« Eny, izay
rehetra te-ho velona amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra, izay ao amin'i
Kristy Jesosy, dia henjehina.
» 2 Timoty 3 : 12.
« Mampiharihary mazava ny fankahalan’i Roma ny Sabata marina
sy ireo mpiaro azy ny tantara momba ny lasa, sy ny fomba nampiasainy mba
hanajana ny sabata natsangany. Milaza ny teniny Andriamanitra fa hiverina indray
izany rehefa hiray ny Katolika Romana sy ny Protestanta hanandratra ny Alahady.
» – Hery Mifanandrina, p. 603.
NY MAHADISO AN’ I BABILONA
1. Inona ireo fahadisoana goavana izay
maha-tompon’andraikitra an’I Babilona eo anatrehan’Andriamanitra? Moa ve fiangonana iray ihany no manana izany olana
izany sa misy hafa maro ihany koa mitovy aminy? Apokalypsy 14 : 8 ; 17 : 1, 2
; 18 : 1-3.
« Nomelohin’Andriamanitra i Babylona satria izy
nampisotro ny firenena rehetra ny divain'ny fahatezerana noho ny
fijangajangany. Izany dia midika fa notsinotsiniavina ny didy tokana mampiseho
fa Andriamanitra dia marina, dia noravany ny sabata andro fahatsiarovana ny
famoronan’ Andriamanitra.
« Ny fiangonana ankehitriny dia
mifandrafy amin’Andriamanitra. Eo am-panatanterahana ny faminanian’i Jaona izy:
“nampisotro ny firenena rehetra ny divain'ny
fahatezerana noho ny fijangajangany”, Nisaraka tamin’Andriamanitra izy ireo ary
nolaviny ny fandraisana ny tombon-kasen’ Andriamanitra. Ary ny olon’ izao
tontolo izao dia nisotro ny divain’ ny fahatezerana noho ny fijangajangany ka
nanamarina ny andro fitsaharana diso sy nanitsakitsaka ny Sabatan’
Andriamanitra. (Lettre 98, 1900). » – Commentaires
bibliques, p. 407.
NY FOTOTRY NY ADY HEVITRA
2. Amin’ny andro farany, inona no fototry ny fifanoherana ? Salamo
119 : 126 ; 1 Jaona 2 : 3, 4.
« Ny Sabata no ho fisedrana lehibe momba ny
fahatokiana, satria io no fahamarinana anankiray isehoan’ny fifanolanana
amin’ny fomba manokana. Rehefa hampiarina amin’ny olona ny fisedrana farany,
dia hisy tsipika mazava hampisaraka izay manompo an’ Andriamanitra sy izay tsy
manompo Azy. Raha ny fitandremana ny sabata sandoka ny fanekena ny
lalàm-panjakana, izay manohitra ny didy fahefatra, ary fiekena sy fiandaniana
amin’ny fahefana manohitra an’ Andriamanitra, ny fitandremana ny sabata marina
kosa dia fankatoavana ny lalàn’ Andriamanitra, sy porofo mazavan’ny toetra
mahatoky amin’ny Mpamorona. Ny antokon’ olona iray izay manaiky ny famantarana
amin’ny fileferana amin’ny fahefana eto an-tany, dia mandray ny mariky ny
bibi-dia, ny anakiray kosa, izay mifidy ny famantarana ny fiandaniana amin’ny
fahefan’Andriamanitra, dia nandray ny tombon-kasen’ Andriamanitra. » – Hery Mifanandrina, pp. 631.
3. Inona ny iraka nampanaovina an’ilay anjely niakatra
avy any amin’ny fiposahan’ny masoandro ? Apokalypsy 7 : 1-3.
« Ny Isiraelita dia nametraka teo amin’ny tolana sy ny
tataom-baravarana ny ràn’ny zanak’ ondry mariky ny maha zanak’ Andriamanitra
azy. Ny zanak’ Andriamanitra dia nitondra tamin’ izany fotoana izany ny marika
fa olon’ Andriamanitra izy. Hampifandridra ny amin’ilay lalàna masin’
Andriamanitra.
Hisy marika hapetaka eo amin’ny zanak’ Andriamanitra tsirairay izay azo
antoka fa marika tahaka ilay napetaka teo amin’ ireo varavaran’ Isiraelita
tamin’ny andron’ny Hebreo mba hanafahana ireo vahoaka amin’ny fandringanana.
Manambara Andriamanitra. Ary nomeko azy
koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho
Jehovah no manamasina azy (RH 6/2/1900).
» – Commentaires bibliques, p. 397.
MAHAFANTATRA TSARA MIHITSY NY HETSIKA ATAONY
4. Moa ve ireo fiangonana protestanta izay mampitandrina
ny Alahady mahafantatra ny loza mianjady aminy? Matio 15 : 7-9 ; Kolosiana 2
: 8.
« Ny fampiharana ny lalàna momba ny alahady ankehitriny dia mizotra
makany amin’ny aizin-kitroka. Ny tompon’ Andraikitra isan-tsokajiny dia
manakona ny tena olana marina, ary maro amin’izy ireo no tsy tonga saina ny
amin’ny fiafarany izay izorany mangingina… miasa am-pahajambana izy ireo. Tsy
hitany fa raha ny fitondram-panjakana iray manao sorona ny amin’ny fanaovana
ireo firenena ho malalaka sy mahaleon-tena , ary hampidiriny ao anatin’ny
lalàm-panorenana izay feno fahadisoana sy fitaka ataon’ny Papa. Hiverina hijoboka
ao anatin’ny fahadisoana ny Romana dia ny fahamaizinana. (The Review and Herald, 11
décembre 1888.) » – Les évènements des derniers jours, pp. 129,
130.
« Isika amin’ izao
fotoana izao dia ao akatoky ny vanim-potoana lehibe sy miezinezina. Ho tanteraka haingana ny faminaniana. Eo am-baravarana ny Tompo. Hiditra amin’ny
vanim-potoana lehibe andrasan’ny zava-mananaina rehetra. Ny tolona natao tamin’ny
lasa dia hihavao indray, hisy fifanandrinana vaovao hipoitra. Hisy
tranga-javatra hiseho izay tsy mbola
ren’ny sofina hitranga. Hampiasa olona Satana hanatontosany ny asany. Ireo izay
miezaka ny hanova ny lalàm-panjakana sy ireo mapanangana ny lalàna manery ny
olona hitandrina ny Alahady dia hahalala kely ny vokatry ny asa ataony . Mizotra mankany amin’ny fotoan-tsarotra isika. Témoignages pour l’Eglise, vol. 2,
p. 409.
RESEO
NY FAHALAINANA
5. Inona no andraikitr’ireo zanak’Andriamanitra? Ezekiela 33 : 7-9.
« Ny fahefana izay ananantsika dia adidintsika no mampiasa
izay eo am-pelatantsika ho entina manohitra ny ratsy izay hamotraka antsika. Tsy maintsy hampahalalantsika ny andro marina amintsika mba handresena sy
hanjerana fiheveran-diso. Tokony hanazava sy hamelabelatra eo imason’ny olona
ny fanontaniana araka izay fipetrany fa ho fitaovana mahomby mba ahafahana
manohitra izay rehetra mety hanosihosy ny fahalalahan’ny fisainana. Tsy maintsy
fantarintsika ny Soratra Masina mba ahafahana milaza ny anton’ny finoantsika.
Hoy ny mpaminany: “fa ny ratsy fanahy kosa
mbola hanao ratsy ihany, ary tsy hisy amin'ny ratsy fanahy hahafantatra, fa ny
hendry no hahafantatra Daniel 12:10. » – Témoignages
pour l’Eglise, vol. 2, p.
181.
« Tsy
afaka manatanteraka na manaraka ny sitrapony isika raha tsy arahana asa, mba
hiarovana ny fahalalanana amin’ny fisainana. Tsy maintsy mampiakatra vavaka amin-kafanam-po
sy mahery vaika sy mandaitra any an-danitra isika mba hanosehana ny asa
ratsin’i Satana, mandram-pahatongan’ny fahatanterahan’ilay asan’Andriamanitra
izay notsinotsiniavina hatry ny ela. Hanandratra vavaka avo dia avo isika ary
hivavaka arahan’asa. . » – Témoignages pour l’Eglise, vol. 2, p. 375.
TSY HO ELA INTSONY DIA HAMPIHARINA NY DIDIN’NY ALAHADY
6. Rahoviana ny fiangonana protestanta no hanatsotra ny
tànany amin’ny fahefana papaly ? Apokalypsy 13 : 16, 17.
« Rehefa
nolavin’ ny Amerikiana ny satan’ny governemanta mba hanamboarana ny lalàna
momba ny Alahady, ny protestantisma hanao fiaraha-miasa amin’ny Papa; …» – Témoignages
pour l’Eglise,vol. 2, p.
373.
« Hapetraky ny
protestanta amin’ny papa ny fanohanany sy ny fahefany mikasika ny lalàna momba
ny Alahady. Amin’ny alalan’ny famoahana didy aman-dalàna no nametrahany ny
sabata tsy izy, ary hataony lalàna velona sy manankery ilay finoana ao amin’ ny
fivavahana Romana, ary hampamerina indray ny fitondrana tsy refesi-mandidy sy
ny hery famoretana ny fisainana. Noho izany, ho avy ny fotoana hampisehoan’
Andriamanitra ny heriny mba hiarovana ny fahamarinana.
. » – Maranatha, p. 177.
« Tsy ho
ela , hodidiana hapetraka ny lalàna
momba ny Alahady ary ireo olona mpomba izany dia hanaiki-dela eo anatrehan’
ireo mpino vitsy an’ isa mpiharo ny lalàn’ Andriamanitra. . (Manuscript Releases 4:278
[1909]). » – Evènements des derniers jours, p. 133.
MANOHANA NY FOTO-KEVINY
7. Inona ny foto-kevitra tazomina mafy mba hampiharana ny
lalànan’ny Alahady ? Estera 3 : 8-10.
« Ry zareo indrindra
anefa no nihambo fa ny fihanaky ny faharatsian-toetra haingana dia haingana dia
azo lazaina fa avy amin’ny tsy fanamasinana ilay atao hoe « Sabata
Kristiana » ny ankamaoroany, ary ny fanamafisana ny fitandremanareo ny
Alahady dia hanatsara bebe kokoa ny fitondrantenan’ny olona eo amin’ny
fiaraha-monina. Antitranterina manokana io filazana io any Amerika izay toerana
nitoriana be indrindra ny fampianarana momba ny tena Sabata. Any amin’io tany
io dia matetika no mifanindran-dalana amin’ny asa momba ny fahalalana onony
izay anisan’ny fanavaozana ara-pitondrantena misongadina sy mavesa-danja
indrindra ny fihetsiketsehana momba ny Alahady. Ary ireo manohana an’ ity
fihetsehana voalazana farany ity dia miseho ho miasa ho amin’ny tombon-tsoa ambony
indrindra ho an’ny tany ama-monina ; ary izay mandà tsy hiray aminy dia
ampangainy ho fahavalon’ny fahalalana onony sy ny fanavaozana ara-pitondratena.
» – Hery Mifanandrina pp. 612.
8. Inona no ho ataon’ny vahoakan’Andriamanitra eo
anatrehan’ny toe-javatra toy izany ? Ary inona no hitranga eo anatrehan’ny
toe-javatra sarotra toy izany? Estera 4 : 15-17 ; 9 : 1, 2.
« Ny
fanenjehana nihatra tamin’ny zanak’ Isiraely tamin’ny andron’ i Estera dia tsy
dia niavaka loatra tamin’izany fotoana izany…. Ny fanahy nanosika ny olona
fahiny hanenjika ny olona marina dia hitondra ireo olona mahatoky ankehitriny
amin’ny fomba mitovy nihatra tamin’ireo fihetsika tany aloha. »
« Hisy didy tahaka ilay nataon’i Ahasoerosy momba ny Jiosy havoaka
hamelezana ny vahoakan’Andriamanitra . Amin’izao androntsika izao , dia
mihevitra ilay vahoaka vitsy an’isa mitandrina ny didy fahaefatra ho tahaka
an’i Mordekay teo am-bavahadin’ny mpanjaka ireo fahavalon’ny Fiangonana marina
. Ny fanajana ny lalàna asehon’ny zanak’Andriamanitra no toy ny faniniana tsy
mitsahatra atao amin’ireo rehetra niala tamin’ny fahatahorana an’Andriamanitra
, ka manitsakitsaka ny Sabatany masina . Mpaminany sy Mpanjaka , pp. 493.
Mba
ho saintsainina lalina
Matio 5 : 17-19 ; 2 Tesaloniana 2 : 3-10, 15-17 ;
Apokalypsy 17 : 3-6.
« Mba
ahazoana antoka ny laza sy fahefana, ny mpanao lalàna dia hanaiky ny
fangatahana ny Alahady ho fivavahana. Ireo matahotra an’ Andrimanitra dia tsy
afaka manaiky ny zavatra apetraka ka manosihosy ny lalàn’ny didy folo. Ary eo
amin’io sahan’ ady io no hiseho ny ady lehibe farany, ady eo amin’ny marina sy
diso. Tsy misy fisalasalana ny mikasika io fipoiran’ io ady io, tahaka ny
fotoan’ny Mordekay, Andriamanitra dia hamaly faty ny fahamarinany sy ny
vahoakany. – Témoignages pour l’Eglise, vol. 2, p. 179.
« Holazaina fa
fikomiana ny fankatoavana ny tenin’ Andriamanitra ho fanarahana ny feon’ny
fieritreretany. Hohajambain’i Satana ny ray aman-dreny ka ho sarotiny sy ho
henjena amin’ny zanany izay mino ; ny mpampiasa lahy na vavy dia hampahory
ny mpiasany izay mitandrina ny didy. Ho levona ny fitiavana, tsy havela handova
ny zanaka ary horoahina tsy ho ao an-tokantrano. » – Hery Mifanandrina, p. 633, 634.
Tena TSY hitako hoe "iza" no "manenjika" anareo ao izao.. T@ fotoan'andron'ireo soratra tao @ Baiboly ireo angaha no nisy "nanenjika" ny Kristiana, fa izao kosany tena TSISY manenjika anareo izany eo.
RépondreSupprimerMody volivolenanareo hoe misy "manenjika" ianareo, ary dia ho "martiora" ny olona tianareo sintomina (na fandrihana), fa raha ny marina sy zava-misy dia tena TSISY manenjika anareo izany eo re e...
Ny marina azany dia ianareo no "manenjika" ary manangam-pahavalo @ izay tsy mitovy hevitra (na finoana) aminareo.