mercredi 30 juillet 2014

NY FITSARANA IREO MPANKAHALA FAHAMARINANA MANDRITRA NY ARIVO TAONA



               Aza mitsara na inona inona alohan’ny fotoana , dia ny fiavian’ny Tompo ; izay hampiharihary ny zavatra takona ao amin’ny maizina ka hampiseho ny fikasan’ny fo . I Korintiana 4 : 15 . Lazain’i Daniela fa rehefa tonga ny fahagola dia homena rariny ny olo-masin’ny avo indrindra Daniel 7 : 22 . Amin’io fotoana io dia hanjaka sy ho mpisoron’Andriamanitra ny marina . Hoy i Jaona ao amin’ny Apokalypsy hoe : “Ary nahita ny seza fiandrianana maro aho , ary nisy nipetraka teo amboniny , ary nomena fahefana hitsara izy . Ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka aminy arivo taona”  Apokalypsy 20 : 4-6 . Amin’io fotoana io araka ny nambaran’i Paoly mialoha , dia hitsara izao tonolo izao ny olona masina . I Korintiana 6 : 2  . Hery Mifanandrina pp 686 , 687

Voafatotra mandritra ny arivo taona 

1 .-Eo ampijerevana ny lasa sy ny ho avy , inona no nosoratan’ny mpaminany anankiroa mikasika an’i Losifera ? Isaia 14 : 12-14 ; Apokalypsy 20 : 1-3 .

             Raha nitazana mialoha ny fotoana haharesen’i satana ny mpaminany Isaia , dia nanao hoe : “ Endrey latsaka avy tany an-danitra ianao ry ilay fitarik’andro , zanaky ny maraina ; voakapa hianjera amin’ny tany ianao , ry ilay mpandripaka firenena … ! Ary ianao efa nanao anankapo    hoe : Any an-danitra no hiakarako ary ambonin’ny kintan’Andriamanitra no hanandratako ny seza fiandrianako … ho tahaka ny Avo Indrindra aho .  Kanjo hampidinina hatrany amin’ny fiainan-tsy hita ho any am-para-vodilavaka ianao . Izay mahita anao hibanjina anao sy hihevitra anao hoe :  Moa io va ilay lehilahy nampihorohoro ny tany sy nampihozongozona ny fanjakana ; ary nanao izao tontolo ho efitra sy nandrava ny tanànany ary  tsy nandefa ny mpifatotra hody ?  Hery Mifanandrina p 685 ,                                                                                                            
              Lazain’ny mpanoratra ny Apokalypsy mialoha ny amin’ny fandroahana an’i Satana sy  ny fikorontanana ary ny fandravana ny tany , ka ambarany fa haharitra arivo taona izany toe-javatra izany . Rehefa avy nitantara izay hiseho amin’ny fiavian’ny Tompo fanindroany sy ny fandringanana ny ratsy fanahy ny faminaniana , dia manohy ny fanambarany amin’ny hoe : Ary hitako fa indro nisy anjely nidina avy tany an-danitra , nanana ny fanalahidin’ny lavaka tsy hita noanoa sy gadra lehibe eny an-tànany , dia nisambotra an’ilay dragona izy ka namatotra azy arivo taona … Hery Mifanandrina p 684 .

Fitsarana an’ireo mpankahala fivavahana

2 .- Inona no lazain’ny Baiboly mikasika ny fitsarana an’ireo mpankahala fivavahana ? Iza no handray anjara amin’io fitsarana io ? Apokalypsy 20 : 4 ; I Korintiana 6 : 2 .

  
              Mandritra ny arivo taona manelanelana ny fitsanganana voalohany sy faharoa no hanaovana ny fitsarana ny ratsy fanahy . Manondro io fitsara io ho toy ny toe-javatra manaraka ny fiavian’i Kristy fanindroany ny apostoly Paoly … Lazain’i Daniela fa rehefa tonga ny Fahagola dia homena rariny ny olo-masin’ny Avo Indri-ndra Daniel 7 : 22 . Amin’io fotoana io dia hanjaka sy ho mpisoron’ Andriamanitra ny marina . Hoy i Jaona ao amin’ny Apokalypsy hoe : “Ary nahita ny seza fiandria-nana maro aho , ary nisy nipetraka teo amboniny , ary nomena fahefana hitsara Izy . Ho mpisoron’Andriamanitra sy Kristy ireo ka hiara-manjaka Aminy arivo taona” Apokalypsy 20 : 4 , 6 . Amin’io fotoana io , araka ny nambaran’i Paoly mialoha , dia hitsara izao tontolo izao ny olona masina , I Korintianina 6 : 3 . Miaraka amin’i kristy izy mitsara ny ratsy  fanahy , ka hampitaha ny asa nataony amin’ny bokin’ny fitsipika , dia ny Baiboly , ary nanao fanam-pahankevitra momba ny tsirairay , araka ny zavatra nataon’ny teneny avy . Avy eo dia tapahina ny anjara tsy maintsy hozakain’ny ratsy fanahy araka ny asany avy , ary soratana manandrify ny anarany ao amin’ny bokin’ny fahafatesana izany .  Hery Mifanandrina pp 686 , 687

3 .-Iza no miandraikitra an’io fitsarana io ? II Timoty 4 : 1 ; Jaona 5 : 22
 
               Rehefa afaka izany dia nahita seza fiandrianana maro izay nipetrahan’i Jesosy sy ireo olona navotany aho ; satria izy ireo dia hanjaka toy ny mpanjaka sy ny mpisorona , nitambatra tamin’ny vahoakany , dia nitsara an’ireo ratsy fanahy izay efa maty , nandinika ny nataon’ireo ratsy fanahy ireo araka izay ao anatin’ny bokin’ny lalàna , dia ny tenin’Andriamanitra , ka nanapaka ny momba ny tsirairay araka izay  zavatra nataony tamin’ny fahavelony . Rehefa vita izany , ireo olona voavotra miaraka amin’i Jesosy dia mametra ny halavam-potoana izay tsy maintsy hijalian’ireo ratsy fany ireo , arakaraka ny asa nataony . Izany rehetra izany dia voasoratra ao anatin’ny bokin’ny fahafatesana . Premiers Ecrits p 290

 Fitsarana an’i Satana sy ireo anjeliny

4 .-Iza ihany koa no ho tsaraina eo amin’io fitsarana io ? Nahoana moa i satana no handray ny didim-pitsarana izay tena mavesatra indrindra ?  I Korintiana 6 : 3 ; II Petera 2 : 4 ; Joda and 6
 
                Satana sy ny anjeliny koa dia tsarain’i Kristy sy ny vahoakany . Hopy i Paoly ; “ Tsy fantatrareo va fa hitsara anjely isika ”. Ary i Joda nilaza fa : “ Ireo anjely izay tsy nitana ny anjara fanapahany , fa nandao ny fonenany , dia voahazony amin’ny fatorana mandrakizay ao amin’ny maizina ho amin’ny andro fitsarana lehibe ”Joda and 6 . Hery Mifanandrina p 687
              Satana sy ireo anjeliny ihany koa  dia notsarain’i Jesosy sy ireo olona voavotra . Ny sazy ahatra amin’i Satana dia tsy maintsy mafimafy kokoa mihoatra noho ny sazy ahatra amin’ireo olona izay nofitahany . Tsy misy fampitahana azo atao amin’ireo fijaliana andalovan’i Satana sy ny fijalian’ireo olona ratsy fanahy nofitahany . Rehefa levona ireo olona rehetra voafitany , Satana dia tsy maintsy mbola ho velon-dratsy afa-baraka mandritra ny fotoana elaela kokoa .                                          Premiers Ecrits pp 290 , 291

Aorian’ny arivo taona

5 .-Inona ireo tranganjavatra izay manarakaraka ny fiafaran’ilay arivo taona any an-danitra ?  Ahoana no fomba anamboaran’i Jesosy ny toerana ho an’ilay tanàna masina eto ambonin’ny tany ? Apokalypsy 21 : 22 ; Zakaria 14 : 4
 
               Amin’ny fiafaran’ny arivo taona , dia hiverina indray eto an-tany i Kristy . Otronin’ny tafiky ny voavotra Izy ary arahin’ny anjely … Midina eo amin’ny tendrombohitra Oliva i Krisy , izay toerana niakarany taorian’ny nitsanganany tamin’ny maty , sy namerenan’ireo anjely ny teny fikasana momba ny fiverenany koa . Hoy ny mpaminany : “ Ary ho avy Jehovah Andriamanitro mbamin’ny masiny rehetra momba Azy ”. “ Ary amin’izany andro izany , ny tongony hijoro eo an-Tendrombohitra Oliva hitresaka eo afovoany … ka hisy lohasaha lehibe ”. “ Ary Jehovaha ho Mpanjakan’ny tany rehetra : amin’izany andro izany dia ho iray no Jehovah : sady iray no anarany ” Zakaria 14 : 5 , 4 , 9 . Rehefa midina avy any an-danitra Jerosalema vaovao izay sady kanto no mamirapiratra , dia hipetraka eo amin’ny toerana efa nodiovina sady voaomana handray azy , ka hiditra ao amin’ny Tanàna Masina i Kristy miaraka amin’ny vahoakany sy ny anjeliny .  Hery Mifanandrina pp 689 , 690

6 .-Iza no hatsangana amin’ny maty eo amin’ny fitsanganana faharoa ? Inona no maha samihafa ny fitsanganana voalohany sy faharoa ? Apokalypsy 20 : 5a , 6 ; Jaona 5 : 28-29 .
             
 Amin’ny fiafaran’ny arivo taona no hisy ny fitsanganana faharoa . Amin’izany dia hitsangana amin’ny maty ny ratsy fanahy ka hiseho eo anantrehan’Andriamanitra ho fanatanterahana ny didim-pitsarana voasoratra . Toy izao no lazain’ny mpanoratra ny Apokalypsy , rehefa avy nitantara ny fitsanaganan’ny tsara fanahy izy : “ Fa ny sisa amin’ny maty dia tsy mbola ho velona mandra-paha tapitry ny arivo taona” Apokalypsy 20 : 5 . Ary hoy Isaia amin’ny ratsy fanahy : “ Dia hangonina ao andavaka tahaka ny mpifatotra ireny ka hohidiana ao an-tranomaizina , ary rehefa afaka andro maro dia ho vangiana ihany izy ”. Isaia 24 : 22 . Hery Mifanandrina p 687
             Rehefa izany , Jesosy nampiseho fiandrianana mahagaga , dia niantso an’ireo maty mba hivoaka hiala avy ao anatin’ny fasana . Izy ireo dia nivoaka avy tao niaraka tamin’ny vatany osa , farofy , izay nidina tao anatin’ny lavaka . Endrey , zavatra maha te hijery loatra izany . Eo amin’ny fitsanganana amin’ny maty voalohany , ireo olona voavotra dia hifoha aoanatin’ilay vonikazon’ny tsy fahafatesana . Fa kosa eo amin’ny fitsanganana amin’ny maty faharoa ,ireo ratsy fanahy dia mitondra an’ireo marika hita mason’ny ozona . Ireo ngezalahy eto amin’izao tontolo izao , ireo mpanjaka , ireo malemy sy matanjaka , ireo manampahaizana sy ny ireo tsy manam-pahalalana , ireo rehetra ireo dia miara-mitsangana.  Premiers Ecrits p 292 .

Ny faniriantsika dia ny hitsangana  amin’ny maty eo amin’ny fitsanganana  voalohany


7 .-Ao amin’ny teniny , inona no lazain’Andriamanitra amin’ireo izay maniry ny hitsangana eo amin’ny fitsanganana amin’ny maty voalohany ? I Jaona 5 : 11-12 ; II Petera 3 : 9 , 11 , 13-14 .
               Isika rehetra , amin’ny maha zava-boahary notahian’Andriamanitra antsika , izay afaka mamotopototra tsara , manana saina sy fahalalana ary fahaizana mitsara zavatra , dia tsy maintsy mahafantatra ny andraikintsika eo anantrehan’ Andriamanitra . Ny fiainana izay nomeny antsika dia andraikitra masina , ka tsy misy mihintsy fotoana na dia iray aza izay ahazoantsika alàlana manao antsirambina an’io fiainantsika io , satria isika dia tsy maintsy hijoro manatrika an’Adriamanitra eo anantrehan’ireo bokin’ny lanitra . Ao anatin’ireo bokin’Andriamanitra , ny fiainantsika dia voaseho amim-pitandremana fatratra mitovy amin’ny sary apetraky ny mpaka sary eo amin’ny takela-barahana . Isika dia ho tompon’andraikitra ny amin’ny zavatra izay nataontsika , ary tsy izany fotsiny ihany , fa hazonina ho tompon’ andraikitra ny amin’ny fanaovana antsirambina ka tsy nanao ny zavatra izay tokony ho natao . Isika dia tsy maintsy ampamoahana ny amin’ireo toetrantsika izay tsy nohatsaraintsika , sy ireo zavatra fananaraotra izay tsy noraisintsika .                                                             RH  22 / 9 / 1891  Commentaires Bibliques p 415 
                                                           
Mba ho saintsainina lalina 

 Joda and 14-15 ; I Petera 4 : 18-19  ;Salamo 37 : 9 ; Apokalypsy 5 : 11-13
               Ny rehetra dia mahita an’Ilay Zanak’Olona , ary ireo olona noforoniny mihintsy , izay nanao tsinontsinona Azy ho fimehezana , nametaka satro-boninahitra tsilo teo amin’ny handriny masina , ary nikapoka Azy tamin’ny volotara , dia mahita Azy ao anatin’ilay  fiandrianany amin’ny maha Mpanjaka Azy . Ireo izay nandrora teo amin’ny tarehiny tamin’ilay fotoana nijaliany , no indro ankehitriny fa mitodika mba hiala amin’ilay fijeriny manatrika sy mahery , ary ny famirapiratry ny tavany . Ireo izay namatsika ny tànany sy ny tongony , dia mahita  an’ireo  holatra vokatry ny nanomboana Azy teo amin’ny hazo fijaliana . Mahita Azy tahaka izany ihany koa ireo izay nandefona ny lanivoany. Premiers Ecrits p 292

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire