mardi 1 juillet 2014

FANDRESENA TANTERAKA



“Ireo no tsy voaloto tamin’ ny vehivavy, fa virjiny izy. Ireo no manaraka ny Zanak’ ondry na aiza na aiza no alehany, ireo no navotana avy tamin’ ny olona ho voaloham-bokatra ho an’ Andriamanitra sy ny Zanak’ Ondry, ary tsy nisy lainga hita teo am-bavany sady tsy manan-tsiny izy.” Apokalypsy 14 : 4, 5

NY TOETOETRAN’ IREO 144.000
1-Ahoana no fomba hahatonga ny toetran’ ireo 144.000 ho voahomana? Apokalypsy 14 : 4, 5


“Tsy misy amintsika na dia iray aza handray ny tombo-kasen’ Andriamanitra raha mbola misy pentina na fahalotoana eo amin’ ny toetrany.  Adidy tsy maintsy ataontsika ny manitsy ny tenantsika, mba ho afaka amin’ ireo kilema rehetra eo amin’ ny toetrantsika, sy ny manadio ny tempolin’ ny fanahintsika ho afaka amin’ ny fahalotoana rehetra. Rehefa izany, dia hilatsaka ny ranonorana farany, tahaka ny  nilatsahan’ ny ranonorana voalohany tamin’ ny andron’ ny pentekosta.” Témoignages pour l’ Eglise, vol 2 p 77
“Hitan’ I Jaona ny Zanak’ Ondry iray teo an-tendrombohitra Ziona, ary niaraka tamin’ io Zanak’ ondry io ireo 144.000, izay nisy ny anaran’ny Rainy voasoratra teo amin’ny handriny. Ireo 144.000 ireo dia nisy ny tombon-kasen’ny lanitra. Nampitomaratra ny endrik’ Andriamanitra izy ireo, ary koa feno ny fahazavana sy ny voninahitr’ Ilay Masina. Raha toa isika te-hanana izany dia tsy maintsy misaraka amin’ ny tsi-fahamarinana rehetra. Tsy maintsy hilaozantsika ireo fanao ratsy rehetra, avy eo apetratsika eo am-pelatànan’ Andriamanitra ny fiainantsika manontolo. Rehefa miasa ho amin’ ny finoantsika amin’ ny tahotra sy ny hovitra isika, dia Andriamanitra no hiasa ao anatintsika ao na ny fikasana ny  fanaovana hahatanteraka ny sitrapony.” Commentaires bilbiques p. 406

2-Inona ilay fomba tokana ho an’ ny olombelona izay efa nandova ny natiora maha mpanota, mba hafahany manana ny toetra mitovy amin’ I Kristy? II Korintiana 1 : 20 ; 5 : 17 ; I Tesaloniana 5 : 23 ; Galatiana 2 : 20 ; Filipiana 2 : 13 ; Romana 8 : 37 ; Hebreo 9 : 12 – 14
 
“Avelao any ny fisainana tsy marina ny amin’izay ambaran’ny teny fikasan’Andriamanitra ka tsy  mahakasika anao. Mahakasika ny  mpanota tsirairay mibebaka izany. Amin’ny alàlan’ny asan’ireo anjely, dia voampita amin’ny mpino rehetra amin’ny alàlan’I Jesosy Kristy ny hery sy ny fahasoavana. Tsy misy mpanota na dia iray aza tsy afaka ny hahazo hery, fahadiovana ary fahamarinana ao amin’Ilay maty ho antsika. Ny hanala ny akanjontsika maloto sy simban’ny fahotana no tena fanirian’I Jesosy ka hanolo izany amin’ny akanjo fotsin’ny fahamarinana. Miangavy antsika Izy mba ho velona fa tsy ho faty.”Jésus Christ p. 46

NY ANDROM-PAHORIAN’ I JAKOBA

3-Inona ilay fizahan-toetra handalovan’ ireo 144.000? Inona ilay teny fikasana nomen’ Andriamanitra? Jeremia 30 : 5-7

“Tandindon’ ny fitsapana izay tsy maintsy holalovan’ ny vahoakan’ Andriamanitra aloha kelin’ ny fiverenan’ I Jesosy Kristy fanindroany ny alin-tebiteby sy feno ady nolalovan’ I Jakoba. Toy izao no voalazan’ny mpaminany Jeremia  raha nahatsinjo izany taonjato maro mialoha izy : “feo mangovitra no renay, misy tahotra fa tsy fiadanana … nahoana … ny tarehy rehetra  dia efa tonga hatsatra avokoa? Indrisy ! fa lehibe izany andro izany, ka tsy misy tahaka azy ; andro fahoriana ho an’ I Jakoba izany, nefa ho voavonjy ho afaka amin’ izany ihany izy.”Patriarka sy mpaminany, p 196

4-Rehefa dinihana ilay zava-tsarotra izay tsy maintsy hatrehan’ izy ireo, inona ilay fanandramam-piainana izay ampitahain’ ny soratra Masina amin’ io zava-tsarotra io? Ezekiela 14 : 14
“Izany androm-pahoriana izany dia hiatomboka rehefa mahavita ny asa maha-Mpanelanelana Azy amin’olona sy amin’Andriamanitra Kristy. Amin’ izany fotoana izany dia efa voafaritra izay ho anjaran’ny tsirairay, avy ka tsy hifona ho an’ny mpanota intsony ilay rà manadio. “Izay manao ny tsy marina aoka mbola hanao ny tsy marina ihany, ary izay marina kosa aoka mbola hanao ny marina ihany ; ary izay masina aoka mbola hihamasina ihany izy.” Amin’ izany dia hitsahatra amin’ ny asany ny Fanahy Masina izay misakana ny faharatsiana tsy hitosaka. Ary tahaka an’ I Jakoba nofofoin’ rahalahiny ho faty dia toy izany koa ny vahoakan’ Andriamanitra ho tandindomin-doza noho ny amin’ny ratsy fanahy mitady handringana azy. Ary toy ny nitoloman’ ilay patriarka nandritra ny alina mba ho afaka amin’ ny tànan’ I Esao, dia ho toy izany koa no hitarainan’ ny marina andro aman’ alina amin’ Andriamanitra mba hanafahana azy amin’ ny fahavalo manodidina azy.” Patriarka sy mpaminany, p 196

5-Inona no hiteraka ny tebiteby lehibe indrindra ho an’ ireo 144.000 mandritra ny androm-pahorian’ I Jakoba ? Genesisy 32 : 22-24
 
« Efa niampanga an’ i Jakoba teo anatrehan’ ireo anjelin’ Andriamanitra i Satana, ary notakiany ny zo handringana azy noho ny fahotany; nampirisika an’ i Esao hiady aminy izy; ary nandritra ny alina lava nitoloman’ ilay patriarka, dia niezaka i Satana hanindry mafy an’ i Jakoba amin’ ny vesatry ny helony mba hahakivy azy…

« Raha tsy efa nibebaka mialoha tamin’ ny fahotany i Jakoba tamin’ ny nakany am-pitaka ny fizokiana, dia tsy ho nihaino ny fivavahany Andriamanitra ka tsy ho niaro ny ainy noho ny famindrapony. Toy izany koa, amin’ ny androm-pahoriana, raha misy fahotana tsy nibebahan’ ny vahoakan’ Andriamanitra ka miseho eo anatrehany, eo amin’ ny fotoana ampijalian’ ny tahotra sy ny tebiteby azy, dia ho resy izy ; hanafotra ny finoany ny famoizam-po; ka tsy afaka hanana toky hitalaho fahafahana amin’ Andriamanitra izy. Nefa kosa na dia nahatsapa lalina ny tsy fahamendrehany aza izy, dia tsy manana fahadisoana miafina haseho… » Hery mifanandrina, p. 644, 646

TAHAKA IREO FIZAHAN-TOETRA NANDALOVAN’ I JOBA


6-Nahoana Andriamanitra no nanome alàlana an’ I Satana hizaha toetra an’ I Joba? Nahoana Andriamanitra no hamela ireo 144.000 handalo amin’ ny androm-pahorian’ I Jakoba? Joba 1 : 8-10
« Raha miampanga ny vahoakan’ Andriamanitra noho ny fahotany i Satana, dia avelan’ ny Tompo izy hisedra azy ireo amin’ izay farany mafy indrindra…” Hery mifanandrina, p. 644
 “Ho toy izany koa ny hanjo ny olon’ Andriamanitra eo amin’ ny ady farany hifanaovany amin’ ny ratsy. Hizaha toetra ny finoany sy ny faharetany ary ny fahatokiany amin’ ny heriny hanafaka azy ireny Andriamanitra. Satana kosa indray,dia hiezaka hampihorohoro azy noho ny fampiheverany azy fa tsy laitram-panafody ny toe-javatra mahazo azy, sady lehibe sy ratsy loatra ny helony ka tsy azo avela. Ho mafy dia ho mafy ny fahatsiarovany ny tsy fahampiana ka ho safotra tsindraindray ny fanantenany. Noho ny fahatsiarovany ny famindram-pon’ Andriamanitra tsy manam-petra anefa, sy noho ny fibebahany marina, dia hitaky ny teny fikasana natao tamin’ ny alalàn’ I Kristy ho an’ ny mpanota mibebaka izy. Tsy ho valiana miaraka amin’ izay ny fivavahany ; ny finoany anefa tsy hihena, fa hifikitra amin’ Andriamanitra amin’ ny fanahiny rehetra izy ka hiteny toa an’ I Jakoba hoe : “tsy havelako handeha Hianao raha tsy tahinao aho.” Patriarka sy mpaminany p 197
“…Tsy  mitsahatra makarakara ny lovany Izy, ary tsy misy avelany hihatra amin’ ny zanany afa-tsy izay hahazoany soa ihany, tsy any amin’ ny mandrakizay ihany fa amin’ izao andro ankehitriny izao koa aza. Ny fizahan-toetra rehetra sy ny fahoriana rehetra izay avelany hihatra amintsika dia kendreny hanatanjaka ny fanintsika sy hampahery ny finoantsika mba hahazoana mampandresy ny hazo fijaliana.” Vavolombelona mahery p 461, 462

7-Inona no zavatra hasehon’ ny fandresen’ ireo 144.000 miharihary? Inona no hanjo an’ I satana sy ny famitahany? Apokalypsy 12 : 10 ; Matio 7 : 20
 “Ny hanoso-dratsy ny toetran’ Andriamanitra sy ny hitarika ny fikomiana hanohitra ny Lalàny no plana nosoritan’ ilay filohan’ ny Mpandainga hatrany am-piandohan’ ilay ady lehibe ; toa nahomby ny tetika nataony, satria nisy marobe no nihaino ny famitahany sy nikomy tamin’ Andriamnaitra. Kanjo, teo anivon’ izany toa fandresena azon’ ny herin’ ny ratsy izany, dia nisoko miadana, nefa azo antoka ho eo amin’ ny fahatanterahany ny planan’ Andriamanitra. Ahariharin’ Andriamanitra eo anoloan’ ny voariny rehetra ny fahamarinany sy ny fitiavany. Raha tahiny voatarika ho amin’ ny ratsy ny taranak’ olombelona rehetra, fa voangolin’ ny fandrika nataon’ I satana, dia nanokatra ny varavaram-pamonjena ho azy amin’ ny alàlan’ ny fanolorana ny zanany ny Mpahary, mba hahazoany mitandrina ny didiny. Dia toy izany hatrizay hatrizay no nifidianan’ Andriamanitra “firenena izay manana ny lalàny ao am-pony” na dia teo anivon’ ny fialan’ ny maro amin’ Andriamanitra aza. (Isaia 51: 7)”

Nofitahin’ i satana tamin’ ny hafetsena ny anjely ; izany fomba izany no nampiasainy teo amin’ ny olombelona hatrizay, ary mbola izany koa no hampiasainy hatramin’ ny farany…

Antomotra anefa ny andro izay hifaranan’ ny fandresen’ ilay Mpamitaka raindahiny ho mandrakizay …” Patriarka sy mpaminany p 341

VOKATRY NY FANAVOTANA

8-Inona ny zavatra izay hiseho vokatry ny fandresen’ ireo 144.000 amin’ ny alàlan’ ny finoany an’ I Kristy ? Apokalypsy 14 : 4
“Hihanjahanja eo imason’ ny voary rehetra ny fiafaran’ ny fanajakany sy ny vokatry ny fandikana ireo didin’ Andriamanitra. Ho arahina manontolo ny Lalàn’ Andriamanitra. Ho hita mazava fa ny soa mandrakizay ho an’ ny olony sy ho an’ ny tany rehetra nohariany no zava-kendren’ ny lalàn’ Andriamanitra. Ny tenan’ I satana mihitsy no hiaiky ny fahamasinan’ ny lalàn’ Andriamanitra sy ny fahamarinan’ ny fitondram-panjakany eo anatrehan’ izao rehetra izao.” Patriarka sy mpaminany p 341, 342

AVERINA IANARANA SY MBA HO SAINTSAININA LALINA

-Inona no toetra hananan’ ireo 144.000?

-Nahoana no tsy maintsy ilain’ izy ireo ny handalo amin’ ny fanandramam-piainana mitovy amin’ ilay nandalovan’ ny patriarka Jakoba teo amin’ ilay fotoana izay tena nisy fizahan-toetra nahazo azy?

-Inona no zavatra hasehon’ ilay fandresen’ ireo 144.000 ireo ?

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire