lundi 21 juillet 2014

NY TOMBO-KASEN'AVOINDRINDRA SY NY MARIKY NY BIBI-DIA



Ny famantarana na ny tombokasen’Andrimanitra dia hita ao amin’ny fitandremana ny sabata, naorina ho fahatsiarovana ny famorononana tamin’ny andro fahafito amin’ny herinandro. Niresaka tamin’i Mosesy Jehovah ka niteny hoe : ‘Ary dia milaza amin’ny zanak’israely hianao hoe : Ny sabatako no tandremo ; fa famantarana ho amiko sy ho aminareo hatramin’ny taranakareo fara mandimby izany ; mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Izay manamasina anareo.’ Eksodosy 31 : 12-13. Eto ny sabata dia manondro mazava tsara fa famantarana eo amin’Andriamanitra sy ny olony. »
«Ny mariky ny bibi-dia kosa mifanohitra amin’izany dia ny fitandremana ny andro voalohany amin’ny herinandro. Io marika io dia manavaka ireo manaiky ny fahambonian’ny fanjakana papaly amin’ireo manaiky ny baikon’ Andriamanitra. »Témoignages pour l’Eglise, vol. 3, pp. 273, 274.

VOAISY TOMBOKASE AMIN’NY ALALAN’NY FANAHY MASINA

1. Inona no andraikitra sahanin’ny Fanahy Masina ao anatin’ny asa fanombohan-kase ny olona ? Efesiana 1 : 13 ; 4 : 30.
 
«Ny hery ambon’ny Fanahy Masina dia mananteraka fiovana tanteraka ny toetran’ny olombelona ka manao azy ho voary vaovao ao amin’I Jesosy Kristy. Rehefa feno ny Fanahy ny olona dia voazaha sy voadinika mafimafy kokoa izy, ary mazava tsara no anehoany fa solontenan’I Kristy izy. Ny fiadanana mitoetra ao amin’ny fanahy dia hita eo amin’ny endrika. Ny teny sy ny fihetsika dia maneho ny fitiavan’Ilay Mpamonjy. Tsy misy ezaka ataon’izy ireo mba hanatratra ny toerana ambony fa mandà ny izaho izy ireo. Ny anaran’I Jesosy dia voasoratra amin’izay tenenina sy atao rehetra …»
« Rehefa tratran’ny vahoakan’Andriamanitra izany tanjona izany, dia ho voatomoboka eo amin’ny handriny izy. Feno ny Fanahy, dia feno izy ao amin’I Kristy, ary ny anjely izy mandray an-tsoratra hanambara hoe : ‘Tanteraka ny zavatra rehetra!’ (RH 10/06/1902) » Commentaires bibliques, p. 322.

2 Midika inona ny hoe nasian’Andriamanitra tombokase? Moa ve fitomboka na marika hita avy ety ivelany izany ? Ezekiela 9 : 3, 4 ; Hebreo 8 : 10 ; 10 : 16.

« Vantany vao voamarika eo amin’ny handrin’ny mambra ao amin’ny vahoakan ’Andriamanitra _ tsy fitomboka na marika hita maso izany ; fa fampiharana ny fahamarinana isan’andro, amin’ny lafiny ara-tsaina sy ara-panahy, amin’ny fomba toy ny hoe tsy afaka mihataka amin’izany intsony_ vao voatomboka sy voaomana ho amin’ny fikororoana ny vahoakan’Andriamanitra dia ho avy izy. Ary efa nanomboka io toe-javatra io. » – (The S.D.A. Bible Commentary 4:1161 [1902]) Les événements des derniers jours, pp. 221, 222.
«Inona ilay tombokase an’Andriamanitra velona izay hapetaka eo amin’ny handrin’ny vahoakany ? Marika izay afaka ny ho vakian’ny anjely izany, fa tsy ny mason’ny olombelona satria ilay anjely mandrava dia tsy maintsy mahita io marikin’ny famonjena io.  Ny fanahy maranitra dia nahita ilay marika teo amin’ny hazo fijalian’ny Kalvary eo amin’ny zanaka lahy sy zanaka vavy izay natsangan’Andriamanitra. Ny fahotana izay mandika ny lalàn’Andrimanaitra dia hofoanana. Mitondra ny akanjo fampakaram-bady izy, ary mankatoa sy mahatoky ireo didin’Andriamanitra (Lettre 126, 1898). » – Commentaires bibliques, p. 397.

NY TOMBOKASE AO AMIN’NY LALÀN’ANDRIAMANITRA

3. Inona no andro hajaina ho masina ho an’ireo izay mandray ny tombokasen’Andriamanitra eo amin’ny handriny ? Eksodosy 31 : 13, 16, 17 ; Ezekiela 20 : 12, 20.

 «Hisy marika hapetaka eo amin’ny zanak’Andriamanitra azo antoka izany tahaka ny marika natao tamin’ny tolanam-baravaran’ny fianakaviana hebreo mba hanafaka anio vahoaka io amin’ny faharavana tanteraka. (RH 6/02/1900) » – Commentaires bibliques, p. 397.
« … Ny tombokasen’Andriamanitra velona dia hapetaka amin’ireo izay mitandrina am-piheverana tsara ny sabatan’I Tsitoha. (RH 13/07/1897) » – Commentaires bibliques, p. 408.
«Ny didy faha efatra ihany no mitondra ny tombokasen’Andriamanitra lehibe, Ilay namorona ny tany sy ny lanitra. Ireo mpitandrina io lalàna io dia afaka ny mitaky ny anarany sy mifaly ny amin’ny fitahiana rehetra mirotsaka avy Aminy. »Témoignages pour l’Eglise, vol. 3, p. 17.
«Ny fanajana ny andro fahatsiarovan’ny  Tompo, ny sabata naorina tany Edena, ny sabatan’ ny andro fahafito dia fitsapana ny fahatokiantsika an’ Andriamanitra. » – (Lettre 94, 1900.) Les événements des derniers jours, p. 222.

NY TOETRAN’I KRISTY

4. Inona no toetra tsy maintsy ananana mba hahatonga ny olona iray afaka handray ny tombokasen’Andriamanitra, ary ahoana ny fitondran-tenany ankehitriny? Salamo  51 : 9, 12 ; Filipiana 2 : 15 ; 1 Petera 1 : 14, 15.
 
« … Nahita aho fa misy olona maro tsy tonga saina ny amin’ny tokony ataony mba ahafahany maharitra eo anatrehan’ny Tompo tsy misy mpanelanelana mandritra ny fotoan-tsarotra. Ireo izay mandray ny tombokasen’ Andriamanitra velona, ka ho voaaro mandritra io fotoam-pahoriana io dia tsy maintsy maneho tanteraka ny endrik’ I Kristy. »Maranatha, p. 41.
 «Ireo izay naharesy izao tontolo izao, ny nofo sy satana; ireo no handrafitra izay voafidy hitondra ny tombokasen’Andriamanitra velona eo amin’ny andrina» – (Testimonies to Ministers and Gospel Workers, p. 445 [1886]) Les événements des derniers jours, p. 223.
«Izao no fotoana hiomanana. Tsy apetaka na oviana na oviana eo amin’ny andrina maloto ny tomobokasen’Andriamanitra. Tsy apetaka na oviana na oviana eo amin’ny andrin’ny mpanao andolom-po, izay tia izao tontolo izao. Tsy apetaka na oviana na oviana eo amin’ny andrin’ny lehilahy sy vehivavy manana lela mandainga sy fo mamitaka. Ireo rehetra mandray azy dia tsy maintsy tsy misy pentina eo anatrehan’Andrimanitra_ mpirotsaka hofidiana ho any lanitra» Témoignages pour l’Eglise, vol. 2, p. 79.

MANDRAY NY MARIKY NY BIBIDIA

5. Iza no sahy nanova ny lalàn’Andriamanitra? Daniela 7 : 25 ; Apokalypsy 13 : 5. Iza no fikambanam-pivavahana voalazan’ny Fanahin’ny faminaniana fa fototra nipoiran’ny mariky ny bibidia ?
 
«Ny famantarana na ny tombokasen’Andriamanitra dia ao amin’ny fitandremana ny sabata, naorina ho fahatsiarovana ny famoronana, andro fahafito amin’ny herinandro
«Ny mariky ny bibi-dia kosa mifanohitra amin’izany dia ny fitandremana ny andro voalohany amin’ny herinandro. Io marika dia manavaka ireo izay manaiky ny fahefana papaly amin’ireo manaiky ny fahefan’ Andrimanitra. »Témoignages pour l’Eglise, vol. 3, pp. 273, 274.
«Rehefa tonga ny fizahan-toetra, ny mariky ny bibi-dia dia hiseho mazava tsara: ny fitandremana ny alahady izany. Ireo izay avy nahare ny fahamarinana dia hanohy handray io andro io ho masina, ireo izay mitandrina ny alahady dia mitondra ny sonian’ilay lehilahin’ota izay misaina hanova ny fotoana sy ny lalàna (Lettre 12, 1900.) »Commentaires bibliques, pp. 408, 409.

6. Inona ny fitsapana mafy indrindra izay hihatra amin’ny vahokan’Andriamanitra ? Apokalypsy 13 : 15-17.
 
«Raha mandà ny hanitsakitsaka ny didin’Andriamanitra ny olona, dia hipoitra ny fanahin’ilay Dragona. Halefa an-trano maizina izy ireo,ho entina any amin’ny fitsarana sy voaheloka handoa sazy. …
«Misy fahasamihafana mazava tsara mihitsy amin’ireo manana ny tombokasen’Andriamanitra sy ireo miankohoka amin’ny bibi-dia sy ny sariny. Ireo mpanompo mahatokin’Andriamanitra dia hiaran’ny fanenjehana mahatsiravana ataon’ireo mpampianatra sandoka izay tsy miraharaha ny Tenin’Andriamanitra, ka hoasiany vato misakana eo amin’ny làlan’ireo izay maniry handre ny Tenin’Andriamanitra. Fa ny vahoakan’Andriamanitra dia tsy tokony hataotra. Tsy afaka mihotran’ ny fefy satana. Hiaro ny vahoakany Andriamanitra.”. »Maranatha, p. 189.

NY FIATOMBOHAN’NY FANENJEHANA

7. Inona no ho eken’ireo izay milefitra eo ambany didin’olombelona? Rahoviana no ho raisin any mariky ny bibidia ? Apokalypsy 13 : 16.
 
 «Rehefa lavin’ny olombelona ny fampianarana izay hambaran’Andriamanitra fa mariky ny fahefany, ka ho solon’izany dia hankasitraka izay nofidian’ny Roma ho mariky ny fahalebiazany izy; amin’ izany fomba izany izy ireo dia hanaiky ny hilefitra amban’ny Roma : “ny mariky ny bibi-dia”. Ary rehefa avy  naneho mazava tsara ny fanontaniana tamin’ny olona; rehefa voantso izy ireo ny hifidy na ny lalàn’Andriamanitra na ny lalàn’olombelona; izay vao ireo naharitra tamin’ny fahotany no ahazo ny ‘marikin’ny bibi-dia’.’ » – Le grand conflit, p. 451.
«Tsy mbola nisy olona nandray ny marikin’ny bibi-dia.Ny fotoan’ny fizahan-toetra dia tsy mbola tonga. Misy kristiana tsy manam-paharoa any amin’ny fiangonana rehetra, ao anatin’izany ny fiangonana katolika romana. Tsy misy olona voaheloka raha tsy efa mazava tsara  aminy ny fahamarinana sy mbola tsy azony tsara ny didy faha efatra. Fa rehefa atao ny fanambarana manery ny solon’anaran’ny sabata, sy rehefa ilay antso lehiben’ilay anjely fahatelo mampitandrina ny olona amin’ny fiankohofana amin’ny bibi-dia sy ny sariny, ilay tsipika manasaraka dia ho hita mazava tsara eo anelanelan’ny diso sy ny marina. Manomboka eo ireo izay mizirizizy amin’ny fandikan-dalàna dia handray ny marikin’ny bibi-dia. »Evangéliser, pp. 214, 215.

8. Aiza no afaka hahitan’ny olona fialofana mba afahana mijoro ho mahatoky ho amin’ilay ady lehibe ho avy ? Ohabolana 18 : 10 ; 1 Petera 2 : 6.
 
«Jesosy dia nahazo ny fandresena tamin’ny fanekena sy ny finoana an’Andriamanitra, ary hambaran’ny amintsika tamin’ny alalan’ny apostoly : «  ka dia maneke an’ Andriamanitra hianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. Manatonà an’Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy…’ Jakoba 4: 7,8. Tsy afaka ny hiala amin’ny alalan’ny tenantsika irery ihany amin’ny herin’ny mpaka fanahy isika. Resiny ny olombelona, ka raha miezaka ny hiaro tena amin’ny alalan’ny tenantsika irery ihany isika dia ho tonga hazany amin’ny fisehoany ivelany isika; ‘fa ny anaran’I Jehovah dia tilikambo mafy; ny marina miezaka ho ao aminy ka voavonjy’ Ohabolana 18 : 10. »Jésus-Christ, p. 112.
Fa ny olo-masin’Andriamanitra dia tsy handray io marika io. Ny mpaminany avy any Patmosy dia nahita ireo izay nahazo ny fandresena tamin’ilay bibi-dia sy ny sariny, ny marika, ny isan’ny anarany, nitsangana teo amin’ny rano masina fitaratra, nitana ny lokanga an’Andriamanitra ary nihira ny fihiran’I Mosesy sy ny Zanak’ondry. »Christ Triumphant, p. 366.

Mba ho saintsainina lalina

Apokalypsy 3 : 18.

«Ny fanovana ny sabata no famantarana ny fahefan’ny Eglisy Romana. Ireo izay mahalala ny fahamarinan’ny didy faha efatra nefa mifidy ny hitandrina ilay sabata diso toy izay ilay tena marina, dia manome voninahitra an’ilay hery izay namorona azy. Ny marikin’ny bibidia dia ilay sabata papaly, izay neken’ny olona ho solon’ny andro izay notendren’Andriamanitra. »Evangéliser, p. 214.
«Fizahan-toetra mahatsiravina no miandry ny vahoakan’Andrimanitra. Ny fanahy tia ady dia manainga ny mponina rehetra eran’ny vazan-tany. Fa amin’io androm-pahoriana ho avy io _ fahoriana izay tsy mbola nisy tahaka azy teto an-tany_ ny vahoaka voafidin’ Andrimanitra dia tsy ho voahozongozona. Mitoetra eo ambanin’ny fiaraovan’ireo anjely mahery, dia ho voaaro amin’ny fomba fandravana hoentin’I satana sy ny anjeliny. . » – (Lettre 119, 1904.) Messages choisis, vol. 2, p. 63.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire