Ary nahare feo mahery avy teo
amin’ny seza fiandrianana aho nanao hoe : Indro ny taberinakelin’Andriamanitra
dia eo amin’ny olona , ary Izy hitoetra eo aminy , ary ireo ho olony , ary
Andriamanitra no hitoetra eo aminy , dia ho Andriamaniny . Ary hofafany ny
ranomaso rehetra eo amin’ny masony
; ary tsy hisy fahafatesana intsony , na fanaintainana
, fa efa lasa ny zavatra taloha . Ary
hoy ilay mipetraka eo ambonin’ny seza
fiandrianana : “Indro , havaoziko ny zavatra rehetra” . Ary hoy koa Izy ; “Soraty , fa mahatoky sy
marina ireo teny ireo” . Apokalypsy
21 : 3-5
Izao tontolo izao voadio
1.-Inona no ho tonga amin’ny tany raha vantany vao voahaisotra ny ratsy
? Isaia 65 : 17 ; II Petera 3 : 13 . Iza no handray an’io lova mahatalanjona io
? Apokalypsy 21 : 5-7
Ary nahita lanitra vaovao aho ;
fa efa lasa ny tany voalohany . Apokalypsy 21 : 1 . Manadio ny tany ny afo izay
mandevona ny ratsy fanahy . Voafafa ny ozona rehetra . Tsy hisy helo mirehitra
afo mandrakizay eo anantrehan’ireo voavonjy hampahatsiaro mandrakariva ny
vokatra mahatsiravina avy amin’ny fahotana . Hery Mifanandrina p 701
Ny tany izay nampanantenaina azy ireo dia tsy ho hamaizinin’ireo aloky
ny fahafatesana intsony . Tsy ho hamaizinin’ny ozona tahaka ity tany
ankehitriny ity . Une Vie Meilleur p 30
2 .-Inona ireo marika izay ho famantarana mitoetra
mandritra ny fotoana rehetra , mba ho
fampahatsiarovana an’ilay vidiny naloha
tamin’ny fanatanterahana an’ilay fanavotana ? Zakaria 13 : 6
Fampahatsiahivana tokana ihany no
hitoetra : hitondra mandrakariva ny holatry ny nanombohana Azy tamin’ny hazo
fijaliana Ilay Mpanavotra antsika . Eo amin’ny lohany noratraina , eo amin’ny
lanivoany , eo amin’ny tànany aman-tongony ,
ireo no hany soritry ny asa mahatsiravina nataon’ny fahotana . Hoy ny
mpaminany raha mibanjina an’i Kristy ao amin’ny voninahiny izy . “ Misy
famirapiratana toy ny mazava , ary misy tana-masoandro avy eo amin’ny tànany ;
ary ao no fiheren’ny heriny ” Habakoka 3 : 4 . Amin’io lanivoany voatrobaka io
izay nijininihan’ny ra nampihavana ny olombelona tamin’Andriamanitra , no
ahitana ny voninahitry ny Mpamonjy , ao no “ fieren’ny heriny ” . Mahery ka
mahavonjy Izy amin’ny alalan’ny soron’ny fanavotana , noho izany dia manankery
hampihatra famaliana amin’ireo izay nanamavo ny famindram-pon’Andriamanitra Izy
. Koa ny mariky ny fanetren-tenany no voninahiny ambony indrindra ; mandritra
ny mandrakizay dia hampiseho ny fiderana Azy sy ny heriny ny holatr’i Kalvary .
Hery
Mifanandrina p 701
Tafafindra nankao anatin’ilay fanjakana
3 .-Iza ireo hanana fifaliana satria tafafindra ao
anatin’ilay fanjakan’ny fiadanana sy fahamarinana ? Kolosiana 1 : 12-14 ;
Salamo 37 : 29
“ Ary ianao , ry tilikambon’ny
andiany , tendrombohitr’i Ziona zanakavavy , aminao no ho tonga izany , eny ho
tonga voalohany ” . Tonga izao ny fotoana nandrandrain’ny olona masina
hatramin’ny nanakanan’ny lelafon’ny sabatra mihebiheby ireo mpivady voalohany
tsy hiditra tany Edena , dia ny fotoana “ ho amin’ny fanavotana ny olona izay
nalainy ho an’ny tenany ” Efesiana 1 : 14 . Ny tany izay nomena ny olona tany
amboalohany ho fanjakany , kanefa natolony eo ampelatanan’i Satana , ary
notazonin’io fahavalo mahery io ela dia ela , ankehitriny dia tafaverina
tamin’ny alalan’ny drafitry ny fanavotana . Tafaverina avokoa izay rehetra very
noho ny fahotana . “ Fa izao no lazain’i Jehovah , Izay nahary ny lanitra sady
namorona ny tany sy nahavita azy . Izy no nandamina azy , tsy ho tany tsy misy
endrika no namoronany azy ,fa nataony honenana ” Isaia 45 : 18 . Tanteraka ny
fikasan’Andriamanitra tany amboalohany , tamin’ny namoronany ny tany dia ny
hanao azy ho fonenan’ny voavotra mandrakizay . “ Ny marina handova ny tany , ka
honina eo aminy mandrakizay ” Salamo 37 : 29
. Hery Mifanandrina pp 701 , 702 .
Tena sambatra sy miravoravo ao anatin’ny
fanjakan’Andriamanitra
4 .-Inona no fanandramam-piainana hataon’ireo zanak’Andriamanitra ao anatin’io fanjakana io ? Isaia 64 : 18-19
, 24-25 . Inona ireo asa tsy tambo hisaina izay andraisan’izy ireo anjara ao ?
Isaia 65 : 21-23 .
Ny hazo fijalian’i Kristy no ho
fianarana sy ho antokiran’ny voavotra mandritra ny mandrakizay manontolo . Ao
amin’i Kristy omem-boninahitra no hibanjinany an’i Kristy voahombo . Hery
Mifanandrina p 677
Any amin’ny tany vaovao , dia
hibanjina ny hery mahagaga nahariana izao rehetra izao sy ny zava-miafin’ilay
fitiavana manavotra ny voavonjy . Any tsy hisy fahavalo masiaka , mamitaka haka
fanahy antsika hanadino an’Andrianitra . Hivelatra ny fahaizana rehetra , ary
hitombo ny talenta rehetra . Tsy hanasatra ny saina na handany hery ny
fitadiavam-pahalalana . Ho tanteraka any ny fikasana miezinezina indrindra , ho
tratra ny zava-kendrena ambony indrindra , ho tanteraka ny faniriana ambony indrindra ; ankoatra izany
anefa dia mbola hisy ihany tendro vaovao ho tratrarina ; zava-magaga vaovao
hahaliana , anton-javatra vaovao hampiasana ny herin’ny saina sy ny fanahy ary
ny tena . Hery Mifanandrina p 704
Ny fitondram-panjakan’Andriamanitra ao amin’ilay
tontolo vaovao
5 .-Inona ilay andro voatendry manokana izay iangonan’ireo olona
voavotra mba hiankohofany amin’Andriamanitra ?
Salamo 111 : 8 ; Isaia 66 : 22-23
Tsy hahalala lalàna hafa
noho ny an’ny lanitra ireo voavotra . Ho tonga fianankaviana anankiray sambatra
sy miray hina izy ireo , ary hotafiana akanjom-piderana sy fisao-rana .
Hanakoako amin’izay ireo feon-kira masina avy amin’ny kintan’ny maraina .
Hampitalakotrokotroka ny feon’olon-tsambatra ananany ny zanak’ Andriamanitra
rehetra , ary hiaraka hanambara Andriamanitra sy Kristy hanao hoe : “ Tsy hisy
ota intsony , ary ho foana mandrakizay ny fahafatesana” . “Ary isaky ny
voaloham-bolana sy isan-tSabata dia ho avy ny nofo rehetra hiankohoka eo
anantrehako , hoy Jehova” Isaia 66 : 23 . Dia hiseho ny voninahitr’i Jehovah ,
ary ny nofo rehetra hiara-mahita izany . Dia toy izany no hampisehoan’i Jehovah
Tompo fahamarinana sy fiderana eo anantrehan’ny firenena rehetra . Ary
amin’izany andro izany Jehovah Tompon’ny maro , dia ho satro-boninahitra tsara
tarehy sy ho fehiloha firavaka ho an’ny olony sisa . Mpaminany sy Mpanjaka p 597
Raha mbola misy koa ny lanitra sy ny
tany , dia mbola ho famantarana ny herin’ny Mpamorona ihany ny Sabata . Ary
rehefa tafaverina indray amin’ny faha-tsaran-tarehiny eto an-tany Edena , dia
hohajain’ny rehetra ny andro fitsaharana masin’Andriamanitra . Ary isan-tSabata
dia ho avy hiankohoka eo anantrehako ny mponina rehetra ao amin’ny tany
vaovao be voninahitra , hoy Jehovah .
Isaia 66 : 23 . Ilay Fitiavana Mandresy p 293
6 .-Aiza no ho renivohitr’ilay fitondram-panjakana mandrakizain’ny faha-soavana
sy fitiavana ? Apokalypsy 21 : 10-11 , 24 .
“Jerosalema vaovao” no renivohitry
ny tany vaovao be voninahitra izay “ satro-boninahitra eo an-tànan’i Jehovah sy
ho satrok’andriana eo ampelantànan’ Andriamanitra”.“Ny famirapiratany dia ho
tahaka ny vatosoa indrindra , dia ho taha-ka ny vato jaspy , manganohano tahaka
ny vato kristal ”. “ Ary ny firenena maro no handeha amin’ny fahazavany : ary
ny mpanjakan’ny tany dia mitondra ny vonina-hiny ho ao anatiny ”. “ Dia ho faly amin’i Jerosalema Aho sy ho
ravoravo amin’ny oloko ” . “ Indo ny tabernakelin’Andriamanitra dia eo amin’ny
olona , ary Izy hitoetra eo aminy ary ireo ho olony , ary Andriamanitra no
hitoetra eo aminy , dia ho Andriamaniny
” . Isaia 62 : 3 ; Apokalypsy : 11 , 24
. Hery Mifanandrina p703
7.- Fomba ahoana , ary inona no antony hankalazàna
mandrakizay ny tany ? Avy aiza no
hifehezana ny voahary manontolo ? Apokalypsy 21 : 3 ; Romana 5 : 20-21
Ho tanteraka ny asan’ny fanavotana
. Teo amin’izay nihabeazan’ny ota no nihoaran’ny fahasoavana be lavitra . Ny
tany mihintsy , dia ilay toerana ihamboan’ Satana fa azy , dia tsy hoe avotana
fotsiny , fa asandratra koa . Ity izao tontolo izao kelintsika ity izay eo
ambanin’ny ozon’ny fahotana , ka hany pentina mainty eo amin’ny voahary be
voninahitra nataon’Andrimanitra , dia homem-boninahitra ambonin’izao tontolo
izao rehetra . Eto amin’ity tany ity , izay nitoeran’ny zanak’Andriamanitra an-day
tao amin’ny nofon’olombelona , izay niveloman’Ilay Mpanjakan’ny voninahitra ,
izay nijaliany sy nahafatesany . Rahatrizay hohavaoziny ny zavatra rehetra ka
ho eo amin’ny olona ny taberinakelin’Adriamanitra , eto amin’ity tany ity no :
“ hitoetra eo aminy Izy , ary ireo ho olony , ary Andriamanitra no hitoetra eo
aminy , dia ho Andriamaniny” . Koa mandritra ny andro maro tsy
manam-pahataperana , raha mandeha eo amin’ny fahazavan’ny Tompo ny voavotra ,
dia hidera Azy izy ireo noho Ilay Fanomezany tsy hay ambara . Dia Imanoela. Amintsika Andriamanitra . Ilay
Fitiavana Mandresy pp 17 , 18
Mba ho saintsainina lalina
Isaia 9 : 6-7 ;
33 : 14-17 ; 35 : 10 , I Korintiana 13 :
12-13
… Tsy misy manamaloka ny fijeriny eo
am-pitazanana ny voninahitry ny famoronana . Ny masoandro sy ny kitana ary ireo
vondron-kintana , samy mandeha manodidina ny seza fiandrianan’Andriamanitra
araka ny sori-dalana voatendry hizorany avy . Ny zavatra rehetra , hatramin’ny
kely indrindra ka hatramin’ny lehibe indrindra , dia misy ny anaran’ny
Mpamorona voasoratra eo aminy avokoa , ary izy rehetra dia samy maneho
raki-tsarobidin’ny heriny avokoa .
Ireo izay manaiky ny
fampianaran’ny tenin’Andriamanitra dia tsy havela tsy hahalala tanteraka ny
mikasika ny fonenana any an-danitra . “ Koa izay tsy mbola hitan’ny maso ary
tsy mbola ren’ny sofina na niditra tao am-pon’ny olona no efa namboarin’Andriamanitra
ho an’izay tia Azy ” Apokalypsy 2 : 9 . Tsy ampy hahalaza ny momba ny
valisoan’ny marina ny fitenin’olombelona
. Izay hahita azy ihany no hahafanatra azy . Tsy misy saina voafetra afaka
hahatakatra ny voninahitry ny paradisan’Andriamanitra . Hery Mifanandrina pp 705 , 702