mercredi 30 juillet 2014

SATRO-BONINAHITRA MARO SY FIFALIANA OMENA NY VAHOAKAN’ANDRIAMANITRA



 Ho avy faingana Aho ; tano mafy izay anananao , mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao . Izay maharesy no atao andry eo amin’ny tempolin’Andriamanitro , ary tsy hiala eo intsony izy , ary hosoratako eo aminy ny anaran’Andriamanitro sy ny anaran’ny tanànan’Andriamaintro , dia Jerosalema vaovao , izay midina avy any an-danitra , avy amin’Andriamanitro , ary ilay anarako vaovao Apokalypsy 3 : 11-12

Ireo olona voavotra dia mandray ny satro-boninahitra

1 .-Inona ilay teny fikasana ao anatin’ny Baiboly izay ho tanteraka rehefa tonga any an-danitra ireo olona voavotra ?  I Petera 5 : 4 ; Apokalypsy 3 : 11
           
            Rehefa afaka izany , izaho dia nahita anjely marobe izay nitondra satro-boninahitra be voninahitra indrindra , satro-boninahitra iray ho an’ny olona masina tsirairay , izay voasokitra amin’ny anaran’io olona masina io . Rehefa Jesosy nangataka an’ilay satro-boninahitra , dia natolotr’ireo anjely Azy izany , ary Jesosy dia nametraka an’ireo satro-boninahitra teo amin’ny lohan’ny olona masina tamin’ny tanany ankavanana . Tamin’ny fomba mitovy amin’izany ihany , dia nisy anjely maro izay nitondra valiham-bazaha ka natolotr’i Jesosy ihany koa ho an’ireo olona masina . Ireo anjely izay nibaiko ny hira no nanome ny feonkira , rehefa izany , ny feo tsirairay dia nanao hira fankasitrahana sy fisaorana feno fifaliana tokoa , ary ny tsirairay dia nikasika amim-pahaizana ny tadin’ireo valiham-bazaha ka nampaneno ny mozika izay tena tsara indrindra . Premiers Ecrits p 288

Ilay toera-ponenan’ireo olona voavotra

2 .-Aiza no honina ireo olona voavotra any an-danitra ? Apokalypsy 21 : 10 ; Isaia 26 : 2 . Inona ilay zavatra izay hahafa-po an’i Jesosy Kristy Mpamonjy antsika ? Isaia 53 : 11 .
 
              Rehefa afaka izany , izaho dia nahita an’i Jesosy nitarika an’ireo vondron’ ny olona voavotra nankeo amin’ny varavaran’ilay tanàna . Noraisiny ilay varavarana , nahodiny ireo savily mamirapiratra , ary nampidiriny ireo firenena izay nitandrina ny fahamarinana . Ao anatin’io tanàna io , ny zavatra rehetra dia manana ny toetoetra manokana voatendry hamalifaly ny maso . Eo amin’ny toerana rehetra dia ahitana zavatra be vidy sy feno voninahitra . Rehefa izany , Jesosy dia nanopy ny masony nijery an’ireo olona masina izay navotany . Ny tavan’izy ireo dia namira-piratry ny voninahitra , ary rehefa nampifantoka ny masony feno fitiavana tamin’izy ireo Izy , dia niteny tamin’ny feony madio sy marina  nanao hoe : “ Izaho dia mibanjina ny asa nataon’ny fanahiko ary afa-po ny amin’izany ”. Hianareo dia afaka manaram-po mandrakizay amin’io voninahitra io . Tapitra ireo fahoriana mpahazo anareo . Tsy hisy fahafatesana intsony , tsy hisy fisaonana , na   tomany , na fijaliana . Izaho dia nahita an’ilay antokon’ireo olona voavotra niankohoka teo anantrehan’i Jesosy , sy nametraka teo an-tongony ireo satro-boninahitr’izy ireo izay tena mamirapiratra tokoa . Rehefa afaka izany dia nampitsangana azy ireo Izy tamin’ilay tànany mpanasoa , ary nampaneno an’ilay valiham-bazaha volamena izy ireo , ka dia nameno ny lanitra manontolo tamin’ny mozika kanto indrindra sy ny hira nataon’izy ireo ho voninahitra’Ilay Zanak’Ondry . Premiers Ecrits p 288

Ny voankazo vokarin’ilay hazon’aina

3 .-Inona ilay teny fikasan’Andriamanitra izay ho tanteraka ? Apokalypsy 2 : 7 . Tahaka ny tao Edena , inona no zavata izay hananana mitafotafo ao amin’ilay tany vaovao ? Apokalypsy 22 : 2 ; Ezekiela 47 : 12 .
 
           Rehefa izany , izaho dia nahjita an’i Jesosy nitarika ny vahoakany hankeo amin’ilay hazon’aina . Izy dia nandefa indray ny feony maha te ho tia , feo tena manana lanja ambony indrindra izay tsy mbola henon’ny sofin’olombelona hatrizay hatrizay . “ Ny ravin’ity hazo ity hoy Izy , dia natao ho fanasitranana an’ireo firenena . Aoka hianareo rehetra hihinana an’ireo ravina ireo ”. Io hazon’aina io dia feno ny voankazo tsara indrindra mihoatra ny voankazo rehetra . Ireo olona masina dia afaka nioty izany tamin-kalalahana . Tao amin’ilay tanàna dia nisy seza fiandrianana anankiray kanto sy mamirapiratra , ary avy amin’io seza fiandrianana io no ivoahan’ny ony anankiray mpitondra rano velona , izay madio toy ny kristaly . Eo amin’ny andaniny tsiariray amin’io ony io no nisy an’ilay hazon’aina izay misy ireo voankazo tsara ho fihinana . Izaho dia nahita an’ilay voankazo vokarin’ilay hazon’aina , nahita ny mana , ny amandy , aviavy , ampongabendanitra , voaloboka , ary karazam-boankazo maro be . Premiers Ecrits pp 288 , 289 , 19 

Miombona amin’ilay sakafo lehibe

4 .-Inona no hanaovana fety   fankalazana rehefa ireo olona voavotra tonga eo anantrehan’ny Mpamonjy ? Iza no hampihinana eo amin’io fanasana  lehibe io ? Apokalypsy 19 : 9 ; Matio 26 : 29 ; Lioka 22 : 28-30 .
 
             Ilay tempoly dia mipetraka eo ambonin’ny andry volamena fito madio sy mangarangarana , ary ao anatin’io tempoly io dia misy perla kanto marobe mitsefaka . Izaho dia tsy mahay manoritsoritra izay hitako tao . Oh ! Raha izaho no mba nahay ny fiteny tao Kanana . Raha nahay an’io fiteny io aho , dia ho afaka ny hilaza ny ambangovangony kely mikasika an’ilay voninahitry ny tontolo anankiray izay tsara tokoa . Hitako tao ireo vato fisaka izay misy ny anaran’ireo 144000 voasokitra tamin’ny soratra volamena . “ Rehefa avy nibanjina ny hankanton’ilay tempoly izahay dia nivoaka niala tao , ary Jesosy nandao anay ka nankany amin’ilay tanàna . Tsy ela taorian’izay , izahay dia naheno indray ny feony tonga lafatra sy mahafinaritra niteny taminay nanao hoe : Avia aty hianareo  rehetra izay isan’ny vahoakako ; hianareo dia nivoaka avy tao amin’ilay  fahoriana lehibe , hianareo dia nanao ny sitram-poko , nijaly hianareo noho ny amiko ; Avia mandraisa anjara amin’ity sakafo ity . Izaho mihintsy no hisikina ka hampihinana anareo , dia nihiaka izahay nanao hoe : Haleloia , Voninahitra ! Ary niditra tao amin’ilay tanàna izahay . Tao aho dia nahatazana latabatra volafotsy matevina be anankiray . Io latabatra io dia nanana halava kilaometatra maromaro , kanefa izany dia tsy nahasakana anay tsy hahita ny tendrony roan’io latabata io .   Premiers Ecrits pp 19 , 20

Fanantenana vaovao ho amin’ny fahalalana

5 .-Eto amin’ity izao tontolo izao ity , moa ve isika dia afaka mahafantatra feno ilay fitiavana lehiben’Andriamanitra sy ilay drafi-panavotana nataony ? Romana 11 : 33 ; Deotoronomia 29 : 29 . Inona ireo teny fikasana izay natao ho an’ny fotoana ho avy ? I Korintiana 13 : 9-10 , 12
  
               Eto amin’ity fiainana ity dia vao manomboka mahafantatra ihany io laha-kevitra momba ny fanavotana io isika . Ny saintsika voafetra dia mety handalina amim-pahazotoana fatratra ny momba ny fahafaham-baraka sy ny voninahitra , ny fiainana sy ny fahafatesana , ny fahamarinana sy ny famindram-po , izay nihaona teo amin’ny hazo fijaliana . Nefa ny ezaka mafy indrindra ataontsika amin’ny herintsika ara-tsaina dia tsy ahatakarantsika ny tena velarany . Manjavozavo ihany ny fanombanantsika ny lavany sy ny sakany , ny halaliny sy ny haavon’ny  fitiavana nanavotana antsika . Tsy takatra ho sain-tsainina tanteraka ny drafitry ny fanavotana , eny , na dia rehefa hahita toy ny nahitana azy aza ny voavotra ary hahafantatra toy ny nahafantarana azy , nefa mandritra ny mandrakizay dia hisy fahamarinana vaovao mandrakariva haseho izay hampitolagaga sy haharavoravo ny saina . Na dia tapitra aza ny alahelo sy ny fahoriana ary ny fakam-panahy mpanjoy ety an-tany ka afaka ny nahatonga izany , dia hahita amin’ny fomba mazava sy hendry kosa ny tombam-bidin’ny famonjena azy ny vahoakan’Andriamanitra . Hery Mifanandrina p 677

6.- Ao amin’ilay toeram-ponenan’ireo olona voavotra , iza no hitarika ny fampianarana azy ireo ? Isaia 54 : 13 ; Jaona 6 : 45 . Inona no ho loha-evitra lehibe raiketin’io fanabeazana io ? Efesiana 1 : 20-21

             Ny hazo fijalian’i Kristy no ho fianarana sy ho anton-kiran’ny voavotra mandritra ny mandrakizay manontolo . Ao amin’i Kristy omem-boninahitra no hibanjinany an’i Kristy voahombo . Tsy hohadiniona na oviana na oviana fa Ilay manankery namorona sy ihazonana an’ireo izao tontolo izao tsy hita isa manerana ny velarana tsy manam-petry ny habakabaka , Ilay Malalan’Andriamanitra , ILay Mpanjakan’ny lanitra , Ilay tian’ny kerobima sy ny serafima mamirapiratra hiankohofana , dia nietry mba hanandratra ny olombeloa lavo ; nitondra ny heloka sy ny fahafaham-baraka noho ny fahotana ; nizaka ny nanafenan’ny Ray ny tavany mandrampaha vaky ny fony , noho ny vesatry ny ozon’izao tontolo izao ka naha torotoro ny ainy teo amin’ny hazo fijalian’i Kalvary . Raha Ilay nahary izao tontolo rehetra izao , Ilay Mpandahatra ny anjaran’ny rehetra , no nanaiky ny hametraka ny voninahiny ka nanetritena noho ny fitiavany ny olombelona , izany dia hampito-lagaga mandrakariva ny tany aman-danitra sy ahatonga azy hiankohoka Aminy . Rehefa mijery ny Mpanavotra azy ireo firenena voavonjy ka mibanjina ny voni-nahitra mandrakizay avy amin’ny endriny ; rehefa mibanjina ny seza fiandrianany izy ireo , izay haharitra mandrakizay mandrakizay , ary ho fantany fa tsy hanam-pahataperana ny fanjakany , dia hanadratra ny hiram-piravoravoany izy ka hanao hoe : “ Mendrika , mendrika ny Zanan’Ondry Izay efa novonoina” , ka efa nanavotra antsika ho an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny rany saro-bidy indrindra . Hery Mifanandrina p 677

Zavatra tsy hay heverina no miandry an’ireo voavotra

 7.- Moa ve zavatra hay heverina na soritsoritana ny halehibehan’ilay fanja-kana efa voaomana ho an’ireo olona voavotra ? I Korintiana 2 : 9 ; ISaia 28 : 5

              Tsy misy fiteny na dia iray aza mahay manoritsoritra ny lanitra . Rehefa mieritreritra an’izany rehetra izany aho dia talanjo tokoa . Satria feno fitalanjonana sy fahafaham-po aho noho ireo famirapiratana tsy manam-paharoa sy ireo voninahitra tsy hay lazaina , dia tsy misy azoko atao afatsy ny mametraka ny mpenina fanoratako ka mihiaka manao hoe : “ Endrey ilay fitiavana ! Endrey ilay fitiavana mahatalanjona ”. Ireo teny izay tena ambony lanja indrindra dia tsy hahay hanoritsoritra ny voninahitry ny lanitra , na ireo halalin’ny fitiavan’ny Mpamony  , izay tsy hay refesina .   Premiers Ecrits p 289

Mba ho saintsainina lalina

Isaia  53 : 7-11 ; Filipiana 2 : 6-11 ; Lioka 1 : 31-33
              Andriamanitra dia nanankina amin’ny olombelona mety maty an’ireo rakitra saro-bidy maron’ny fahamarinana . Ireo raki-tsarobidy ireo dia azo ampitahaina amin’ny voankazo kanto indrindra , izay atao ao anatin’ny vilany mamirapiratry ny fahadiovana sy masina , mba hahatonga an’izay manaiky ireo voankazo ireo sy hankafy azy , mba ho voninahitr’Andriamanitra . Manuscript 127 , 1902 . Evangéliser p 313
              Jesosy dia nanolotra akanjo fotsy , satro-boninahitra izay feno voninahitra sy be vidy indrindra mihoatra lavitra noho ireo satro-boninahitra izay mandravaka ny handrin’ny mpanjaka sy  ny anaram-boninahitra izay apetaka eo amin’ireny zanak’andriana manamboninahitra ireny . Ny valisoa raisina vokatry ny fiainana natolotra ho an’i Kristy dia mihoatra ny fiheverana rehetra izay hain’ny sain’olombelona .   That Y May Know Him p 91 

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire