mardi 1 juillet 2014

IREO 144 000 - TOLONA MBA HIAROVANA NY LALANA



“Ary nahita aho, fa indro toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin’ ny bibidia sy ny sariny ary ny isan’ ny anarany dia nitsangana teo amoron’ ny ranomasina fitaratra, nitana lokangan’ Andriamanitra. Ary mihira ny fihiran’ I Mosesy mpanompon’ Andriamanitra, sy ny fihiran’ ny Zanak’ Ondry izy manao hoe : Lehibe sy mahatalanjona ny asanao Tompo o ! Andriamanitra Tsitoha; mahitsy sy marina ny làlanao ry Mpanjaka mandrakizay.” Apokalypsy 15: 2, 3.

FANDRESENA  ILAY BIBIDIA SY NY SARINY

1-Iza avy no hitan’ I Jaona tao anatin’ ny fahitana, mihira ny fihiran’ ny fandresena teo amin’ ny ranomasina fitaratra mifangaro afo ? Apokalypsy 15 : 2, 3 ; 14 : 1-3


2-Karazana ady manao ahoana no hataon’ ilay bibidia sy ny sariny mba hanoherana ireo 144.OOO ? Apokalypsy 13: 5, 15

« Ny ady atao amin’ ny lalàn’ Andriamanitra, izay nanomboka tany an-danitra dia hitohy hatramin’ ny faran’ ny andro. Hosedraina ny olona tsirairay. Fankatoavana na tsy fankatoavana, izany no zavatra tsy maintsy hotapahin’ izao tontolo izao manontolo. Hantsoina ny rehetra hisafidy na ny lalàn’ Andriamanitra na ny lalàn’ ny olombelona. Eo no hamaritana ny faritra fampisarahana. Tsy hisy afa-tsy antokon’ olona roa. Samy ho tonga eo amin’ ny fahafenoany ny toetra amam-panahin’ ny tsirairay ; ary hasehon’ ny rehetra izay nofidiny na ny hiandany amin’ ny fahatokiana an’ Andriamanitra na amin’ ny fikomiana. » Ilay fitiavana mandresy, p. 824

3-Koa satria satana naniry hitovy amin’ Andriamanitra, fomba ahoana no nihantsiany ny mpamorona? Ahoana no fomba hanangolen’i satana ny olona mba hahatonga azy hikomy hanohitra an’ Andriamanitra? Isaia: 14 : 12-14 ; Ohabolana 28 : 4

“Ny didin’ Andriamanitra no fototri’ ilay ady lehibe hatramin’ ny voalohany. Satana dia nilaza fa tsy marina Andriamanitra, ary tsy tsara ny didiny ka tokony hamboarina sy hahitsy mba hitondra soa ho an’ izao tontolo izao. Ny hanongana ny fahefan’ Andriamanitra no kendreny raha namelively ny didiny izy.” Patriarka sy mpaminany p 52
« Rehefa noesorina ilay boky mpanondro ny fahadisoan-kevitra, dia niasa araka ny sitrapony i Satana. Efa nolazain’ ny faminaniana « fa hitady hanova fotoana sy lalàna » ny fahefana papaly, tsy nitaredretra izy hanao izany asa izany…
« …Ny fanovana ny lalàn’ Andriamanitra ihany no fomba hahazoan’ ny fahefana papaly manandratra ny tenany ho ambonin’ Andriamanitra… » Hery mifanandrina, pp. 52, 460
 
4-Na dia voasoratra ao anaty baiboly aza fa ny lalàn’ Andriamanitra dia tsy sarotra, Inona ilay fitaka mitohy ataon’ I Satana? Salamo 119 : 92  ; 1 Jaona 5 : 3 ;Matio 11 : 3O ; Ohabolana 28 : 4

“Nilaza I Satana fa tsy azon’ ny olona atao ny mankato ny didin’ Andriamanitra, ary raha ny herin’ ny tenantsika samirery no ianteherantsika, dia ho marina tokoa izany. Nefa tonga Kristy tamin’ ny endrik’ olombelona, ary ny fankatoavana tanteraka nataony dia nasehony fa rehefa tafaray ny maha-olombelona sy ny maha-Andriamanitra dia azo atao ny mankato ny didin’ Andriamanitra rehetra.” Henoinareo ny fanoharana p. 276
« Fony mbola nanomboka ilay ady lehibe, dia nanambara i Satana fa tsy azo ankatoavina ny lalàn’ Andriamanitra, fa tsy misy ifandraisana amin’ ny famindram-po ny fahamarinana, ary raha voadika ny lalàna dia tsy ho azon’ ny mpanota atao ny ho voavela heloka. » Lay fitiavana mandresy, p 821

5-Iza teo amin’ ny fiainany sy ny fampianarany no nanazava ny fitaka ataon’ ny satana io? Jaona : 14 : 30 ; 15 : 10

« Avy ny andrianan’izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato amiko izy, hoy Jesosy ». Tsy misy na inona na inona izay nifanahaka tamin’ny lainga tsara lahatr’ i Satana tao Aminy. Tsy nanaiky ny hanota Izy. Na dia tamin’ny eritreritra aza, dia tsy nilefitra tamin’ny fakam-panahy Izy. Mety ho toy izany koa amintsika. Niray tamin’ ny maha-Andriamanitra ny maha-olombelona an’i Kristy. Vonona ho amin’ny ady Izy noho ny fitoeran’ny fanahy masina tao anatiny. Ary tonga Izy mba hanaovany antsika ho mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra. Raha mbola miray Aminy amin’ny alalan’ny finoana isika, dia tsy manan-kery amintsika ny fahotana. Mandray ny tànan’ny finoana ao amintsika Andriamanitra, ka tarihiny hamikitra mafy amin’ny maha-Andriamanitra an’I Kristy, mba hahatrarantsika ny fahatanterahan’ny toetra amam-panahy ». Ilay Fitiavana mandresy p.114
 “Io akanjo io izay notenomina tany amin’ny fanenoman’ny lanitra, dia tsy misy na dia singa kofehy iray aza avy amin’ny fisainan’olombelona. Kristy no nanamboatra toetra tanteraka tao amin’ny maha-olombelona Azy, ary io toetrany io no atolony hozaraina amintsika : “Tahaka ny lamba mihosin-drà ny fahamarinanay rehetra”. Izay rehetra azontsika atao amin’ ny alàlan’ ny tenantsika dia voaloton’ ny fahotana. Nefa ny Zanak’ Andriamanitra dia naseho hanaisotra ny ota ; ary tsy mba nisy ota tao Aminy”. Ny fahotana dia faritana fa “fandikana ny lalàna”. Nefa kosa Kristy dia nankato ny fitakian’ny lalàna rehetra. Hoy Izy momba ny tenany : “ny hanao ny sitraponao Andriamanitra ô, no sitrako ary ny lalànao no ato anatiko.” Fony Izy tety an-tany dia hoy Izy tamin’ ny mpianany : “tahaka ny nitandremako ny didin’ ny Raiko”. Noho ny fankatoavana tanteraka vitany dia nataony ho azon’ ny olombelona tsirairay hefaina ny mankato ny didin’ Andriamanitra. Rehefa milefitra eo amin’ I Kristy isika, ny fontsika dia iray amin’ny fony, ny sitrapontsika voasaron’ ny sitrapony, ny siantsika manjary iray amin’ny sainy, ny eritrerintsika voababony ; mivelona amin’ ny fiainany isika.” Henoinareo ny Fanoharana p. 271

NY NAHATONGAVAN’ I KRISTY HO NOFO

6-Inona no natiora noraisin’ I Kristy rehefa tonga teto ambonin’ ny tany izy mba hamonjy ny olombelona? Ahona no fomba nanaporofoiny fa ny olombelona dia afaka ihany koa hitandrina ny lalàna? Jaona 1 : 14a

« Nitafy ny maha-olombelona antsika Kristy mba hanonerany ny tsy fahombiazan’ i Adama. Fony namely an’ i Adama anefa ny fakam-panahy dia tsy mbola nanan-kery taminy ny fahotana. Nijoro teo amin’ ny tanjaky ny maha-olombelona tanteraka izy, nanana hery feno teo amin’ ny saina sy ny tena, voahodidin’ ny voninahitr’ i Edena ary nifandray isan’ andro tamin’ ny mponin’ ny lanitra. Tsy toy izany Jesosy raha niditra tany an-efitra ka nifanehitra sy nandresy an’ i satana. Nandritran’ ny efatra arivo taona dia efa nihena hatrany ny hery ara-batana, ara-tsaina sy ny fahamendrehana ara-pitondran-tena teo amin’ ny taranak’ olombelona ; koa ny fahalemen’ ny olombelona efa simba no noraisin’ i Kristy teo Aminy. Amin’ izany fomba izany ihany no ahazoany mamonjy ny olona ho afaka amin’ ny fitotonganana farany ambany indrindra. 
« Betsaka no milaza fa tsy nety ho resin’ ny fakam-panahy Kristy. Raha izany, tsy ho azo napetraka teo amin’ ny toerana misy an’ i Adama Izy ; tsy nety nahazo ny fandresena izay tsy nahombiazan’ i Adama ka tsy azony Izy. Raha tahiny isika nandalo ady sy fitsapana mafy noho izay nanjo an’ i Kristy, dia tsy ho hainy ny hamonjy antsika. Nefa dia nandray ny maha-olombelona antsika miaraka amin’ ny firongo ratsiny rehetra ny Mpamonjintsika. Nihatra taminy ny fahazoana ho resin’ ny fakam-panahy. Tsy misy na inona na inona ho zakaintsika ka tsy efa niaretany.» Ilay fitiavana mandresy, p. 106

7-Inona no tsy maintsy nilain’ I Kristy mba hahatongavany ho olombelona ? Hebreo 2 : 14 b, 17

“Asehon’i Satana ho lalàm-pitiavan-tena ny lalàm-pitiavan’Andriamanitra. Lazainy fa tsy mety ho vitantsika ny mankato ny fitsipik’izany lalàna izany. Ny fahavalon’ireo razambentsika voalohany, sy ny fahoriana rehetra vokatr’izany, dia hiampangany ny Mpahary, ka tarihiny ny olona hijery an’Andriamanitra ho ilay nihavian’ny fahotana sy ny fijaliana ary ny fahafatesana. Hanala sarona io fitaka io Jesosy. Amin’ny maha-anisantsika Azy dia hanome ohatry ny fankatoavana Izy.Noho izany dia noraisiny ny nofontsika ka nandalo tamin’ny fanandramantsika rehetra izy, “koa amin’izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra Izy”. Raha misy, na inona na inona tokony ho zakaintsika izay tsy niaretan’ I Jesosy, dia izany zavatra izany no hanehoan’ I satana fa tsy ampy ho antsika ny herin’ Andriamanitra. Noho izany dia “nalaim-panahy tamin’ ny zavatra rehetra” Jesosy. Niaritra  ny fitsapana rehetra mety mihatra amintsika Izy. Ary tsy nisy hery nampiasainy ho an’ ny tenany izay tsy atolony malalaka ho antsika. Tamin’ ny maha-olombelona Azy no nisetrany fakam-panahy sy nandreseny tamin’ ny hery izay nomena Azy avy tamin’ Andriamanitra. Hoy Izy : “ ny hanao ny sitraponao Andriamanitra ô, no sitrako; ary ny lalànao no ato anatiko”. Raha nandehandeha nanao soa Izy, ka nanasitrana ireo nampahorian’ I satana, dia nasehony mazava tamin’ ny olona ny toetry ny lalàn’ Andriamanitra sy ny asa fanompoana ataony. Vavolombelona ny fiainany fa azontsika atao koa ny mankatoa ny lalàn’Andriamanitra.”   Ilay Fitiavana Mandresy p 14, 15

FISEHOANA IZAY TENA LAVORARY INDRINDRA

8-Iza no hijoro ho vavolombelona fa ny fandresen’ I Kristy tao anatin’ ny natiora maha-olombelona dia porofo miharihary fa ny olona dia afaka mankatoa tanteraka ny lalàn’ Andriamanitra? Apokalypsy 14 : 1 ; 15 : 2, 3

“Nefa tsy ho toy izany rehefa hifarana ilay ady lehibe. Amin’ izay, dia ho tanteraka ny drafitry ny fanavotana, haseho amin’ ny voary rehetra manan-tsaina ny toetra amam-panahin’ Andriamanitra. Ho hita fa tanteraka sy tsy miova ireo foto-kevitry ny lalàna. Amin’ izay dia ho hita mazava ny toetry ny fahotana, ho fantatra tsara i satana eo amin’ ny toetra amam-panahiny. Amin’ izay dia hanamarina ny fanafonganana ny fahotana ny fitiavan’ Andriamanitra ka hampitoetra ny voninahiny eo anatrehan’ireo mponina eo amin’ izao rehetra izao izay tia ny manao ny sitrapony, sy amin’ ireo izay mirakitra ny lalàny ao am-pony.” Ilay fitiavana mandresy p 825

AVERINA IANARANA SY MBA HO SAINTSAININA LALINA
-Iza no hanenjika ireo 144.000?
-Inona no fomba fiasa izay nosafidian’ I satana niezahany hitovy amin’ Andriamanitra?
-Inona no ambaran’ny natiora maha-olombelona an’ I Kristy?

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire