mercredi 2 juillet 2014

ILAY FITSANGANANA AMIN'NY MATY VOATENDRY MANOKANA



“…Sambatra ny maty dia izay maty ao amin’ ny Tompo hatramin’ izao. Eny, hoy ny Fanahy fa hitsahatra amin’ izay nisasarany izy fa ny asany manaraka azy.” Apok. 14 : 13

ILAY FITSANGANANA AMIN’ NY MATY VOATENDRY MANOKANA


1-Inona ilay fitsanganana lazain’ I Daniela? Daniela 12 : 12

« Misokatra ny fasana, ary « maro amin’ ireo izay matory ao amin’ ny vovoky ny tany no hifoha, ny sasany ho amin’ ny fiainana mandrakizay ary ny sasany ho amin’ ny henatra sy ny latsa mandrakizay ». Ireo izay maty tao amin’ ny finoana ny hafatry ny anjely fahatelo  dia mivoaka avy ao am-pasana, mitafy voninahitra, mba handre ny fanekem-pihavanana ataon’ Andriamanitra amin’ ireo izay mitandrina ny didiny. » Hery mifanandrina, p. 663

2- Rahoviana no hitsangana amin’ ny maty ireo izay nandefona an’ I Jesosy? Apokalypsy 1 : 7. Rahoviana no hitsangana amin’ ny maty ireo izay sisa amin’ny mpankahala ny fahamarinana? Apokalypsy 20 : 7, 13, 14.

« …Ireo « izay nandefona Azy » kosa (Apokalypsy 1: 7), ireo izay nanaraby an’ i Kristy teo am-pialana aina sy nanao Azy ho fihomehezana, mbamin’ ireo mpanohitra nahery vaika indrindra  ny fahamarinana sy ny vahoakan’ Andriamanitra, dia hitsangana hibanjina Azy eo amin’ ny voninahiny sy hahita ny voninahitra hatafy izay nahatoky sy nankato. » Hery mifanandrina, p. 663
« Ho avy amin’ ny voninahitry ny tenany sy ny voninahitry ny Rainy ary ny voninahitry ny anjely masina Kristy. Anjely arivorivo sy alinalina, Zanak’ Andriamanitra maha-te ho tia sy mpandresy, voatafy hantsaran-tarehy sy famirapiratana tsy manam-paharoa no hanotrona Azy eo amin’ ny lalany. Dia hipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ ny voninahiny Izy, ary hangonina eo anatrehany ny firenena rehetra. Amin’ izay dia hahita Azy ny maso rehetra, na dia izay nandefona Azy aza. Ho solon’ ny satro-tsilo dia satroboninahitra no hanaovany ». Lay fitiavana mandresy, p. 796
« Amin’ ny fiafaran’ ny arivo taona no hisy ny fitsanganana faharoa. « Amin’ izany dia hitsangana amin’ny maty ny ratsy fanahy ka hiseho eo anatrehan’ Andriamanitra ho fanatanterahana ny didim-pitsarana voasoratra ». Toy izao no lazain’ ny mpanoratra ny Apokalypsy, rehefa avy nitantana ny fitsanganan’ ny tsara fanahy izy: « Fa  ny sisa amin’ ny maty dia tsy mbola ho velona mndra-paha-tapitry ny arivo taona. (Apokalypsy 20: 5) ». Hery mifanindrina, p. 687

 IREO IZAY MATY AO AMIN’ NY TOMPO ANKEHITRINY
3-Raha raisina ny hoe ny asa fametahana tombon-kase ataon’ ilay anjely fahatelo dia efa nanomboka, moa ve misy olona izay maty aorian’ ny nandraisan’ izy ireo ny tombon-kasen’ Ilay Andriamanitra velona? Apokalypsy 14 : 13

“Olona maro izay mihoatra ny sivy folo taona no miaina eto ambonin’ ity tanintsika ity. Ao anatin’ ny halemen’ izy ireo dia hitantsika ao ny vokatra ara-boajanahary ateraky ny fahanterana ; kanefa mino an’ Andriamanitra izy ireo ary Andriamanitra koa tia azy. Mipetaka amin’ izy ireo ny tombon-kasen’ Andriamanitra ary dia isan’ ireo olona izay ilazan’ Andriamanitra hoe izy: “sambatra…dia izay maty ao amin’ ny Tompo…” (lettre 207, 1899)” Commentaires bibliques, p 410
“Tsy haiko loatra izay ho lazaina aminao. Nisamboaravoara indrindra ny saiko raha nandre ny fahafatesan’ ny ramatoa vadinao. Saika tsy nino mihitsy aho. Tamin’ ny alin’ ny sabata lasa teo dia nasehon’ Andriamanitra ahy ity zavatra izay hambarako aminao manaraka ity…

 “Hitako fa ny vadinao dia voaisy tombon-kase, ary hivoaka izy rehefa mandefa ny feony Andriamanitra, ary dia hijoro eo ambonin’ ny tany miaraka amin’ ireo 144.000 izy. Lettre 10, 1850” Messages Choisis, vol 2, pp. 300, 301

4-Ahoana no hahafantarantsika fa ireo izay hitsangana amin’ ny maty amin’ ilay fitsanganana voatendry manokana dia tsy hoe mijoro eo anilan’ ireo 144.000 fotsiny fa kosa tafiditra miaraka amin’izy ireo mihitsy? Apokalypsy 7 : 4 

RAISO IRETO ZAVATRA ROA IZAY AHAFANTARANTSIKA NY MARINA MIKASIKA IZANY IRETO:

          Ny isan’ ny voaisy tombo-kase dia 144.000 ; ary ao anatin’ ilay taratasy tamin’ ny taona 1850 mikasika ny rahavavy Hastings, dia voambara fa “ izy dia voaisy tombo-kase”, noho izany izy dia tsy maintsy isan’ ireo 144.000. Anankiray amin’ ireo olona izay “hivoaka rehefa miteny Andriamanitra” (lettre 10, 1850; Messages choisis vol 2, p 301 mandritra ny fitsanganana manokana, raha toa ka ilay fitsanganana voalohany dia avy amin’ny feon’I Kristy. Jereo Jaona 5: 25. Hery mifanandrina, p 670
“Tamin’ ny taona 1899, dia nisy ireo olona mihoatra ny sivy folo taona, ary dia nambara fa “ny tombo-kasen’ Andriamanitra dia napetraka tamin’ izy ireo.” -  Seventh day Adventist Bible Commentary, vol 7, p 982. Koa satria ireo 144.000 ihany no manana ny tombo-kasen’ Ilay Andriamanitra velona, noho izany ireo olona mihoatra ny sivy folo taona ireo dia isan’ ireo 144.000.

TOMBON-TSOA MANOKANA ANANAN’ IREO IZAY MATORY

5-Fotoanan’ ny inona “ankehitriny izao”, ary inona no fitahiana izay ampanan-tenaina ho an’ ireo izay maty eo amin’ io fotoana io? Apokalypsy 14 : 13
  “ ‘Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin’ ny Tompo hatramin’ izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin’ izay nisasarany izy fa ny asany manaraka azy.’ Apokalypsy 14 : 13. Tena mahafinaritra ireo teny ireo, indrindra fa rehefa ampifandraisina amin’ ny fotoana mahatanteraka azy, eo amin’ ny fiafaran’ ilay faminaniana mikasika ny hafatry ny anjely telo, izay tsy maintsy ampanenoana mafy mialoha eo amin’ ny fiafaran’ izao tontolo izao sy eo amin’ ny fiavian’ I Kristy fanindroany.” Life Sketches of Ellen G. White, p 476
“Araka izany ary, dia mazava sy maharesy lahatra fa ireo 144.000 dia voahangona avy amin’ ny taranaka farany alohan’ ny fahatongavan’ I Jesosy ; ary izy ireo dia miavaka amin’ ny alàlan’ ny hafatry ny anjely faha-telo ; eny fa na dia ireo izay maty nandritra ny fotoan’ ilay hafatra aza dia voatahy, satria alohan’ ny fisehoan’ I Kristy dia tafiditra ho isan’ ireo izay hitsangana amin’ ny maty izy ireo, ary izy rehetra ireo dia voaisy satro-boninahitra , miaraka amin’ ilay vondrona mpanao raharahan’ Ilay Mpanjakan’ ny mpanjaka sy Tompon’ ny tompo, mba hanaraka Ilay Zanak’ Ondry na aiza na aiza alehany (Apokalypsy 14 : 4). Izy ireo dia sambatra noho ny amin’ ny fanatrehana mitohin’ Ilay Zanak’ Ondry, ary voatohin’ ny fahasoavana tsy mety ritrany. (Apokalypsy 7 : 15, 17)” Uriah Smith, A study of the 144.000, p8

6-Oviana no hiseho io fitsanganana amin’ ny maty voatendry manokana io? Inona ireo trangan-javatra izay hanarakaraka azy io? Apokalypsy 16, 17 ; Daniela 12 : 1, 2


a-Fitsanganana amin’ ny maty voatendry manokana
« Misy rahona maizina sy mavesatra hifandona. Eo anivon’ ny lanitra misafotofoto dia misy faritra mazava mamirapiratry ny voninahitra tsy hay lazaina, ary re avy ao ny feon’ Andriamanitra tahaka ny feon’ ny ranobe manao hoe : «  Vita! ». Apok. 16: 17

« Misokatra ny fasana, ary ‘maro amin’ ireo izay matory ao amin’ ny vovoky ny tany no hifoha, ny sasany ho amin’ ny fiainana mandrakizay ary ny sasany ho amin’ ny henatra sy ny latsa mandrakizay’ Daniela 12: 2. Ireo rehetra izay maty tao amin’ ny finoana ny hafatry ny anjely fahatelo  dia mivoaka avy ao am-pasana, mitafy voninahitra, mba handre ny fanekem-pihavanana ataon’ Andriamanitra amin’ ireo izay mitandrina ny didiny. » Hery mifanandrina, pp. 662, 663
b-Fisehoan’ ireo vato fisaka roa izay misy ny lalàn’ Andriamanitra
« … Amin’ izay dia misy tànana miseho eny amin’ ny lanitra mitana vato fisaka roa voakombona…

« …Diso aoriana loatra ny ahitany fa ny sabatan’ ny didy fahefatra no tombo-kasen’ Andriamanitra velona… » Hery mifanandrina, pp. 665, 666
c-Fanambarana ny andro sy ny ora hiavian’ I Jesosy
“Re avy any an-danitra ny feon’ Andriamanitra manambara ny andro sy ny ora hiavian’ I Jesosy …” Hery mifanandrina p 666
d-Ny fiavian’ I Jesosy
« Mivembena ny tany, mitsoriadriaka ny helatra, mirefodrefotra ny varatra, ary re ny feon’ ny Zanak’ Andriamanitra miantso hifoha ny olo-masina matory. » Hery mifanadrina, p. 670

7-Inona no fanantenana nananan’ ny Anabavy White rehefa natory tao amin’ ny Tompo izy? Apokalypsy 14 : 13


“Fahazavana marobe no efa nomena ny fiangoanantsika ho an’ izao andro farany izao. Na mbola ho lava ny andro iainako na efa ho tonga amin’ ny fiafarany, ireo asa-soratatro dia mbola hitohy hiteny tsy an-kijanona ary ho hery mahataona hatramin’ ny fotoana farany… Mety mbola ho velona aho ambara-piverenan’ ny Tompo, fa raha tsy izany, dia manantena aho fa anisan’ ilay lazain’ ny teny hoe : ““…Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin’ ny Tompo hatramin’ izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin’ izay nisasarany izy, fa ny asany manaraka azy.” Apokalypsy 14 : 13 Messages choisis, vol.1 p 63
“Nangataka tamin’ ilay anjely izay nitondra ahy aho, mba hamela ahy hijanona tany, satria natahotra mafy ny hiverina ho eto amin’ ity izao tontolo izao ity. Dia namaly ahy izy nanao hoe : “tsy maintsy miverina any ambonin’ ny tany ianao, fa raha mitoetra ho mahatoky ianao, dia hahazo ny tombon-tsoa manokana hitsidika ireo tontolo rehetra sy hibanjina ireo asan-tànan’ Andriamanitra, ianao sy ireo 144.000.” Premiers écrits, p 40

AVERINA IANARANA SY MBA HO SAINTSAININA LALINA

-Raha voalaza fa ny asa fametahana tombo-kase dia nanomboka niaraka tamin’ ny hafatry ny anjely fahatelo, vondrona aiza no hisy ireo maty tao anatin’ ny finoana ilay andromasin’ Andriamanitra

-Moa ve ny tombo-kasen’ Ilay Andriamanitra velona dia foana amin’ ny alàlan’ ny fahafatesana?

-Iza no hanangana ireo maty amin’ ilay fitsanganana amin’ ny maty voatendry manokana?
“Misy boky kely roa izay azontsika ananana mba ianarana : Uriah Smith, A study of the 144.000, fianarana momba ireo 144.000 izay navoaka tamin’ ny taona 1897, ary ilay boky hoe : Questions on the Sealing Message (Ireo hafatra milaza ny fametahana tombo-kase) nosoratan’ I John N. Loughborough, navoaka tamin’ ny taona 1916.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire