetra ao amin’ Andriamanitra, ary Andriamanitra no ao aminy. » 1 Jaona 4 : 16

Ny toetran’Andriamanitra

1.Ahoana no nanambaran’Andriamanitra ny voninahitry ny toetrany ? Eksodosy 34 : 6, 7 ; Salamo 89 : 15

« Feno fangorahana ny zanany izay mijaly Andriamanitra. Aiza ireo fahotana tena lehibe mba ho amindrana fo ? Izy dia mpamindra fo, ambony lavitra noho ny fanamelohana ny famindram-pony. Manana fo mangoraka tokoa Izy ka tsy mikaroka izay ratsy manimba antsika ao anatintsika ao, satria fantany ny momba antsika ; tsaroany mandrakariva fa vovoka isika. Ary ao anatin’izany fangorahany tsisy fetra izany, dia manarina antsika Izy raha lavo isika, tia antsika hatrany Izy na dia mbola mpanota aza isika, tsy esoriny amintsika ny fahazavany, fa kosa mampamirapiratra izany amin-tsika Izy noho ny fitavan’i Kristy. » Messages choisis, vol 2, p
«Amin’ny zavatra rehetra izay ataon’Andriamanitra ho an’ny vahoakany, ny fitiavana sy ny famindram-po dia tsy afa misaraka amin’ny tena fahamarinana. Ahitana porofo maro ny amin’izany tamin’ny tantaran’ny  Hebreo... “ Tahaka ny voromahery  iray izay miaro ny akaniny, manidina manodidina ny zanany, ary manokatra ny elany haka azy ireo hiaraka aminy ka entiny amin’ny volony;
Dia tahaka izany: Andriamanitra irery ihany no mitarika ny vahoakany”

2.Amin’ny fomba mahavariana manao ahoana no nanehoan’ Andriamanitra ny toetrany ? Salamo 19 : 2 ; Romana 1 : 20

«Ny voahary manontolo dia manambara ny fitiavan’ilay Nahary.Tsy alahelo sy fahoriana fotsiny ihany akory  no eto amin’ity tany ity. Ireto teny telo ireto: “Andriamanitra dia Fitiavana” dia misoratra isaky ny vonim-boninkazo sy eny amin’ny ahitra tsirairay. ... Ny tanjon’ny fiarovany sy ny didiny dia tsy hanaporofo fotsiny ny fanjakany, fa amin’ny zavatra rehetra ataony dia mitsinjo izay mahasoa ireo zanany Izy. » Patriarches et prophètes, pp. 586, 587
« Ny lesona voalohany indrindra tokony hampianarina ny ankizy dia hoe Andriamanitra no Rain’izy ireo. Izany lesona izany dia tsy maintsy omena azy ireo mandritra ireo taona voalohany iainany. Tsy maintsy azon’ny ray aman-dreny tsara fa tompon’andraikitra eo anatrehan’Andriamanitra izy ireo amin’ny fampahafantarana ny zanany ilay Rain’izy ireo any an-danitra…Andriamanitra Fitiavana no tsy maintsy ampianarina amin’ny lesona tsirairay. » (Review and Herald, 6 Juin 1899) Child Guidance, p 487

3.Inona no nambaran’ny Apostoly Jakoba mikasika ny fitiavan’ Andriamanitra ?  Jakoba 1 : 17. Inona no hitantsika ao amin’ilay fifanoherana misy eo amin’ny tsara sy ny ratsy mandritra ny tantara rehetra ?



« Ny tantaran’ilay ady lehibe ifanaovan’ny tsara sy ny ratsy hatramin’ny andro niantombohan’izany tany an-danitra ka mandra-pahatongan’ny fotoana hanafoanana tanteraka ny fikomiana amin’ny farany sady hande- vonana ny fahotana, dia maneho miharihary ny fitiavana tsy manam-piovana ananan’Andriamanitra. » Patriarka sy Mpaminany p 12
« Taorian’ny fandikan-dalàna nataon’i Adama, dia azon’Andriamanitra natao ny nanimba ny voninkazo rehetra vao mitsimoka sy efa misy bokony, na koa nanaisotra nyfofony manitra. Eto amin’ity tany voaozona, maina sy arafesina ity, ny lalànan’ny fanamelohana dia azo vakiana eny amin’ireo kirihitra, ireo ravina maina, ireo tsilo, sy ny ahi-dratsy rehetra ; kanefa ny lokony mahafinaritra sy ny fofona mameroveron’ireo voninkazo dia manambara amintsika fa tia antsika mandrakariva Andriamanitra, ary tsy mbola niala tanteraka teto ambonin’ny tany ny famindram-pony. (Review and Herald, 8 Novembre 1898) » Messages choisis, vol 1 p 291


Miharihary ny haben’ny fitiavany

4.Inona ny fanehoana miharihary sy lehibe indrindra  ny fitiavan’ Andriamanitra ? 1 Jaona 4 : 9 , 10 ; Jaona 3 : 16
« Ny drafitry ny famonjena no porofon’ny fitiavana sy ny fahamarinan’Andriamanitra, amin’ny nanekeny ny nanaovana manda mandrakizay hiarovana amin’ny fihemorana mba tsy hahazo ireo tontolo izay tsy nanota, ary koa amin’ireo olona rehetra izay novidian’ny ran’Ilay Zanak’Ondry. Ny fanantenana tokana ho antsika dia ny fahatokiana tanteraka ny ràn’ilay afaka ny hamonjy ireo izay manatona an’Andriamanitra amin’ny alàlany. Ny fahafatesan’i Krsity teo amin’ny hazo fijalian’i Kalvary  no hany fanantenana tokana ho an’izao tontolo izao, ary izany ihany koa no loha-hevitra hianarana any amin’ilay fiainana ho avy… Ny fanomezan’Andriamanitra Ilay Zanany tiany indrindra no fanehoam-pitiavana tsy takatry ny saina nataony ho antsika. (The signs of the times, 30 Décembre 1889). » Commentaires Bibliques, p 237

« Ny fitiavana dia toetran’ny lanitra. Ny natioran’ny fo dia tsy afaka ny hamokatra io fitiavana io. Izany vonikazo avy any an-danitra izany dia tsy maniry raha tsy ao anatin’ny fo izay anjakan’i Kristy. Ao amin’izay misy ny fitiavana, no misy ny hery sy ny fahamarinana ao amin’ny fiainany.  Ny fitiavana dia tsy manao afatsy ny marina ary ny marina ihany. Ireo izay manana fitiavana dia manana vokatry ny fahamasinana eo amin’ny fiainany ary amin’ny farany dia hahazo ny fiainana mandrakizay. (The Youth’s Instructor, 13 Janvier 1898) » Commentaires Bibliques p 380

5.Inona no nesorina mandrakizay tamin’ilay fitiavan’Andriamanitra izay nasehony teo amin’ny hazo fijaliana ? 1 Jaona 3 : 18 ; II Timoty 1 : 10 ; Hebreo 2 : 14

« Ny fahafatesan’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana dia niantoka ny faha-potehan’ilay nanana ny herin’ny fahafatesana izay fototry ny fahotana.  Rehefa potika satana  dia tsy hisy intsony olona izay hanandrana hanao ratsy ; tsy ilaina intsony ny hamerina indray ny sazy,ary tsy atahorana intsony ny hisian’ny fikomiana indray any amin’ny tontolon’Andriamanitra hafa any. Ilay tokana izay afaka ny hanosika ny fahotana eto amin’ity izao tontolo izao anaty haizina ity, no hanakana ihany koa ny fiverenan’ny fahotana indray any an-danitra. Ireo Masina sy ireo anjely dia hahafantatra ny hevitry ny fahafatesan’i Kristy. Ireo olona very dia tsy afaka ny hanana fonenana any amin’ilay paradisan’Andriamanitra raha tsy nisy ilay Zanak’ondry maty hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao. Ka moa ve tsy ho ankalazaintsika izany hazo fijalian’i Kristy izany ? Ireo anjely dia mankalaza sy manome voninahitra an’i Kristy, satria na dia izy ireo aza dia tsy manana antoka raha tsy mandinika tsara izany hirifirin’ilay Zanak’Andriamanitra izany. Voaro amin’ny fihemorana ireo anjelin’ny lanitra noho ny herin’ny hazo fijaliana. Raha tsy misy ny hazo fijaliana dia tsy ho voaro amin’ny ratsy tahaka izay nahalavo ireo anjely talohan’ny fianjeran’i satana izy ireo. Lavo tany an-danitra ny fahatanterahan’ireo anjely. Ny fahatanterahan’ny olombelona dia lavo tany Edena ilay paradisan’ny fahasambarana. Ireo rehetra izay maniry ny ho voaaro eto an-tany na any an-danitra dia tsy maintsy mihazakazaka eo amin’ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra. » Commentaires Bibliques pp 236, 237


Ireo fanambarana hafa ny fitiavan’Adriamanitra

6.Taiza no nafindra ireo maha-izy azy ny toetran’Andriamanitra ? Eksodosy 13 : 9 ; 24 : 12 ; Salamo 19 : 8, 9


«Moa va  ny lalàn’ny Avo Indrindra dia tsy fanehoana ny toetrany, maneho ny  endriky ny fitsipiky ny fanjakany? Izay mandà tsy hanaiky ireo fitsipika ireo dia mitoetra any ivelan’ny lakan-drano izay ikorianan’ny fitahian’Andriamanitra» Les paraboles de Jésus, p. 265.
« Lalàna marina, lalàm-pitiavana, lalàna ambony sy masina, antoky ny fahasambaran’ireo mpanompony izay manompo Azy amim-pifaliana, no fototra iorenan’ny fanjakany. Tsy fankatoavana an-jamba fa entanim-pitiavana sady feno fahatokiana sy feno fiderana no irin’Andriamanitra hananan’ny olony. Tsy azony ekena ny fankatoavana an-terisetra ka izany no nanomezany azy safidy malalaka izay fepetra tena ilaina indrindra eo amin’ny fanompoana an-tsitrapo. » Patriarka sy Mpaminany p 11

7.Toetran’iza no nasehon’i Jesosy tamin’ny fahatanterahana fony Izy teto an-tany ? Jaona 15 : 19 ; 14 : 9

« Ny voninahitry ny Ray dia niseho tao amin’ny Zanaka ; Nampiseho ny toetran’ny Ray i Kristy.  Tanteraka tokoa ny fifandraisany tamin’Andriamanitra, ary  voafono tanteraka tamin’ny fahazavany Izy, noho izany,  izay nahita ny Zanaka dia nahita ny Ray ihany koa.. Ny feony dia feon’Andriamanitra… » Commentaires Bibliques p 245
«  Ny asan’i Jesosy dia ny hanambara ny toetran’Andriamanitra sy ny hampahafantatra ny Fahamarinana izay nambarany tamin’ny alàlan’ny Mpaminany sy ny Apostoly ; kanefa tsy nisy toerana ho an’ny Fahama-rinana teo amin’ireo olona hendry sy mailo. Kristy ilay làlana sy faha-marinana ary fiainana, dia voatery namela ireo fariseo niaraka tamin’ny fahamarinan’izy ireo ka nifidy ireo mpianany tao anatin’ireo mpanarato tsy mahalala na inona na inona sy  tamin’ireo olona manetry tena sy sahirana. » Commentaires Bibliques p 193

8.Araka ny drafitr’Andriamanitra, inona no tokony ho voataratra sy voaseho eo amin’ny fiangonan’Andriamanitra eto an-tany ? Efesiana 3 : 10, 11, 21

 
“Hatramin’ny voalohany dia drafitra nataon’Andriamanitra ny hampitaratra amin’izao tontolo izao ny fahafenoany sy ny fahampiany. Tokony haneho miharihary ny voninahiny  ny mambra ao amin’ny fiangonana, dia izay nantsoiny hiala amin’ny maizina ho amin’ny fahazavana mahagaga. Ny fiangonana no nametrahany ny haren’ny fahasoavan’i Kristy; ary amin’ny alàlan’ny fiangonana no nanehoana farany ny fitiavan’Andriamanitra ka hivelomany amin’ny fomba hentitra sy feno, eny, na dia amin’ireo ‘ fanapahana sy fahefana any an-danitra aza’.”(Efesiana 3: 10) Vavolombelona Mahery p 11

Mba haverina ianarana sy ho saintsainina lalina :

.Tamin’ny fomba ahoana sy tamin’ny alàlan’iza no nanehoan’Andriamanitra ny toetrany ?
. Ho an’iza no nanehoana ireo toetran’ny fitiavana ?
. Inona no tanjon’Andriamanitra tamin’ny nanorenany ny fiangonany ?

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire