Rehefa mivoaka miala ao amin’ny efitra masina
indrindra Jesosy , ary hametraka an’ireo fitafiany maha mpisorona Azy , mba
handraisany ny famaliana ho akanjo hitafiany , dia hifarana eo ilay asa
fifonana ataony ho an’ny mpanota . Rehefa izany dia hanakoako ity
fampitandremana manaraka ity manao hoe : “ Izay manao ny tsy marina , aoka
mbola hanao ny tsy marina ihany izy , ary izay maloto , aoka mbola hihaloto
ihany izy , ary izay marina kosa , aoka mbola hanao ny marina ihany izy , ary
izay masina , aoka mbola hihamasina ihany izy . Indro avy faingana Aho , ary
eto amiko ny famaliako , mba hamaliako ny olona rehetra araka ny asany ” . Témoignages pour
l’Eglige vol 1 p 323
Vita ny
fametahana tombo-kase eo amin’ireo mpanompon’ Andriamanitra
1 .- Inona no hiseho rehefa vita ny iraka nampanaovina
an’ilay anjely mpametaka tombo-kase ? Ezekiela 9 : 11 ; Apokalypsy 21 : 6 .
Inona ary no hambaran’i Jesosy rehefa izany ? Apokalypsy 22 : 11
Izaho dia nahita anjely maro
nihazakazaka etsy sy eroa tao an-danitra . Ny anankiray tamin’izy ireo , izay
nitondra fitoeram-panoratana iray rehefa niverina avy teto ambonin’ny tany ,
dia nanao tatitra tamin’i Jesosy ka nilaza fa efa vita ny asa nataony , ny
amin’ny hoe ireo olona masina dia efa
voaisa sy efa voapetaka tombokase . Rehefa fafaka izany , dia hitako ny
Mpamonjy , izay nanao ny rahara-hany teo anoloan’ny fiara izay misy ny didy
folo , nanipy teo amin’ny tany ilay fandoroana ditin-kazo manitra teo an-tànany
, ary niteny tamin’ny feo mafy nanao hoe : “vita”. Rehefa izany , ireo andian-tafiky ny anjely dia samy
nametraka ny satro-boninahitr’izy ireo avy . Tamin’izay no nanaovan’i Jesosy
an’izao fanam-barana manaraka izao manao hoe : “ Aoka izay tsy marina dia mbola
hanao ny tsy marina ihany , aoka izay maloto dia mbola handoto ny tenany ihany
, aoka izay marina dia mbola hanao ny
marina ihany , ary izay masina dia mbola hanamasina ny tenany ihany . Premiers
ecrits pp 279 , 280
2 .-Inona no homena ho an’i Jesosy Kristy rehefa mifarana ny
androm-pahasoa-vana ? Daniela 7 : 14 ; Lioka 1 : 32-33 ; Apokalypsy 11 : 15
Ny anjaran’ny tsirairay dia efa
tapaka , na ho amin’ny fiainana , na ho amin’ny
fahafatesana . Nandritra ny fotoana nanaovan’i Jesosy ny raharahany tao
amin’ny fitoerana masina , dia notanterahina ny fitsarana ireo olona marina
izay efa maty , rehefa avy teo ny fitsarana an’ireo olona marina mbola velona .
Kristy dia nandray ny fanjakany , satria efa nahavita ny fanavotana ho an’ny
vahoakany sy nikosoka ny fahotan’io vahoakany io . Ireo olona izay ao anatin’ny
fanjakany dia efa voaisa . Tanteraka ny fampakaram-badin’ny Zanak’ondry . Ny
halehibe sy ny fanapahana ananan’ireo fanjakana izay eto ambanin’ny lanitra dia nomena ho an’i Jesosy sy ho
an’ireo izay tsy maintsy handova ny famonjena . Jesosy dia efa hanjaka amin’ny
maha Mpanjakan’ny Mpanjaka , sy Tompon’ny Tompo Azy . Premiers Ecrits p 280
Ary indro nisy toy ny zanak’olona avy
tamin’ny rahon’ny lanitra , ary nankeo amin’ny Fahagola Izy , dia nampanakekeny
teo anantrehany . Ary nomena fanapahana sy voninahitra ary fanjakana Izy , mba
hanompoan’ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samihafa fiteny rehetra Azy :
Ny fanapahany dia fanapahana mandrakizay ka tsy ho tapaka , ary ny fanjakany
tsy ho rava , Daniela 7 : 13-14 . Hery Mifanadrina pp 495 , 496
Ireo fahotana dia hapetraka eo amin’i satana
3 .- Teo amin’ilay fombam-pivavahana taloha , inona no niseho raha
vantany vao voadio ny fitoerana Masina ? Hapetraka amin’iza ny fahotan’ireo olona
marina rehefa ny Mpamonjy manapitra ny asa fifonana ataony ? Levitikosy 16 : 10
, 20-22
Rehefa nesorin’ny mpisoronabe tsy ho eo
amin’ny fitoerana masina ny faho-tana , noho ny ran’ny fanatitra noho ny ota ,
dia napetrany teo amin’ny osilahy ho an’i Azazela ireo fahotana ireo . Rehefa
hesorin’i Kristy ny fahotan’ny vahoakany tsy ho eo amin’ny fitoerana masina any
an-danitra amin’ny fihafaran’ny fanom-poam-pivavahana ataon’ny tenany , noho ny
rany , dia hapetrany eo amin’i satana ireo fahotana ireo , satria izy no tsy
maintsy mitondra ny famaizana farany , amin’ ny fampiharana ny didim-pitsarana
. Nalefa tany amin’ny tany tsy nisy olona ny osilahy ho an’i Azazela mba tsy
hiverina intsony tao amin’ny fiangonan’ny Israely . Toy izany koa , horoahina
mandrakizay tsy ho eo anantrehan’Andriamanitra sy ny vahoakany i satana , ka
hofongorana tsy hisy intsony izy amin’ny fandevonana farany ny fahotana sy ny
mpanota . -Hery Mifanandrina p 436
Mandritra ny vanimpotoana
mampahatahotra , izay nanomboka tamin’ny fotoana namaranan’i Jesosy an’ilay asa
fanelanelanana ataony , ireo olona masina dia tsy nanana mpanelanelana teo
anantrehan’Andriamanitra intsony . Ny anjaran’ny tsirairay dia efa tapaka
. -Premiers Ecrits P 280
Ny fipetrak’ireo mpankahala fivavahana
4 .-Eo amin’ny fiafaran’ny androm-pahasoavana , inona no fanandramam-piainana
handalovan’ireo mpankahala fivavahana ? Apokalypsy 16 : 1
Rehefa Jesosy nivoaka niala tao
amin’ny efitra masina indrindra , izaho dia nahare an’ireo lakolosy eo amin’ny
akanjony naneno , ary nisy rahona maizina nanarona an’ireo mponina teto
ambonin’ny tany . Rehefa izany , dia tsy nisy intsony mpanelanelana teo amin’ny
olombelona meloka sy Andriamanitra , izay voatsiratsira . Teo amin’ny fotoana
izay mbola nijoroan’i Jesosy nanelanelana teo anantrehan’Andriamanitra ho an’ny
mpanota , dia nisy fanantenana teo amin’ny vahoaka , kanefa kosa , rehefa tsy teo
intsony Jesosy sy ny Ray , dia niala ny fanantenany , ary ireo rehetra izay tsy
nibebaka dia teo ambany fitarihan’i
satana avokoa . Zavatra tsy mety hisy mihintsy ny firotsahan’ireo loza raha
mbola nanao an’ilay raharahany tao amin’ny efitra masina indrindra Jesosy .
Kanefa rehefa vita ny asany , ary tapitra ny fanelanelanana nataony , dia tsy
misy intsony na inona na inona afaka hampijanona ny fahatezeran’Andriamanitra .
Io fahatezerany io dia nihatra tamin’ny mpanota izay nanao tsinontsinona ny
famonjena sady nanao ny fananarany ho fihomehezana . Premiers Ecrits P 280
5.- Eo amin’io fipetraka mahatsiravina io , inona no ho tadiavin’ireo
tsy nibebaka sy hirian’izy ireo Fatratra ? Amosa 8 :11-12
Ireo izay nanao tsinontsinona ny
tenin’Andriamanitra dia nihazakazaka tetsy sy teroa , avy any avaratra ka
nianantsimo , avy any antsinanana miankandrefana , mba hitady ny
tenin’Andriamanitra . Ilay anjely dia
niteny tamiko nanao hoe : “Izy ireo dia tsy hahita intsony ny
tenin’Andriamanitra”. Misy mosary eo amin’ny firenena , tsy hoe mosary noho ny
tsy fisian-kanina sy rano , fa mosary ny amin’ny faniriana ny tenin’Andriamanitra . Inona izao no tsy
homen’izy ireo amin’izay fotoana izay
mba hividianana ny fahenoana ny teny anankiray fankasitrahana avy
amin’ny Tompo ? Kanefa moa efa diso aoriana loatra izany , izy ireo dia tsy
maintsy mijaly noana sy mangetaheta . Ary tsy mitsahatra manao tsinontsinona
isan’andro ny famonjena , sady manome lanja ambony kokoa ho an’ireo harenan’ny
tany sy ny fahafinaretana eo aminy , mihoatra noho ireo rakitra soan’ny lanira
sy ireo teny fampanantenana avy any an-danitra . Ary nitsipaka an’i Jesosy sy
nanao tsinontsinona an’ireo olony masina . Izy ireo dia maloto , ary mbola
hitoetra ho maloto ihany . Premiers Ecrits pp 281 , 282
6.- Rehefa izany , inona no ho heno eo amin’ireo izay mitsipaka ny
fahasoavan’ Andriamanitra ? Lioka 6 : 25
Olona ratsy fanahy maro tokoa no ho
lasa adalan’ny haromotana rehefa mijaly iharan’ireo loza . Izany dia
fisehoan-tebiteby tena mahatsiravina tokoa . Ny Ray aman-dReny dia miampanga ny
zanany , ary ireo zanaka dia miampanga ny Ray aman-dReniny , ireo anadahy
miampanga ny anabavin’izy ireo , ary ireo anabavy miampanga ny anadahiny . Teo
amin’ny toerana rehetra dia nisy figogogogoana sy fanomezantsiny . Ny olona dia
nitodika nankany amin’ireo pastora ka nanome tsiny mangidy azy nanao hoe :
Hianareo dia tsy mba nampitandrina anay ny amin’izany , hianareo dia tsy mba
niteny taminay fa izao tontolo izao dia tsy maintsy miova fo . Mba
hampitony ny tahotra rehetra , hianareo
dia niteny taminay tamin’ny feo mafy nanao hoe :”Fiadanana, fiadanana” .
Hianareo dia tsy mba niteny taminay mikasika an’ity ora ity . Ary nilaza
marimarina fa ireo izay nanambara mikasika an’ity ora ity dia nolazaina fa
olona mirehi-drehitra foana tsy amin’ny antony , olona ratsy fanahy izay hanary
anay . Hitako fa ireo pastora dia tsy afa-nandositra ny
fahatezeran’Andriamanitra : Ireo dia tsy
maintsy nijaly impolo mihoatra noho ireo olona izay nofitahany . Premiers Ecrits p 282
7.- Ao amin’ny fitiavany lehibe , inona no fanirian’ny Tompontsika ? II
Petera 3 : 9 ; Apokalypsy 3 : 20-21 . Noho izany ,inona no antso ataony ho
an’ny olona rehetra mba hiaraka handova ny fiainana mandrakizay miaraka Aminy ?
Matio 11 : 28-30
Fa ankehitriny izao ny fahasoavana
dia mbola atolotra ho an’ny mpanota . Lazao aminy hoe : “Raha velona koa Aho , hoy Jehovah Tompo , dia tsy sitrako ny
hahafatesan’ny ratsy fanahy , fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny làlany , mba
ho velona izy . Mialà , mialà amin’ny làlan-dratsinareo , fa nahoana moa no te
ho faty hianareo , ry taranak’Israely ? Ezekiela 33 : 11 .
Ny feo izay miteny amin’ny mpanota anio , dia io ihany no ho feon’Ilay
anankiray izay tao anatin’ny tebiteby fahiny , raha nihevitra an’ilay
renivohitra malala indrindra Izy , ary niteny tamin’ny feo mahery nanao hoe :
“Ry Jerosalema , ry Jerosalema , izay mamono ny mpaminany sy mitora-bato izay
nirahina any aminao , impiry Aho no ta-hanangona ny zanakao tahaka ny
fanomban’ny akoho ny zanany ao ambanin’ny elany , fa tsy nety hianareo . Indro
, avela ho anareo ny tranonareo ! Ary lazaiko aminareo : Tsy hahita Ahy intsony
hianareo mandra-pilazanareo hoe : Isaorana anie Izay avy amin’ny anaran’i
Jehovah . Ao amin’io jerosalema io , Jesosy dia mahita sary maneho an’izao
tontolo izao , izay nitsipaka sy nanao tsinontsinona ny fahasoavany . Ho
antsika izay manana fo maditra , no nandatsahan’i Jesosy ny ranomasony . Tamin’ny
fotoana izay nitoamaniany ny amin’i Jerosalema , dia mbola afaka nibebaka io
tanàna io ka afa-nandositra ireo fahoriana sy loza najo azy . Nandritra ny
fotoana fohy , Ilay zanak’Andriamanitra dia niandry an’i Jerosalema mba handray
Azy . Jesosy
dia mbola manolotra ho antsika ny antsom-pitiavany . Une Vie Meilleure pp 171 , 172
Mba ho saintsainina lalina
Matio 13 : 24-30 , 47-50 ; Matio
25 : 31-46 .
Ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka
ny harato tarihina , izay nalatsaka tamin’ny ranomasina ka nahavory ny samihafa
karazana rehetra : ary rehefa feno izany , dia notarihiny ho eny an-tanety ,
dia nipetraka ny olona ka nifantina ny tsara hataony an-karona , fa ny ratsy
nariany . Dia tahaka izany no hatao amin’ny fihafaran’izao tontolo izao…Ny
fitoriana ny filazantsara no aseho an’ohatra amin’ny fandatsahana ny harato .
Samy raisiny avokoa ao amin’ny fiangonana na ny tsara na ny ratsy . Rehefa vita
ny asan’ny filazan-tsara , dia hahatanteraka ny asa fampisarahana ny fitsarana
… Henoinareo
ny Fanoharana p 97
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire