jeudi 12 juin 2014

ILAY TSIAM-BARA-TELO IZAY NIAFINA NADRITRA NY VANIM-POTOANA REHETRA

“Ary ho an’ Izay mahay mampahery anareo araka ny filazantsarako sy ny fitoriana an’ I Jesosy Kristy, araka ny fampisehoana ny zava-niafina hatry ny fony fahagola, fa efa naseho ankehitriny tamin’ izay soratry ny mpaminany, araka ny didin’ Andriamanitra mandrakizay,ka nampifantarina any amin’ny firenena rehetra hahatonga fanekena ny finoana.” Romana 16:25, 26

Nateraky ny vehivavy

1.Amin’ny maha-natera-behivavy Azy, fomba ahoana no nahaterahan’ Ilay Zanak’Andriamanitra teto amin’ity izao tontolo izao ity? Nahoana satana noniravoravo? Genesisy 3: 15; Galatiana 4: 4
 
“Tena faly indrindra tokoa satana rehefa nandao ny heriny sy ny voninahiny ka nandao ny lanitra Jesosy. Nihevitra izy fa rehefa nandao ny lanitra ilay Zanak’Andriamanitra dia ho eo ambany fahefany. Tena nahomby tamin’ny fomba mora tokoa satana tamin’ny nanaovany ilay fakam-panahy nandavoana ireo mpivady tao Edena, hany ka nanantena izy fa amin’ny alàlan’ny fahefany sy ny hafetseny feno hasomparana, dia hanana fototra izy hanamarinana ny heviny ka handreseny lahatra ilay Zanak’Andriamanitra ary dia hamonjy ny fiainany sy ny fanjakany. Raha toa ka vitan’I satana ny nampiodina an’I Jesosy tsy hanao ny sitrapon’ny Rainy, dia ho tratrany ny tanjona izay nokendreny.” Premiers Ecrits p 157

2.Inona no hevitra fonosin’ny hoe: ho tonga eto ambonin’ity tany ity amin’ny maha-tera-behivavy Azy? Inona no nafoiny mba hahatonga Azy ho olombelona? Filipiana 2: 6, 7
 
“Jesosy no Ilay Filoha mpifehy ny lanitra, mitovy amin’Andriamanitra Izy, kanefa dia sitrany ny nanala ny satro-boninahitra sy ny akanjo maha-Mpanjaka Azy, ary dia norakofany tamin’ny maha-olombelona ny maha-Andriamanitra Azy. Ny fahatongavan’I Kristy ho nofo dia zavatra saro-pantarina…
“Ny foto-pampianarana mikasika ny fahatongavan’I Kristy ho nofo dia zavatra saro-pantarina: ‘Ilay zavatra saro-pantarina izay miafina hatramin’izay ka hatramin’izao sy nandritra ny vanim-potoana rehetra. Io no ilay zafa-miafina lehibe sy lalina raketin’ny toe-panahy mifamatotra amin’ny fivavahana. ‘Ny tenin’Andriamanitra dia tonga nofo ary nonina teto amintsika.’ Kristy dia nandray teo amin’ny tenany ny maha-olombelona, dia ny natiora izay ambany noho ny natioran’ny lanitra izay ananany. Tsy misy na inona na inona hafa izay afaka maneho ilay fahambonian’Andriamanitra feno fanasoavana ny olona…
“Tsy hoe mody naka ny natioran’olombelona Kristy, fa tena naka marina io natioran’olombelona io Izy.” Commentaires Bibliques p 235

Ny maha-olombelona tao amin’I Kristy

3.Nahoana I Kristy no tsy maintsy tonga teto an-tany tahaka ny olombelona? Hatraiza ny fetra nitovizany amintsika? Jaona 1: 14; Hebreo 2: 14
 
“…Nanarona ny maha-Andriamanitra Azy tamin’ny maha-olombelona ilay Mpamonjy antsika. Nampiasa ireo fahafaha-manao ananan’ny olombelona Izy, satria amin’izany irery ihany no hahatonga Azy ho fantatry ny olombelona tsara. Nivelona tamin’ny toetran’Andriamanitra tamin’ny alàlan’ny vatan’olombelona izay namboarin’Andriamanitra ho Azy Izy. Nitahy izao tontolo izao tamin’ny alàlan’ny fivelomany tamin’ny fiainan’Andriamanitra tao anatin’ny vatan’olombelona Izy, ka tamin’izany no nanehoany fa manana ny fahefana hampitambatra ny maha-olombelona sy ny maha-Andriamanitra Izy. (R.H 25/06/1895)
“Efa ho tena fanambaniana tsy hita fetra ny Zanak’Andriamanitra ny nandray ny nofon’olombelona na dia tamin’ny fotoana tsy nananan’i Adama tsiny tao Edena aza.Nefa neken’i Jesosy ny nandray ny maha-olombelona efa trotraky ny efatra arivo taona nanjakan’ny fahotana.Tahaka ny zanak’I Adama rehetra dia nanaiky ny vokatry ny asan’ilay lalàna lehibe momba ny toetra ifandovana izy.Ary inona no nasehon’izany vokatra izany teo amin’ny tantaran’ireo razambeny tety an-tany.Niaraka tamin’izany fandovana izany no nahatongavany mba hizakany ny fahoriana sy ny fakam-panahy mahazo antsika ary mba hanomezany antsika ny ohatry  ny fiainana tsisy fahotana. ”  Ilay Fitiavana Mandresy p 33

4.Inona no antony nahatongavan’I Jesosy teto an-tany ary naka ny natioran’olombelona izay efa afa-boninahitranandritra ny 4000 taona nanotan’ny olombelona? Hebreo 2: 15-17
 
“Asehon’i Satana ho lalàm-pitiavan-tena ny lalàm-pitiavan’Andriamanitra. Lazainy fa tsy mety ho vitantsika ny mankato ny fitsipik’izany lalàna izany.Ny fahavalon’ireo razambentsika voalohany sy ny fahoriana rehetra vokatr’izany dia hiampangany ny Mpahary ka tarihiny ny olona hijery an’Andriamanitra hoy ilay nihavian’ny fahotana sy ny fijaliana ary ny fahafatesana. Hanala sarona io fitaka io Jesosy.Amin’ny maha anisantsika Azy dia hanome ohatry ny fankatoavana Izy.Noho izany dia noraisiny ny nofontsika ka nandalo tamin’ny fanandramantsika rehetra Izy, “koa amin’izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahy amin’ny zavatra rehetra Izy”…  Vavolombelona ny fiainany fa azontsika atao koa ny mankatoa ny lalàn’Andriamanitra.”   Ilay Fitiavana Mandresy p 97, 14, 15

Ohatra naseho sy porofo miharihary

5.Raha toa ny maha-olombelona an’I Kristy ka tsy nitovy tamin’ny maha-olombelona antsika, na hoe nanana fahatsarana mihoatra izay tsy ananan’ny maha-olombelona antsika, moa ve afaka ny ho tonga ohatra alaintsika tahaka sy naneho miharihary tsy azo lavina fa isika ihany koa dia afaka ny hitandrina ny didin’Andriamanitra? Jaona 13: 15; I Petera 2: 21
 
“Ireo izay mihevitra fa zavatra tsy mety nisy mihitsy izany hoe Jesosy manota, dia tsy afaka ny hino fa Izy dia nandray marina tokoa ny natioran’olombelona tao Aminy. Moa ve tsy tena nalain’I satana fanahy marina tokoa I Kristy, tsy tany an’efitra fotsiny ihany, fa koa nandritra ny fiainany manontolo, nanomboka teo amin’ny fahazazany ka hatramin’ny fahalehibiazany? Izy dia nandalovan’ny fakam-panahy teo amin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, ary satria nanohitra tamim-pahombiazana ireo karazana fakam-panahy rehetra Izy, dia nanome ohatra izay tanteraka mba halain’ny olombelona tahaka. Ka amin’ny alàlan’ireo ohatra maro mahasoa sy tsy maintsy ilaina izay nasehon’I Kristy dia afaka ny ho ‘nanana ny natioran’Andriamanitra noho isika efa nandositra ny fahalotoana eo amin’izao tontolo izao, dia ny filan-dratsy izany.” (M.S 141, 1901) Commentaires Bibliques p 355

6.Mifanohitra amin’ny fihamboana ataon’I satana izay milaza fa noho ny fahotana dia tsy afaka mitandrina ny lalàn’Andriamanitra isika, iza no nilaza mazava tsara fa afaka ny ho voatandrina io lalàn’Andriamanitra io? Hevero tsara izany oharina amin’ny maha-olombelona an’I Kristy. Romana 3: 10; Jaona 8: 46; 14: 30
 
“Tonga tamiko ny taratasy maro izay milaza fa Kristy dia tsy nanana natiora mitovy amin’ny an’ny olombelona, satria raha nitovy tamin’ny natioran’ny olona ny an’I Kristy, dia resin’ireo fakam-panahy mitovy amin’izay nahazo ny olombelona Izy. Raha toa Kristy ka tsy nanana ny natioran’olombelona dia tsy ho nandalovan’ny fakam-panahy tahaka antsika Izy. Raha toa ka zavatra tsy mety hisy mihitsy ny hoe mety ho resin’ny fakam-panahy Izy, dia tsy ho afaka ny hanampy antsika Izy. Ny hoe Kristy dia tonga nitari-dàlana nanao ilay ady, nitafy ny maha-olombelona Azy, sady nanao io ady io ho an’ny olombelona, dia tena zava-nisy marina izay tena lehibe tokoa. Ny fakam-panahy izay nandalo tamin’I Kristy sy ny fandreseny dia miteny amintsika fa ny taranak’olombelona dia tsy maintsy maka tahaka Ilay Modely, ary tsy maintsy manana ny natioran’Andriamanitra. (R.H 18 Février 1890)” Commentaires Bibliques p 187

7.Ahoana no iantsoan’ny Baiboly ireo izay mitsipaka ny natiora maha-olombelona tao amin’I Kristy? I Jaona 2: 3; II Jaona 1: 7

 Ny fandresen’I Kristy sy ny fankatoavany dia fandresena sy fankatoavan’ny olona iray izay tena manana ny maha-olombelona araka ny namoronan’ny Mpamorona azy. Tafalatsaka ao anatin’ny hadisoan-kevitra maro isika ao amin’ireo fehin-kevitra ataontsika vokatr’ireo hevitra diso ny amin’ny maha olombelona tao amin’ny Tompontsika. Rehefa omentsika ilay natiora maha-olombelona an’i Jesosy ny hery izay tsy afaka ny hananan’ny maha-olona mihitsy amin’ny tolona anoherany an’i satana, dia manjary potehintsika ilay fahamarinana hoe nanana ny maha-olombelona Kristy. Nisainy ho an’ireo rehetra izay mandray Azy amin’ny finoana ny fahasoavany sy ny fahefany.
“Ny fankatoavan’I Kristy ny Rainy dia ilay fankatoavana izay takiana amin’ny olombelona. Tsy afaka ny handresy ireo fakam-panahy alefan’I satana ny olombelona raha toa ka tsy mitambatra amin’ny herin’Andriamanitra ny heriny. Izany no niseho teo amin’ny fandresen’I Jesosy ilay fakam-panahy nalefan’I satana taminy: namikitra tamin’ny fahefan’Andriamanitra Jesosy. Tsy tonga teto amin’ity izao tontolo izao misy antsika ity mba hankatoa Andriamanitra Izay ambonimbony kokoa noho Izy amin’ny maha-Andriamanitra ambanimbany kokoa Azy Jesosy, fa kosa tonga tahaka ny olombelona iray mba hankatoa ny lalàna masin’Andriamanitra, ary noho izany antony izany no nahatonga Azy ho ohatra alaintsika tahaka. (MS1, 1892)” Commentaires Bibliques p 355

8.Inona no nasehon’ny fiainan’I Jesosy sy ny raharahan’ny lanitra izay notaterahiny? Hebreo 4: 15
 
“Ny fakam-panahy dia tsy azo lazaina ho fakam-panahy raha tsy misy ny fahazoana ho lavo.Manohitra ny fakam-panahy ny olona iray rehefa miasa amin-kery hanindry azy mba hahatonga azy hanao zava-dratsy ilay fakam-panahy, satria fantatr’io olona io fa mety hanaiky ho resy izy dia laviny amin’ny alàlan’ny finoana ny fanaovana ny ratsy, amin’ny alàlan’ny famikirany amin’ny fahefan’Andriamanitra. Toy izany ilay fitsapana mampitebiteby izay nandalovan’I Kristy. Raha toa ka tsy nisy mihitsy ny ahazoany ho lavo dia tsy ho nalaim-panahy tahaka ny olombelona Izy. Zava-manan’aina manana fahafahana malalaka tahaka an’I Adama sy tahaka ny olona tsirairay Izy. Nandritra ireo ora farany nahavelomany, raha nihantona teo amin’ny hazo fijaliana Izy, dia nandalovany tamin’ny fahafenoany ny fanandramana izay nolalovan’ny olombelona rehefa miady manohitra ny fahotana. Fantatr’I Jesosy tsara ny fatra mety hahatonga ny olona ho lasa tsy manjary rehefa manolo-tena ho amin’ny fahotana izy. Azon’I Jesosy tsara tao an-tsainy tao ireo vokatra mahatsiravina ateraky ny fandikana ny lalàn’Andriamanitra, satria ny fahotan’izao tontolo izao dia nitambesatra teo Aminy. (YI 20/07/1899)” Commentaires Bibliques p 187, 188

“Na dia nandalo sy niharitra ireo fakam-panahy izay tena mahatsiravina indrindra aza Kristy, dia tsy mba nanaiky ho lavon’ny fahakiviana mihitsy Izy. Niady ho antsika Izy; ary raha toa Izy ka nihamalemy sy nanaiky ho resin’ny fakam-panahy, dia very ny taranak’olombelona…
“Inona ny zava-nitranga raha nijoro naka ny toeran’I Adama sy niharitra ilay fitsapana izay tsy notoheriny I Kristy, tamin’ny alàlan’io hetsika nataony io dia nametraka ny olona teo amin’ny toerana tsara eo anatrehan’Andriamanitra Izy, ary tsy maintsy mandresy ho an’ny tenany manokana ny olombelona eo amin’io toerana io amin’ny alàlan’ny fahamendrehan’I Jesosy. Amin’ny Anarany, amin’ny alàlan’ny fahasoavany, dia afaka ny ho tonga mpandresy tahaka an’I Kristy izay mpandresy ny olombelona. Ao amin’I Kristy dia tafakambana ny maha Andriamanitra sy ny maha olombelona, ary ny hany fomba tokana izay afahan’ny olona ho tonga mpandresy dia ny fahatongavana ho manana ny natioran’Andriamanitra…Ny maha-Andriamanitra sy ny maha-olombelona dia tafakambana ao anatin’ny olona iray izay manana ny fanahin’I Kristy.” Sons and Daughters of God, p 24

MBA AVERINA HIANARANA SY HO SAINTSAININA LALINA

. Inona ilay zava-miafin’Andriamanitra izay nafenina hatry ny namoronana izao tontolo izao?
. Nahoana no mitovy amin’ny natiorantsika ny natiora maha olombelona an’I Kristy?
. Inona ilay fahasamihafana lehibe indrindra izay tsy mampitovy ny fanandramana nandalovantsika sy ny fandramana nandalovan’I Kristy?

MBA HO SAINTSAININA LALINA

“Rehefa maniry ny handinika olana lalina iray isika, dia hafantontsika amin’ilay zavatra iray izay tena mahatalanjona indrindra tsy mbola nisy toa azy teto ambonin’ny tany na tany an-danitra ny saintsika: dia ny nahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo. Nanolotra ny Zanany mba ho faty amin’ny fahafatesana mahafa-baraka sy mahamenatra Andriamanitra mba hamonjy ireo mpanota. Izy ilay Filoha Mpifehy ny any an-danitra dia nanala ny lambam-panjakana izay notafiany sy ilay satro-boninahitra maha-mpanjaka izay teo an-dohany, mba hanafy ny maha-Andriamanitra Azy amin’ny maha-olombelona, ka tonga teto amin’ity izao tontolo izao ity mba ho Filoha Mpitarika ny taranak’olombelona toy ny olona Modely fakan-tahaka. Nanetry tena mba hijaly miaraka amin’ny taranak’olombelona, mba ho ory vokatr’ireo fahoriana rehetra izay manjoy azy.” (MS 76, 1903)
“Koa satria ireo zaza dia nofo aman-drà, dia naka nofo aman-drà toy ny zaza ihany koa Jesosy. Tsy afaka ny tonga teto nitafy ny maha-anjely Izy satria raha tsy mifanena amin’ny olombelona Izy amin’ny maha olona Azy, mijoro ho vavolombelona amin’ny alàlan’ny fifandraisany amin’Andriamanitra, Izay tsy nanome ho Azy fahefana izay tsy nomena antsika, dia tsy ho afaka ny ho tonga ohatra feno fahatanterahana halaintsika tahaka Izy. Tonga tamim-panetren-tena mba hahatonga ny olona izay tena manetry tena indrindra eto ambonin’ny tany tsy ho afaka hanana fialan-tsiny na dia kely zany amin’ny tsi-fahampiana na tsy fahalàlana, ka hitenenany manao hoe: ‘Ireo tsy fahampiana sy ireo tsy fahalàlana dia manakana ahy tsy hankatoa ny lalàn’I Jehovah. Notafian’I Kristy tamin’ny maha-olona ilay maha-Andriamanitra Azy mba hahatonga ny maha-olombelona ho afaka manatona ny maha Andriamanitra, mba hahatonga Azy ho afaka miaina miaraka amin’ny taranak’olombelona sy mitondra ireo fitsapana sy fahoriana rehetra mahazo ny olombelona. “Izy dia nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanota Izy.” Tao anatin’ny maha-olombelona Azy, dia nahafantatra tsara ireo fakam-panahy rehetra izay mamely ny olombelona Izy. (MS 21, 1895).” Commentaire Bibliques p 351

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire