jeudi 12 juin 2014

ILAY ADY VOALOHANY TANY AN-DANITRA

« Ary nisy ady tany an-danitra, Mikaela sy ny anjeliny niady tamin’ ilay dragona ary ilay dragona mbamin’ ny anjeliny koa dia niady. » Apokalipsy 12 : 7

Ilay ady tany an-danitra

1-Taiza no nipoaka ilay ady voalohany, ary inona no antony nampisy io ady io ? Apokalipsy 12 : 7, 8 ; Isaia 14 : 12-14

« Norotsirotsin’ny hevitra feno hambom-po tsikelikely teny anefa i Losifera... Nihevitra io Anjely mahery io fa ny voninahitra lehibe natolotr’Andriamanitra azy dia efa azy rahateo. Tsy afa-po tamin’ny toerana maha-filohan’ny anjely azy izy fa sahy nitsiriritra koa na dia  ny haja amam-boninahitra azaizay mendrika hatolotra ny Mpamorona samirery. Tsy mba namporisika ny vahoaky ny lanitrahanao an’Andriamanitra ho hany Tokana mendrika hivavahana sy hankatoavina izy, fa nataony kosa izay hitiavan’izy ireo azy sy hanompoany azy amin-toetra mahatoky ary na dia ny voninahitra nomen’Ilay tsy manam-petra ho an’ny Zanany ho tombon-tsoan’izy io manokana aza dia sahiny notsiriritina.» Patriarka sy Mpaminany p 11, 12
« Losifera dia nialona an’i Jesosy Kristy…Ny fony dia feno fankahalana sy fitsiriritana. Kristy dia nandray anjara tao amin’ilay fivoriana voatendrin’Andriamanitra manokana ho an’ireo drafitra nomaniny, ary tsy fantatr’i Losifera izany drafitra izany. Naniry ny hitovy tantana tanteraka tamin’Andriamanitra mihitsy i Losifera… Nahoana no tsy maintsy nomena an’i Jesosy ny haja mihoatra noho ny haja nomena azy ? » L’histoire de la rédemption p 12
« Fitadiavana ny ho an’ny tena samirery no niandohan’ny fahotana. Naniry ny ho voalohany tany an-danitra i Losifera. » Ilay Fitiavana Mandresy p 11

2-Azo heverina ve ny hoe ny zavatra noforonina no mitolona manohitra ny Mpamorona azy ? Hevero ny antony nahatonga ilay ady izay noforonin’i Satana . Ezekiela 28 :14, 15
« Nanomboka tao amin’i Satana ny fahotana raha mbola anjely ambony laharana tao an-danitra izy. Nanana voninahitra lehibe tokoa teo amin’ireo anjely izy. Ny famantarana voalohany nanehoany fa tsy faly izy dia ny nanehoany ny faniriany hitovy amin’Andriamanitra sy mba ho tompoina tahaka Azy. Ary dia nihezaka ny hanova ny tenin’Andriamanitra sy ny endriky ny drafitr’asany mba hananganany ny fitondrany eo anatrehan’ireo anjely satana.Nolazainy fa tsy marina Andriamanitra satria manao didy jadona mba hifehezany ireo mponin’ny lanitra amin’ny alàlan’ireo didiny sy ny lalàny. Nosoritsoritany fa Andriamanitra dia mitaky tombontsoa ho an’ny tenany manokana, ary tahaka izany ihany koa Kristy, rehefa izany ary hoy izy, nahoana ireo anjely no ho takiana mba tsy hitady ny tombontsoany manokana ? » Review and Herald, 9 Mars 1886
Hatrany amin’ny fiantombohan’ilay ady lehibe, ny planin’ilay mpandainga voalohany dia ny hanala baraka ny toetran’Andriamanitra sy ny hanomana fikomiana hanohitra ny lalàny. Ary io fikasany io dia toa nahazo ny lazany...
«Nitarika an’i satana hanohitra ny lalàna rehetra tsy ankanavaka amin’ny didy folo ny fankahalany ny didin’Andriamanitra. » Patriarka sy Mpaminany p 339
 « Azon’Andriamanitra natao ny namotika an’i satana sy ireo izay misakaiza aminy, mora taminy tahaka antsika mitora-bato izany, kanefa tsy nataony izany satria ny fikomiana dia tsy tokony horesena amin’ny alàlan’ny hery. » Jésus-Christ p 758
Ilay ady nanoherana ny lalàna
3.Inona ireo fanoherana nataon’i satana tany an-danitra, ary inona no mbola tohizany anolorany hevitra ankehitriny ? Nahoana ? Salamo 19 : 8 ; 119 : 89

« Hatrany am-boalohany, ilay ady lehibe dia nanohitra ny lalàn’Andriamanitra. Napangain’ satana ho tsy marina ny Tompo, ny lalàny dia nolazainy fa tsy tanteraka, ka tsara raha mitaky ny hamerenana ny handinihina azy indray izao tontolo izao. Tamin’ny nanafihany Azy, ny tanjon’ilay mpikomy dia ny hanmpitsimbadika ny fahefana . Ny tohin’ilay ady no hampiseho raha toa ka efa simba tokoa ny fitsipika napetrak’Andriamanitra ka tokony ho soloina, na kosa tanteraka ireny ka tsy azo ovaina.”  Jésus-Christ p 758
«Ny làlana izay nambaran’ny vavan’Andriamanitra dia simba, ka tokony ho amboarina ny sasantsasany amin’izy ireo: izany no ambaran’i satana ankehitriny.
“Hatramin’izay,’ ny lalàn’Andriamanitra dia tanteraka’, ny mihataka amin’izany na dia kely monja aza dia tsy tsara. Kristy dia manameloka ireo izay mandika ireo didin’Andriamanitra, ary mampianatra antsika ihany koa Izy hanao toy izany.” Jésus-Christ p 768, 297

4-.Mety ho afaka ny hitovy amin’Ilay Andriamanitra Mpamorona ve i satana ? Ny fitondrana papaly dia nanadra-tena ho eo ambonin’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny niezahany nanova ny lalàna masin’Andriamanitra. Inona ilay antony noraisin’i satana ka nanambarany fa ny lalàn’Andriamanitra dia tsy maintsy ovaina ? Matio 5 : 17-19

   «Amin’izany, ny herin’ny papa dia hisandratra miharihary ho ambonin’Andriamanitra...
“Kanefa rehefa apetraka ho lalàna ny fitandremana ny andro alahady, ary izao tontolo izao dia hanana ny fahazavana mikasika ilay andro fitsaharana tena izy, amin’izay fotoana izay, izay olona manome voninahitra an’i Roma fa tsy an’Andriamanitra, dia manaja ilay dragona fa tsy manaja an’Andriamanitra.... » La tragédie des siècles  p 484, 486

Ny fitaka ataon’i satana mikasika ny lalàna

5.Inona ilay fitaka nampiasain’i satana tao an-danitra mba hamelezany ny lalàn’Andriamanitra ? Mpitoriteny  12 : 15 ; 1 Jaona 5 : 2,3

« Nasehony fa raha ilaina ho an’ny mponina amin’ny tany samihafa izay noforonin’Andriamanitra ny didy, dia tsy ilaina kosa izany eo amin’ny anjely izay ambony noho ireny sady afaka hitondra tena samy irery araka ny fahendrena izay ananany. Raha ny amintsika, hoy izy, dia tsy misy mety hahavoa ny hajan’Andriamanitra. Masina avokoa ny eritreritsika rehetra. Toa an’Andriamanitra Izay tsy mety ho latsaka amin’ny fahadisoana isika”» Patriarka sy Mpaminany p 13, 14
« Niasa rtamin’ny fomba miafina sy mangina satana, ary nafeniny aloha ny tea fikasany tamin’ny endrikiny fanajana an’Andriamanitra  ka niezahany ny hamohafoha tsy fahafaham-po  moba ny lalàny izay mifehy ny mponin’ny lanitra, ary narosony miandalana tamin’izany ny hevitra fa mahatonga fanaovana didy jadona amin’ny fameperana tsy misy ilana azy izany. Satria masina izy ireo, dia nohantitranteriny fa tokony hankato ny baikon’ny sitrapon’ny tenany  anjely.” » Hery Mifanandrina p 512

6.Raha ampitahaina ny fanambaran’i satana manao hoe ny lalàn’Andriamanitra dia diso amin’ilay fanambarana fa fanehoana ny toetran’Andriamanitra ny lalàny, dia inona no fehin-kevitra izay tsy maintsy hahatongavantsika ? Salamo 111 : 7 ; 119 : 72 ; 126-128

«Ny lalàn’Andriamanitra izay fitaratry ny sitrapony sy fanehoana ny toetrany sy ny fahendreny ary ny fitiavany, dia masina indrindra toy ny maha-masina ny tenany ihany...” Patriarka sy Mpaminany p 34 
“Ny lalàna no fanehoana ny fisainan’Andriamanitra ; rehefa raisintsika amin’i Kristy izany, dia lasa fisainantsika ihany koa. Ary dia hasandrany ho ambonin’ireo faniriana sy fironan’ny nofo isika, ho ambonin’ireo fakam-panahy izay mitarika antsika hanota. Ny hahasambatra antsika no tadiavin’Andriamanitra, ary ny hananantsika fifaliana no antony naomezany antsika ny lalàny. » Jésus-Christ p 296

7.Inona no vokatr’ilay filazana nataon’i satana fa ny lalàn’Andriamanitra dia tsy hay tandremana ? Ahoana no fomba nanoheran’i Jesosy io lainga io ? I Jaona 3 : 4, 8
« Rehefa nipoaka ilay ady lehibe, dia nambaran’i satana fa tsy azo tandremana ny lalàn’Andriamanitra, ary ny fahamarinana sy ny famindram-po dia tsy azo ampitahaina, ary raha toa ka voadika io lalàna io, dia tsy hisy famelan-keloka ho an’ilay mpanota mihitsy...”
“ Kanefa Andriamanitra dia tsy nanome lalàna izay tsy azon’ny olona rehetra ho  tandremana mihitsy...”Jésus-Christ  p 766, 186
«Ambaran’i satana fa tsy afaka ny hitandrina ny didin’Andriamanitra mihitsy ny olombelona. Marina izany raha toa ka miankina amin’ny herin’ny tenantsika isika, fa raha toa ka miaina sy mitandrina tanteraka izany lalàna izany isika, dia noporofoin’i Kristy fa ny fankatoavana ny ireo didin’Andriamanitra dia afaka ny ho tanteraka raha toa ka miray ny maha-Andriamanitra sy ny maha-olona.» Les paraboles de Jésus  p 186

Ny drafitr’Andriamanitra

8.Inona no antony mahatonga an’i satana maneho fa ny fandikan-dalàna nataon’i Adama dia maneho fa tsy hay tandremana ny lalàn’Andriamanitra ? Inona no vokatry ny fandikan-dalàna ? Genesisy 2 : 17


« Rehefa nipoaka ilay ady lehibe, dia nambaran’i satana fa tsy azo tandremana ny lalàn’Andriamanitra, ary ny fahamarinana sy ny famindram-po dia tsy azo ampitahaina, ary raha toa ka voadika io lalàna io, dia tsy hisy famelan-keloka ho an’ilay mpanota mihitsy...” Jésus-Christ p 766
« Noraisin’i Adama ilay voankazo ary nohaniny faingana. Rehefa izany dia faly satana. Izy dia efa nikomy hatrany an-danitra ary nahazo mpiombon-kevitra aminy izy, izay tia azy sy niaraka taminy tao amin’ilay fikomiany. » Premiers Ecrits p 148
“ Nararaotin’i satana ny fahalavoan’i Adama mba hanohanany ny heviny fa tsy ara-drariny ny lalàn’Andriamanitra ary tsy azo ankatoavina izany.” Jésus-Christ p 97

9.Raha toa ka tsy mankatoa ny lalàn’Andriamanitra ny olona iray, na mino fa zavatra tsy hay atao ny fankatoavana Azy, dia miandany amin’iza izany olona izany ? Romana 6 : 16 ; I Jaona 3 : 8a


Mba haverina ianarana sy ho saintsainina lalina

. Inona no zavatra azon’Andriamanitra natao tamin’i satana nandritra ilay ady tany an-danitra ?
. Inona ny ady izay itarihan’ny fahavalo ny olona eto ambonin’ny tany, ary inona no vokatra jinjain’ireo izay manaraka azy ?
. Koa satria fantatrao izay tian’Andriamanitra hamolavolana anao amin’ny lalàny, inona izany no mba fanirianao ?

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire