mercredi 30 juillet 2014

NY FAMAIZANA AN’I BABYLONA SY NY FIPETRAKY NY TOE-DRAHARAHA ETO AMBONIN’NY TANY



           Indro Jehovah mahafoana ny tany ka mahalao azy . Ary mampihohoka azy ka manely  izay mponina ao aminy . Hatao foana dia foana ny tany . Ary ho baboina dia ho baboina tokoa izy . Fa Jehovah no efa niteny . Ary ny tany dia efa voavetavetan’ny mponina ao   aminy . Satria nadika ny lalàna sy nanota ny didy izy . Ary nivadika ny fanekena mandrakizay . Ary noho izany dia ozona no mandevona ny tany . Ary ny mponina ao dia valiana noho  ny helony . Sady voadotra ny mponina amin’ny tany . Ka dia olona vitsy foana no sisa ao .  Isaia 24 : 1 , 3 , 5 , 6

Ny fitsaran’Andriamanitra ahatra amin’i Babylona

1 .-Inona no hanjo an’i Babylona rehafa Andriamanitra mamarana ny fahaba-boan’ ny vahoakany ? Apokalypsy 18 : 5-10
             Fa fitsarana  tsy misy famindram-po no ho anjaran’izay tsy mamindra fo , Jakoba 2 : 3 . Kely sisa dia hijoro eo anantrehan’ny Mpitsaran’ny tany rehetra  izy ireo hamaly ny amin’ny fahoriana izay nataony tamin’ny tena sy ny fanahin’ny lovany . Mety hanaram-po izy ireny amin’izao fotoana izao amin’ny fiapangana lainga sy ny fanarabiana ireo izay notendren’Andriamanitra hanao ny asany , mety hampiditra an-tranomaizina ireo mpino izy  ireny , mety hamatotra azy ireo ho toy ny olon-dratrsy , mety handefa azy ireo an-tsesi-tany , mety hahafaty   azy ; nefa ny amin’ny fahararian’ny fangirifiriana rehetra sy  ny amin’ny ranomaso rehetra latsaka dia tsy maintsy hanadinana azy ireny Hamaly azy indroa heny ny amin’ny fahotany Andriamanitra . Momba an’i babylona , ilay mampiseho an-tsary ny fiangonana nihemotra , dia milaza amin’ireo mpanompony ao amin’ny fitsarana Izy hoe : “ Fa ny fahotany efa nitehaka tamin’ny lanitra , ary Andriamanitra efa nahatsiaro ny ratsy nataony . Mamalia azy araka izay nataony , ny kapoaka izay nofenoiny , dia fenoy indroa heny”. Apokalypsy 18 : 5-6 . Henoinareo ny Fanoharana p 151 
          Toy izany ny fitsarana  izay hihatra amin’i Babylona amin’ny andro hianjadian’ny fahatezeran’Andriamanitra aminy . Efa nofenoiny ny kapoaky ny faharatsiana ; tonga izao ny androny ; masaka ho amin’ny fandringanana izy .  Hery Mifanandrina p 679 .

2 .-Ahoana no ho fitondran-tenan’ireo mpankahala ny fivavahana hanoherany an’ireo olona marina ? Salamo 11 : 2 ;       64 : 3-5 .  Inona no hanjo an’ireo izay nifaly tamin’ny fanaovandratsy sy nanohitra an’Andriamanitra sy ny asany ?  . Salamo 11 : 5-6

           Hitan’izao tontolo izao fa ilay antokon’olona indrindra izay nihomehezany sy nakorainy ary niriany hofongorana , no indro afaka soa amantsara , tsy voakasiky ny areti-mandringana , ny tafio-drivotra sy ny horohorontany . Ilay afo mandevona ho an’ny mpandika lalàna dia fiarovana azo antoka kosa ho an’ny vahoakan’Andriamanitra .  Hery Mifanandrina  p 680 .

3 .-Inona no hataon’ireo pastora sandoka hanoheran’ireo an’Andriamanitra sy ny vahoakany ? Ezekiela 13 : 22 ;  Jeremia 6 : 14 ; 23 : 1 ; 25 : 34-35  . Na dia efa diso aoriana loatra aza , inona no ho hitan’izy ireo ?
 
              Ny mpitondra fivavahana  izay nanao sorona ny fahamarina mba ahazoany sitraka avy amin’ny olona dia mahita tsara ankehitriny ny toetra sy ny asan’ ny fampianarany . Mazava izao fa manara-maso azy hatrany Ilay mahalala ny zavata rehetra raha nijoro teo amin’ny polipitra izy , raha nandeha teny amin’ny arabe , raha niharo tamin’ny olona teo amin’ny toe-javata samihafa teo amin’ny fiainana . Ny fihetseham-pony rehetra , ny andalan-teny rehetra nosoratany , ny teny rehetra naloaky ny vavany , ny fihetsika rahetra nahatonga ny olony hitady fialofana tamin’ny lainga , izany rehetra izany dia voa nafafy avokoa ; ary ankehitriny dia banjininy eo amin’ireo fanahy mahantra very manodidina azy  ny vokatra .  Hitan’ny mpitondra fivavahana sy ny vahoaka fa tsy nanohana ny fifandraisana marina amin’ Andriamanitra izy . Hitany fa nikomy tamin’Ilay nanao ny lalàna marina sy tsara rehetra izy . Ny tsy firaharahana ny fitsipipka nomen’Andriamanitra dia mampi-rongatra ny tsirin’ny ratsy arivoarivo : fifandirana , fankahalana , fanaovandratsy , mandra-pahatongan’ny tany ho sahan’ady midadasika , toerana ihandronan’ny faha-lotoana . Izany izao no zavatra miseho eo imason’ireo izay nitsipaka ny fahama-rinana sy nifidy ny hankamamy ny hevi-diso . Tsy misy teny mahalaza ny halalin’ny alahelon’ireo tsy nankato sy tsy nahatoky ka maniry fatratra ilay zavatra efa veriny ho mandrakizay , dia ny fiainana  mandrakizay izany  Hery Mifanandrina pp 680 , 681

4 .-Inona no nosoratan’ieo mpaminany mikasika ny famaizana an’ireo mpankahala fivavahana rehefa tapitra ny androm-pahasoavana ?  Zakaria 11 : 12-13 ; Jeremia 25 : 33 .
 
         … Ary izao no areti-mandringana hamelezan’i Jehovah ny firenena rehetra izay efa nanafika an’i Jerosalema . Hataony mihalevona am-pitsanganana ny nofony , ary hihalevona eo amin’ny itoerany ny masony , ary ny lelany koa hihalevona ao ambavany . Ary amin’izany andro izany dia hisy fifanaritahana lehibe avy amin’i Jehovah ao aminy , ary hifampihazon-tànana izy , sady samy hifanainga tànana hifamely  Zakaria 14 : 12-13 . Noho ny ady arehitry ny haromotan’ny firehetam-pony mivaivay , sy noho ny fandrotsahan’Andriamanitra ny fahatezerany mahatahotra tsy miharoharo zavatra , dia ho lavo ireo mponina ratsy fanahy eto an-tany : dia ny mpisorona , ny mpanapaka sy ny vahoaka , ny manankarena sy ny mahantra , ny ambony sy ny ambany . “ Ary amin’izany andro izany ny voavonon’i Jehovah dia hiampatrapatra hatramin’ny faran’ny tany anankiray ka hatramin’ny farany koa , tsy hisaonana , na hangonina , na halevina ireny ” . Jeremia 25 : 33  ,                                        Hery Mifanandrina p 683 .

Ny tany babangoana

5 .-Aorian’ny fandraisan’ireo mpankahala fivavahana ny tambin’ny fahotan’ izy ireo , Inona no hanjo ny tany ?  Apokalypsy 17 : 17-18 ;  Jeremia 4 : 23 , 26
 
           Ny tany dia tahaka ny tany efitra anankiray mahatsiravina . Ireo tanàn-dehibe sy ireo vohitra madinika , izay ravan’ilay horohoron-tany , dia lasa antontana trano rava . Ireo tendrombohitra izay tafafindra  niala tamin’ny toerany dia namela lavaka lehibe maro tokoa . Vatolampy maro vakivaky , natsipin’ireo ranomasina na voaongotra niala tamin’ny tany , no nipariaka teo amboniny . Hazo mankadiry marobe no voaongotra ka lavo teo ambonin’ny tany .   Premiers Ecrits pp 289 , 290

Arivo taona gejaina ao amin’ny toerana tsy misy na inona na inona

6 .-Iza no mbola gejaina ao amin’ny tany foana sy  tsy mampahory ? Apoka-lypsy 20 : 1-2 . Inona no fonosin’ny hoe lavaka tsy hita noanoa ao anatin’ireo andininy ireo . Genesisy 1 : 2
              Ao anatin’io fitoerana ao amin’ny tany foana sy mampahory io no tsy maintsy hitoeran’i satana sy ireo anjeliny mandritra ny arivo taona . Ao izy no ho voatery tsy afa-mivoaka mihintsy , ary hirenireny etsy sy eroa izay hahatonga saina azy noho ny vokatry ny fikomiany , raha nanohitra ny lalàn’Andriamanitra . Mandritra ny arivo taona izy dia ho afaka ny hiaino ny tsiron’ireo vokatry ny ozona izay naterany .  Koa satria voafetra hijanona eo ambonin’ny tany izy ireo , dia tsy afaka mihintsy ny hankany amin’ireo planeta hafa mba haka fanahy an’ireo izay tsy nahalala ny fahotana . Ny fahoriana manjo azy dia tena mahatsiravina tokoa . Nanomboka teo amin’ny fahalavoany , izy dia tsy nitsahatra mihintsy nanao an’io asany mandevona io . Kanefa kosa , amin’io fotoana io dia ho esorina aminy ny heriny . Izy dia ho afaka ny hieritreritra tsara ny amin’ny fitondran-tenany nanomboka teo amin’ny fahalavoany , ary mihevitra amin-tahotra ny ho aviny . Izy dia tsy maintsy hijaly noho ireo fahotana rehetra izay nampanaoviny ny olona . Premiers Ecrits p 290 .

Manaiky an’ilay fanatitra natolotr’Andriamanitra .

7 .-Inona no tokony hataontsika anio raha ny feon’Andriamanitra mbola manasa antsika hanaiky an’ilay fanomezana lehibe , dia ny famonjena izany ? I Timoty 2 : 4 ; Habreo 3 : 11-15 .

    … Omena maimaim-poana ny Fanahin’Andriamanitra mba ahazoan’ny olona rehetra mandray ny hevitry ny famonjena . Amin’izay Kristy Ilay “ tena mazava ” , dia mahazava ny olona rehetra tonga amin’izao tontolo izao  Jaona 1 : 9 . Ny tsy ahazoan’ny olona ny famonjena dia noho ny finiavany handà ny fanomezan’ny fiainana  atolotra azy . Hery Mifnandrina pp 270 , 271
           Ankehitriny izao mihintsy isika sy ny zanantsika no tsy maintsy miresaka amin’izao tontolo izao sy mitahiry ny tenantsika ho tsy misy pentina . Ankehitriny mihintsy isika no tsy maintsy manadio ny toetrantsika sy mamotsy an’io toetra io amin’ny Ran’ny zanak’ondry . Tsy maintsy mandresy ny avonavona , ny fahatezerana , ny fitsilamodamohana ara-panahy . Ankehitriny mihintsy isika no tsy maintsy mifoha sy manao ezaka matotra amim-pikasana raikitra mba hahatongavana eo amin’ny fananana toetra mitovy tantana . “… Anio raha hihaino ny feony hianareo , aza manamafy ny fonareo”  Hebreo 3 : 7-8  .  Temoignages pour l’Eglige vol 2 pp 78 , 79

Mba ho saintsainina lalina  

Apokalypsy 18 : 6-10 ; Matio 25 : 34 ; Isaia 40 : 1-5
               Isika dia mahafantara fa ny fifanandrinana lehibe farany dia ilay ezaka matotra sy sahy indrindra ataon’i satana mba handrakotra ny fahotana hanatratrarany ny tanjona kendreny . Izy dia ho tonga tsy tahaka ny liona mierona fotsiny ihany ; fa koa toy ny mpanangoly , izay  amin’ny akanjo kanto feno fahazavana , mba handatsahany ireo zanak’olombelona ao anatin’ny fandrika ataony . Levez vos Yeux en Haut p 144
          Avy ny andrianan’izao tontolo izao , nefa tsy manana na inona na inona ato amiko izy , hoy Jesosy  , Jaona 14 : 30 . Tsy nisy na inona na inona nifanahaka tamin’ny lainga tsara lahatr’i Satana tao Aminy . Tsy nanaiky ny hanota Izy . Na dia tamin’ny eritreritra aza dia tsy nilefitra tamin’ny fakam-panahy Izy . Mety ho toy izany koa amintsika . Niray tamin’ny maha Andriamanitra  ny maha olombelona an’i Kristy . Vonona ho amin’ny ady Izy noho ny fitoeran’ny Fanahy Masina tao aminy . Ary tonga Izy mba hanaovany antsika ho mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra . Raha mbola miray aminy amin’ny alalan’ny finoana isika , dia tsy manankery amintsika ny fahotana . Ilay Fitiavana Mandresy p 114

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire