vendredi 25 juillet 2014

IREO VOKATR'ILAY FEO MAFY



 Amin’ireo mponina eto an-tany miely patrana any amin’ny firena rehetra any , dia misy olona tsy nampilefitra ny lohaliny tamin’i Bala . Tsy misy hafa amin’ireo kintana tsy mitranga raha tsy amin’ny alina no hampamirapiratra azy ireo , rehefa mandrakotra ny tany ny haizina ary mandrakotra ny vahoaka ny tsy fahalalana . Any Afrika mpanompo sampy , any amin’ny tany katolikan’i Eoropa sy Amerika Atsimo , any Sina , any India , any amin’ireo nosy lavitra any , ary any amin’ny toerana faran’izay mihataka indrindra eto amin’ny gilaoby , dia manana habaka-baka iray misy ireo fanahy tsongoin’olom-bolo ny Tompo izay hiseho amin’ny famira-piratany rehetra eo anivon’ny haizina ,  hanambara mazava amin’izao tontolo izao nihemotra ny hery mahaova amin’ny fankatoavany ny lalàny … Arakaraka ny hampahamaizina ny alina no hampamirapiratra ny fahazavany .-Mpaminany sy Mpanjaka p 154

Miatrika an’ilay fanoherana

1.- Vokatry ny tosik’i satana , inona no hataon’ny fivavahana Katolika sy Protestanta mpitsipaka ny fivavahana marina , ary ireo fitondram-panjakana ? Apokalypsy 12 : 17 . Inona no fitoetra izay ho raisin’ny zanak’Andriamanitra ? II Petera 5 : 9 ;  Lioka 10 : 19-20
 
       Taitra I Satana rahefa mitatra ho amin’ny saha vaovao ny ady ka voasarika ho amin’ny lalan’Andriamanitra voahitsakitsaka ny vahoaka . Mainka haharomotra ireo izay manohitra ny hafatra ny hery manohana ny fitoriana izany . Hanao  ezaka mihoatra noho izay mety ho vitan’ny olombelona ny mpitondra fivavahana mba hisakanana ny fahazavana tsy hamirapiratra amin’ny ondry andrasany . Hampiasainy ny fomba rehetra eo am-pelatànany mba hanafoanany ny ady hevitra mety hatao mikasika ireo fahamarinana fototr’aina ireo . Hitady tohana amin’ny sandry maherin’ny fahefam-panjakana ny fiangonana ary hiray hina amin’izany asa izany ny an’arivony , raha tsy izany dia tsy ho nandre na inona na inona ny amin’ireo fahamarinana izy ireo .  -Hery Mifanandrina p 633

2 .- Inona no hanjo an’ireo fianankaviana izay tsy niandany tamin’ny finoan’i Jesosy ? Matio 10 : 21-22 : II Timoty 3 : 12
 
         Ho lazaina fa fikomiana ny fankatoavana ny tenin’ Andriamanitra ho fanarahana ny feon’ny fieritreretany . Hohajambain’i satana ny Ray aman-dReny ka ho sarotiny sy ho henjana amin’ny zanany izay mino , ny mpampiasa lahy na vavy dia hampahory ny mpiasany izay mitandrina ny didiny . Ho levona ny fitiavana , tsy havela handova ny zanaka , ary horoahina tsy ho ao an-tokatrano . Ho tanteraka ara-bakiteny ny tenin’i Paoly manao hoe : “ Izay rehetra te ho velona amin’ny toe-panahy araka an’Andiamanitra , izay ao amin’I Kristy Jesosy , dia henjehina” II Timoty 3 : 12 . Rehefa mandà tsy hanaja ny Sabata Alahady ireo mpiaro ny fahamarinana ,dia hisy hatao an-tranomaizina sy hatao sesitany , ho entina tahaka ny andevo . Araka ny fahendren’olombelona dia toa tsy mety hisy izany ankehitriny : Nefa kosa , rehefa esorina  tsy ho eo amin’ny olona ny Fanahin’Andriamanitra izay mitana azy , ka i satana no hanapaka azy tanteraka ,  izy izay mankahala ny fitsipik’Andriamanitra , dia hisy zava-mahagaga hitranga . Lozabe mantsy ny fo rehefa miala ny fahatahorana an’Andriamanitra sy ny fitiavana Azy .    Hery Mifanandrina pp  633 , 634 

3 .- Noho ny amin’ny fitiavana ny fahamarinana , eo anantrehan’iza no tsy maintsy  hijoroan’ny vahoakan’Andriamanitra eo amin’ireo faran’ny fahasoavan’ Andriamanitra ?  Matio 10 : 16-20
 
      Hianareo dia tsy afaka mahafantatra mialoha an’ireo andraikitra izay tsy maintsy ankinina aminareo . Hianareo dia tsy afaka mahafantatra hoe , aiza no hiantsoana anareo mba hijoro ho vavolombelon’ny fahamarinana , ny sasany dia tsy maintsy hijoro eo anantrehan’ireo mpanjaka sy ireo manampahefana mba hanazava ny momban’ny finoany .Message à la jeunesse p 184
             Tsy azontsika antsaina  mihintsy ankehitriny fa ny sasany dia tsy maintsy hiady irery , kanefa raha marina fa Andriamanitra dia niresaka tamin’ny alalantsika , dia tsy misy isalasalana fa ho tonga ny fotoana izay hitondrana antsika eo anantrehan’ireo fitsarana sy eo anantrehan’ny olona an’arivony maro mba hiaro ny anarany , ary ny tsirairay amintsika  dia tsy maintsy hanazava ny anton’ny finoany . Rehefa izany dia hiseho ny fanankianana tena masiaka indrindra manohitra ny fitoetra rehetra izay miandany manohana ny fahamarinana . Noho izany tsy maintsy ilaintsika ny mianatra ny tenin’Andriamanitra , mba hahatonga antsika ho afaka mianatra manohana an’ireo foto-pampianarana izay arovantsika . -The Review  and Herald 18 Decembre 1888 ;  Les évènements des derniers jours pp 210 – 211

Ireo fitaovana izay hampiasain’Andriamanitra

4 .- Inona  ilay fahaizana ananan’ireo mpiasa izay hampiasain’Andriamanitra ho fitaovana eo amin’ny fotoanan’ny ranonorana farany ? Romana 8 : 35-39 ; Filipiana 2 : 13,15
                                                                     
         Toy izany koa no hitoriana ny hafatry ny anjely faha telo . Rehefa tonga ny fotoana hanaovana izany amin-kery lehibe indrindra , dia hiasa amin’ny alalan’ny fitaovana feno fanetren-tena ny Tompo , ka hitarika ny sain’ireo izay manolon-tena ho amin’ny fanomppoana Azy . Ny hosotry ny fanahiny no hahamendrika ny mpiasa mihoatra noho ny fianarana noratoviny tany manin’ny sekoly ambony . Hisy olona manam-pinoana sy tia vavaka ho voasesy hiroso amin’ny hafanam-po masina , ka hanambara ny teny nomen’Andriamanitra azy . Haharihary ny fahotan’i Babylona . Hiseho masoandro avokoa ny vokatra mahatahotra avy amin’ny fanamafisan’ny fanjakana sy ny lalàm-piangonana , ny fitsofohan’ny filalaovana angatra , ny fandrosoan’ny fahefana papaly mangina nefa haingana . Hifoha amin’ny alalan’ireo fampitandremana miezinezina ireo vahoaka.  - Hery Mifanandrina p 632  

5 Ankoatran’ireo mpiasa eo amin’ny tanimboalobok’Andriamanitra ,  iza ihany koa no antsoina ho toy ny mpitondra faneva eo amin’ny fotoanan’ny ranonorana farany ? I Korintiana 19 : 18 : Matio 20 : 6-7 . Iza ireo olona hiditra ao anatin’ireo laharan’Andriamanitra mandrakizay mba hitory an’ilay hafatra ?  Marka 10 : 13-16
 
              Ireo ankizy tenany mihintsy no voatosiky ny Fanahy Masina mba handeha hanambara an’ilay hafatry ny lanitra . Ny Fanahy Masina dia mirotsaka eo amin’ireo rehetra izay manaiky ho fehezin’io Fanahy Masina io , ary rehefa mitsipaka ny hampiasa an’ireo fanaovana rehetran’olombelona ireo fitsipika feno fanerena , sy ireo fomba fiasa feno ankifonofono foronin’ny sain’olombelona , ireo olona ireo dia mitory ny fahamarinana miaraka amin’ny herin’ny Fanahy Masina . Olona an’arivony maro no hino sy hitambatra amin’ireo andian-tafiky ny Tompo . - The Review and Herald 23 Juillet 1895 ; Evangeligèr p 624
            Hidodododo ny mpanompon’Andriamanitra hitory ny hafatra avy any an-danitra , ary ny tavany hazava sy hamirapiratra noho ny fanonkanan-tena masina . An’arivony ny feo manerana ny tany , izay hitondra ny hafatra fampitandremana . Hisy fahagagana hatao , hositranina ny marary , ary hisy famantarana sy zava-mahazendana hanaraka ny mpino . Hanao fahagagana mamitaka koa i satana , ary hampidina afo avy any an-danitra mihintsy eo imason’ny olona izy . Apokalypsy 13 : 13 . Amin’izany dia hisafidy izay hombany ny mponina ety an-tany . - Hery Mifanandrina p 638

Hafatra anankiray maneran-tany izay mahatapaka
6 .-Hatraiza no hielezan’ilay feo mafy  ataon’ilay anjely fahatelo ?  Apokalypsy 18 : 1

                Ny anjely izay manampy amin’ny fitoriana ny hafatry ny anjely faha telo dia hanazava ny tany manontolo amin’ny voninahiny . Asa hitatra manerana izao tontolo izao sy manan-kery tsy hay tohaina no voalaza mialoha eto . Fanehoana be voninahitra ny herin’Andriamanita ny fihetsehana momba ny fiverenan’ny Tompo tamin’ny 1840-1844 ; tafapaka hatrany amin’ny foibe fitoriana ny filazantsara rehetra eran’izao tontolo izao ny hafatry ny anjely voalohany , ary teo amin’ny tany sasany dia mbola tsy nisy fahalianana tamin’ny fivavahana toy izany na taiza na taiza hatramin’ny Reformasiona tamin’ny taon-jato faha enina ambinifolo ; nefa hanoatra lavitra noho izany ny fihetsehana miezinezina mandritra ny fanairana farany hataon’ny anjely faha telo . -Hery Mifanandrina p 637
             Rehefa afaka izany dia nahita anankiray mahery aho , izay nalefa teto an-tany mba hampitambatra ny feony amin’ilay anjely fahatelo , mba hanome hery sy fahefana an’ilay hafatra entiny . Ilay anjely  dia nanana hery lehibe sady nohodidinim-boninahitra . Rehefa nidina teto ambonin’ny tany izy io , ny tany dia dia nohazavain’ny voninahiny . -Premièrs Ecrit p 277

7 .- Inona ireo vokatr’ilay feo mafy ? Jaona 15 : 8 ; Apokalypsy 7 : 3 ; Isaia 53 : 11a
  
            Ilay fahazavana izay nanazava an’ireo niandry teo dia niditra tamin’ny toerana rehetra . Ireo olona izay tao amin’ny fiangonana samihafa , izay nandray ny fahazavana , ireo izay  nandre  sady tsy nitsipaka an’ireo hafatra anankitelo , dia nankatoa an’ilay antso ka niala tamin’ireo fiangonana lavo  … Ireo zanak’Andriamanitra rehetra dia tsy maintsy nizahan-toetra ny amin’izany sy antsoina mba hivoaka hiala amin’ireny fivavahana samihafa ireny  . Ireo fanahy mahitsy fo dia nohetsehin’ny hery izay nahatonga azy ireo nanao hetsika , ary teo andanin’izany kosa ny fiasan’ny herin’Andriamanitra dia niteraka tahotra teo amin’ny havan’ireo olona mahitsy fo ireo sy teo amin’ny namany izay tsy nanana finoana nitovy tamin’izy ireo , hany ka tsy vitany ny nanampotsampona ny fanahin’Andriamanitra tao anatin’ny fon’izy ireo tao . Ny antso farany dia tonga mihintsy aza teo amin’ireo olona nandevozina , ary ireo izay tia vavaka dia heniky ny hafaliana teo ampiandrasana ny fahafahana sambatra izay ho tonga aminy … Andriamanitra dia miasa , ary ireo olona masina rehetra dia tsy matahotra mihintsy ny mety ho vokany ,dia nanaraka ny faharesen-dahatry ny feon’ny fieritreretan’izy ireo tao . Noho izany dia nitambatra tamin’ireo izay nitandrina ny didin’Andriamanitra izy , ary nanambara tamin’ny toerana lavitra an’ilay hafatra fahatelo . Hitako fa io hafatra io dia nifarana niaraka tamin’ny hery sy fahefana izay mihoatra lavitra amin’ilay hafatry ny feo mamanton’alina.-Premiers Ecrits p 278

Mba ho saintsainina lalina

Habakoka 2 : 3 ; Matio 5 : 14-16 ; Isaia 41 : 18 ; Matio 16 : 18
                     Misy olona manan-talenta sy fahaizana mahataona , izay efa nahita fifaliana tamin’ny fanarahana ny fahamarinana , nefa ankehitriny dia mampiasa ny heriny hamitaka ny fanahy sy hampivily azy amin’ny lalan-diso . Ireo no hanjary ho fahavalon’ny rahalahiny teo aloha sady hasiaka indrindra . Rehefa ho entina ho eo anantrehan’ny fitsarana ny mpitandrina ny Sabata mba hanazava ny amin’ny finoany , dia ireny mihemotra ireny no ho fiasan’i Satana mahomby indrindra mba hanosoram-potaka sy hiampangana azy , ka ny tatitra lainga ataony sy ny hevitra hasosony no hanosika ny mpanapaka hamely azy ireo . Ho sedraina ny finoan’ny mpanompon’i Jehovah amin’io fotoana   fanenjehana io . Efa nomeny tamim-pahatokiana ny fampitandremana , ka Andriamanitra sy ny teniny ihany no nojereny tamin’izany . Ny fanahin’Andriamanitra , izay nanetsika ny fony , no nanery azy hiloa-bava . Hafanam-po masina no manainga azy , ary Andriamanitra no nanindry azy mafy ka notanterahany ny adidiny ary tsy nahoany kely akory izay mety ho vokatry ny filazana amin’ny olona ny teny nampitondrain’i Jehovah azy . Tsy nijery ny tombotsoany ara-nofo izy na nitady izay hiarovany ny lazany na ny ainy .  -Hery  Mifanandrina pp 634 , 635

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire