dimanche 13 juillet 2014

ILAY BIBI-DIA NIAKATRA AVY TAMIN'NY RANOMASINA




« Ao amin’ny toko faha-13 andininy 1 – 10 dia misy bibidia hafa aseho “tahaka ny leopard” izay nomen’ny Dragona « ny heriny sy ny seza fiandrianany ary ny fahefana lehibe ». Io tandindona io, araka ny finoan’ny ankamaroan’ny Protestanta dia mampiseho ny fahefana papaly, izay nisolo toerana ny hery sy ny seza fiandrianana ary ny fahefana efa notanan’ny fanjakana Romana fahiny… »Hery Mifanandrina, p. 452, 453.

TOETOETRAN’ILAY BIBY

1. Tao amin’ny iray amin’ireo fahitana azony, inona no hitan’i Jaona mpaminany niakatra avy any amin’ny ranomasina? Inona avy ny toetoetra namaritra io biby io ? Apokalypsy 13 : 1, 2a ; Daniela 7 : 4-6.
 
« Tsy misy isalasalana eto ny fanehoana ny Daniela 7. Ilay bibi-dia hitan’i Daniela, ny voalohany tahaka ny Liona, ny faharoa tahaka ny Bera ary ny fahatelo tahaka ny leoparda. Ilay bibi-dia hitan’ i Jaona dia nanana toetoetra ara-batana notsongaina avy tamin’ny anakitelo. Izany dia tsy isalasalana fa manondro ny hery asehon’ilay bibi-dia ao amin’ny Apokalypsy nanana ny toetoetra mampitolagaga tao amin’ny fanjakan’i Babyloan, Persia ary Grika. » – [Ecrit par les auteurs des Commentaires] Seventh-day Adventist Bible Commentary, vol. 7, p. 817.


FANAZAVANA IREO SARY FAMANTARANA SASANTSASANY

2. Manambara inona ny « ranomasina »  izay niakaran’ilay bibidia, sy ireo diadema teo amin’ny tandrony? Apokalypsy 13 : 1 ; 17 : 15.
 
« Ny ranomasina dia maneho olona marobe, vahoaka, firenena, fiteny maro. Apokalypsy 17 : 15. Ao amin’ny Baiboly, ny bibi-dia dia maneho fanjakana iray na fahefana iray. Matetika dia mampiseho fahefana olon-tsotra fotsiny na fahefan-pivavahana miray amin’ny fahefan-panjakana. Isaky ny mahita fisehoana tampoka bibi-dia avy amin’ny ranomasina, izany dia midika fa io hery io dia mipoitra avy tamin’ny tany feno mponina marobe. Raha toa ka mitsoka amin’ny ranomasina ny rivotra tahaka ny ao Daniela 7 : 2, 3, izany dia manondro ny fihetsiketsehana ara-politika, adin’olon-tsotra sy fikomiana maro.» – Uriah Smith, L’Apocalypse, p. 101.
« Grec diadēmata,’ couronnes royales’, “diademan’ny mpanjaka” (jereo toko  12 : 3). Ireo diadema teo amin’ireo tandroka dia manamafy ny fanondroana ny tandroka ho tahaka ny hery politika. »[Ecrit par les auteurs des Commentaires] Seventhday Adventist Bible Commentary, vol. 7, p. 817.

NAHAZO HERY SY FAHEFANA ILAY BIBY

3. Iza no nanome hery, seza fiandrianana, fahefana lehibe ho an’ilay biby? Iza no asehon’io sary famantarana io? Apokalypsy 13 : 2b, 5.

Izao no voalaza momba ilay bibidia tahaka ny leoparda: « Dia nomena vava miteny zavatra mihoapampana sy fitenenan-dratsy izy . . . ary manokatra ny vavany hiteny ratsy an’ Andriamanitra izy, dia hiteny ratsy ny anarany sy ny taberanakeliny, dia ireo mitoetra any an-danitra. Ary navela hiady tamin’ny olona masina izy ka haharesy azy; ary nomena fahefana tamin’ny fokom-pirenena sy ny olona sy ny samihafa fiteny ary ny firenena rehetra izy ». Io faminaniana io, izay misy itovizana betsaka amin’ny filazana ilay tandroka kely ao amin’ny Daniela, dia tsy misy ady hevitra fa manondro ny fahefana papaly. »Hery Mifanandrina, pp. 452, 453 .
« Hery toy iza no handimby an’i Roma tsy mpino , fantantsika rehetra izany fa ny Roma papaly. Tsy zava-dehibe ho antsika amin’izao fotoana izao ny hahalala hoe rahoviana ary amin’ny fomba ahoana no ho hiseho izany fiovana izany. Ny andraikintsika dia ny mamantatra ireo rehetra ireo ary ny dingana manaraka izay zava-dehibe ho an’ny ampira Romana, tao aorian’ny endrika tsy mino, endriky ny papaly. » – Uriah Smith, L’Apocalypse, p. 102.

SITRANA TAMIN’ILAY FERY SAIKY NAHAFATY AZY

4. Inona no nahazo ny iray tamin’ireo lohany? Oviana ny fahefana papaly no nahazo an’io fery nahafaty io? Inona no nitranga rehefa sitrana io fery io ? Apokalypsy 13 : 3, 5b.
 
« … Ny roa amby efa-polo volana dia ny « fetr’andro iray sy  fetr’andro roa  ary atsasaky ny fetr’andro ihany, telo taona sy tapany, na 1260 andro ao amin’ny Daniela 7 – dia ny fe-potoana izay hampahorian’ny fahefana papaly ny vahoakan’ Andriamanitra. Io fe-potoana io, araka ny voalaza ao amin’ny toko mialoha, dia nanomboka tamin’ny fotoana nahatafakatra ny fahefana papaly ho ambony noho ny fahefana hafa tamin’ny 538 AD ka nifarana tamin’ny taona 1780. Tamin’io fotoana io dia nobaboin’ny tafika frantsay ny papa, ary tamin’izany no voan’ny ratra saiky nahafaty azy ny fahefana papaly , tanteraka ny fanambarana natao mialoha hoe  « Raha misy mamabo , dia mba hobaboina kosa izy » . Apokalypsy 13 : 10 . »Hery Mifanandrina, p. 453.
« Ho valin’ny toro-làlana sy ny didin’ i Napoléon Berthier, miaraka amin’ny tafika frantsay, niditra tao Roma, nanambara am-pahibemaso ny fifaranan’ny fitondran-panjakana politika ny papa ary nogadraina izy, ny fitondrana azy ivelan’i Frantsa, ka nahafatesany tany an-tsesin-tany. » Commentaires] Seventh-day Adventist Bible Commentary, vol. 4, p. 834.

FAHEFANA IZAY MITENY RATSY NY ANARAN’ANDRIAMANITRA
5.  Aiza no ahitana ireo fitenenan-dratsy ataon’ny bibi-dia? Apokalypsy 13 : 5, 6 ; Daniela 7 : 25 ; 2 Tesaloniana 2 : 3, 4.

« … kanefa ny teny hoe: « fitenenan-dratsy » dia manondro mazava tsara fa « miteny zavatra mihoampampana no manambara fitenenan-dratsy manohitra an’Andiamanitra…

« Rehefa ny olombelona no maka ireo tombontsoa sy ireo anarana, ny toetra maha Andriamanitra, izany no maneho ny fitenenan-dratsy » Uriah Smith, L’Apocalypse p 104.    
« Feno fanehoana fiheverana feno avonavona sy fitenenan-dratsy ny literatioram-pitenenanan’ny fitondrana papaly .Ireo ohatra mivaingana dia ny ampahany ao amin’ny asa soratra ao amin’ny rakibolana maneran-tany izay nosoratan’ny mpandalina ny baiboly katolika romana tamin’ny taon-jato faha XVIII :

« Manana ny fahamendrehany lehibe sy tena hasandratra ny papa noho izy tsy  olon-tsotra, fa tahaka an’Andriamanitra sy solontenan’Andriamanitra…

« Nodidinina fehiloha telo ny Papa, tahaka ny mpanjakan’ ny lanitra sy ny tany ary ireo faritra any ambanin’ny tany…

« Manana ny fahalehibiazana tsy azo toherina sy fahefana goavana ny Papa, izany fahefana izany dia fahefana manova, manazava na mandika na dia ireo lalàn’Andriamanitra…

« Afaka manova ny lalàn’ Andriamanitra, satria ny fahefana dia tsy tahaka ny olombelona fa tahaka an’ Andriamanitra, miasa tahaka ny mpanolon-tsaina mpitantan’ Andriamanitra eto ambonin’ny tany miaraka amin’ny fahefana faratampony mampiray na manasaraka ireo ondry. ([Ecrit par les auteurs des Commentaires] Traduit de Lucius Ferraris, « Papa II, » Prompta Bibliotheca, vol. VI, pp. 25-30) Seventh-day Adventist Bible Commentary, vol. 4, p. 831.

FANENJEHANA ATAO AMIN’ IREO MAHATOKY
6. Iza no afaka hanova io herin’ny ratsy io? Daniela 7 : 25b.  Mpanohatra iza no niadivany ? Apokalypsy 13 : 7. Naharitra hafiriana io fanenjehana io? Apokalypsy 13 : 5 ; 12 : 6.
 
« … Manomboka izao ny fampahoriana 1260 taona voalazan’ ireo faminanian’i Daniela sy ny Apokalypsy. Daniel 7 : 25 ; Apokalipsy 13 : 5-7 .Voatery nisafidy ny kristiana ny hampandefitra ny toetrany mahatoky ka hanaiky ireo fombam-pivavahana sy fanopoam-pivavahana nataon’ny papa, na hitaritarika ny fiainany any am-ponja, na hiaritra fahafatesana hosamahana amin’ny kodiarana na hodorana, na tapahi-doha. Tanteraka izany ny tenin’i Jesosy manao hoe : « Ary hatolotriny ny Ray sy ny reny sy ny rahalahy ary ny havana aman-tsakaiza ianareo, ka ny sasany aminareo dia hovonoina. Ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny anarako. » Nibosesika niha-masiaka mihoatra noho tamin’ny lasa rehetra tany, tamin’ny olona mahatoky ny fanenjehana ka nanjary toeran-piadiana midadasika izao tontolo izao. Nandritra ny an-jato taona maro dia nitokatokana sy niafinafina ny fiangonana mba hahitany fialofana. Hoy ny mpaminany : « Ary rahavehivavy kosa nandositra nankany an-efitra, izay nisy fitoerana namboarin’ Andriamanitra, mba hovelomina any 1260 andro izy » (Apokalipsy 12 : 6 ). » – Hery Mifanandrina, p. 54, 55.

7. Voaisa ve ireo mpino izay namoy ny ainy tamin’ny fotoan’andro antenantenany ? Apokalypsy 17 : 6. Mandra-pahoviana no hijanona ao amin’ny fitsaharany ireo maritiora izay nandray ireo akanjo fotsy ? Apokalypsy 6 : 9-11.
 
«Tamin’ny taonjato fahatelo ambin’ ny folo dia najoro ilay fitaovana mahatsiravina indrindra nataon’ny fahefana papaly dia ny « Inquisition » . Ny andrianan’ ny maizina mihitsy no niara-niasa tamin’ireo mpitarika ny ambaratogam-pahefan’ny Papa. Nandritra ireo fivoriana fandinihan-draharaha mangina nataony, dia i satana sy ny anjeliny no nifehy ny sain’ireo olona ratsy fanahy, ary teo anivon’izy ireo koa anefa ny anjelin’ Andriamanitra tsy hita maso, dia manara-maso ny didy tsy an-drariny nataon’izy ireo sy nitana an-tsoratra ny fihetsika mampihoron-koditra loatra tsy azo aseho mason’olombelona.  « Leon’ny ràn’ny olo-masina ». « Babylona lehibe ». Ireo maritiora an-tapitrisany voaviravira dia nitaraina tamin’ Andriamanitra mba hamaliany io herin’ny fihemorana io. »Hery Mifanandrina, p. 59.

8. Moa ve ianao vonona ny hijaly tahaka ireo rahalahintsika tany aloha, noho ny amin’i Kristy? 2 Timoty 3 : 12 ; Lioka 21 : 12. Inona ny tsiambaratelon’ny fandresena? Jaona 15 : 4 ; 1 Jaona 5 : 4.
 
« Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe : ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha manenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa.  Jaona15 :20.

« Raha toa ka, Izy izay nadio, masina, tsy misy pentina sy nanao ny tsara  sy  ny hanatsara irery ihany ity tontolontsika ity, no mitondra amin’ny faharatsiana tahaka ny ratsy indrindra amin’ireo mpanao heloka bevava ary hohelohina ho faty tsy misy porofo na kely akory aza  hanoherana azy, moa ve ireo mpianany dia afaka ny hiandry indray ny ho karakaraina , na dia ny fiainany tanteraka sy ny toetrany tsy misy kianina ? Ireo fanambaran’olombelona, ireo lalàna izay naorina tamin’ny herin’ny Satana satria mba hanaovana ny tsara sy mametra ny ratsy dia hohasandratra, raha toa ka ireo masin’ Andriamanitra ho hankahalaina sy hitsahana amin’ireo tongotra » Levez vos yeux en haut, p 277.

Mba ho saintsainina lalina

Daniela 7 : 21, 22 ; Hebreo 11 : 13-16, 24-27, 32-40 ; Jaona 15 : 20.



« Ny lalàn’ Andriamanitra, dia tsy inona fa fahamasinana tanteraka, fenitra tokana marina eo amin’ny toetra. Ny fitiavana dia miseho amin’ny alalan’ny fankatoavana, ny fitiavana tonga lafatra mampiseho fahatahorana. Ireo rehetra tia an’ Andriamanitra dia handray ny mariky ny tombokasen’ Andriamanitra eo amin’ny handriny ary nahatanteraka ny asany. Ireo rehetra izay manambara am-pahibemaso ny finoana Kristiana dia hanaiky sy resy lahatra fa ny hevitry ny fitiavan’ Andriamanitra dia ny fampiharana izay rehetra takiany. » – Sons and Daughters of God, p. 52.

  « Talohan’ny andron’ny Hus dia nisy olona tany Bohemia izay nitsangana nanameloka am-pahibemaso ny fahalotoana nisy tao amin’ny fiangonana sy ny faharatsiam-pitondran-tena teo amin’ny vahoaka. Nanaitra sy nanintona ny sain’ny olona hatraiza hatraiza ny asany. Nisarangotra ireo ambaratongam-pahefana ary nanapoaka fanenjehana an’ireo mpanaraka ny filazantsara , … »Hery Mifanandrina, p. 97, 98.
« Izay tia an’ Andriamanitra dia tsy tokony ho gaga raha ireo izay mihambo ny tenany ho kristiana dia feno fankahalana satria tsy afaka manery ny fomba fisainan’ny vahoak’ Andriamanitra ny amin’ny izay inoany. Ao anatin’ny fotoana fohy dia hijoro izy ireo eo anatrehan’ Ilay mpitsara lehiben’ izao tontolo izao, mba hanaiky fa marina fa ny fijaliana teo amin’ ny vatana sy ny fanahy ho amin’ny fandovana an’ Andriamanitra . » – (Review and Herald, 28 décembre 1897) This Day with God, p. 371

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire