jeudi 3 juillet 2014

NY FAHAMARINAN'I KRISTY



« Ary isika efa mahalala sy mino ny fitiavan'Andriamanitra antsika. Andriamanitra dia fitiavana; ary izay mitoetra amin'ny fitiavana no mitoetra ao amin'Andriamanitra, ary Andriamanitra ao aminy. 1 Jaona 4 : 16 ; ... fa marina ny didinao rehetra. Salamo 119 : 172 ; ... koa dia ny fitiavana no fahatanterahana ny lalàna. Romana 13 : 10 ; Ny fahamarinana dia fitiavana, ary ny fitiavana no maneho ny toetran’Andriamanitra sy ny fiainany mihitsy. Ny fahamarinan’Andriamanitra dia nasehony tamin’ny alalan’i Jesosy : ka amin’ny fandraisana Azy no hahazoantsika fanamarinana.”»Une vie meilleure, pp. 30, 31

NY TOETOETRAN’NY LALAN’ANDRIAMANITRA
 1. Inona ireo toetoetra sasantsasany izay tena manan-danja amin’ny lalàn’Andriamanitra ? Salamo 19: 8, 9; Romana 7: 12. Hatraiza ny fampiharana ireo fitsipika ireo? Matio 5: 28; Romana 7: 7b
 
«Ny lalàn’Andriamanitra toy izay voambara ao amin’ny Soratra Masina, dia manana fepetra lehibe. Ny fitsipika rehetra ao amin’izany dia masina, marina ary tsara. Mametraka ny olona eo amban’ny fitsipiny ny lalàna miohatra amin’Andriamanitra; mahatratra ny saina sy ny fietseham-po izany; mamokatra faharesen-dahatra ny amin’ny fahotana ho an’ireo rehetra miaiky ny fahadisoany. Raha toa ka ny fiseho ivelany fotsiny ihany no takian’ny lalàna, dia tsy hahatsapa ny fahadisoany mikasika ireo sain-dratsiny ny olona, ireo faniriany ary ireo tanjona maha meloka azy. Fa ny lalàna dia mitaky ny fanahy ho madio sy masina, ka ny fisainana sy ny fietseham-po dia hifanaraka amin’ny fitsipim-pitiavana sy ny fahamarinana. . » – Messages choisis, vol. 1, p. 248.

2. Inona ihany koa ireo toetra hafa lehibe ananan’ny lalàna ? Salamo 111 : 7, 8 ; Lioka 16 : 17.
 
«Ankehitriny Andriamanitra dia mitaky tahaka izay notakiany tamin’i Adama tao Edena : fankatoavana tanteraka ny lalàn’Andriamanitra. Tsy maintsy manana fahitsiana tsy misy tsiny ary tsy misy pentina isika. Nanomana ny Zanany Andriamanitra mba ho faty ho an’izao tontolo izao, fa Izy tsy maty mba hanova ny lalàna izay masina, marina sy tsara. Ny sorona nataon’I Kristy teo Kalvàry dia fanehoana tsy azo lavina ny amin’ny tsy fiovaovan’ny lalàna. Nihatra tamin’ny Zanak’Andriamanitra ny fahoriana ho famonjena ny olona meloka, amin’ny alalan’ny fahamendrehan’I Kristy, ilay mpanota mino dia hahazo ny fahamarinany tsy misy tsiny » – La foi et les oeuvres, p. 89.

«Ny nangatahan’Andriamanitra tamin’i Adama mialohan’ny fahalavoany dia ny fankatoavana tanteraka ny lalàny. Toy izay notakian’Andriamanitra tamin’i Adama; ankehitriny Izy dia mitaky fankatoavana tanteraka, fahamarianana tsy misy tsiny, tsy misy fahadisoana eo anatrehany.  Andriamanitra anie hanampy antsika hahatanteraka izay rehetra takian’ny lalàna amintsika.Tsy ho tonga amin’izany isika raha tsy amin’ny finoana izay mifanaraka isan’ando isan’andro amin’ny fahamarinan’I Kristy »– Messages choisis, vol. 2, p. 437.

NANKATOA TANTERAKA NY LALANA JESOSY KRISTY

3. Iza no nahavita nanaja tanteraka ny fahamarinan’ny lalàna, ka nankatoa hatramin’ny fahafatesana aza? Matio 5 : 17 ; Filipiana 2 : 8.
 
« Mitaky fahamarinana ny lalàna: fiainana marina, toetra amam-panahy tanteraka ; ary tsy manankomena ny amin’izany ny olona . Tsy afaka manome fahafaham-po ny fitakian’ny lalàn’Andriamanitra masina izy. Nefa raha tonga teto an-tany amin’ny maha olombelona Azy Kristy, dia efa nivelona tamin’ny fiainana masina , ary efa nahavanona toetra amam-panahy tanteraka . Ireo dia atolony ho fanomezana maimaimpoana ho an’izay rehetra handray Azy. Ny fiainany no mijoro ho solon’ny fiainan’ny olona. Amin’izany fomba izany dia mahazo famelana ny ota tamin’ny lasa ny olona, noho ny faharipon’Andriamanitra. Ary mihoatra noho izany, dia vontosan’i Kristy amin’ny toetran’Andriamanitra ny olona. Manorina ny toetra amam-panahin’ny olombelona Izy, hanampitoviana amin’ny toetra amam-panahin’Andriamanitra , dia sangan’asa kanto feno hery sy hatsaran-tarehy ara-panahy . Amin’izay dia tanteraka mihitsy ao amin’ny mpino an’i Kristy ny fahamarinan’ny lalàna. Azon’Andriamanitra atao ny « ho marina sy ho mpanamarina izay mino an’i Jesosy” Romana 3 : 26. » Ilay Fitiavana Mandresy, p. 822.

NY FINOANA SY NY FANOMEZAN’NY LALANA
4. Inona no vokatry ny finoana tokana tamin’ny fankatoavana tanteraka nataon’i Kristy, toy izay naseho tamin’ny maha olombelona Azy ? Matio 5 : 6 ; Romana 3 : 21, 22 ; Filipiana 3 : 9.
 
« Tsy azo amin’ny ady mahamay na amin’ny asa mandreraka na koa amin’ny fanomezana sy sorona maro ny fahamarinana; atolotra maimaimpoana ho an’ny fanahy izay noana sy mangetaheta izany. ] He! ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa amin'ny rano! Ary ianareo izay tsy manam-bola, avia, mividia, ka homàna! Eny, avia, mividia divay sy ronono, nefa tsy amim-bola, na amin-karena. Isaia 55 : 1; toy izany ny famonjena avy amiko hoy  Jehovah. Isaia 54 : 17. Ary ity no anarana iantsohana Azy : Jehovah fahamarinantsika.’ Jeremia 23 : 6.
«Tsy misy olombelona afaka ny hanala izany hetahetan’ny fanahy izany. Hoy  I Jesosy: « Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. » Apokalipsy 3 : 20. « Izaho no mofon'aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony. » Jaona 6 : 35. » Une vie meilleure, p. 31.

5. Oviana isika no mandray ny fanomezan’ny fahamarinany? Apokalypsy 3 : 19, 20 ; 1 Jaona 1 : 9 ; Jaona 1 : 12, 13.
 
« Rehefa ilay mpanota mibebaka no torotoro eo anatrehan’Andriamanitra, mahalala tsara ny fanavotan’I Kristy ho azy ka manaiky izany sorona izany ho ilay fanantenana tokana ho azy amin’izao fiainana izao sy ny fiainana ho avy dia voevela ireo helony.  Izany no fanamarinana amin’ny finoana. Ny fanahy mino tsirairay dia tsy maintsy mampifanaraka ny sitrapony amin’ny an’Andriamanitra ary mitoetra ao anatin’ny fibebahana sy ny alahelo ny amin’ny ota natao, sady mampihatra ny finoana amin’ny fahamendrehan’ny fanavotan’ilay Mpanavotra ka mandroso amin-kery sy amim-boninahitra hatrany hatrany. » La foi et les oeuvres, p. 105.

«Fahafatesana mahamenatra no nihatra tamin’I Kristy mba hahatonga antsika ho tafaverina indray  amin’Andriamanitra. Rehefa resy lahatra ilay fanahy iray fa Kristy dia afaka ny hamonjy tanteraka izay rehetra manatona azy, rehefa mitoky tanteraka Aminy amin’ny maha Mpamonjy ampy Azy, rehefa mifikitra amin’ny teny fikasana nomeny ka mino tanteraka an’I Jesosy dia ambaran’Andriamanitra ho miaraka amin’I Kristy izy. Ny fanahy iray izay miankina amin’I Kristy toy ny zaza amin’ny fahatsorany miankina tanteraka amin’ny Reniny dia voamarina satria izy dia lasa iray amin’ilay Mpanelanelana, izay tonga fanamarinana sy fanavotana. Toy izany ny fitiavana ka ny fo sy ny sitrapo dia tafaray miaraka amin’i Kristy . »Daughters of God, p. 185.

KRISTY ILAY HANY FANANTENANA HO ANTSIKA
 6. Noho izany, Iza no ilay hany fiarovana ho antsika? 1 Petera 1: 18, 19; Hebreo 4 : 14-16 ; 9 : 24.
 
«Ny famonjena tokana azo antoka ho an’ny Israely dia ilay rà teo amin’ny tolanam-baravarana. Hoy Andriamanitra : « ary raha mahita ny rà Aho, dia handalo anareo, » Eksodosy 12 : 13. Ireo hevitra hafa rehetra ho fiarovana dia tsy nisy nandaitra avokoa.Ny rà teo amin’ny tolanam-baravarana ihany no sakana tsy hidiran’ilay anjelin’ny fahafatesana. Amin’ny alalan ‘ny ràn’I Jesosy Kristy ihany no misy famonjena ho an’ny mpanota ; rà  izay manadio ny ota rehetra.  Ny olona manan-tsaina tia karokaroka dia afaka mitahiry fahalalana lehibe.  Afaka miditra amin’ny fikarohana teolojika, afaka ny ho lehibe sy omem-boninahitra izy ka raisina ho ilay manam-pahaizana lehibe, nefa raha tsy manana ilay fahalalana ny amin’ny famonjen’I Kristy izay voahombo ho azy sy finoana an’ilay fahamarinan’I Kristy izy dia ho very. « Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika ; sy notorotoroina noho ny helotsika ; Ny fampijaliana nahazahoantsika fihavanana no namelezana Azy ; ary ny dian-kapoka Taminy no nahasitranana antsika. » Isaia 53 : 5. Voavonjy noho ny ràn’I Jesosy Kristy. Izany no fanantenana tokana ho antsika amin’izao fotoana izao ary izany no hira hiraintsika mandritra ny mandrakizay.»Selected Messages, vol. 3, pp. 172, 173.

NY FANIRIAN’ANDRIAMANITRA HO AN’NY VAHOAKANY

7 Rehefa voavonjy ao amin’i Kristy ireo zanak’Andriamanitra, inona no fanirian’Andriamanitra ho azy ireo? 1 Koritiana 6 : 20 ; Jaona 14 : 21 ; 1 Petera 1 : 15, 16.

«Eo anatrehan’izao tontolo izao Andriamanitra dia mamolavola antsika ho toy ny epistily velona mba hahitan’ny olona fa afaka tonga toy izany ny lehilahy sy vehivavy amin’ny alalan’ny fahasoavan’I Kristy. Antsoina isika mba hiezaka ny hahatratra toetra tanteraka. Hoy Ilay Tompo avy any an-danitra hoe: « aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan’ny Rainareo izay any an-danitra. » Matio 5 : 48.  Hampijaly antsika ve I Kristy ka hitaky zavatra izay tsy ho vitantsika ? Sanatria ! sanatria ! Voninahitra manao ahoana no homeny antsika ka mandrisika antsika ho tonga masina amin’izao tontolo misy antsika izao , toa an’Andriamanitra izay masina eo amin’ny fitoerana misy Azy. Afaka manova antsika hahavita izany Izy satria hoy Izy : « Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra  any an-danitra sy ety an-tany. » Matio 28 : 18. Tomobontsoa ho antsika ny mitaky izany hery tsy manam-petra izany » That I May Know Him, p. 131.
«Na dia tsy maintsy mifanindra-dàlana amin’ny lalàn’Andriamanitra aza isika ; dia tsy ho voavonjy amin’ny asan’ny lalàn’Andriamanitra  ; kanefa isika dia tsy afaka ny ho voavonjy raha tsy mankatoa. Ny lalàna no ilay refy handrefesana ny toetra. Fa tsy ho vitantsika ny hitandrina ny didin’Andriamanitra raha tsy misy an’ilay fahasoavana manova avy amin’I Kristy. Jesosy irery ihany no afaka manadio antsika amin’ny ota rehetra. Tsy mamonjy antsika amin’ny alalan’ny lalàna Izy toy ny tsy hamonjeny antsika raha tsy mitandrina ny lalàna. »La foi et lesoeuvres, pp. 96, 97.

Mba ho saintsainina lalina
 Genesisy 15 : 5, 6 ; 36 : 10 ; Salamo 85 : 10, 11, 13 ; 119 : 142, 172.
«Ny toetran’I Kristy no ohatra tanteraka izay tsy maintsy halaintsika tahaka. Ny fibebahana sy ny finoana, ny fahafoizana ny sitrapo, ny fanolorana ny zavatra tiantsika rehetra an’Andriamanitra, izany fomba izany no ahafahantsika mahavita izany Conseils aux éducateurs, aux parents et aux étudiants, p. 43.
«Toy ny mpanao dia lavitra reraka ka mitady rano any amin’ny tany hay ary miezaka manajanona izany hetaheta mahazo azy izany ; dia toy izany ny kristiana maina ; mitady rano madion’ny fiainana ka hahita azy ao amin’I Jesosy Ilay loharano. » Une vie meilleure, p. 31.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire