mardi 8 juillet 2014

NY FITSARANA FAMOTOPOTORANA



« Ny asan’ny olona tsirairay dia mandalo eo anatrehan’i Tsitoha sady voasoratra na mahatoky na tsy mahatoky. Eo anoloan’ny anarana tsirairay eo amin’ny bokin’ny lanitra dia voatana an-tsoratra amin’ny fahamarinana mampahatahotra ny teny ratsy rehetra, ny asam-pitiavantena rehetra, ny adidy tsy vita rehetra, ary ny fahotana miafina rehetra, miaraka amin’ny hafetsena sy ny fitaka rehetra. Ny fampitandremana nalefan’ny lanitra na ny fananarana natao an-tsirambina, ny andro verivery foana , ny fotoana mety tsy nohararaotina, ny hery miasa mangina ho amin’ny tsara na ho amin’ny ratsy, miaraka amin’ny vokany lavitra indrindra, izany rehetra izany dia samy voatantaran’ny anjely mpanoratra avokoa» – Hery Mifanandrina, p. 498.

EO ANOLOAN’NY FITSARAN’NY LANITRA

1. Oviana no nanomboka ny fitsarana famotopotorana ? Daniela 8 : 14.

Iza no ilay Mpitsara lehibe amin’izany fitsarana izany ? Daniela7 : 9, 10.

« Tamin’ny taona 1844, Ilay Mpisoronabentsika dia nanomboka niditra tao amin’ny efitra Masina indrindra any an-danitra hanao ny asan’ny fitsarana famotopotorana » Maranatha, p. 91
« Toy izany no nanehoana ho hitan’ny mason’ny mpaminany ilay andro lehibe sy manetriketrika izay handalovan’ny toetra sy ny fiainan’ny olona eo anatrehan’ny Mpitsaran’ny tany rehetra, sy hamaliana ny olona rehetra   « araka ny asany ». ny Tsitoha Ray no Ilay Fahagola. Hoy ny mpanao Salamo. «  Fony tsy mbola ary ny tendrombohitra, na voaforina ny tany sy izao rehetra izao, dia Tsitoha Ianao hatramin’ny taloha indrindra ka mandrakizay »Salamo 90 : 2. Izy, izay niavian’ny zava-manan’aina rehetra, sy loharanon’ny lalàna rehetra, no mitarika ny fitsarana. Ary ny anjely masina arivoarivo sy alinalina izay mpanompo sy vavolombelona, no manatrika io fitsarana lehibe io. » – Hery Mifanandrina, pp. 495.

2. . Iza avy no ho tsaraina ao amin’io fitsarana io ? 1 Petera 4 : 17, 18. Inona no andraikitry ny anjely ao amin’io fitsaran’Andriamanitra io ? Daniela 7 : 10.

« Tamin’ny fanompoam-pivavahana tandidona, dia ireo izay nanatona an’Andriamanitra tamin’ny fiaiken-keloka sy ny fibebahana ihany , ka voafindra tao amin’ny fitoerana masina ny fahotany, tamin’ny alalan’ny rà natao fanatitra noho ny ota, ireo ihany no nanana anjara tamin’ny fotoam-pivavahana tamin’ny Andro Fanavotana. Toy izany amin’ny andro lehibe fanavotana farany sy amin’ny fitsarana famotopotorana, ny hany hodinihina dia ny momba ireo izay milaza ny tenany ho vahoakan’ i Ray ihany. Asa miavaka sy manokana ny fitsarana ny ratsy fanahy ary hatao amin’ny fotoana any aorina. “Fa tonga ny andro hiatombohan’ny fitsarana hatrao amin’ny ankohonan’ i Ray, ary raha miatomboka amintsika izany, dia hanao ahoana kosa no hiafaran’izay tsy manaiky ny filazantsaran’Andriamanitra ?   I Petera 4 : 17.

 « Arivo arivo , sy arivo aman-tapitrisany maro ireo Anjely nanatrika teo, amin’ny maha mpitsara lehibe sy vavolombelona azy ireo. » – Hery Mifanandrina, p. 496.

NY FILAMATRA SY NY MPISOLO VAVA AO AMIN’NY FITSARANA

3.Inona no filamatra entina mitsara ny asa izay nataon’ireo olona tsaraina? Jakoba 2: 12. Iza no mpisolo vava an’ireo mpino? Daniela 7 : 13, 14 ; 1 Jaona 2 : 1.

« Ny lalàn’ i Tsitoha (Didy 10) no filamatra izay hisedrana ny toetra amam-panahy sy ny fiainan’ny olona eo amin’ny fitsarana . …

« …Notronin’ireo anjelin’ny lanitra ny Mpisoronabentsika raha miditra ny fitoerana masina indrindra ary ao Izy no miseho eo anatrehan’ i Raymba hanao ny ampahany farany amin’ny asa fanompoany ho an’ny olona , mba hanatanterahana ny asa fitsarana famotopotorana sy hanao fanavotana ho an’izay rehetra hita fa manan-jo handray ny tombon-tsoa momba izany.

« Hiseho amin’ny maha Mpisolo vava azy ireo i Jesosy ary handahatra ho azy eo anatrehan’ Andriamanitra. « Raha misy manota dia manana Solovava ao amin’ny Ray isika, dia Jesosy Kristy ; Ilay Marina .I Jaona 2 : 1.« Fa Kristy tsy mba niditra tao amin’izay fitoerana masina nataon-tanana, izay tandindon’ny tena fitoerana masina, fa ho any an-danitra tokoa mba hiseho eo anatrehan’ Andriamanitra ankehitriny ho antsika”.“Koa amin’izany dia mahavonjy tokoa  izay manatona an’ Andriamanitra amin’ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy”. Hebreo 9 : 24 ; 7 : 25. » Hery Mifanandrina, pp. 498, 496, 498, 499.

IREO BOKY FIRAIKETANA IZAY MIVELATRA

4. Aiza no voarakitra ireo hetsika rehetra ataon’ny olona mba hafahana mitsara azy ireo? Inona ary noho izany no ho hita amin’ny fotoanan’ny fitsarana ny olona tsirairay? Mpitoriteny 12 : 15, 16 ; Daniela 7 : 10b ; Apokalypsy 20 : 12.
 
« Ireo boky firaketana any an-danitra, izay nanoratana ny anarana sy ny asan’ny olona, no hametra ny fanapahan-kevitry ny fitsarana. Hoy ny mpaminany Daniela : « Nipetraka ny mpitsara, ary novelarina ny boky ». Ny mpanoratra ny Apokalypsy koa, raha mitantara io toe-javatra io, manampy hoe : “ ary nisy boky iray koa novelarina, dia ny bokin’ny fiainana izany ; ary ny maty dia notsaraina araka izay zavatra voasoratra teo amin’ny boky, araka ny asany . Apokalypsy 20 : 12. »Hery Mifanandrina, p. 496.

5. Amin’ny maha-bokin’ny lanitra azy, inona no tokony ho antony hahafaly ny olona? Lioka 10 : 20 ; Daniela 12 : 1. Ny anaran’iza no tsy ho voasoratra ao anatin’io boky io? Apokalypsy 13 : 3, 8.
 
« Ny bokin’ny fiainana no misy ny anaran’izay rehetra efa nirotsaka hanompo an’ Andriamanitra. Hoy Jesosy tamin’ny mpianany hoe :“mifalia, satria voasoratra any an-danitra ny anaranareo. Lioka 10 : 20. Milaza ny amin’ireo mpiara-miasa aminy mahatoky i Paoly « izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana  ny anarany. Daniela raha nibanjina ny andro fahoriana, “ izay tsy nisy tahaka azy hatrizay”,dia nanambara “ fa ho afaka” ny firenen’ Andriamanitra, “ dia izay rehetra hita voasoratra ao amin’ny boky”. Ny mpanoratra ny Apokalypsy dia nilaza fa “ izay manana ny anarany voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainan’ny Zanak’ondry” ihany no hiditra ao amin’ny tanànan’ Andriamanitra. Daniela 12 : 1 ; Apokalypsy 21 : 27.» Hery Mifanandrina, p. 496, 497.

6. Inona no voasoratra ao anatin’ny bokin’ny fitadidiana? Malakia 3: 16; Nehemia 13: 14. Ambonin’izany, inona ihany koa no boky firaiketana hita any amin’ny fitsaran’Andriamanitra ? Isaia 65 : 6, 7 ; 1 Korintiana 4 : 5.

«Misy boky ho « fahatsirovana » soratana eo anatrehan’ Andriamanitra, izay iraketana ny asa tsara ataon’izay « matahotra an’ i Jehovah sy mihevitra ny anarany ».Malakia 3 : 16 Ny tenim-pinoana nolazainy, ny asam-pitiavana nataony, dia voarakitra any an-danitra. Nilaza ny amin’izay Nehemia raha niteny : « Tsarovy aho noho izany, ry Andriamanitra ô, ka aza kosehina ny soa nataoko tao amin’ny tranon’ Andriamanitro » Nehemia 13 : 14. Ao amin’ny boky fitadidian’ Andriamanitra no itehirizana ho mandrakizay ny asam-pahamarinana rehetra. Voatantara amim-pahatokiana ny fakam-panahy rehetra notoherina, ny ratsy rehetra noresena, ny teny mitory fitiavana sy fangorahana rehetra natao. Voarakitra ao koa ny fandavan-tena rehetra, ny fahoriana sy alahelo rehetra niaretana noho ny amin’ I Kristy. 

« Misy koa firaketana ny fahotan’ny olona.“Fa ny atao rehetra dia hoentin’Andriamanitra ho eo amin’ny fitsarana ny zava-miafina rehetra, na soa, na ratsy”Mpitoriteny 12 : 14. Hampamoahana amin’ny andro fitsarana noho ny amin’ny teny foana rehetra izay ataony. Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao. Hoy ny Mpamonjy.Mpitoriteny 12: 36, 37.  Ny fikasana sy ny antony miafina manosika antsika dia hiseho ao amin’ny boky tsy misy diso ; fa «  Andriamanitra no hampiharihary ny zavatra rehetra takona ao amin’ny maizina ka hampiseho ny fikasan’ny fo I Korintiana 4 : 5. »Hery Mifanandrina, p. 497.

NY FAMARANANA NY ASAN’ILAY MPANELANELANA

7. Inona no ho azon’i Jesosy amin’ny faran’ny asa fanelanelanana lehibe ataony ao amin’ny fitoerana masina? Daniela 7 : 13, 14 ; Lioka 1 : 32, 33.

« … Araka ny voalazan’ ny mpaminany Daniela dia Kristy no handray «  fanapahana sy voninahitra ary fanjakana » avy amin’ny fahagola any an-danitra ; handray an’i Jerosalema Vaovao, renivohitry ny fanjakany Izy « voaomana tahaka ny ampakarina efa mihaingo hihaona amin’ny vadiny » Daniela 7 :14. Rehefa avy nandray ny fanjakany Izy, dia ho avy amin’ny voninahitra, Mpanjakan’ny mpankaja sy Tompon’ny tompo hanavotra ny vahoakany, izay « hiara-mipetraka hihinana amin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba »,handray anjara amin’ny fanasana fampakaram-badin’ny Zanak’ondry  Matio 8 : 11 ; Lioka 22 : 30

« … Manatona ny fahagola any an-danitra Izy mba handray ny fanapahana sy ny voninahitra ary ny fanjakana izay hatolotra Azy amin’ny fiafaran’ny asany amin’ny maha-mpanelanelana Azy … »Hery Mifanandrina, pp. 441, 496.

Mba ho saintsainina lalina

Apokalypsy 14 : 6, 7 ; Malakia : 3 : 2-4 ; Salamo 56 : 8.



Ireo izay « nisaina ho mendrika » ao amin’ny fitsarana dia hanana anjara amin’ny fitsaganan’ny marina. Hoy Jesosy : «  Fa izay atao mendrika hahazo izany fiainana izany sy ny fitsanganana amin’ny maty, . . . mitovy amin’ny anjely sady Zanak’ Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganana amin’ny maty » Lioka 20 : 35, 36. Ary ambarany koa fa « izay manao ny tsara dia ho any amin’ny fitsanganana ho fiainana ».“ Ny maty tsara fanahy dia tsy hitsangana raha tsy any aorian’ny fitsarana izay nanisana azy ho mendrika “ny fitsanganana ho fiainana”.  Noho izany dia tsy hanatrika mivantana eo amin’ny fitsarana izy rehefa hodinihina ny tatitra ary hotapahina ny momba azy ireo.

«… Ny filazana hoe : « tonga ny andro fitsarana », dia manondro ny fizarana famaranana ny asa famonjena ataon’i Kristy ho an’ny olona. Manambara fahamarinana izay tsy maintsy hotorina izany mandra-pijanon’ny fanalalanana ataon’ny Mpamonjy ka hiverenany eto an-tany handray ny vahoakany ho any Aminy… »Hery Mifanandrina, pp. 498, 449.

1 commentaire: