“ Kristy no nampiseho ny Rainy teto amin’izao tontolo izao ary mampiseho
ihany koa eo anatrehan’ Andriamanitra ireo olon-boafidy izay namerina indray
ilay endrin’ Andriamanitra. Izy ireo no lovany… tsy misy mpitondra fivavahana, tsy
misy mpiandany amin’ny foto-pivavahana anakiray afaka ny hanambara
ny Ray afa tsy ny Zanany ihany, eny fa na dia ny zanak’i Adama aza. Ny
olombelona dia manana mpisolo vava, mpiaro, izay afaka mamela ny
fandikan-dalàna.” That I May Know Him,
p. 73.
JESOSY ILAY MPISOLO VAVA
1. .Inona no toerana raisin’I Jesosy eo
anatrehan’Andriamanitra, rehefa misokatra ny boky ka dinihana ny momba ny olona
tsirairay? 1 Jaona 2 : 1 ;Hebreo 9 : 24. Miatomboka
amin’iza ary mifarana amin’iza izany fanelanelanana izany ? 1
Petera 4 : 17.
« Hiseho
amin’ny maha mpisolovava azy ireo Jesosy ary handahatra ho azy eo anatrehan’
Andriamanitra. « Raha misy manota dia manana solovava ao amin’ny Ray
isika, dia Jesosy Kristy ; Ilay marina »I Jaona 2 : 1.“ Fa Kristy tsy mba
niditra tao amin’ny fitoerana masina nataon-tanana, izay tandidon’ny tena
fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa mba hiseho eo anatrehan’
Andriamanitra ankehitriny ho antsika” . “ Koa amin’izany dia mahavonjy tokoa
izay manatona an’ Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay
hanao fifonana ho azy Hebreo 9 : 24 ; 7 : 25.
« Rehefa sokafana eo amin’ny fitsarana ireo
boky, dia mandalo eo anatrehan’ Andriamanitra ny fiainan’ izay rehetra nino
an’I Jesosy. Atombok’ Ilay Mpisolovavantsika amin’izay velona voalohany teto
an-tany ny fanehoana ny momba ireo taranaka nifandimby tsirairay ka faranany
amin’ny velona ankehitriny… » – Hery
Mifanandrina, p. 498, 499.
NY SASANY HO
EKENA, NY SASANY HO LAVINA
2. Nahoana ny anarana sasany no ho lavina sy hofafana ao
anatin’ny bokin’ny fiainana ? Ezekiela 18 : 24 ; Eksodosy 32 : 33.
« … Aroso ny
anarana tsirairay ary fakafakaina lalina ny aminy. Misy anarana ekena , misy lavina.
Rehefa misy manana fahotana tafajanona eo amin’ny boky firaketana, tsy
nibebahana sy tsy nahazoana famelan-keloka, dia kosehina tsy ho eo amin’ny
bokin’ny fiainana ny anarany ary vonoina tsy ho ao amin’ny boky fitadidian’
Andriamanitra ny tatitra momba ny asa tsara. Hoy Jesosy tamin’I Mosesy : “ Na
iza na iza nanota tamiko, dia hovonoiko ny anarany eo amin’ny bokiko.”Ezekiela
32 : 23. Ary hoy ny mpaminany Ezekiela : « Fa raha ny marina no miala
amin’ny fahamarinany ka manao meloka … ny fahamarinany rehetra izay nataony dia
tsy hotsarovana Ezekiela 18 : 24. » – Hery Mifanandrina, p. 499.
3. Inona no tena manan-danja indrindra ilaina mba hahazoana
ny fiainana mandrakizay? Asa 3 : 19 ; Romana 3 : 24-26.
« Ho an’izay
rehetra nibebaka marina ny amin’ny fahotany ka mitaky ny ran’ i Kristy ho
fanavotana azy amin’ny alalan’ny finoana, dia asiana soratra hoe «
Voavela » mifanitsy amin’ny anarany ao amin’ny bokin’ny lanitra ;
rehefa tonga mpiray amin’ny fahamarinan’i Kristy izy, ka hita fa mifandrindra
amin’ny lalàn’ Andriamanitra ny toetra amam-panahiny, dia voakosoka ny
fahotany, ary hisaina ho mendrika ny fiainana mandrakizay izy. Izao no
ambaran’i Jehovah amin’ny alalan’i mpaminany Isaia : « Izaho dia
Izaho no mamono ny fahadisoanao noho ny amin’ny tenako, ary tsy ho tsarovako ny
fahotanao » Isaia 43 : 25 . Hoy i Jesosy : « Izay maharesy
dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin'ny
bokin'ny fiainana tokoa Aho, fa hanaiky ny anarany eo anatrehan'ny Raiko sy eo
anatrehan'ny anjeliny » . « Ary amin'izany na zovy na zovy no hanaiky
Ahy eo anatrehan'ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any
an-danitra. Fa na zovy na zovy no handà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holaviko
kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra” Apokalypsy 3 : 5 ; Matio 10
: 32, 33. – Hery Mifanandrina, pp. 499.
FITSAPANA MARINA
4. Inona no manamarika ny asan’Andriamanitra rehefa
mandinika ny toetran’ny olona tsirairay Izy? Salamo 50 : 6 ; Esaia 5 : 16.
Iza no soloin’Ilay Mpanelanelana
vava? Salamo
50 : 5 ; Romana 6 : 22.
« Liana
fatratra ny olona ta-hahalala ny didim-pitsarana avoaky ny fitsarana eto
an-tany, nefa maivana dia maivana izany raha mitaha amin’izay hita any
an-kianjan’ny lanitra rehefa misy anarana voasoratra ao amin’ny bokin’ny
fiaianana entina hodinihina eo anatrehan’ny Mpitsara ny tany rehetra.
Mandahatra Ilay Andriamanitra Mpanelanelana milaza fa izay rehetra nandresy
tamin’ny alalan’ny finoana ny rany, dia avela ny fandikany ny lalàna, fa
averina indray ao amin’ny tonkantranony tao Edena izy, ary satroham-boninahitra amin’ny
maha-mpiara-mandova azy Aminy ao « amin’ny fanapahana voalohany »
Mika 4 : 8. Nihevitra i Satana tamin’ny ezaka nataony hamitahana sy hakana
fanahy ny tarank’olombelona fa hanafoana ny drafitra nataon’ Andriamanitra
tamin’ny namoronana ny olombelona ; nefa mangataka izao i Kristy ny
hampiharana io drafitra io tahaka ny tsy ho lavo iny mihitsy ny olona. Tsy famelan-keloka fotsiny sy fanamarinana
feno sy tanteraka ihany no angatahiny ho an’ny vahoakany , fa ny andraisany
anjara amin’ny voninahiny sy toerana eo amin’ny seza fiandrianany. – Hery Mifanandrina, p. 500.
NY ASAN’ILAY MPIAMPANGA
5. Eny fa na dia any an-danitra aza no mandeha ny fitsarana,
inona kosa no tohizan’i Satana atao hatrany ety ambonin’ny tany ? Zakaria 3
: 1 ; Apokalypsy 12 : 12b
« Raha mbola
mandahatra ho an’ireo niantefan’ny fahasoavany Jesosy, i Satana kosa miapanga
azy eo anatrehan’ Andriamanitra ho mpandika lalàna. Efa nitady izay hitarihana
azy ho amin’ny fisalasalana ilay mpamitaka lehibe, ka hahatonga azy tsy hatoky
an’ Andriamanitra intsony ; ho tafasaraka amin’ny fitiavany, sy handika ny
lalàny . Izao dia tondroiny ny tantaram-piainany, ireo kilema eo amin’ny toetra
amam-panahiny, ny tsy fitoviany amin’i Kristy, izay nanala baraka ny Mpanavotra
azy, ireo fahotana rehetra izay nakany fanahy azy, ary noho ireny dia takiany
ho olony izy ireo. » – Hery
Mifanandrina, p. 500.
Tahaka ny
niapangan’i Satana an’ i Josoa sy ny
vahoakany , no iapangany tsy ankijanona koa ireo izay mitady ny famindrampo sy
ny fitiavan’Andriamanitra mandritra ny fotoana rehetra mifandimby . Izy no ilay
mpiapanga ny rahalahintsika , dia « ilay miapanga azy eo anantrehan’Andriamanitra
andro aman’alina » Apokalipsy 12 : 10 . Ny fanahy rehetra izay
nafahana tamin’ny herin’ilay ratsy, ka nosoratana ao amin’ny bokin’ny
fiainan’ny Zanak’Ondry ny anarany , dia hiharan’ny famelezany . Tsy misy na dia
olona iray aza amin’izay voaray ho fianankavian’Andriamanitra no tsy nahatonga
fanoherana tamim-pahasiahana avy amin’ilay fahavalo ... Mpaminany sy Mpanjaka, pp. 476.
NY FIAROVANA NY MPINO
6. Ahoana ny fomba hiarovan’i Jesosy ny vahoakany eo
anoloan’ny fitsaran’ny lanitra ? Salamo 51 : 19 ; Zakaria 3 : 2.
« Tsy manala
tsiny ny fahotany Jesosy fa asehony kosa ny fibebahana sy ny finoany, ka mitaky
famelan-keloka ho azy Izy. Asandrany eo anatrehan’ny Ray sy ny Anjely masina
ireo tanany voaratra , ka hoy Izy hoe : Fantatro amin’ny anarany izy. Efa vita
tombo-kavatsa eo amin’ny tanako izy. « Ny fanatitra ho an’ Andriamanitra
dia fanahy torotoro ; ny fo torotoro sy mangorakoraka, Andriamanitra ô, tsy mba
ataonao tsinotsinona.” Salamo 51 : 17 . Ary hoy izy amin’ilay miapanga ny
vahoakany : “Hananatra anao anie Jehova ry Satana ; eny, Jehovah Izay nifidy
an’I Jerosalema anie hananatra anao ; tsy forohana nosarihina tamin’ny afo va ity ?” Zakaria 3 : 2.
Hotafian’I Kristy amin’ny fahamarinan’ny tenany ireo olony mahatoky, mba
hahazoany mitondra azy eo anatrehan’ny Ray“ ho fiangonana malaza, tsy misy
pentimpetina na fiketronana, na izay toy izany” Efesiana 5 : 27 . Voatana ao
amin’ny bokin’ny fiainana ny anarany, ary izao no voasoratra ao momba azy ireo
“ ary hiara mandeha amiko mitafy lamba fotsy ireo, satria mendrika izy.” Apokalypsy
3 : 4. » – Hery Mifanandrina, pp. 500, 501.
MIKATSAKA NY FAMELAN-KELOKA AMIN’NY ALALAN’I JESOSY
7. Iza irery ihany no afaka hanome ho an’ny olona iray ny
tena fibebahana amin’ny fo, ny famelan-keloka ary ireo asa tsara? Asa 4 :
12 ; 5 : 31 ; Esaia 26 : 12.
« Mahavelon’eritreritra
ireo toe-javatra mifandray amin’ny fifaranan’ny asa fanavotana. Goavana
indrindra ny zavatra voarakitr’izany. Amin’izao fotoana izao dia atao ao
amin’ny fitoerana masina any ambony ny fitsarana. Efa taona maro izao no
nirosoan’io asa io. Vetivey , ary tsy misy mahafatatra ny maha-vetivety
an’izany – dia hiroso ny fitsarana ny velona. Eo amin’ny fanatrehan’
Andriamanitra mahatahotra no hampandalovana ny fiainantsika. Anjaran’ny fanahy
tsirairay amin’izao fotoana izao, mihoatra noho ny tamin’ny hafa rehetra, ny
mandatsaka am-po ny fananarana nataon’ny Mpamonjy hoe : « mitandrema,
miambena, ka mivavaha, fa tsy fantatrareo izay hiavian’ny fotoana » .
Marka 13 : 33. koa raha tsy hiambina ianao, dia ho tonga toy ny fiavin’ny
mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako aminao.’ Apokalypsy 3 :
3. » – Hery Mifanandrina, p. 506, 507.
Mba
ho saintsainina lalina
Ohabolana 28 : 13 ; Matio 11 : 29, 30 ; Marka 13 : 33,
35, 36.
« Ny fahotana
izay tsy nibebahana sy tsy nafoy dia tsy ahazoana famelan-keloka ary tsy ho
voakosoka ao amin’ny boky, fa hijoro ho vavolombelona hanameloka ny mpanota
amin’ny andron’Andriamanitra. Mety ho tamin’ny antoandrobenanahary na tao
amin’ny haizin’ny alina no nanaovany ny asa ratsiny ; nefa mivandravandra
sy miharihary eo anatrehan’Ilay tsy maintsy hifanatrehantsika izany. Ny
anjelin’Andriamanitra no vavolombelona ny amin’ny fahotana tsirairay, ary
manoratra izany tsy misy diso amin’ny boky. Mety hafenina, holavina, hosaronana
tsy ho hitan’ny ray, ny reny, ny vady, ny zanaka, sy ny mpiara-miasa ny
fahotana ; mety tsy hisy afatsy ireo nanao heloka ihany no mikobona ny
zavatra kely indrindra iahiahiana ny ratsy ; nefa dia mihanjahanja eo
anatrehan’ny anjelin’ny lanitra ireny.
Ny haizin’ny alina mikitroka indrindra, ny fahaizana manafina ny fitaka
rehetra, dia tsy ampy hanaronana na dia eritreritra iray aza tsy ho
fantatr’Ilay Mandrakizay. Voarakitra tsy misy milao eo amin’Andriamanitra ny
kaotim-bola tsy marina rehetra , sy ny varotra tsy madio rehetra . Tsy
voafitaky ny endriky ny fitiavam-bavaka Izy. Tsy manao fahadisoana Izy amin’ny
fanombatombanany ny toetra amam-panahy. Ny olona no mety ho voafitak’ ireo izay
maloto fo , fa Andriamanitra kosa mahatsikilo ny hosoko rehetra ary mahafantatra
ny fiainana anatiny indrindra. » – Hery
Mifanandrina, pp. 502.
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire