jeudi 12 juin 2014

FIANGONANA:NATAO HO MPIANDRAIKI-DRAHARAHAN'I MESIA



“Ary Izaho milaza aminao koa: Hianao no Petera, ary ambonin’ity vatolampy ity no ha-oriko ny fiangonako; ary ny vavahadin’ny fiainan-tsihita tsy haharesy azy.” Matio 16: 18

MAMETRAKA NY FIANGONANA

1.Iza no napetrak’I Kristy etoan-tany mba ho solon-tenany? Matio 16: 18; Efesiana5: 25
 
“Hanao dingana voalohany eo amin’ ny fandaminana ny fiangonana izay ho solon-tenany eto an-tany Kristy rehefa lasa Izy.” Ilay Fitiavana Mandresy p 302
“Ao Aminy dia misy ny fahafenoan’Andriamanitra”.  Mila mahafantatra ny olombelona fa ny maha Andriamanitra dia nijaly ary nitebiteby teo anatrehan’ilay fialan’aina tao Kalvary. Kanefa Jesosy Kristy, izay nomen’Andriamanitra mba hividy an’izao tontolo izao, dia nividy ny Fiangonana tamin’ny Rany mihitsy. (MS 153, 1898).” Commentaires bibliques p 330
“Natolotr’ I Kristy ny ainy sarobidy mba entina hananganana fiagonana izay afaka hiandraikitra ny fanahy izay mibebaka sy voazaha toetra.” Ilay Fitiavana Mandresy p 643

2.Taorian’ny niakaran’I Jesosy ho any an-danitra, inona no antso mafana nataony tamin’ Andriamanitra ho an’ny fiangonana izay napetrany teto ambonin’ny tany? Efesiana 1: 23; 5: 25, 27

“Niakatra avy hatrany any an-danitra Jesosy ary niseho teo anatrehan’ny seza fiandrianan’Andriamanitra, sady naneho an’ireo mariky ny henatra sy halozana teo amin’ny fihirifany, ny tànany sy ny tongony; kanefa nolaviny ny fandraisana ny satroboninahitra sy ny fitafiana maha mpanjaka, ary nolaviny ihany koa ny fiankohofan’ireo anjely ho Azy, tahaka ny nandavany ilay haja izay natolotr’I Maria Azy, ambara-pahatongan’ny fotoana izay nanambaran’ny Ray taminy fa nekena ilay fanatitra izay nataony.
“Ambonin’izany dia nanana fangatahana natao mikasika an’ireo olom-boafidiny teto ambonin’ny tany Izy. Naniry Izy nanomboka teo amin’io fototana io, mba ho voafaritra mazava tsara ny fifandraisan’ireo olom-boavidiny amin’ny Rainy izay any an-danitra. Tsy maintsy hamarinina sy ekena ny fiangonany alohan’ny hanekeny an’ilay haja atolotry ny lanitra…Nanao fanelanelanana ho an’ny fiangonany tamin’ny fomba tena mazava indrindra Kristy, sady nofaritany tsara ireo zavatra ilainy sy mahasoa ny fiangonany, ka tamin’izany dia nisolo-vava tamim-pitiavana sy tamim-paharetana mahery mihoatra noho ny fahafatesana, mba ho an’ny zo sy ny anaram-boninahitra ho an’io fiangonana io.” Commentaires Bibliques p 253

3.Tamin’iza no nifantohan’ny haromotan’I satana taorian’ny niakaran’I Kristy? Nahoana? Apokalipsy 12: 12, 13; Asan’ny Apostoly 8: 1



“Hatramin’ ny voalohany, dia drafitra nataon’ Andriamanitra ny hampitaratra amin’ izao tontolo izao ny fahafenoany sy ny fanampiany. Tokony haneho miharihary ny voninahiny ny mambra ao amin’ ny fiangonana dia izay nantsoiny hiala amin’ ny maizina ho amin’ ny fahazavana mahagaga. Ny fiangonana no nametrahana ny haren’ ny fahasoavan’ I Kristy; ary amin’ ny alàlan’ ny fiangonana no hanehoana farany ny fitiavan’ Andriamanitra ka hivelomany amin’ ny fomba hentitra sy feno, eny, na dia amin’ ireo “fanapahana sy fahefana any an-danitra” aza. ” Vavolombelona Mahery p 11
“Vavolombelon’ ny fahatanterahan’ny tenin’ny Mpamonjy ny tantaran’ny fiangonana voalohany. Miray hina ireo herin’ny tany sy ny helo mba hanohitra an’I Kristy ao amin’ny tenan’ireo mpanaraka Azy.Tazan’ny fivavahana jentilisa mialoha fa raha mandresy ny filazantsara dia ho voarodana ny tempoly sy ny alitarany. Noho izany dia navondrony ny heriny mba handevonany ny finoana kristiana .Nirehitra ny afon’ ny fanenjehana … nendahina tamin’ny kristiana ny fananany, ary noroahany  tsy ho ao an-tranony izy.Niharitra ny “ady mafy tamin’ny fahoriana”izy,  niharitra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy trano maizina koa.Betsaka no nanamafy ny vavolombelona nataony tamin’ny rà , na andriana na andevo dia samy novonoiny avokoa.” Hery Mifanandrina p 40

4.Taiza ary nandritra ny hafiriana no nanenjehan’I satana ny fiangonana? Iza no nanome fanampiana ho an’ny fiangonana? Apokalipsy 12: 14-16



“Tamin’ ny alalàn’ ilay teny hoe: ‘Rahalahy sy mpiombona fahoriana’, no nanehoan’ I Kristy tamin’ ny fiagonana ny fahoriana tsy maintsy hiaretana noho ny fitiavana Azy. Raha nanopy ny masony tamin’ ireo taon-jato maro nanjakan’ ny haizina sy finoanoam-poana ity lehilahy antitra natao sesi-tany ity, dia tazany kosa ireo maro be maty maritiora nohon’ ny fitiavany ny fahamarinana. Fantatr’ I Jaona koa anefa fa Ilay efa nanohana ireo Vavolombelona maro teo aloha no tsy hahafoy ny mpianany nandritra ny fotoana nanenjehana izay tsy maintsy hiaretany mandra-piavin’ ny farany. “Aza matahotra izay efa hiaretanao; hoy Kristy, indro, ny devoly efa hanao ny sasany aminareo ao an-tranomaizina, mba ho voazaha toetra ianareo ary hanampahoriana hafoloana. Aoka ho mahatoky hatramin’ ny fahafatesana ianareo, dia homeko anao ny satroboninahitry ny fiainana. ” - Vavolombelona Mahery p 521
“Fanenjehana enjana miaro haromotana no nanoherana ireo izay mahatoky, tonga kianja fiadiana izao tontolo izao. Nandritran’ ny taon-jato maro dia voatery niaina tao anaty fahamaizinana ny fiangonan’ I Kristy.”  Jésus-Christ p 55

TANANA FANDOSIRANA HO AN’NY FAMONJENA

5.Inona no raharaha ambony mendrik’andriana izay nankinin’I Kristy tamin’ny fiangonany? Matio 16: 19


“Ny tenin’ I Kristy no ‘fanalahidin’ ny fanajakan’ ny lanitra’. Teniny ny tenin’ny Soratra masina rehetra ary voafaoka ao anatin’ io fomba fitenenana io. Manankery hanokatra sy hanidy ny lanitra ireny teny ireny. Manambara ny fepetra handraisana sy handavana ny olona izany. Amin’ izany dia hanitry ny fiainana ho amin’ ny fiainana na hanitry ny fahafatesana ho amin’ ny fahafatesana ny asan’ ireo izay mitory ny tenin’ Andriamanitra. Vesaran’ ny vokatra maharitra mandrakizay ny asa nampanaovina azy ireo.” Ilay Fitiavana Mandresy p 443
“Manana fiangonana iray eto ambonin’ny tany Andriamanitra izay manandratra ny lalàna voahitsakitsaka sy maneho eo amin’izao tontolo izao ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao. Ny fiangonana no nametrahana ireo harenan’ny fahasoavan’I Kristy, ary amin’ny farany ny fanehoana feno ilay fitiavan’Andriamanitra amin’izao tontolo izao izay tsy maintsy hazavain’ny voninahitr’Andriamanitra dia asehon’ny fiangonana.” Témoignages pour les Pasteurs p 18
“Ny fiangoanana no tanàna mimandan’ Andriamanitra, tanànan’ ny fandosirana, izay apetrany eo amin’ izao tontolo izao mikomy. Izay rehetra fivadihan’ ny fiangonana dia famadihan’ Ilay nividy taranak’ olombelona tamin’ ny ràn’ ny Zanany Lahitokana.” Vavolombelona Mahery p 13

6.Inona ilay ampahan’ny drafi-pamonjena izay ho tanterahin’I Kristy amin’ny alàlan’ny fiangonany? Inona no asa mahatalanjona izay hataon’ny fiangonana amin’ny fotoan’andro farany? Efesiana 3: 9, 10


“Nandritra ny taon-jato nisian’ ny haizina ara-panahy dia tahaka ny tanàna teo an-tendrombohitra ny fiagonan’ Andrimanitra. Tamin’ ny taon-jato rehetra, sy teo amin’ ny taranaka nifandimby dia nivelatra teo amin’ ny faritra nisy azy ireo fotom-pinoana madio avy any an-danitra. Na dia osa sy marefo aza ny fijereny azy dia eo amin’ ny fiangonany irery ihany no hametrahan’ Andriamanitra amin’ ny fomba manokana, ny fijeriny farany indrindra. Izy no sehatra isehoan’ ny fahasoavany, toerana tiany hanehoana ny heriny izay manova ny fo.” Vavolombelona Mahery p 13
“Manana fiangonana iray eto ambonin’ny tany Andriamanitra izay manandratra ny lalàna voahitsakitsaka sy maneho eo amin’izao tontolo izao ilay Zanak’ondrin’Andriamanitra Izay manaisotra ny fahotan’izao tontolo izao. Ny fiangonana no nametrahana ireo harenan’ny fahasoavan’I Kristy, ary amin’ny farany ny fanehoana feno ilay fitiavan’Andriamanitra amin’izao tontolo izao izay tsy maintsy hazavain’ny voninahitr’Andriamanitra dia asehon’ny fiangonana.” Témoignages pour les Pasteurs p 18
“Ny fiangonana dia mifanehatra amin’ ny fotoana izay feno fahaverezan-kevitra …kanefa na dia tsy maintsy miatrika izany aza io fiangonana io, na dia tsy maintsy manohitra ireo tsy mino sy nihemotra aza izy ireo dia hanorotoro ny lohan’ I satana izy miaraka amin’ ny fanampian’ Andriamanitra. Ny Tompo dia maniry ny vahoakany mba ho tonga mafy tsy voaozongozona tahaka ny vy sy mba hananana finoana izay mafy tahaka ny vatomainty. Ireo Kristiana dia tsy maintsy vavolombelon’ I Kristy amin’ izao tontolo izao tsy maintsy ho fitaovana hampiasainy mba hanatanteraka ny asa fiomanana be voninahitra alohan’ ny fihaviany.” Témoignages pour l’ Eglise, vol 1, p. 682

IREO SISA AVY AMIN’ NY TARANAK’ ILAY VEHIVAVY

7-Mba hanohitra an’ iza no niomanan’ I Satana hiady eo amin’ ilay famelezana farany hataony? Inona no fiomanana izay tsy maintsy ilain’ ny zanak’ Andriamanitra tsirairay mba hiatrehana an’ io fifanandrinana farany io? Apokalipsy  12: 17; Efesiana 6: 11, 12.

 
“Miomana ho amin’ ny ady farany ny Fiangonana fa voatafy ny akanjo vin’ ny faha-marinan’ I Kristy. “Tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny masoandro sady ma-hatahotra toy ny antokon’ ny miaramila mitondra faneva” izy, ary mandroso eo amin’ izao tontolo izao ka “naharesy sady mbola haharesy.” -Mpaminany sy mpanjaka, p. 591
“Ny Kristiana dia tsy maintsy tonga saina mandrakariva fa izy dia efa voavidy indray tamin’ ny vidiny tena lafo, izy dia tsy maintsy mitoetra eo ambany fifehezan’ ilay faneva feno ny ran’ Ilay Mpanjaka Imanoela, tsy miantsy tonga saina ihany koa fa izy dia tsy maintsy miady ny ady tsaran’ ny finoana ka maka ny fiainana mandrakizay. Maneho an’ I Kristy eto amin’ izao tontolo izao ny Kristiana. Ny fandavan-tena, ny fitiavana, ny fisakaizana feno fahavononana hahasoa ny hafa…, izay tao amin’ I Kristy no tsy maintsy miseho indray eo amin’ ny fiainan’ ny mpanara-dia Azy. Mba hahatratrarana an’ ireo toetra ireo dia tsy maintsy mitafy ny fiadian’ Andriamanitra rehetra isika.”  Bible Echo, 1er janvier 1893
“Tsy misy na dia iray aza amintsika afaka handray ny tombon-kasen’ Andriamanitra raha mbola misy pentina sy fahalotoana eo amin’ ny toetrany. Adidy tsy maintsy ataontsika ny manitsy ny tenantsika mba ho afaka amin’ ireo kilema rehetra eo amin’ ny toetrantsika sy ny hanadio ny tempolin’ ny fanahintsika mba ho afaka amin’ ny fahalotoana rehetra. Raha vita ireo dia hirotsaka amintsika ny ranonorana farany tahaka ny ranonorana voalohany izay nirotsaka tamin’ ireo mpianatra tamin’ ny andro Pentekosta.” Témoignages pour l’ église, vol 2, p. 77


MBA  HAVERINA IANARANA SY HO SAINTSAININA LALINA

.Saintsaino tsara ny hoe ny fahafatesan’ I Kristy dia nanorina ny fanjakany sy ny fiangonany.
.Inona no iraka ampanaovina ny fiangoanana eto an-tany?
.Ahoana no fomba nanorotoroan’ ny fiangonana an’ I satana?

“Ny hafatry ny filazantsara dia tsy hahatratra na dia fanahy iray aza, tsy hahakasika na dia fo iray aza, raha tsy misy ady mafy atao amin’ i satana.”Témoignages pour l’Eglise, vol. 1, p. 682

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire