lundi 28 juillet 2014

NYFIROTSAHAN'IREO LOZA VOALOHANY



                Tsy ho ela itsony izao tontolo izao dia hilaozan’ilay anjelin’ny famindram-po , ary ireo loza fito farany dia harotsaka ….Ny faharetana sy ny famindram-pon’Andriamanitra dia tsy hiandry eo mandritra ny fotoana tsy manampetra . Ireo tànankodiaran’ny fahatezeran’Andriamanitra dia hilatsaka tsy ho ela intsony , ary rehefa manomboka manafay an’ireo mpandika lalàna Izy , dia tsy hisy fijanonany intsony izany hatramin’ny farany . Temoignages pour les Pasteurs pp 87 , 88

1.-Inona no hitranga eto ambonin’ny tany rehefa tapitra ny androm-pahasoavana  ? Apokalypsy 15 : 8 ; 16 : 1

              Hitako fa Izy dia tsy hiala ao anatin’io toerana io alohan’ny fanampahan-kevitra momba ny olona tsirairay , na ho amin’ny famonjena , na ho amin’ny faharinganana  . Ny fahatezeran’Andriamanitra dia tsy hirotsaka mandram-pahavitan’ny Mpamonjy ny asany ao amin’ny Efitra Masina Indrindra , ka hametrahany ny fitafiana fisoronany , ary hanaovany ny fitafiana famaliana . Rehefa  izany Jesosy dia hamarana ny     asa fanelanelanana ataony eo ana-trehan’ny Ray ho an’ny olona . Andriamanitra dia tsy hangina intsony , fa kosa hapifofofofo ny fahatezerany hanohitra an’ireo firenena izay nitsipaka ny fahamarinany .  Nahita aho fa ny  fisamboaravoaran’ireo firenena , ny fahatezeran’Andriamanitra , ary ny fotoana fitsarana an’ireo maty ,dia zavatra telo miavaka tsara , ka mifanarakaraka izy ireo . Nahita aho      fa i Mikaela dia mbola tsy nitsangana , ary ny fotoanan’ny fahoriana izay tsy mbola nisy toa azy , dia mbola tsy nanomboka . Ankehitriny ireo firenena dia  misamboaravoara , kanefa rehefa vitan’Ilay mpisoronabe ny asany ao amin’ny fitoerana masina , dia hitsangana Izy , hanaovany ilay fitafiany famaliana, rehefa izany dia harotsaka ho eo ambonin’ny tany ireo loza fito farany .    Premiers Ecrits p 36

2 .-Rehefa izany , inona no halefan’ireo anjely efatra manerana ny vazan-tany rehetra ?  Apokalypsy 7 : 1-3
 
             Amin’izao fotoana izao , ireo anjely dia mbola mihazona an’ilay  rivotry ny ady , mba tsy hitsoka ireo rivotra ireo alohan’ny fahatongavan’ny fampitan-dremana manerana izao tontolo izao , mikasika ny fahavoazana izay hanjo azy . Kanefa moa ny tafio-drivotra dia efa mitatao , vonona ny hifofofofo hirotsaka eto ambonin’ny tany , ary rehefa baikoin’Andriamanitra ireo anjely mba handefa an’ireo rivotra , dia hipoaka ny ady anakiray izay tsy hay sori-tsoritana mihintsy .  Education p 206                                                                                                                                       
           … Amin’izay i satana  dia handetika ny mponina eto an-tany ao amin’ny fahoriana lehibe farany . Rehefa hilatsaka tsy hihazona ireo rivota masiakan’ny filana ambany eo amin’ny olombelona ny anjelin’Andriamanitra , dia ho vahana izay rehetra mahatonga ny ady . Ho tratry ny faharavana mahatsiravina noho izay nihatra tamin’i Jerosalema fahiny ny tany manontolo  .  Hery Mifanandrina p 640

Ireo loza anankiroa voalohany

3.- Ao amin’ny loza voalohany , inona no hanjo an’ireo izay manaiky ny mariky ny bibidia sy miankohoka amin’ny sariny ? Apokalypsy 16 : 2 . Inona no hanjo ny ranomasina ao amin’ny loza faharoa ?  Apokalypsy 16 : 3
 
             Rehefa mijanona tsy manao fanelanelanana intsony ao amin’ny fitoerana masina Kristy , dia hirotsaka amin’izay miankohoka eo anantrehan’ny bibidia sy ny sariny ka mandray ny mariky ny anarany Apokalypsy 14 : 9-10 ny fahatezerana tsy miharoharo zavatra izay mananontanona azy ireo . Ny loza namely an’i Egypta talohan’ny nanafahan’Andriamanitra an’Israely dia sahala amin’ireo fitsarana mahatsiravina sy be velarana kokoa izay hiatra amin’izao tontolo izao mialoha indrindra ny fanafahana farany ny vahoakan’Andriamanitra  . Hoy ny mpanoratra ny Apokalypsy na Fanambarana raha milaza ny amin’ireo kapoka mahatahotra ireo  izy : “ Nisy vay ratsy sy mampahory tamin’ny olona izay nanana ny mariky ny bibidia sy niankohoka  teo anantrehan’ny sariny” . Apokalypsy 16 : 2 . “ Nody ra tahaka ny an’ny olona maty ny ranomasina : Ary maty ny zava-manan’aina tao aminy”  . Hery Mifanandrina pp 653 , 654 .

Ny loza fahatelo

4 .-Inona no ho voakasik’ilay loza fahatelo ? Apokalypsy 16 : 4 . Koa satria tsy nisy rano madio , inona no hosotroin’ireo mpankahala fivavahana mba hanalany ny hetahetany ? Nahoana ? Apokalypsy 16 : 5-7
 
             Nody ra ny ony sy ny loharano . Na dia mafy toy izany aza ireo fahoriana ireo , dia mijoro ho marina tanteraka ny fitsaran’Andriamanitra . Hoy ny anjelin’Andriamanitra hoe : “ Marina Ianao Jehovah o … satria efa mitsara toy izany Ianao . Fa ny ran’ny olona masina sy ny mpaminany no nalatsany . Ka dia ra kosa no nomenao ho sotroiny ; ary tandrifiny ho azy izany” . Apokalypsy 16 : 2-6 . Raha nanameloka ny vahoakan’Andriamanitra ho faty izy , dia tena meloka marina tokoa ny amin’ny ran’izy ireo toy ny tànany mihintsy no nandatsaka izany . Tahaka izany koa no nanambaran’i Kristy fa meloka ny amin’ny ran’ny olona masina efa nalatsaka hatramin’ny andron’i Abela ireo Jiosy tamin’ny androny . Satria sahala toe-tsaina amin’ireo namono ny mpaminany izy ireo sady nitady ny hanao ny asany koa  . Hery Mifanandrina p 654

Ny loza faha efatra

5 .-Ahoana no hiantefan’ny fahoriana entin’ilay loza faha efatra eo amin’ny  olona ? Apokalypsy 16 :8-9 . Ahoana no fomba fiatraikan’io loza faha efatra io ao amin’ ny zava-boahary ? Joela 1 : 10-12 , 17-20
 
             Eo amin’ny loza manaraka , dia homena hery ny masoandro handoro ny olona amin’ny afo . Ary ho main’ny hafanana be ny olona . Toy izao no filazan’ireo mpaminany ny toetoetry ny tany amin’io fotoana mampihoron-koditra io . Mariry ny saha … fa simba ny vary … Malazo ny hazo rehetra any an-tsaha ; eny malazo ny fifalian’ny olombelona . Matimaso ao ambanin’ny baingantany ny vary nafafy , foana ny sompitra … Indrisy , ny fitoeran’ny biby ! Very hevitra ny omby andiany , satria tsy misy ahitra ho azy … satria ritra ny renirano , ary efa levon’ny afo ny kijana any an’efitra . Ho tonga naonaona ny hira ao an-dapa amin’izany , hoy Jehovah Tompo ; ho be ny faty , hatraiza hatraiza no hanariany azy . Mangina re ! Joela 1 : 10-12 , 17-20  . Tsy hanerana izao tontolo izao ireo loza ireo , fa raha izany dia ho fongana daholo ny mponina eo amin’ny tany . ,Na dia izany aza dia ireo no kapoka mahatahotra indrindra amin’izay efa nihatra fantatry ny olombelona … Hery Mifanandrina p 654

Ny loza faha dimy

6.- Eo amin’ireo vondron’olona inona no hirotsahan’ilay loza faha dimy manokana , izay tena mahatsiravina tokoa ? Apokalypsy 16 : 10-11
 
               Ity fijoroana vavolombelona ity dia maneho zava-nitranga anankiray izay tena manandanja tokoa . Ireo loza dia tsy nandringana avy hatrany an’ireo olona rehetra izay iantefany , satria ny sasan-tsasany amin’izy ireo izay voan’ny loza voalohany , dia mbola velona ihany rehefa narotsaka ilay kapoaka faha dimy , ka nanaiki-dela izy ireo noho ny fanaintainana . Ao amin’ny Eksodosy 10 : 21-23 , dia ahitantsika ny fanoritsoritana an’io kapoaka io . Izy io dia harotsaka eo amin’ny seza fiandrianan’ilay bibidia , dia ny fanjakana papaly . Ny seza fiandrianan’ilay bibidia dia hita eo amin’ny toerana rehetra izay misy ny foiben’ny fanjakana papaly izay ao amin’ny tanànan’i Roma mandraka ankehitriny . Ary tsy misy isalasalana fa mbola mitoetra ao hatrany io foibe io . Ny fanjakan’ilay bibidia dia ivondronan’ireo izay mpanao ny raharaham-pivavahan’ny papa , eo amin’ny toerana rehetra izay misy azy . Uriah Smith  Apokalyps p160

Ilay fitiavana lalin’Andriamanitra sy ny faniriany

7 .-Eo ampianarana ny mikasika ny zavatra izay ho tonga amin’ireo mpanota tsy mibebaka , inona no fantatrareo momba ny fitiavan’Andriamanitra sy izay iriany amim-pitiavana miredareda ? Romana 1 : 16-17 ; I Jaona 4 : 9 ; II Korintiana 6 : 1-2
 
       Lazao aminy hoe : Raha velona koa  Aho  hoy Jehovah Tompo : dia tsy sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy , fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany , mba ho velona izy . ,Mialà , mialà amin’ny lalandratsinareo , fa nahoana moa no te ho faty ianareo , ry          taranak’Israely ? Ezekiela 33 : 11 , Mitahiry famindrampo ho an’ny olona arivo mandimby , mamela heloka sy fahadisoana ary fahotana , kanefa tsy mety manamarina ny meloka , fa mamaly ny heloky ny Ray amin’ny zanaka sy ny zafy hatramin’ny zafiafy sy ny zafindohalika Eksodosy 34 : 7  .     Na dia tsy sitrany aza ny hamaly , dia tsy havelan’Andriamanitra ho afa-maina ny mpandika ny lalàny . Tsy maintsy manao izany Izy mba hiarovana ny mponina eto an-tany  amin’ny fahasimbana sy ny fandringanana mpiseho mandrakariva . Mba haha-zoana mamonjy ny sasan-tsasany , dia votery nanaisotra ireo izay mikiribiby ao amin’ny fahotana Izy . “ Mahari-po Jehovah , sady be hery ary tsy manamarina ny meloka” . Nahoma 1 : 3 . Famaizana mahatsiravina no nentiny namely ny vonina-hitry ny lalàny nohamavoina . Ny tsy fitiavany hampihatra ny fahamarinany , dia manamporofo ny fahalehibeazan’ny fahotana izay mitaky ny fitsarana ataony sy ny hamafin’ny famaizana izay miandry ny mpanota . Patriarika sy Mpaminany p 662

 Mba ho saintsainina lalina
            
Ny famaizana rehetra natao tamin’ny olona , talohan’ny hiafaran’ny androm-pahasoavana , dia niharo famindram-po hatrany . Ny fifonana sy ny ran’i Kristy dia niaro ny mpanota tsy handray ny fatra fenon’ny fanamelohana azy ; nefa amin’ny fitsarana farany dia mirotsaka tsy miharo famindram-po ny fahatezerana  . Hery Mifanandrina p 654 .
            Izay milaza ny tenany ho kristianina nefa tsy vita fiomanana akory rehefa miatrika an’io ady mahatsiravina farany io , dia hamoy fo ka hiaiky ny fahotany amin’ny teny mitory tebiteby mivaivay , ka hibitaka ny ratsy fanahy mahita ny fahoriany . Fiaikem-pahotana toy ny an’i Esao sy Jodasy ny azy . Ny vokatry ny fandikan-dalàna no mampitoloko azy ireny fa tsy noho ny faharatsian’ny heloka vitany . Tsy tena alahelo marina no tsapany , ary tsy maharikoriko azy ny ratsy . Miaiky ny fahotany izy noho ny fahatahorany ny famaizana ; nefa , tahaka an’i Farao fahiny  , dia hiverina amin’ny fihaikany ny Lanitra indray izy raha hesorina ny fitsarana . Hery Mifanandrina p 646

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire