mardi 8 juillet 2014

FIDIRAN'ILAY MPISORONABE AO AMIN'NY EFITRA MASINA INDRINDRA



« …Tamin’ny fanompoam-pivavahana tandidona, rehefa niditra ny fitoerana masina indrindra ny mpisoronabe, dia nasaina nanodidina ny fitoerana masina ny Isiraely rehetra ary nampietry ny fanahiny teo anatrehan’Andriamanitra tamin’ny fomba manetriketrika indrindra mba hahazoany famelana ny fahotany ka tsy ho voafongotra tsy ho amin’ny fikambanana izy. Manao ahoana ny maha-zava-dehibe kokoa ny ahafantarantsika ny asan’ny Mpisoronabentsika amin’izao tena Andro Fanavotana marina izao ka hahalalantsika ny adidy takina amintsika ! »Hery Mifanandrina p. 445.

FANAMBARANA ARA-PAMINANIANA

1. Araka ny faminanian’i Malakia, iza no ho avy tampoka eo amin’ny tempoliny? Iza ilay Anjely na Mpitondra hafatry ny fanekena voalazan’ny faminaniana ? Malakia 3 : 1.

« Mivavàha, eny, mivavaha am-pahatokiana miaraka amin’ny finoana tsy azo hozongozonina. Ny anjelin’ny fampiraisana dia Jesosy Kristy Tompontsika, Izy no mpanelanelana azo antoka amin’ny fanekena an’ireo vavaka ataon’ ireo olony mahatoky. » Testimonies for the Church, vol. 8, p. 179.

« Niteny tamin’ izao tontolo izao Andriamanitra tamin’ny alalan’ny zava-boahary, tamin’ny alalan’ny tandindona sy sary aman’ohatra, tamin’ny alalan’ny patriarika sy mpaminany.  Misy lesona tsy maintsy omena ny taranak’olombelona amin’ny fitenin’olombelona . Tsy maintsy hiteny Ilay Iraky ny fanekena . Tsy maintsy ho re ao amin’ny tempoliny ny feony … »       Ilay Fitiavana Mandresy p 27
« I Kristy, Ilay mpitondra hafatry ny fanekena no mitondra ny vaovao mahafalin’ ny famonjena ho an’ny olona rehetra, ny manakarena, ny mahantra, ny olon’afaka na koa ireo andevo. Niparitaka nanerana an’ I Palestina ny lazan’ Ilay mpitsabo lehibe » – Le ministère de la guérison, p. 20.

2. Inona ihany koa ny tsindrimandry mazava manambara ny fiavian’I Kristy ao amin’ny efitra masina indrindra mba hanelanelana ny olona? Daniela 7 : 13 ; Hebreo 9 : 11, 24, 25.

  
« Ny fiavian’i Kristy amin’ny maha-Mpisoronabe Azy ao amin’ny masina indrindra, mba hanadio ny fitoerana masina, dia aseho ao amin’ny Daniel 8 : 14, ny fiavian’ny Zanak’olona manantona ny fahagola araka izay aseho ao amin’ny Daniela 7 : 19, sy ny fiavian’ny Tompo ho ao amin’ny tempoliny voalazan’i Malakia mialoha, dia filazana ny toe-javatra iray ihany ; ary io koa dia mbola asehoan’ny fiavian’ny mpampakatra ho ao amin’ny fapakaram-bady, nolazain’i Kristy ao amin’ny fanoharana momba ny virijina folo , ao amin’ny Matio 25. » Hery Mifanandrina, p. 440.

TONGA NY MPAMPAKATRA
 3 Araka ny fanoharan’ireo virjina folo, inona ny fanambarana hiseho amin’ny faran’ny taona 1844 ? Inona ny fahasamihafana hita tamin’ireo virjina niandry ny mpampakatra ? Matio 25 : 6-8.

  
« Tamin’ny fahavaratra sy ny fararano tamin’ny taona  1844 no natao ny fitoriana ny hoe : « Indry ny mpampakatra ». Tamin’izany dia niharihary ireo antokon’olona roa nasehon’ny virijina hendry sy adala , ny antoko iray niandry  tamim-pifaliana ny fisehoan’ny Tompo, ary efa niomana fatratra hihaona Aminy ; ny antoko iray kosa niharan’ny tahotra mangina sy nasesiky ny fihetseham-po tampoka, dia afa-po tamin’ny fahalalana ara-tsaina ny fahamarinana, fa tsy nanana ny fahasoavan’Andriamanitra. Ao amin’ny fanoharana, rehefa tonga ny mpampakatra, « izay niomana dia niara-niditra tamin’ny tao amin’ny fapakaram-bady… » – Hery Mifanandrina, pp. 440.
 IZA NO HANATRIKA NY FETY FAMPAKARAM-BADY
 4. Inona no nitranga tamin’ireo virjina izay niomana ho amin’ilay fampakaram-bady ? amin’ny fomba ahoana no hidiran’ireo mpianatr’i Kristy miaraka Aminy ao amin’ilay efitrano misy ny fampakaram-bady nanomboka tamin’ny 1844 ? Matio 25 : 10.
« Ny fitoriana ny hoe : « Indry ny mpampakatra », tamin’ny fahavaratry ny taona 1844, dia nitarika olona anarivony hanantena avy hatrany ny fiavian’ny Tompo. Tamin’ny fotoana voatondro dia tonga ny Mpampakatra, tsy teto an-tany, araka ny nanampoizan’ny vahoaka azy, fa teo amin’ny fahagola any an-danitra ho eo amin’ny fampakaram-bady, mba handray ny fanjakany. « Izay efa niomana dia niara-niditra taminy teo amin’ny fampakaram-bady,ary dia narindrina ny varavarana ». Tsy ny vatan-tenany no nanatrika ny fampakaram-bady, satria tany an-danitra izany, ary izy tety an-tany. Ireo mpanaraka an’ i Kristy dia mbola «  miandry ny tompony, raha nody avy amin’ny fapakaram-bady izy . »Lioka 12 :36 Nefa tsy maintsy ho mazava aminy ny asa ataony, ary tsy maintsy manaraka Azy amin’ny finoana izy ireo raha mankeo anatrehan’ Andriamanitra Izy. Amin’izany fomba izany no ilazana fa nandeha ho amin’ny fampakaram-bady izy.. »Hery Mifanandrina, pp. 441.

5. Inona no toky omen’i Jesosy ho an’ireo izay mitady fahazavana misimisy kokoa ? Amin’ny fomba ahoana no hidiran’ireo mpino velona amin’ny vanim-potoanan’ilay fiangonana fahafito tahaka an’ireo nasaina ao amin’ilay trano misy ny fampakaram-bady ? Lioka 11 : 9, 13.
 
« Ao amin’ny fanoharana dia ireo izay nanana solika tao amin’ny fitondrany sy tao amin’ny fanalany no nankao amin’ny fampakaram-bady. Ireo izay manana ny fahalalana ny fahamarinana avy amin’ny Soratra Masina, sady nanana koa ny Fanahy sy ny fahasoavan’Andriamanitra, ary izay niandry tamim-paharetana, nandritra ny alina nisian’ny fisedrana mangidy, ka nandinika ny Baiboly mba hahazoana fahazavana bebe kokoa, ireo no nahita ny fahamarinana mikasika ny fitoerana masina any an-danitra sy ny fiovan’ny fanompoana nataon’ny Mpamonjy , ka nanaraka Azy tamin’ny finoana ho ao amin’ny fitoerana masina any ambony. Ary izay rehetra nanaiky ireo fahamarinana ireo, noho ny fanambaran’ny Soratra Masina , ka nanaraka an’I Kristy  amin’ny finoana raha miditra eo anatrehan’ Andriamanitra Izy hanatanteraka ny asa fanelanelanana farany sy ny fiafaran’izany, mba handray ny fanjakany dia aseho ho toy ny mankany amin’ny fampakaram-bady. » – Hery Mifanandrina, p. 441, 442.

« Ireo antokon’ny virijina roa dia mampiseho antokon’olona roa izay milaza fa miandry ny Tompony . Lazaina fa virijina izy rehetra satria manana finoana madio . Ny fanilony dia mampiseho ny Tenin’Andriamanitra . Hoy ny mpanao Salamo « Fanilon’ny tongotro sy fanazavana ny làlako ny teninao . »  Salamo 119 : 105. Tandindon’ny Fanahy Masina ny solika  . Toy izany no anehoan’ny faminanian’i Zakaria ny Fanahy. » Henoinareo ny Fanoharana, p. 358, 359.

MANDRAY NY AKANJO FITONDRA AMIN’NY FAMPAKARAM-BADIN’NY ZANAK’ONDRY

6. Araka ny fanoharana nataon’i Jesosy,  inona no zavatra tsy maintsy ananana mba afahana mandray anjara amin’ilay fampakaram-bady ? Matio 22 : 11-13. Ahoana ny fomba azahoana azy ? Apokalypsy 7 :14.
 
« Ao amin’ny fanoharana ao amin’ny Matio faha-22 dia hita indray io sary aman’ohatra momba ny fampakaram-bady io, ary aseho mazava fa mialoha ny fampakaram-bady ny fitsarana famotopotorana. Alohan’ny fampakaram-bady dia tonga ny mpanjaka hijery ny nasaina, hijery raha samy manao ny akanjo fitondra amin’ny fampakaram-bady avy izy rehetra, dia ilay fitafiana tsy misy pentin’ny toetra amam-panahy nosasana sy nofotsiana tao amin’ny ràn’ny Zanak’ondry . Matio 22 : 11 ; Apok 7 : 14 . Izay hita fa tsy nanana izany dia noroahina, fa izay rehetra hita kosa , nandritra ny fanadihadiana, fa nanana ny fitafiana fitondra amin’ny fampakaram-bady dia eken’Andriamanitra ary isaina ho mendrika ny handray anjara amin’ny fanjakany sy hanana toerana eo amin’ny seza fiandrianany. Io asa fanadihadiana ny amin’ny teotra amam-panahy io, io asa famaritana izay vonona ho amin’ny fanjakan’ Andriamanitra io no fitsarana famotopotorana, io no asa farany ao amin’ny fitoerana masina ao ambony. »Hery Mifanandrina, pp. 442.

7. Rahoviana ireo virjina izay vonona no handray anjara mivantana amin’ilay fetin’ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry ? Apokalypsy 22 : 11 ; 19 : 7, 8.


« Rehefa hifarana ny asa famotopotorana , rehefa voadinika sy voatapaka ny momba an’ireo nisora-tena ho mpanaraka an’i Kristy mandritra ny taonjato nifandimby, amin’izay, ary amin’izay ihany, vao mifarana ny androm-pahasoavana ka hikantona ny varavaram-pamindrampo. Ilay fehezan-teny fohy hoe : « ary izay efa niomana dia niara-niditra taminy tao amin’ny fampakaram-bady, ary dia narindrina ny varavarana ». izany no mitondra antsika mamakivaky eo amin’ny asa fanompoana farany ataon’ny Mpamonjy, ka tafahatra hatramin’ny fotoana izay hahatanteraka ny asa lehibe famonjena ny olona »Hery Mifanandrina, p. 442
« Ny akanjo amin’ny fampakaram-bady dia mampiseho ny toetra madio, tsy misy pentina ananan’ireo mpianatr’I Krisy marina. Nomena ny fiangonana hotafiany ny rongony fotsy madinika, mamirapiratra, madio , tsy misy pentina na fiketronana, tsy misy tahaka azy. Ny rongony fotsy  araka ny Soratra Masina dia asa marina ataon’ny olona masina. Apokalypsy 19 : 8 ; Efesiana 5 : 27. Izany no fahamarinan’i Kristy. Ny toetrany tsy misy kilema, tanteraka, izay mifandray amin’ny finoana amin’ireo rehetra izay mandray Azy ho mpamonjy ny tenany manokana »  Maranatha, p. 76.

Mba ho saintsainina lalina

Hebreo 2 : 9 ; 4 : 14-16 ; 6 : 19, 20 ; 9 : 22-24 ; 11 : 1, 2, 6.



« Ireo izay manaraka an’i Jesosy amin’ny alalan’ny finoana ao amin’ny asa lehiben’ny fanavotana no mandray tombontsoa amin’ny fanalalanana ataony ho azy, fa ireo izay nandà ny fahazavana izay nahitana io asa fanompoana io, dia tsy nandray tombontsoa avy tamin’izany. Ireo Jiosy izay nitsipaka ny fahazavana nomena tamin’ny fiavian’i Kristy voalohany, ka nandà tsy hino Azy ho Mpamonjy izao tontolo izao, dia tsy afaka handray famelan-keloka tamin’ny alalay. Rehefa niakatra tany an-danitra I Jesosy ka niditra tamin’ny alalan’ny ràny ho ao amin’ny fitoerana masina any an-danitra mba handrotsahany amin’ny mpianany ny fitahiana avy amin’ny fanelanelanana ataony, dia navela tao amin’ny haizina mikitroka ny Jiosy mba hanohy ny sorona sy ny fanatitra tsy misy antony nataony. Efa nijanona ny fisoronana tamin’ny alalan’ny endrika sy ny tandidona. Tsy hisokatra intsony ny varavarana izay nahazoan’ny olona nanantona an’Andriamanitra. Ny Jiosy dia efa nandà tsy hitady Azy tamin’ny fomba tokana hahitana Azy, dia tamin’ny alalan’ny fisoronana ao amin’ny fitoerana masina any an-danitra. Noho izany dia tsy nahita firaisana tamin’Andriamanitra izy ireo. Efa voakatona teo anatrehany ny varavarana. Tsy nahafantatra an’i Kristy ho ilay tena sorona sy hany Mpanalalana eo anatrehan’Andriamanitra izy ; koa dia tsy afaka nandray tombon-tsoa tamin’ny fifonana nataony. »Hery Mifanandrina, pp. 444.
 « Io akanjo io izay notenomina tany amin’ny fanenoman’ny lanitra , dia tsy misy na dia singankofehy iray aza avy amin’ny fisainan’olombelona  . Kristy no nanamboatra toetra tanteraka tao amin’ny maha-olombelona Azy , ary io toetrany io no atolony ho zaraina amintsika : “ Tahaka ny lamba mihosindra ny fahamarinanay rehetra” Isaia 64 : 5 . Izay rehetra azontsika atao amin’ny alalan’ny tenantsika dia voaloton’ny fahotana . Nefa ny zanak’Andriamanitra dia « naseho hanaisotra ny ota ; ary tsy mba nisy ota tao Aminy . » Ny fahotana dia faritana fa « fandikana ny lalàna . »I Jaona 3 : 4,5. Nefa kosa Kristy dia nankato ny fitakian’ny lalàna rehetra . Hoy Izy momba ny tenany : “Ny hanao ny sitraponao Andriamanitra o , no sitrako ary ny lalànao no ato anatiko” ... (Salamo 40 : 8 .) » Henoinareo ny fanoharana p 274

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire