lundi 21 juillet 2014

NY FAMPAHORIANA SY NY FIHEMORAN'NY FANJAKANA



« Rehefa ny firenentsika hamoaka lalàna mandritra ny fivorian’ireo mpanao lalàna  izay mikendry ny sain’ny olona tsirairay mikasika ny tombontsoa ara-pivavahana , ka hanery ny fankatoavana ny  alahady, amin’ny fampivelarana ny fahefana tsy refesi-mandidy hiadina ireo izay mitandrina ny sabatan’ ny andro fahafito. Ny lalàn’Andriamanitra dia hofoanana eto amin’ny firenentsika ka izany fanoheram-pirenena izany dia hitarika faharavana ho an’ny firenena. » – (The S.D.A. Bible Commentary 7:977 [1888]) Les événements des derniers jours, p. 137.

MIKAMBANA AMIN’NY RATSY

1. Inona avy ireo hery izay hikambana mba heady amin’Andriamanitra sy ny fiangonany ? Apokalypsy 16 : 13.

« Amin’ny alalan’ny didy fanamafisana ny andrim-panjakana papaly, izay tsy inona akory fa fandikana ny lalàn’Andriamanitra no hampisaraka tanteraka an’ i Etazonia amin’ny fahamarinana.  Rehefa ireo mpiandany amin’ny fivavahana protestanta no hiezaka hanakaiky ny fahefana romana sy ny spiritisma (tsy fahafatesan’ny fanahy) , rehefa ny tsindry avy amin’ ireo fikambanana telo « Triple alliance » ireo no hanery, dia holavin’ I Etazonia ny fitsipika tsirairay ao amin’ny lalàm-panorenany amin’ny maha fitondran-panjakana protestanta sady repoblikiana azy, amin’ny farany ho aparitany ireo fahadisona sy ny fitaka ataon’ny fahefana papaly, ary ho fantantsika araka izany fa tonga ny fotoana izay hanatanterahan’I Satana fampidinana afo avy an-danitra sy  fahagagana , ary dia akaiky ny farany. »Témoignages pour l’Eglise, vol.2, p. 179.

2. Inona avy ireo dingana ho arahin’izy ireo mba hamerana ny fahafahana ara-pivavahana ? Apokalypsy 13 : 17.
 
« Na oviana na oviana, Andriamanitra dia tsy manery ny sitrapo na ny feon’ny fieritreretan’ny olona , fa Satana kosa mba ahafahany mamehy ireo izay tsy afaka ny ho voafitany amin’ny zavatra hafa dia ampiasainy mandrakariva ny hery sy ny fampijalina. Mba hahatongavany amin’izanydia miasa amin’ ny alalan’ny mpitarika fivavahana sy ny olon-tsotra izy ka manosika azy ireo hametraka lalàn’ olombelona mifanohitra amin’ny lalàn’ Andriamanitra » Le grand conflit, p. 602.
« Manaraka ireo mpiandany ny Romana ny protestanta mba afahan’i Etazonia mametraka fanohanana ny fitondrana sy ny fampiasana ny fiangonana. Ho fanampin’izany dia manokatra midanadana ny varavarana ho an’ ny papa mba afahan’I Amerika mipetraka amin’ny toerana ambony indrindra izay tsy tazana intsony tao Eoropa izy. Ary izany no nahatonga ny fihetsiketsehana ho tena misy dikany, ny tanjona voalohany dia natao handidiana ny fankatovana ny alahady izay avy amin’ny lalàna Romana, izay heveriny ho mariky ny fahefana. Ny faniriana hanaraka ny fomban’ izao tontolo izao sy ny fiankohofana amin’ny fomban’ olombelona toy izay amin’ny lalàn’ Andriamanitra, dia iainan’ny fiangonana protestanta ary hanosika azy ireo hiandany amin’ ny alahady izay efa nataon’ny papa talohan’izy ireo. Izany faniriana izany dia mifanaraka amin’ny toe-tsain’ i Roma »La tragédie des siècles, p. 622

NY FIHEMORANA DIA MITONDRA AMIN’NY FAHARAVAN’NY FIRENENA

3. Amin’ny fanerena ny fahafahana ara-pivavahana, inona ny vokany ho an’i Etazonia ? Galatiana 6 : 7.
 
«Ho an’ireo mpianatra, ny fanatonan’ny tafika romana dia manambara ny faharavan’i Jerosalema, dia toy izany ihany koa io fanoherana io dia fambara ho antsika fa tapitra hatreo ny faharetan’ Andriamanitra, feno ny kapoaky ny fahavetavetana, ka hisidina tanteraka  tsy hiverina intsony ny anjelin’ny famindrampo.. »Témoignages pour l’Eglise, vol. 2, pp. 179, 180.
«Nahazo tombotsoa ireo mponina any Etazonia, nefa amin’ny andro izay hahatonga ny fanerena ny falalahana ara-pivavahana ho tonga amin’ny fara tampony, dia hamela ny protestantisma izy ireo ka hanampy ny papa, dia ho fenoin’izy ireo ny refin’ny fahadisoany, ary ho voasoratra ao anatin’ny bokin’ny lanitra fa meloka nohon’ny fivadihana tamin’ny ara-pivavahana izy ireo. Ny vokatr’izany fanoherana izany dia ny faharavan’ny firenena. »Maranatha, p. 214.

NY FEHI-DALANA  MOMBA NY ALAHADY MANERANA IZAO TONTOLO IZAO

4. Amin’ny farany, firenena firy no handray anjara mba hampihatra ilay lalàna? Jeremia 25 : 32.
 
«Mandritra ny fotoana hiasan’ny herin’ny maizina eto an-tany, ny Tompo Andriamanitry ny lanitra dia maniraka hery avy any an-danitra mba hanatrika ny zava-misy ka mandrisika ireo mpitondra hafatra hamindra ny lalàna avy any an-danitra. Izao no fotoana hiasana any amin’ny firenena hafa. Rehefa i Amerika ilay firenen’ny falalahana ara-pivavahana no hiray amin’ny papa mba hanery ny feon’ny fieritreretana ka hanery ny olona hitandrina ilay sabata diso, dia ho voatarika hanaraka ny ohatra nomeny ny mponin’ny tany manontolo »Témoignages pour l’Eglise, vol. 2, p. 434.
« Hifandray hevitra ny olona ka hitambatra hanao hetsika. Hitandrina ny alahady ny olona maneran-tany, hoy izy ireo, fa maninona io vahoaka io, izay vitsy an’isa no tsy manaraka ny lalàn’ny firenena? » – (Manuscrit 163, 1897.) Les événements des derniers jours, p. 140.

5. Ho tonga hatraiza ireo hafetsen’i Satana amin’ny fikasany hamitaka ny vahoakan’Andriamanitra? Marka 13 : 22 ; 2 Korintiana 11 : 13-15. Inona no ho ambaran’Andriamanitra amin’izany andro izany? Matio 7 : 21, 23.

 « Manao izay hahazoany antoka ireo olon-diso tsy tia fivavahana fa manana ny fahamarinana izy, fa nisy fahagagana niseho tamin’izy ireo, fa ny anjelin’ny lanitra dia niresaka taminy sy miara-mandeha aminy, hery lehibe, famantarana sy fahagagana no miseho eo anivon’izy ireo, ka izany no fotoana izay nandrasan’izy ireo nandritra ny elabe. Niova fo ny olona eran-tany ka nanaiky ny lalànan’ny alahady, etsy andanin’ izany ilay vondrona kely sy malemy dia miezaka manohitra ilay lalàn’ny tany sy ny lanitra, ka milaza fa izy irery ihany no tompon’ny fahamarinana»Maranatha, p. 207.
«Mandehana any amin’Andriamanitra ianao manokana, angataho ilay fahazavana avy any an-danitra mba ahafantaranao tsara ny fahamarinana, ka rehefa manao fahagagana mampiasa ny hafetseny ilay hery mahatalanjona, ka ilay fahavalo miseho ho toy ny anjelin’ny fahazavana no hiseho dia ho fantatratreo ny manavaka ilay hery tsy manam-paharoa avy amin’Andriamanitra amin’ ilay herin’ny maizina izay maka tahaka azy» – (Selected Messages 3:389 [1888]) Les événements des derniers jours, p. 171.

MANOME HERY NY FAHAMARINANA
6. Inona no ho toetran’ireo zanak’Andriamanitra rehefa hivoaka ny didin’ny Alahady? Asa 5: 29. Iza irery no hanaraka azy ireo? Asa 5: 30-32.
 
« Tokony hoekentsika ho fandaminana avy amin’ Andriamanitra ny fitondam-panjakan’olombelona, ka hampianatra ny fankatoavana azy ho adidy masina, eo amin’ny faritra mifanaraka amin’ny lalàna isika. Rehefa manohitra ny fitakian’Andriamanitra kosa ny fitakiany, dia Andriamanitra no tokony hekena mihoatra noho ny olona, ny tenin’Andriamanitra no tsy maintsy ekena fa ambonin’ny lalàna rehetra nataon’olombelona. Tsy azo ialana ny « izao nolazain’ny fiangonana » na ny hoe « izao no lazain’ny fanjakana. »Vavolombelona Mahery, pp. 62.
«Raha manaiky an’I Kristy ho toy ny Mpamonjy isika dia tsy maintsy ekentsika ho toy Ilay manana fahefana fara-tampony Izy. Tsy afaka ny hahazo antoka sy fahatokiana tanteraka an’I Kristy ho toy ny Mpamonjy antsika manokana anefa isika raha tsy manaiky Azy ho toy ny Mpanjakantsika ka mankatoa ny lalàny. Izany no fomba anehoantsika fa matoky an’Andriamanitra isika. Noho izany ny finoantsika dia ho tonga tsy manam-paharoa satria finoana miasa izany. Miasa am-pitiavana. » La foi et les oeuvres, p. 2.

7. Inona no hanjo ireo vavolombelona mahatoky sasan-tsasany amin’ny fotoana hitrangan’ny fanenjehana lehibe ? Asa 7 : 55, 56, 59,60.

« Ny fahazotoan’ireo izay mankatoa ny Tompo dia hitombo, etsy andaniny izao tontolo izao sy ny fiangonana hitambatra mba hanafoana ny lalàna. Isaky ny fanoherana iray atao amin’ny lalàn’Andriamanitra dia miasa ho fampandrosoana ny fahamarinana izany, sy mahatonga ireo mpiaro ny lalàn’Andriamanitra ireo ho afaka maneho ny maha-izy azy eo anatrehan’ny olona. Tsy misy afaka mampisongadina tsara kokoa ny hery sy ny fahatsaran’ny fahamarinana mihoatra noho ny fanoherana sy ny fanenjehana. (Manuscript Releases 13:71, 72 [1896]) » – Les évènements des derniers jours, p. 144.
 «Rehefa io asa lehibe io no tonga ao anatin’ ny ady, mialohan’ny ady lehibe farany, maro no ho atao an-trano maizina, olona maro no hitsoaka hiala amin’ny tànan-dehibe sy ny tànana hamonjy ny ainy, ary ny sasany hiaritra ny fampijaliana martiora nohon’ny fitiavana an’I Kristy rehefa miaro ny fahamarinana izy ireo.  »Maranatha, p. 197.

8. Inona ireo fitaovana ho enti-miady amin’ilay bibidia sy ny sariny, ary moa ve izy ireo ho resy? Habakoka 2 : 4b ; Hebreo 10 : 38, 39.

« Tsy maintsy mamboly sy mikolokolo ny finoana izay nanaovan’ ny apostoly sy ny mpaminany fanambarana isika, - dia ilay finoana azo avy amin’ny teny fikasan’ Andriamanitra; ary mahandrasa ilay fanafahana amin’ny andro voatendry sy araka ny fahatanterahana efa nampanantenaina. Ho tanteraka amin’ny fiaviana amim-boninahitry ny Mpamonjitsika, Mpanjakan’ny mpanjaka sy Tompon’ny tompo, ny teny azo antoka avy amin’ny fahamarinana. Toa mety tsy hanam-paharetana ny fiandrasana, ary mety ho reraky ny fitsapana mahaketraka ny fanahy, mety ho potraka eny an-dalana ireo olona nametrahantsika ny fitokisana; kanefa miaraka amin’ny mpaminany (Habakoka) izay niezaka namelombelona ny fanahin’I Joda tamin’ny ora manjombona indrindra nisehoan’ny fihemorana no tsy maintsy hiantsoantsoantsika hoe “Jehovah dia ao amin’ny tempoliny masina, mangin eo anatrehany ry tany rehetra » Habakoka 2 : 20.
«Aoka ho ao an-tsaina mandrakariva izao hafatra mampahery izao manao hoe:            
“fa ny fahitana dia mbola ho amin’ny fotoan’andro , ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso ; eny , na dia mitaredretra aza izy , andraso ihany , fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona… Fa ny marina ho velon’ny finoana Habakoka 2: 3, 4Mpaminany sy Mpanjaka, p. 320.
 
Mba ho saintsainina lalina

Salamo 111 : 7, 8 ; 119 : 89 ; Apokalypsy 15 : 2, 3.

«Nahita aho fa Andriamanitra dia manana zanaka izay mbola tsy nahalala ny sabata, ka vokatr’ izany dia mbola tsy mitandrina izany izy. Tsy nolavin’izy ireo anefa ny fahazavana mikasika izany. Ary amin’ny fiantombohan’ny androm-pahoriana dia ho fenon’ny Fanahy Masina isika, handeha hiray hanambara ny fahamarinan’ny sabata. Ireo fiangonana sy ireo milaza azy ho Advantista dia tezitra satria tsy afaka manohitra io fahamarinana io. Amin’io fotoana io, ireo nofidian’ Andriamanitra dia hahita mazava tsara fa ao anatin’ny fahamarinana isika; ka hikambana amintsika izy ireo sy hiaritra ny fanenjehana. »Premiers Ecrits, p. 33.
« Ny finoana izay nanatanjaka an’i Habakoka mbamin’’ireo olo-masina sy marina tamin’izany fotoana nisy fahoriana be izany, dia mbola manohana ny vahoakan’Andriamanitra koa ankehitriny. Mbola azon’ny kristianina atao koa ny mibanjina an’Ilay loharanon’ny fahazavana rehetra sy ny hery rehetra amin’ny toe-javatra mampivarahontsana indrindra. Hohavaozina isan’andro isan’andro ny fanantenany sy ny herim-pony amin’ny alalan’ny finoany an’Andriamanitra. « Ny marina ho velon’ny finoany. »  Mpaminany sy Mpanjaka p 319

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire