… Mbola manana olona ao Babylona anefa Andriamanitra ;
ka alohan’ny handatsahany ny fitsarany dia tsy maintsy antsoina hivoaka ireo ,
mba tsy handraisany anjara amin’ny fahotany ka tsy hahazo azy ireo loza hanjo
azy . Izany no mahatonga ny fihetsikatsehana aseho ara-tandindona amin’ilay
anjely avy any an-danitra , manazava ny tany amin’ny voninahiny , miantso mafy
amin’ny feo mahery , ka manambara ny fahotan’i Babylona . Mifandray amin’io
hafatra io ilay feo re manao hoe : “ Mialà aminy , ianareo ry oloko” . Ireo
fanambarana ireo , miaraka amin’ny hafatry ny anjely faha telo , no
fampitandremana farany hatao amin’ny mponina ety an-tany . Hary Mifanandrina p 630
NY FAHARAVANA
FARANY NAHAZO AN’I BABYLONA
1.-Inona no ho fitoetra misy ny tontolon’ny fivavahana
eo amin’ny fotoanan’ny hafatry ny anjely fahatelo sy ny hafatr’ilay
anjely voalaza ao amin’ny Apokalypsy 18? Apok. 14: 8; 18: 2, 3
«Mahatsiravina ny
toetran’izao tontolo izao ara-pivavahana ambara eto. Mihamaizina isaka ny mandà
ny fahamarinana ny sain’ny olona, mihamafy ny fony mandra-pahatonga azy
hamahatra amin’ny mandan’ny tsy finoana. Tsy miraharaha ny fampitandremana izay
nataon’Andriamanitra izy, fa mikiry hanitsakitsaka ny anakiray amin’ny Didy
folo, ka amin’ny farany dia tonga mpanenjika ireo izay manaiky izany ho masina.
Fanaovana an’i Kristy ho tsinotsinona ny fanamavoana ny teniny sy ny vahoakany.
Rehefa eken’ny fiangonana ny fampianarana entin’ny filalaovan’angatra, dia
miala ny fameperana atao amin’ny fo ara-nofo, ka hanjary lamba Isalorana fotsiny anakonana
ny faharatsiana ambany indrindra ny filazana fa mivavaka. Ny finoana ny
fisehoan’ny angatra dia mampidanadana ny varavarana hidiran’ny fanahy mamitaka
sy fampianaran’ny demonia, ary amin’izany fomba izany no hahatsapana ny hery
miasa mangina avy amin’ny anjely ratsy ao amin’ny fiangonana. . » – Hery Mifanandrina p 629, 630
2 .- Inona ireo antony nandefasana an’io hafatra
io ho an’ireo olona izay milaza-tena ho Kristiana sy ho an’izao tontolo izao
amin’ny ankapobeny? Isaia 24: 5; Rom. 1: 21, 25. Inona no nosoratan’ilay penina
feno tolo-tsaina avy tamin’ Andriamanitra tany amin’ny fotoana taloha efa
mihoatra ny taonjato iray tany?
«Ny Fanahin’Andriamanitra dia miala tsikelikely manalavitra ny tany,
tsikelikely kanefa tsy an-kiato. Ireo vay sy fitsarana dia efa mahazo an’ireo
izay mpanao tsinontsinona ny fahasoavan’Andriamanitra.
“Mitambatra ireo herin’ny ratsy ary
mitombo mba ho amin’ilay fotoan-tsarotra farany. Hisy fiovan-javatra maro izay
hitranga tsy ho ela eto amin’izao tontolo izao, ary ireo trangan-javatry ny
andro farany dia hiantoraka faingana
hiasa
“Ireo fipetra-javatra
ankehitriny dia maneho fa ireo fotoana feno korontana mahavery hevitra dia
hanjo antsika. Ireo gazety dia mampifoha ny saintsika mba hahafantarantsika ny
amin’ny fifanandrinana mahatahotra izay tsy maintsy hitranga afaka fotoana
fohy. Ireo vaki-trano feno fahasahiana dia misy matetika, ireo fitokonana dia
efa fanao manerana ny tany, ireo halatra sy vonoan’olona dia mitombo. Ny
ain’ireo lehilahy sy ankizy maro dia esorin’ireo olona izay eo ambany
fifehezan’ny herin’ny demonia. Ny faharatsiam-pitondran-tena dia mihanaka ary
ny fanaovan-dratsy dia mahery sy mirehereha tokoa amin’ny endriny maro
samihafa.” – Témoignages pour l’église, vol 3, p 335,
336
ANTSO HO AN’IREO
FANAHY MAHITSY FO IZAY AO ANATIN’NY FIANGONANA
3. -Inona ilay antso maika izay ataon’Andriamanitra ho an’ireo zanany izay mahitsy
fo mbola ao anatin’ireo fiangonana lavo? Apok. 18: 4; II Kor. 6: 17, 18
Izao no voalaza momba an’i Babylona
amin’ny fotoana isehon’io faminaniana io ; Fa ny fahotany efa nitehika tamin’ny
lanitra , ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony. Efa nofenoiny ny kapoaky ny heloka nataony .
Koa efa madiva hianjady aminy ny fandringanana . Mbola manana olona ao Babylona
anefa Andriamanitra ; ka alohan’ny handatsahany ny fitsarany dia tsy maintsy
antsoina hivoaka ireo , mba tsy handraisany anjara amin’ny fahotany ka tsy
hahazo azy ireo ny loza hanjo azy . Izany no mahatonga ny fihetsiketsehana
aseho ara-tandindona amin’ilay anjely avy any an-danitra , manazava ny tany
amin’ny voninahiny , miantso mafy amin’ny feo mahery , ka manambara ny
fahotan’i Babylona . Mifandray amin’io hafatra io ilay feo re manao hoe : “ Mialà
aminy ianareo ry oloko” . Ireo fanambarana ireo , miaraka amin’ny hafatry ny
anjely faha telo , no fampitandremana farany hatao amin’ny mponina ety an-tany
. - Hery Mifanandrina p 630
HERY ANANKIROA
MIFANANDRINA
4. -Inona no zavatra izay vokarin’ilay bibidia sy ny sariny manerana izao
tontolo izao? Apok. 13: 15-17. Etsy andanin’izany, inona ilay fampitandremana
hentitra izay alefan’Andriamanitra ho an’ny mponina eto ambonin’ny tany? Apok.
14: 9- 11
“
Hanoloana safidy mahatsiravina izao tontolo izao . Ireo fahefana eto an-tany
izay miray hina mba hiady amin’ny didin’Andriamanitra , dia hamoaka lalàna
milaza fa ny olona rehetra na ny kely na ny lehibe , na ny manankarena na ny
malahelo , na ny andevo na ny tsy andevo
, Apokalypsy 13 : 16 , dia tsy maintsy hanaraka ny fomba amam-panaon’ny
fiangonana ka hitandrina ny Sabata sandoka . Izay rehetra mandà tsy hilefitra
dia iharan’ny sazy ahatran’ny fanjakana , ary amin’ny farany dia lazaina fa
mendrika ny ho faty izy ireo .– Hery
Mifanandrina p 630
5.- Inona no asa mahery vaika hataon’ireo pasitora sandoka mba hanitahana ny
vahoaka? II Kor. 11: 13- 15; I Mpanj. 22: 23- 25
« Maro
amin’ireo izay maheno an’ilay hafatra no tsy mino ilay fampitan- dremana. Maro
no tsy manaraka ireo didin’Andriamanitra izay fandrefesana ny toetra. Ireo
mpanompon’Andriamanitra dia antsoina hoe mirehidrehitra tsy amin’ny antony.
Hanoro hevitra ny vahoaka ny pasitora mba tsy hihaino ireo pasitora sandoka
ireo. Noheverina ho mirehi-drehitra foana tsy amin’ny antony i Noa rehefa
natosiky ny Fanahin’Andriamanitra ka nanambara ilay hafatra, na hihaino azy ny
olona na tsia. Tsy ny hoe oviana no hiseho io fiavian’i Kristy fanindroany io
no zava-dehibe, ny fiaviany dia ho tampoka amin’ireo pasitora sandoka izay milaza
hoe: ‘fiadanana sy fandriam-pahalemana’
“Ny zavatra rehetra dia mitoetra tsy miova hatrany
am-piandohan’ny famoronana. Hoy ny tenin’andriamanitra: ‘ho tratran’ny
faharavana tampoka izy ireo’. Ho tonga ilay andron’Andriamanitra tahaka ny
fandrika mahazo an’ireo izay monina eto ambonin’ny tany manontolo. » – Témoignages pour les pasteurs p 115
NY
LALAN’ANDRIAMANITRA SY NY FILAZANTSARA
6. Inona no ho ataon’Andriamanitra ao anatin’ny famindram-pony lehibe? Moa
ve izy hametraka ny olona ao anatin’ny maizina? Apok. 18: 1
« Nefa
tsy nisy olona na dia iray aza natao hiaran’ny fahatezeran’ Andriamanitra raha
tsy efa nabaribary tsara tamin’ny saina amam-pieritreretany ny fahamarinana ,
kanefa notsipahiny . Betsaka ny tsy mbola nanam-potoana mihintsy handrenesany
ireo fahamarinana manokana ho amin’izao andro izao . Tsy mbola naseho teo anantehany
mihintsy araka ny tena toetrany ny maha tsy maintsy hankatoavana ny didy faha
efatra . Ilay mamaky ny ao am-po tsy miloaka ao amin’ny tsirairay , sy misedra
ny toe-tsaina manetsika antsika dia tsy hamela ny olona iray izay maniry
hahalala ny fahamarinana , ho voafitaka ny amin’ny fiafaran’ny ady.Tsy
hampiharina an-jambany amin’ny olona akory ny didy . Tsy maintsy samy hahazo
fahazavana ampy ny tsirairay mba hanapahany hevitra amin’ny saina maharitra
. » – Hery mifanandrina p 631
7. -Eo amin’ny fotoanan’ny fampitandremana farany,
inona no mbola ho ivon’ilay hafatra? Rom. 3: 24- 26; Apok. 14: 12
« Ny hafatra ny
amin’ny fahamarinan’i Kristy dia tsy maintsy manakoako mane-rana ny tany
manontolo mba hanomana ny làlan’ny Tompo sy
mba haneho ny voninahitr’Andriamanitra. Rehefa izany dia ho tapitra ny
hafatry ny anjely fahatelo. » – Témoignages pour l’église, VOl 2, p 434
“ Ny Sabata no ho fisedrana
lehibe momba ny fahatokiana , satria io no fahamarinana anankiray isehoan’ny
fifanolanana amin’ny fomba manokana . Rehefa hampiharina amin’ny olona ny
fisedrana farany , dia hisy tsipika mazava hampisaraka izay manompo an’Andriamanitra
sy izay tsy manompo Azy . Raha ny fitandremana ny Sabata sandoka no fanekena ny
lalàm-panjakana , izay manohitra ny didy faha efatra , ary fiaikena ny
fiandaniana amin’ny fahefana manohitra an’Andriamanitra , ny fitandremana ny
Sabata marina kosa dia fankatoavana ny lalàn’Andriamanitra , sy porofo
mazavan’ny toetra mahatoky amin’ny Mpamorona . Ny antokon’olona iray izay
manaiky ny famantarana amin’ny fileferana amin’ny fahefana eto an-tany , dia
mandray ny mariky ny bibidia , ny anankiray kosa , izay mifidy ny famantarana
ny fiandaniana amin’ny fahefan’Andriamanitra , dia nandray ny
tombo-kasen’Andriamanitra . ” Hery
Mifanandrina p 631
Mba ho saintsainina lalina
Salamo
126: 5, 6; Apok. 3: 21; Tononkira 6: 10
«Ny fiangonana
dia tsy maintsy mamirapiratra, ary ‘hamirapiratra tsara tarehy toy ny volana,
toy ny masoandro, maha-te-hanaja toy ny tafika efa voalamina tsara’. Ireo mpanompon’Andriamanitra dia tsy maintsy
manaisotra ilay ozona izay nahatonga ny fiangonana ho matimaty, amin’ny
alalan’ny fiaraha-miasa amin’i Kristy. (Lettre 130, 1902). » – Commentaires bibliques, p 394
Miomana ho amin’ny ady
farany ny fiangonana fa voatafy ny akanjo vin’ny fahamarinan’i Kristy . “ Tsara tarehy tahaka ny
volana , madio toy ny masoandro sady mahatahotra roy ny antokon’ny miaramila
mitondra faneva izy ” Tononkiran’i Solomona 6 : 10 . Ary mandroso eo amin’izao
tontolo izao ka “ naharesy sady mbola haharesy ” . Mpaminany sy Mpanjaka p 591
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire