“Ary hitako fa indro nisy anjely hafa koa niakatra avy tany amin’ ny
fiposahan’ ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen’ Andriamanitra velona; ary
izy niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina
tamin’ ny feo mahery hoe: …” Apokalypsy
7 : 2
ILAY ANJELY MIHAZONA NY FANOMBOHAN-KASE
1-Inona no hitan’ I Jaona apostoly niakatra tandrify
ny masoandro miposaka? Inona no hafatra nambaran’ io anjely tamin’ny teny mafy?
Apokalypsy 7 : 2, 3
Apok 7:2 Ary hitako fa, indro, nisy anjely hafa koa niakatra avy tany amin'ny
fiposahan'ny masoandro, nanana ny fanombohan-kasen'Ny Avo-indrindra velona; ary
iry niantso ny anjely efatra izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina
tamin'ny feo mahery nanao hoe:3 Aza manimba ny tany, na ny ranomasina, na ny hazo, mandra-panisinay
tombo-kase eo anin'ny handrin'ny mpanompon'Andriamanitsika.
2-Moa ve ny teny hoe “fiposahan’ ny masoandro”
manondro fizotra iray sa toetra iray voafaritra manokana? Ampitahao izany amin’
ny hoe ireo varavarana rehetra ao amin’ ny fitoerana masina dia mitodika
miantsinanana? Apokalypsy 7 : 2 ; Jaona 10 : 9
“Taorian’ izany ilay anjely izay niaraka tamiko dia
nitarika ahy indray nankao amin’ ilay tanàna izay nahitako anjely efatra izay
nanidina nankeo amin’ ny varavarana…
“Hitako fa ireo anjely efatra dia niomana
hanatanteraka ilay asa izay nasaina mba ho tanterahin’ izy ireo eto ambonin’ ny
tany. Nitafy ireo fitafiana maha-mpisoronabe Azy Jesosy. Nijery
tamim-pangorahana ireo olom-boafidy (ny sisa izay nahatoky tsy nivadika) Izy,
nanandratra ny tànany, ary niteny mafy tamin’ ny feo feno fihetseham-po asesiky
ny fitiavana nanao hoe : “Ny rako Ray o! ny rako, ny rako, ny rako !” Rehefa
izany dia hitako fa nisy fahazavana mamirapiratra avy tamin’ Andriamanitra izay
nitoetra teo ambonin’ ilay seza fiandrianana fotsy lehibe ary nanodidina an’ I
Jesosy io fahazavana io. Rehefa afaka izany dia nahita anjely iray aho, izay
nanankinan’ I Jesosy iraka iray, dia nanidina faingana nankeo amin’ ireo anjely
hafa izay tsy maintsy hanao asa eto ambonin’ ny tany izy, ary nahofahofany
ambony ambany ny zavatra izay teo an-tànany, dia nihiaka tamin’ ny feo mafy izy
nanao hoe : “hazony aloha, hazony aloha, hazony aloha, hazony ireo rivotra
efatra ambara-panisy tombo-kase ny handrin’ireo mpanompon’ Andriamanitra.” Premiers écrits, pp. 37, 38
3-Solon-tenan’ iza moa ilay anjely izay avy amin’ ny
fiposahan’ ny masoandro sady manana ny fanombohan-kasen’ Andriamanitra?
Apokalypsy 7 : 2 ; 14 : 9
“Hoy ny mpaminany : nahita anjely efatra nijoro teo
amin’ ny vazan-tany efatra aho; izy ireo dia nihazona ireo rivotra efatry ny
tany mba tsy hitsoka eto ambonin’ ny tany na amin’ ireo hazo. Ary hitako fa
indro nisy anjely hafa koa niakatra avy tany amin’ ny fiposahan’ ny masoandro
nanana ny fanombohan-kasen’ Andriamanitra ; ary izy niantso ny anjely efatra
izay navela hanimba ny tany sy ny ranomasina tamin’ ny feo mahery nanao hoe :
aza manimba ny tany, na ny ranomasina na ny hazo mandra-panisinay tombo-kase eo amin’ ny handrin’ ny mpanompon’ Andriamanitsika. Ireo teny
ireo dia maneho miharihary ny zavatra izay tsy maintsy ataontsika ankehitriny,
dia ny hiantsoantsika an’ Andriamanitra ka mangataka Aminy, mba hahatonga ireo
anjeliny hihazona ny rivotra efatra, ambara-pahisy misionera maro alefa hiasa
any amin’ ny tany rehetra eto amin’ izao
tontolo izao, mba hanambara ireo fampitandremana avy amin’ Andriamanitra
mikasika ny tsy fankatoavan-dalàna. (RH
supplément, 11 décembre 1888)” Evènements des derniers jours, p 129
“Ilay anjely fahatelo izay nanidina teo afovoan’ ny
lanitra sady nanana ireo didin’ Andriamanitra sy ny fanambaran’ I Jesosy, dia
maneho ny asantsika. Tsy nihen-danja mihitsy ilay hafatra nandritra ny fotoana
nitondran’ ilay anjely azy io, nanidina haingana, satria hitan’ I Jaona fa
nitombo hery ilay izy ambara-pahatongan’ ny tany rehetra ho voazavan’ ny
voninahiny. Ny firosoan’ ny vahoaka izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra dia
mitohy tsy an-kijanona. Ny hafatry ny fahamarinana izay ambarantsika dia tsy
maintsy entina any amin’ ny firenena rehetra, fiteny rehetra, sy vahoaka
rehetra. Tsy ho ela dia ho re ilay hiaka lehibe, ka dia hohazavain’ ny
voninahitr’ Andriamanitra ny tany.
“Moa ve isika mba miomana ny handray an’ izany
firotsahana lehiben’ ny fanahin’ Andriamanitra izany?” Témoignages pour l’ église vol. 2 p 200
“Ilay anjely fahatelo dia aseho amintsika fa nanidina
teo afovoan’ ny lanitra sady niantso tamin’ ny feo mafy hoe : “Indro ny
faharetan’ ny olona masina, dia izay mitandria ny didin’ Andriamanitra sy ny
finoana an’ I Jesosy. (Apokalypsy 14 : 12)” Messages Choisis, vol 2, p. 134
IREO IZAY MANANA NY TOMBO-KASEN’ ANDRIAMANITRA
4-Vondron’ olona iza avy no hitan’ I Jaona apostoly
niaraka tamin’ ny Zanak’ ondry teo an-tendrombohitra Ziona? Iza ireo olona
ireo? Apokalypsy 14 : 1
“Nitodika aho mba hijery ireo rahalahiko advantista
izay mbola tavela eo amin’ izao tontolo izao kanefa moa dia tsy afaka nahita
azy ireo aho. Rehefa izany dia nisy feo niteny tamiko nanao hoe : “mijere ihany
fa any ambonimbony kokoa”. Dia nakariko ny fijeriko ary nahita aho làlana iray
kisilasila sy tery izay teo ambony kokoa noho izao tontolo izao…
“Tsy ela dia renay ny feon’ Andriamanitra mitovy amin’
ny feon’ ny ranobe, izay nanambara ny andro sy ny ora hiverenan’ I Jesosy. Ireo
olo-marina mbola velona, izay miisa 144.000, dia mahafantatra sy mahazo tsara
izay nambaran’ ilay feo, fa ireo ratsy fanahy kosa dia nandray izany ho
feom-baratra sy horohoron-tany…”
“Rehefa izany, dia nasiana tombon-kase ireo 144.000
rehetra, ary tena niray tanteraka izy ireo. Teo amin’ ny hadriny dia nisy
soratra manao hoe : “Andriamanitra, Jerosalema vaovao”, ary hita teo ny kintana
iray feno voninahitra izay misy ny anarana vaovaon’ I Jesosy.” Premiers écrits, pp. 14, 15.
5-Nahoana no hisy olona maro izay ho diso fanantenana
amin’ny farany? Matio 7 : 23, 25 : 11, 12
“Ny ankapobean’ ireo izay milaza fa hoe kristiana, dia
handalo eo amin’ ilay andron’ Andriamanitra. Tsy hanana ny tombo-kasen’ Andriamanitra velona
eo amin’ ny handriny izy ireo.” (Lettre
121, 1903)
“Ireo izay mandray ny tombo-kasen’ ilay Andriamanitra
velona ihany no hahazo ny fahazoan-dàlana mankeo amin’ ireo varavaran’ ilay
tanàna masina” (lettre 164, 1909)” Commentaires bibliques p 398
6-Inona no ezahan’ ilay fahavalon’ ny fahamarinana
ankehitriny atao mandritra ny fotoana fametahana tombo-kase? Matio 24 : 4 ;
Isaia 9 : 16
“Ireo fahavalon’ ny fahamarinana ankehitriny dia
miezaka ny hanokatra indray ny varavaran’ ny efitra masina, izay efa nakaton’ I
Jesosy sy hanakatona ny varavaran’ ny efitra masina indrindra, izay efa
nosokafan’ I Jesosy tamin’ ny taona 1844, ary ao amin’ io efitra masina
indrindra ao io, no misy ny fiara izay misy ireo vato fisaka roa misy ny didy
folo nosoratan’ ny rantsan-tànan’ Andriamanitra. Amin’ izao tofoana izao,
mandritra ny fotoana ametahana ny tombo-kase, Satana dia mampivelatra ireo
hafetseny mba hampivily ny sain’ ny vahoakan’ Andriamanitra tsy hahita ny
fahamarianana ankehitriny, sy mba hampisalasala azy ireo. Hitako fa
Andriamanitra dia nanipy akanjo lehibe ho an’ io vahoakany io mba hiarovana azy
mandritra ny fotoan-tsarotra, ary ny fanahy rehetra izay nanaiky ny
fahamarinana sy manana fo madio dia ho rakofan’ io ankanjoben’ Ilay mahefa ny
zavatra rehetra io.
“Satana dia mahafantatra izany rehetra izany, ka dia
ampiasainy ny zavatra rehetra mba hampivily ny sain’ olona betsaka araka izay
azony atao, mba tsy hahalalan’ izy ireo ny fahamarinana.” Prémiers écrits, p 43
NY FOTOANA HAMETAHANA NY TOMBO-KASE
7-Ny asa ataon’ilay anjely faha-telo dia nanomboka
tamin’ ny taona 1844. Inona no iraka nampanaovina azy? Oviana no nanomboka ilay
asa fametahana tombo-kase izay ataony ? Apokalypsy 14 : 9
“Ilay raharaha nataon’ I Jesosy tao amin’ ny efitra
masina dia efa tapitra, ary efa niditra ao amin’ ny efitra masina indrindra
Izy. Mijoro eo anatrehan’ ilay fiara izay misy ny lalàn’ Andriamanitra Izy, ka
nandefa anjely mahery iray ho eo amin’ izao tontolo izao mba hanambara hafatra
iray fahatelo.
“Rehefa afaka izany dia hitako ilay anjely fahatelo.
Ilay niaraka tamiko izay niteny nanao
hoe : “Mahatahotra ny asany, miezinezina ny iraka nampanaovina azy. Tsy maintsy
manasaraka ny voa tsara amin’ny tsimparifary izy, ary mametraka tombo-kase,na
mamehy ny amboara, mba ho any amin’ ireo sompitry ny lanitra. Izany no tokony
hameno ny sainareo, sy mihazona ny fifantohanareo rehetra!” Premiers écrits pp 254, 118
8-Inona ny hafatra ambaran’ ilay anjely mpametaka
tombo-kase amin’ ireo anjely izay mihazona ireo rivotra efatra mpitondra ady?
Raha raisina fa ilay fahitana mikasika ny fametahana tombo-kase dia nomena
tamin’ ny taona 1849 (voalaza ao amin’ ny naoty ao ambany ao), inona no
azontsika fantarina mikasika ny fotoana izay nanombohan’ ny fametahana
tombo-kase ? Apokalypsy 7 : 3
Hitako fa ireo anjely efatra dia niomana hanatanteraka
ilay asa izay nasaina mba ho tanterahin’ izy ireo eto ambonin’ ny tany. Nitafy
ireo fitafiana maha-mpisoronabe Azy Jesosy. Nijery tamim-pangorahana ireo
olom-boafidy (ny sisa izay nahatoky tsy nivadika) Izy, nanandratra ny tànany,
ary niteny mafy tamin’ ny feo feno fihetseham-po asesiky ny fitiavana nanao hoe
: “Ny rako Ray o! ny rako, ny rako, ny rako !” Rehefa izany dia hitako fa nisy
fahazavana mamirapiratra avy tamin’ Andriamanitra izay nitoetra teo ambonin’
ilay seza fiandrianana fotsy lehibe ary nanodidina an’ I Jesosy io fahazavana
io. Rehefa afaka izany dia nahita anjely iray aho, izay nanankinan’ I Jesosy
iraka iray, dia nanidina faingana nankeo amin’ ireo anjely hafa izay tsy maintsy
hanao asa eto ambonin’ ny tany izy, ary nahofahofany ambony ambany ny zavatra
izay teo an-tànany, dia nihiaka tamin’ ny feo mafy izy nanao hoe : “hazony
aloha, hazony aloha, hazony aloha, hazony ireo rivotra efatra ambara-panisy
tombo-kase ny handrin’ireo mpanompon’ Andriamanitra.” Premiers écrits, pp. 37, 38
“Nanontaniako ilay anjely izay niaraka tamiko ny
hevitra fonosin’ ny zavatra izay reko, ary koa ny zavatra izay ho ataon’ ireo
anjely efatra ireo. Ary dia mamaly izy fa Andriamanitra no nihazona ireo hery,
ary nomeny ho an’ ireo anjeliny ireo ny fahefana mifehy ireo zavatra eto
ambonin’ ny tany, nolazainy ihany koa fa ireo anjely hafa ireo dia nomen’
Andriamanitra fahefana hihazona ireo
rivotra efatra, na dia efa saika ho avotsony aza izany. Ary tamin’ ny fotoana
izay nahavonona ny tànan’ izy ireo hanao izany, ilay maso feno famindram-pon’ I
Jesosy dia niantefa teo amin’ ireo sisa izay mbola tsy voapetaka tombo-kase, ka
dia nasandratr’ I Jesosy ny tànany ho any amin’ ny Ray, mba hanelanelana ho
fanavotana ireo sisa ireo, sady nambarany fa Izy dia efa nandrotsaka ny Rany ho
azy ireo. Rehefa izany, dia nisy anjely hafa iray nirahina hanidina faingana
nankeo amin’ ireo anjely efatra. Io anjely io dia nangataka an’ ireo anjely
ireo mba hihazona ny rivotra efatra ambara-panisy ny tombo-kasen’Andriamanitra
velona eo amin’ny handrin’ireo mpanompony.” Premiers écrits pp. 37, 38.
AVERINA IANARANA SY HO SAINTSAININA LALINA
-Inona no fifandraisana misy eo amin’ ilay anjely fahatelo sy ilay
anjely mpametaka tombo-kase.
-Nahoana moa no olona maro no ho diso fanantenana rehefa tonga Jesosy?
-Moa ve ny fiantombohan’ ilay asa fametahana tombo-kase dia mbola any
amin’ ny ho avy sa efa tamin’ ny fotoana efa lasa?.
“Apokalypsy 7:
2, 3. Ireo teny ireo dia maneho miharihary ny zavatra izay tsy maintsy
ataontsika ankehitriny, dia ny hiantsoantsika an’ Andriamanitra ka mangataka
Aminy, mba hahatonga ireo anjeliny hihazona ny rivotra efatra, ambara-pahisy
misionera maro alefa hiasa any amin’ ny tany rehetra eto amin’ izao tontolo izao, mba hanambara
ireo fampitandremana avy amin’ Andriamanitra mikasika ny tsy
fankatoavan-dalàna. (RH
supplément, 11 décembre 1888)” Evènements des derniers jours, p 129
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire