vendredi 20 juin 2014

NY FAHATONGAVAN'NY ANJELY FAHATELO



« Ary nisy iray koa dia anjely fahatelo nanaraka ireny ka nanao tamin’ ny feo mahery hoe : raha misy miankohoka eo anoloan’ ny bibidia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin’ ny handriny na amin’ ny tànany, dia izy koa no hisotro ny divain’ ny fahatezeran’ Andriamanitra. » Apokalypsy 14 : 9, 10a

ILAY ANJELY FAHATELO

1-Inona ilay hafatra manan-danja indrindra izay ambaran’ ilay ajely fahatelo? Oviana io anjely io no nidina tety ambonin’ ny tany ? Apokalypsy 14 : 9-11 ; 7 : 2

« Rehefa lasa ny fe-potoana tamin’ ny 1844, dia nisy androm-pitsapana mafy ho an’ireo izay mbola namikitra mafy tamin’ny finoana ny fiverenan’ny Tompo. Ny  hany nahitany fiononana, raha ny amin’ ny fahazoany antoka ny amin’ ny tena toerana nisy azy no heverina, dia ilay fahazavana izay nampitodika ny sainy ho amin’ ny fitoerana masina any ambony. Nisy niala tamin’ny finoana ny fanisany teo aloha ny fe-potoanan’ny faminaniana ka nilaza fa avy tamin’ olombelona na avy tamin’ireo anjelin’I satana ny herin’ny Fanahy Masina niasa mangina teo amin’ny fihetsiketsehana momba ny fiavian’I Kristy. Nisy antokon’ olona kosa indray izay nitana mafy fa ny Tompo no efa nitarika azy teo amin’ ireo fanandramana nataony teo aloha; ary rehefa niandry sy niambina ary nivavaka izy mba hahafantarany ny sitrapon’ Andriamanitra dia hitany fa efa niditra tao amin’ ny asa fanompoana hafa Ilay Mpisoronabeny, ka rehefa nanaraka Azy tamin’ ny finoana izy, dia voatarika koa hahita ny asa farany ataon’ ny fiangonana. Nazava taminy kokoa ny hafatry ny anjely voalohany sy faharoa, ka voaomana izy handray sy hanome ny fampitandremana miezinezina ho an’ izao tontolo izao entin’ ny anjely fahatelo ao amin’ ny Apokalipsy 14. Hery mifanandrina, p 446
“Rehefa vita ny raharaha nataon’ I jesosy tao amin’ ny efitra masina, dia nifindra niditra ao amin’ ny efitra masina indrindra Izy. Mijoro eo anatrehan’ ilay fiara izay misy ny lalàn’ Andriamanitra Izy, ary nandefa anjely mahery iray Izy ho eo amin’ izao tontolo mba hanambara an’ ilay hafatra fahatelo.” Premiers écrits, p 254

2-Inona no zavatra izay tafiditra ao anatin’ ny hafatr’ ilay anjely fahatelo ? Inona no tondroin’ ny hoe “varavarana mivoha” sy ny hoe “varavarana mihidy” ? Apokalypsy 11 : 19

“Rehefa vita ny raharaha nataon’ I jesosy tao amin’ ny efitra masina, dia nifindra niditra ao amin’ ny efitra masina indrindra Izy. Mijoro eo anatrehan’ ilay fiara izay misy ny lalàn’ Andriamanitra Izy, ary nandefa anjely mahery iray Izy ho eo amin’ izao tontolo mba hanambara an’ ilay hafatra fahatelo. Nisy boky voafono hoditr’ ondry manify natao teo an-tànan’ ilay anjely izay nidina teny ambonin’ ny tany tamin-kery sy fiandrianana, ary nitondra fampitandremana mampahatahotra tsy mbola nisy toy izany ho an’ny olombelona hatrizay…
“Nofaranan’ilay anjely fahatelo tamin’ ireto teny manaraka ireto ny hafatra nentiny : “indro ny faharetan’ ny olona masina dia izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy ny finoana an’ I Jesosy”. Teo am-panononana an’ ireo teny ireo ilay anjely dia nanondro ny fitoerana masina any an-danitra.
“Naseho ahy fa tao amin ‘io fitoerana masina io, fa ireo didin’ Andriamanitra sy ny fanambaran’ I Jesosy mikasika ny varavarana mihidy dia tsy mahazo misaraka, ary ny vanim-potoana izay anomezan’ ny vahoakan’ Andriamanitra ny tombam-bidiny feno an’ ireo didin’ Andriamanitra, sy hanenjehana azy ireo noho ny fahamarinana mikasika ny sabata, dia tsy inona tsy akory fa izany no ilay vanim-potoana izay isian’ ny varavarana mivoha ao amin’ ny efitra masina indrindra any an-danitra izay misy ilay fiara misy ireo didy folo. Io varavarana io dia tsy nosokafana raha tsy teo amin’ ny fotoana izay nahavitan’ I Jesosy ny asa fanelanelanana nataony tao amin’ ny efitra masina tamin’ ny taona 1844. Tamin’ io fotoana io no nitsangana ny Mpamonjy, nanakatona ny efitra masina, nanokatra ny varavaran’ ny efitra masina indrindra, ary niditra namakivaky ny efitra lamba faharoa, ary ao Izy no mijoro ankehitriny eo akaikin’ ilay fiaran’ny fanekena. Ary ao dia toerana izay afaka ny ho tratran’ ny finoan’ ny Isiraely.” Premiers écrits p. 254, 42.

3-Tamin’ ny alàlan’ ny fahitana, inona no hitan’ ny mpanompovavin’ ny Tompo tao amin’ ny efitra masina indrindra ? Inona no fantatra mikasika ny zava-miseho amin’ izao fotoana izao ao anatin’ io efitra masina indrindra io? II Tantara 5 : 7 ; Hebreo 9 : 3, 4

“Ao amin’ ny efitra masina indrindra ao dia hitako fa misy fiara iray. Ny tapany ambony sy ireo sisiny dia vita amin’ ny volamena tena madio indrindra. Isaky ny zorony dia misy kerobima iray, ary ny elatr’ izy ireo dia mitodika mijery ny tavan’ ny anakiray. Eo anelanelan’  ireo anjely dia nisy fitoerana emboka manitra vita amin’ ny volamena, teo ambonin’ ilay fiara izay nisy an’ ireo anjely dia nisy fahazavana mamirapiratra izay miseho toy ny seza fiandrianana izay itoeran’ Andriamanitra. Nijoro teo akaikin’ ilay fiara Jesosy, ary rehefa miakatra mankeo Aminy ny vavak’ ireo olona masina, dia mamoaka setroka ilay fitoeran’ emboka manitra, ary dia atolotr’ I Jesosy ho eo amin’ ny Rainy ireo vavaka ireo miaraka amin’ ilay emboka manitra. Ao anatin’ ilay fiara dia misy vilia misy mana, ny tehin’ i Arona mitsimoka ary ireo vato fisaka roa izay tahaka ny boky anakiray. Dia nosarahin’ I Jesosy ireo vato fisaka ireo, ary hitako ireo Didy folo izay Andriamanitra mihitsy no nanoratra azy. Nisy didy efatra teo amin’ny anakiray ary enina teo amin’ ilay ilany. Ireo didy izay eo amin’ ny vato fisaka voalohany dia mamirapiratra kokoa mihoatra noho ireo ao amin’ilayfaharoa. Fa ny didy faha-efetra kosa, dia ny didy momba ny sabata, dia tena mamirapiratra indrindra tokoa mbola mihoatra noho ny famirapiratan’ ireo didy hafa rehetra ; satria ny sabata dia voatokana mba ho tandremana sy ho fanomezam-boninahitra an’ Ilay Andriamanitra masina. Ny sabata masina dia voaseho fa tena feno voninahitra tokoa ary nisy avana manazava nanodidina azy. Hitako fa ny didy mikasika ny sabata dia tsy nohombohana teo amin’ ny hazo fijaliana. Raha toa ka nohombohona teo amin’ ny hazo fijaliana io didy io dia nohombohana teo ihany koa ireo didy sivy hafa rehetra, ary dia ho nanana fahalalahana handika an’ ireo didy rehetra ireo isika ka tafiditra amin’ izany ny didy faha-efatra. Hitako fa Andriamanitra dia tsy nanova ny sabata satria Andriamanitra tsy mba miova na oviana na oviana.” Premiers écrits pp. 32, 33.

4- Ho aiza no isarihan’ ny anjely fahatelo ny sain’ ny vahoakan’ Andriamanitra? Tahaka ny ahoana no ho toetoetra manamarika ny vahoakan’ Andriamanitra eo amin’ ny fotoanan’ ny andro farany ? Apokalypsy 14 : 12

« Io hafatra io dia nikendry ny hampitandrina ireo zanak’ Andriamanitra mba hafahan’ izy ireo mahatohitra ireo fankam-panahy mampitebiteby izay miandry azy ireo. Niteny tamiko Ilay anjely nanao hoe : « tsy maintsy hitolona mafy hanohitra ilay bibidia sy ny sariny izy ireo. Ny hany fanantenana tokana ho azy ireo mba hahazoany ny fiainana mandrakizay, dia ny fitoerany tsy voaozongozona na dia tandindomin-doza aza ny fiainan’ izy ireo, ary koa ny fifamatorana mafy amin’ ny fahamarinana. » Ny anjely fahatelo dia namarana ny hafatra nentiny tamin’ ireto teny manaraka ireto manao hoe : « indro ny faharetan’ ny olona masina dia izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy ny finoana an’ i Jesosy. » Teo am-panononana ireo teny ireo ilay anjely dia nanondro ny fitoerana masina any an-danitra.
« Ireo mpino rehetra izay manaiky an’ io hafatra io dia voantso mba handefa ny fijerin’ izy ireo ho eo amin’ ilay efitra masina indrindra… » Premiers écrits, p. 254

5-Mikasika ny didy faha-firy no nandraisan’ ny vahoakan’ Andriamanitra fahazavana manokana ? Eksodosy 20: 8, 11

« Naseho ahy ihany koa ny fomba nanarahin’ ireo ‘sisa’ tamin’ ireo zanak’ Andriamanitra an’ i Jesosy tao amin’ ny efitra masina indrindra, ny fomba nanajan’ izy ireo an’ ilay fiaran’ny fanekena sy ny rako-panavotana satria ny sain’ izy ireo dia babon’ ny voninahitr’ ireo zavatra ireo. Nesorin’ i Jesosy ny saron’ ilay fiara ary hitan’ izy ireo ny vato fisaka roa izay nanoratana ny didy folo. Nojeren’ izy ireo haingana ireo teny masin’ Andriamanitra ; kanefa dia nihemotra tamin-kovitra izy ireo rehefa nahita fa teo anivon’ ireo didy folo, ny didy faha-efatra dia mamirapiratry ny fahazavana mahery vaika kokoa mihoatra noho ireo  sivy hafa, sady nohodidin’ ny voninahitra lehibe. Tsy misy na inona na inona nilaza tamin’ izy ireo fa io didy faha-efatra io dia efa nofoanana na nafindra ho eo amin’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro. Tsy miova io didy io fa mbola eo ihany araka izay nanononan’ Andriamanitra azy tao anatin’ ny halehibeazana miezinezina sy mampahatahotra teo anivon’ ny tselatra sy kotro-baratra tany an-tendrombohitra Sinay. Mbola io ihany tsy miova ilay nosoratan’ ny tànan’ Andriamanitra teo amin’ ireo vato fisaka manao hoe : « henemana no hanaovanao ny asanao rehetra fa sabatan’ i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito ». Gaga izy ireo nahita ny fitandremana fatratra izay nanodidina ireo didy folo. » Premiers écrits, p. 55

NY  IVON’ ILAY FIFANANDRINANA FARANY

6-Inona ilay loha-hevitra lehibe indrindra eo amin’ ny fiafaran’ ilay fifanandrinana farany? Ezekiela 20 : 12, 20

“Rehefa avy nanokatra ny varavaran’ ny efitra masina indrindra Jesosy, dia fantatra ny fahamarinana mikasika ny sabata. Ary dia nozahan-toetra ireo zanak’ Andriamanitra tahaka ny nizahana toetra ireo zanak’ Isiraely fahizay mba hahitana raha hitoetra mahatoky tsy mivadika amin’ ny lalàn’ Andriamanitra izy ireo.” Premiers écrits, p 254
“Ny sabata no ilay foto-kevitra isian’ ny ady farany izay tsy maintsy andraisan’ izao tontolo izao anjara… Ny Tompo dia miantso antsika mba hamerina indray ny tena fanomezam-boninahitra marina ilay androny masina izay nohitsakitsahana. Avy amin’ izany ary no tena maha zava-dehibe ny fanehoana ohatra mikasika ny fitandremana ny sabata.” Témoignages pour l’ église, vol 3, p19
“… Ny tany dia ho nohazavain’ny zavatra izay takian’ny sabata marina, … zavatra izay natsangan’Andriamanitra sady nambarany ho mariky ny fahefany.” Le grand conflit, p 451

7-Fomba ahoana no nihezahan’ i satana nanova ny hevitra fonosin’ ilay fahafatesan’ I Kristy teo ambony hazo fijaliana ? Ahoana no hiantsoan’ ny Baiboly io zava-miafina io? Salamo 78 : 10 ; II Tesaloniana 2 : 3

« Ankehitriny dia fitaka hafa indray no narosony. Nilaza i Satana fa mamono ny fahamarinana ny famindram-po, fa nanafoana ny lalàn’ ny Ray ny fahafatesan’ i Kristy. Raha azo atao ny nanova na nanafoana ny lalàna, dia tsy ho nilain’ i Kristy ny ho faty. Nefa ny fanafoanana ny lalàna dia ho nampaharitra mandrakizay ny fandikan-dalàna, ka nametraka an’ izao tontolo izao teo ambanin’ny fanapahan’ i satana. Satria tsy azo atao ny nanova ny lalàna, satria tsy azo vonjena ny olona raha tsy amin’ ny fankatoavana ireo foton-kevitra ao, dia izany no antony nanandratana an’ i Jesosy teo amin’ ny hazo fijaliana. Nefa ny fomba indrindra izay nanorenan’ i Kristy ny lalàna no asehon’ i satana ho nandrava azy. Eo no hahatonga ady farany eo amin’ ny fifanoheran’ i Kristy sy satana. » Ilay fitiavana mandresy, p. 823

8-Fomba ahoana no afahan’ ny vahoakan’ Andriamanitra ho mpandresy eo amin’ ny fiafaran’ ilay fifanadrinana ? Inona no fanapahan-kevitra raikitra ao am-po izay tsy maintsy ilaina? I Jaona 5 : 4, 5 ; Apokalypsy 14 : 12 b

“Fidio ny fahantrana, ny tsiny, ny fisarahana amin’ ireo namanao, ny fahoriana, toy izay handoto ny fanahinao amin’ ny fahotana. Ny fahafatesana, toy izay ny fanalana voninahitra ny lalàn’ Andriamanitra na ny fandikana azy, izany no tokony ho teny filamatry ny kristiana tsirairay.” Témoignages pour l’ église, vol 2. P. 39
« Avy ny andrianan’izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato amiko izy, hoy Jesosy ». Tsy nisy na inona na inona izay nifanahaka tamin’ny lainga tsara lahatr’ i Satana tao Aminy. Tsy nanaiky ny hanota Izy. Na dia tamin’ny eritreritra aza, dia tsy nilefitra tamin’ny fakam-panahy Izy. Mety ho toy izany koa amintsika. Niray tamin’ ny maha-Andriamanitra ny maha-olombelona an’i Kristy. Vonona ho amin’ny ady Izy noho ny fitoeran’ny fanahy masina tao anatiny. Ary tonga Izy hanaovany antsika ho mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra. Raha mbola miray Aminy amin’ny alalan’ny finoana isika, dia tsy manan-kery amintsika ny fahotana. Mandray ny tanan’ny finoana ao amintsika Andriamanitra, ka tarihiny hamikitra mafy amin’ny maha-Andriamanitra an’iKristy, mba hahatrarantsika ny fahatanterahan’ny toetra amam-panahy ». Ilay Fitiavana mandresy p.114

AVERINA IANARANA SY MBA HO SAINTSAININA LALINA

-Inona no zava-kendren’ ilay hetsika nataon’ Andriamanitra nanehoany tamin’ ny alàlan’ ny fahitana ny efitra masina indrindra any an-danitra?
-Finoan’ iza no tsy maintsy ilaintsika mba hitandremana an’ ireo didin’ Andriamnaitra.
-Ananantsika ve io finoana io?

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire