IREO IZAY MPIANDANY AMIN’ ILAY MPITSIPAKA NY
FIVAVAHANA MARINA
1-Inona ilay vondrona ampiasain’ i Satana mba handravany
ny lalàn’ Andriamanitra sy ny fiangonana? IITesaloniana 2: 3, 4; Daniela 7: 8.
« Manana vondrona lehibe Satana ary manana ny fiangonany koa.
Miantso an’ io vondrona io hoe synagogan’ i Satana Kristy satria ireo mambra ao
dia zanaky ny fahotana. Ireo mambran’ ny fiangonan’ i Satana dia tefena
mandrakariva mba handrava ny lalàn’ Andriamanitra sy mba hampisafotofoto ny
sain’ ny olona mba tsy hahay hanavaka ny tsara sy ny ratsy. Satana dia miasa
amin-kery lehibe ao anatin’ ireo vondrony sy amin’ ny alalan’ ireo, mba
hanandratra ho fahamarinana sy hitsim-po ny fivadiana sy ny fitsipahana ny
fivavahana marina. Amin’ izao fotoana izao ny herin’ ny tolo-tsaina satanika
feno hasomparana dia mampiasa olona maro ho fitaovana velona mba hampandaitra
an’ ilay fikomiana lehibe manohitra an’ Andrimanitra dia ilay fikomiana izay
nanomboka tany an-danitra. » Témoignages pour les pasteurs, p. 1
2-Araka izay voalazan’ ny faminaniana, inona no ataon’
i Satana amin’ ny alalan’ ny ireo fitaovany ireo? Apokalipsy 12 : 13,
14 ; Daniela 8 : 12, 13.
« Vokatry ny fivadihana tamin’ ny fivavahana marina, ireo olona
lavo sy ireo anjely dia niray tao anatin’ ny teti-dratsy iray, mba hiasa
hanohitra ny tsara. Izy ireo dia mitambatra ao anatin’ ny fikambanana mamoy fo.
Miaraka amin’ ny fanampian’ ireo anjely ratsy fanahy, Satana dia miezaka manao fifanarahana amin’ ny olona maro izay
milaza marimarina fa tia vavaka ary apetrany ho toy izany izy ireo ao anatin’
ny fiangonanan’ Andriamanitra. (RH 14 /09/1897)-Commentaires Bibliques, p.
138.
«Araka ny faminaniana dia tena narefarefan’ ny fitondrana papaly tamin’
ny tany ny fahamarinana. Napetrena tanteraka ny lalàn’ Andriamanitra ary nisolo
toerana azy ny fomba sy ny fahazarana napetraky ny olombelona. » Hery
mifanandrina, p. 67
3-Inona ilay drafitr’ asa izay nohezahin’ i Satana
mandrakariva ho tanterahina amin’ ny alalàn’ ireo mpiandraiki-draharahany?
Daniela 7: 25.
« Ny Tompo dia efa naneho mazava tsara ny làlana mankany amin’ ilay
tanànan’ Andriamanitra kanefa ilay mpitsipaka lehibe mpanohitra ny fivavahana
marina dia nanova ny famantarana marina ka nosoloiny tamin’ ny famantarana
diso : dia ny sabata izay nalaina tahaka tamin’ ilay nataon’ Andriamanitra
tamin’ ny voalohany mba hamitahana ny olona. Io mpanohitra lehibe io dia
manambara manao hoe: « hanao hetsika hanohitra an’ Andriamanitra aho.
Homeko ny fahefako ilay irako ho mpisolo tena ahy, dia ilay lehiben’ ota, mba
handrodanany ilay tsangam-bato fahatsiarovana naorin’ Andriamanitra: dia ny
sabatan’ ny andro faha-fito. Amin’ izany fomba izany dia hoporofoiko amin’ izao
tontolo izao fa ilay andro izay nohamasinin’ Andriamanitra sy ny notahiany dia
efa novaina. Io andro io dia tsy hitoetra ao an-tsain’ ny olona. Ho fafako ny
fahatsiarovana io andro io. Eo amin’ ny toeran’ io andro io dia hametrahako
andro iray izay tsy manana ny taratasy fanomezam-pahefana avy any an-danitra,
andro iray izay tsy ho afaka ny ho famantarana eo amin’ Andriamanitra sy ny
vahoakany. Hataoko ny hezaka rehetra mba hahatonga ny olona hanaiky an’ io andro
io amin’ ny alàlan’ ny fandraiketako ho an’ io andro io ny fahamasinana izay
napetrak’ Andriamanitra eo amin’ ny andro faha-fito. Hanandratra ny tenako
amin’ ny alalan’ ilay solon-tenako aho… dia amin’ ny alalan’ ny fandikana ny
sabata izay naorin’ Andriamanitra, dia hataoko izay hahatonga ny lalàny ho atao
tsinontsinona. » (RH 17/04/1900) » Commentaires bibliques, p. 170.
MANDOTO NY FITOERANA MASINA
4-Nanomboka teo amin’ ny fotoana izay nahataperan’
ireo fombam-pivavahana fanao tao amin’ ny fitoerana masina teto an-tany rehefa
maty Kristy, inona ilay fitoerana masina izay « voahitsaka » ka
ho diovina aorian’ ny 2300 andro? Matio 27: 51; Hebreo 9: 24; Daniela 8: 13,
14.
“Raha fintinina dia narafitr’ I Mosesy “araka ny endrika izay efa
hitany” ny fitoerana masina teto an-tany. Nolazain’ ny apostoly Paoly fa “ny
tabernakely sy ny fanaka rehetra enti-manao fanompoam-pivavahana,” dia
tandindon’ ny “tena fitoerana masina any an-danitra”. Nolazain’ I Jaona
tamintsika fa naseho ny tena zavatra lehibe izay nanaovan’ I Jesosy ny asa
nanirahana Azy ho antsika ka ny fitoerana masina naorin’ I Mosesy no sary
bitika nenti-naneho izany.” - Patriarka sy Mpaminany, p. 329
« Ny
teny
hoe ‘fitoerana masina’, araka ny ampiasaina ao amin’ ny baiboly dia
voalohany milaza ny ‘tabernakely’ any an-danitra, izay tondroin’ ny
fitoerana
masina teto an-tany. Nifarana tamin’ ny fahafatesan’ i Kristy ny
fanompoam-pivavahana tandindona. Ilay ‘tena tabernakely’ any an-danitra
no
fitoerana masin’ ny fanekena vaovao. Ary satria tanteraka io fanekena
vaovao
io, ny faminaniana ao amin’ i Daniela 8: 14, dia ny fitoerana masin’ ny
fanekena vaovao no tsy maintsy lazaina ao. Tamin’ ny fiafaran’ ny 2300
andro,
izany hoe tamin’ ny 1844, dia efa taon-jato maro no tsy nisian’ ny
fitoerana masina
any an-danitra, ny faminaniana hoe: « telon-jato sy roa arivo andro:
rehefa afaka izany dia hodiovina ny fitoerana masina. » - Hery Mifanandrina, p. 452
5-Ahoana ny fomba nanitsahan’ i Satana ny fitoerana
masina tany an-danitra tamin’ ny alalan’ ireo mpiasany sy ny fomba niadiany
hanoherana an’ Andriamanitra? Daniela 8: 11, 12.
« Ny fiakaran’ ny fiangonan’ i Roma eo amin’ ny fahefany no
nanamarika ny fiantombohan’ ny Andro Antenatenany rakotra haizina. Arakaraka ny
nitombohan’ ny heriny no nampikitroka ny haizina. Nalàna tamin’ i Kristy ilay
tena fanorenana ny finoana ka nafindra tamin’ ny papan’ i Roma. Tsy nahatoky ny
Zanak’ Andrimanitra ny olona mba ahazoany famelan-keloka sy fiainana
mandrakizay fa ny papa, ny pretra sy ny eveka izay nomeny fahefana no jereny.
Nampianarina ny olona fa ny papa no mpanelanelana azy eto an-tany ary tsy misy
afaka manatona an’ Andriamanitra raha tsy amin’ ny alàlany, ary mihoatra noho
izany dia nampianarina azy fa mitana ny toeran’ Andriamanitra izy ka tsy
maintsy hankatoavina. Ny tsy fankatoavana kely foana ny sitrapony dia ampy
hahatonga famaizana mafy indrindra hihatra amin’ ny vatana sy ny fanahin’ ny
mpandika lalàna … Tsy nampianarina hihevitra ny papa ho mpanelanelana fotsiny
izy fa nampianarina koa hahatoky ny asan’ ny tenany ho avotra ny amin’ ny
fahotana. » Hery mifandrina, pp. 55, 56
« Ny fanelanelana izay
lazaina fa ataon’ ireo olo-masina no ilay noforonina mihoatra noho ireo fitaka
rehetra. Ireo pretra sy ireo mpitarika dia tsy manana zo mihitsy hanelanelana
an’ i Kristy sy ireo fanahy izay nanolorany ny ainy ho faty, toy ny hoe ireo
pretra ireo sy ireo mpitarika dia nahazo ny fahefana rehetran’ ny Mpamonjy ka
afaka mamela ireo fandikan-dalàna sy mamela heloka.” (MS 128, 1897). »
Commentaires bibliques, p. 338
« Tamin’ izay dia voavoatra koa ny làlana hidiran’ ny zavatra iray
noforonin’ ny mpanompo sampy ataon’ i Roma hoe ‘afo fandiovana’ izay
nampivarahontsana ny vahoaka mora ambakaina sady mpinompino foana … Na oviana
na oviana hatramin’ izay dia tsy mbola tafakatra tamin’ ny haja sy voninahitra
na ny fahefana ambony toy izao ny Fiangonana Romana. » Hery mifanandrina,
p. 59
6-Inona no fitaka izay ahelin’ i Satana amin’ izao
vanim-potoana misy antsika izao? II Petera 2: 1; Kolosiana 2: 8
« Amin’ ny
fotoana ho avy, fahadisoan-kevitra isan-karazany no hita. Noho izany, ny
tongontsika dia mila mitoetra eo ambonin’ ny tany mafy. Ary mila manana andry
matanjaka sy mitoetra eo amin’ ilay efa voahorona. Tsy misy na dia savily iray
aza izay azo esorina eo amin’ ny zavatra izay naorin’ ny Tompo. Ilay fahavalo dia
hampiditra fotom-pampianarana diso maro, isan’ izany ilay fotom-pampianarana
izay mampianatra tsy misy fitoerana masina. Izany dia anankiray amin ireo izay
mahatonga ny olona hihataka hiala amin ny finoana. Eo amin’ inona moa no
hahitantsika toky sy fiarovana mba tsy ho azon-doza raha tsy eo amin ireo
fahamarinana izay nampahafantarin’ ny Tompo antsika nandritra ireo dimam-polo
taona farany ihany ?« The review and herald, 25 mai 1905 »
Evangeliser p.206
« Zava-dehibe eo amin’ ny drafitry ny fanavotana tahaka ny
nahafatesan’ i Kristy teo amin’ ny hazo fijaliana ny fifonana hataony any amin’
ny efitra masina any ambony. Tamin’ ny fahafatesany no nanombohany ny asany ary
taorian’ ny fitsanganany tamin’ ny maty dia niakatra Izy mba hanatanteraka
izany antsakany sy andavany. » Hery Mifandrina p. 505
7-Ahoana no fomba ifamatoran’ny fiangonana eto an-tany
sy ny fitoerana masina any an-danitra izay anaovan’ i Jesosy ny asa
fanelanelanana? Hebreo 8: 2; 9: 9, 23, 24
« Taorian’ ny niakarany ho any an-danitra ny Mpamonjy vao nitokana
ny asa maha-Mpisoronabe na Mpisorona ao amin’ ny fitoerana masina any
an-dabitra Azy. Nosoratan’ ny apostoly Paoly fa Jesosy Kristy ‘tsy mba niditra
tao amin’ ny fitoerana masina nataon-tànana, izay tandindon’ ny tena fitoerana
masina fa ho any an-danitra tokoa, mba hiseho eo anatrehan’ Andrimanitra
ankehitriny ho antsika’. Nizara ambaratonga roa lehibe izay samy nisahana
fotoana voafaritra tsara natao nifandimby tao amin’ ny efitra voalohany sy
faharoa, ao amin’ ny fitoerana masina any an-danitra ny asa nataony. Nitovy tsy
nisy nivoasana tamin’ ilay fitoerana masina teto an-tany no natao tao, izany
hoe amin’ ny fotoana roa mifanarakaraka: dia ny fanatitra isan’ andro sy ny
fanatitra isan-taona ny efitra tsirairay tamin’ ireo efitra anakiroa tao amin’
ny Tabernakely no natokana nanaovana azy avy.”Patriarka sy Mpaminany,pp. 361,
362
« Ny fiangonan’ Andriamanitra eto an-tany dia mitambatra amin’ ilay
fiangonan’ Andriamanitra any an-danitra izay vatana iray ihany. Ireo mpino eto
an-tany sy ireo zava-manan’ aina any an-danitra izay tsy nanota dia mivondrona
ho fiangonana iray ihany. Ireo manan-tsaina rehetra any an-danitra dia
fitambaran’ ny olona masina izay manompo an’ Andriamanitra eto amin’ izao
tontolo izao. Any amin’ ny kianjan’ ny lanitra any, izy ireo dia
manongilan-tsofina mihaino tsara ireo teny ataon’ ireo vavolombelon’ i Kristy
izay monina eto an-tany… » Témoignages pour l’ église vol 3, p. 34
MBA HAVERINA IANARANA SY HO SAINTSAININA LALINA
.Inona ilay fanoherana mahatsiravina izay tondroin’ ny
zava-miafin’ny tsy fahamarinana.
.Inona no nampiraisin’ ireo mpiandraiki-draharahin’ i
Satana mba hanitsakitsahan’ izy ireo ny fitoerana masina any an-danitra?
.Nahoana moa ny filazana fa tsy misy fitoerana masina
any an-danitra no tena zavatra mampidi-doza tokoa?
« Betsaka
sady mafy ny ezaka natao mba handrodanana ny finoan’ izy ireo. Tsy nisy izay tsy nahita anyy endrika na
tandindon’ ny any an-danitra ny fitoerana masina tety an-tany dia dika marin’
ny lalàna any an-danitra ilay napetraka teto an-tany ; ary ny fanekena ny
fahamarinana mikasika ny fitoerana masina any an-danitra dia mahafaoka ny
fanekena ny fitakian’ ny lalàn’ Andriamanitra sy ny tsy maintsy hitandremana ny
Sabatan’ ny didy fahefatra. anyy
tsiambaratelon’ ny fanoherana mangidy sy hentitra natao tamin’ ny fanazavana
mirindra ny Soratra masina izay nanambara ny fanompoana ataon’ I Kristy ao
amin’ ny fitoerana masina any an-danitra. Nezahan’ ny olona nakatona ny varavarana
izay novohan’ Andriamanitra ary novohainy izay nakatony. Nefa « Ilay
mamoha ka tsy hisy hanidy ary nanidy ka tsy hisy hamoha » no nanambara
hoe: « indro efa nasiako varavarana mivoha eo anolanao ka tsy misy
maharindrina azy» efa novohan’ I Kristy ny varavarana any asa fanompoana ao amin’ ny masina
indrindra. Namirapiratra avy tao amin’ ny varavarana mivoha any amin’ ny
fitoerana masina io fahazavana io ary hita fa ao ny didy faha-efatra; izay
naorin’ Andriamanitra dia tsy azon’ ny olona ravana. » Hery mifanandrina,
pp. 471, 472.
Arahabaina mitoraka bilaogy e...
RépondreSupprimerMisaotra t@ fanampiana nahafahana mitorak'eh
Supprimer