vendredi 18 juillet 2014

ILAY BIBI-DIA NIAKATRA AVY TAMIN'NY TANY



« Aoka ny Zanak’ Andriamanitra mpitandrina ny lalàna, tsy hijanona am-pahanginana fotsiny ankehitriny toy ny hoe isika dia tokony hifanaraka amin’ny toe-javatra miseho. Ny zavatra miandry antsika dia ady mitohy izay mety hampidi-doza antsika, amin’ny fanagadrana, fahaverezam-pananana, eny fa na dia ny aintsika mihitsy aza mba ho fiarovana ny lalàn’ Andriamanitra izay efa eo andàlan-panafoanana amin’ny alalan’ny lalàn’ olombelona » – (Review and Herald, 1er janvier 1889) Commentaires bibliques, p. 403

I ETAZONIAN’I AMERIKA AO AMIN’NY FAMINANIANA

1. Ahoana no nidiran’I Etazonian’I Amerikatao anatin’ny sehatry ny faminaniana? Apokalypsy 13 : 11a.
 
«Fa ilay bibidia nanan-tandroka tahaka ny an’ny zanak’ondry koa dia « niakatra avy tamin’ny tany. Tsy mba nandresy fahefana hafa mba hiorenan io firenena aseho toy izany io, fa tsy maintsy mipoitra avy amin’ny faritany tsy nisy mponina teo aloha ary nitombo niandala sy tamim-pihadanana…» Hery Mifanandrina, p. 454.
« Teo amin’ny taona 1776, ireo zanantany nivondrona tao Amerika avaratra dia nanambara ho firenena afaka sy mahaleo tena, dia toy ny fialonana nisokatra ho an’ireo firenena rehetra nampahoriana. « nefa ny tany namonjy an-dravehivavy » Apokalypsy 12 : 16. »

« Iza no firenena tany amin’ny kontinenta vaovao (Amerika) izay nisandatra ho amin’ny hery tamin’ny taona 1798, ka nampanantena hery sy fahalehibiazana ary nahasarika ny fijerin’ izao tontolo izao ? Tsy mety misy ady hevitra ny fampiharana ny tandidona. Firenena iray dia iray ihany no mahafeno ny fepetra lazain’io faminaniana io ; tsy misy isalasalana fa manondro ny Etazonia any Amerika izany. Imbetsaka ireo mpandaha-teny na mpanoratra tantara no nindrana tsy nahy ny fisaina sy saiky ny fomba fiteny mihitsy nampiasain’ny mpanoratra masina, raha nilaza ny amin’ny nipoiran’ ity firenena ity sy ny nisandratany izy ireny. Ilay bibidia dia hita fa niakatra avy tamin’ny tany », ary araka ny hevitry ry zareo mpandika teny,   ny teny « miakatra » dia « mitsiry na mipoitra tahaka ny zava-maniry » no dikany ara-bakiteny. Ary araka ny hitantsika dia tsy maintsy mitsangana avy amin’ny faritany tsy mbola nisy mponina izany … » Hery Mifanandrina, p. 454.

2. Inona no hevitra fonosin’ireo tandroka teo amin’ny lohan’ilay bibidia? Apokalypsy 13 : 11, eo ampovoany.

« Ary nanana tandroka roa tahaka ny an’ny Zanak’ondry izy ». Ny tandroka tahaka ny an’ny zanak’ondry dia nilaza fahatanorana, tsy fananan-tsiny, sy  halem-panahy, izay tena mampiseho ny toetran’ i Etazonia fony izy nasehon’ny mpaminany ho «  niakatra » tamin’ny taona 1798. Tamin’ireo kristiana nifindra fonenana izay nandositra voalohanay ho any Amerika ka nitady fialokalofana tsy ho tratry ny fanjakazakan’ny mpanjaka sy ny fandeferan’ny Prêtra dia maro ny tapa-kevitra fa hanangana fanjakana eo amin’ny fototra malalaky ny fahafahana maha vohoaka afaka sy ara-pivavahana … »Hery Mifanandrina, p. 456.
« Etazonia dia firenena teo ambany fiarovan’ny fahefana jadona?.  Nanao zavatra lehibe ho an’io firenena io Andriamanitra, kanefa moa ny olombelona tamin’ny alalan’ny fandikany ny lalàny no nanatanteraka asa izay fototry ny fahotana. Satana ankehitriny dia eo an-dalana amin’ny fitarihana amin’ ny fikasany ny hampiditra fanalam-baraka ny fianakavian’ny taranak’olombelana amin’ ny famitahana.  (MS 17, 1906). » – Commentaires bibliques, p. 403.

3. Inona no tena nandrasan’ireo izay nenjehina fahiny fatratra? Jaona 8 : 36 ; 1 Korintiana 7 : 21b. Inona no fitsipika nanjaka tamin’ilay fahefana vaovao? 2 Korintiana 3 : 17.

  
« Ary ny lalàm-panorenana dia miantoka ny fananan’ny vahoka zo hitondra ny tenany ka manome azy ny hifidy solon-tena amin’ny alalan’ny latsa-baton’ ny besinimaro izay hanao lalàna sy hampihatra izany.’ (Martyn vol. V, p. 354.) … Nomena azy koa ny fahafahana ara-pivavahana, ka nahazo nanompo an’ Andriamanitra araka ny feon’ny fieritreretany ny olona tsirairay. Ny fitondrana Repoblikana sy ny fivavahana Protestanta no nanjary fototra niorenan’ny firenena. Ireo foto-kevitra ireo no tsiambaratelon’ny heriny sy ny firoboroboany. Ireo rehetra nampahoriana sy nohosihosena nanerana ny fanjakana kristiana dia nitodika ho amin’io tany io ka velombolo sy feno fantenana. An-tapitrisany no nikatsaka ny morony ary I Etazonia dia nisandratra ho anisan’ireo firenena mahery indrindra eto an-tany »Hery Mifanandrina, p. 456.

ILAY FAHEFANA IZAY NIOVA

4. Inona no fiovana hitan’i Jaona mpaminany tamin’io fahefana io rehefa nandeha ny fotoana? Apokalypsy 13 : 11b, 12. Mba hanampiany ilay bibidia voalohany, inona no tsy maintsy hovain’i Etazonia?
 
 « Ny tandroka tahaka ny an’ny zanak’ondry sy ny feon’ny dragona ao amin’ny tandindona dia manondro fifanoherana manaitra eo amin’ny zavatra lazaina sy ny zavatra ataon’ny firenena aseho amin’izany. Ny « fitenenan’ny firenena dia ny asa ataon’ireo fahefana manao lalàna sy mitsara ao aminy. Amin’izany asa izany no hampandaingana ireo foto-kevitra mitory fahafahana sy fiadanana izay asehony ho fanorenan’ny politikany izy. Ny fanambarana mialoha izay milaza fa «  Hiteny tahaka ny dragona” izy ka “ hampiasa ny fahefana rehetra nananan’ilay bibidia voalohany » dia milaza mazava fa hihamahazo vahana ny toe-tsaina tsy mandefitra sy mpanenjika izay nahariharin’ ireo firenena naseho tamin’ny dragona sy ilay bibidia tahaka ny leoparda. Ary ny filazana fa ilay bibidia dia nanana tandroka roa dia ahatonga “ ny tany ambamin’izay monina eo hiankohoka eo anoloan’ireo bibidia voalohany” dia manambara fa ny fahefana ao amin’ireo firenena io dia ampiasainy hoentin-manamafy fombam-pivavahana izay midika ho fanekena ny fahefana papaly »



« Avy amin’ izany no hifanoherana amin’ny fototra iorenan’ny mpitondra fanjakana sy ny fifanoherana eo amin’ireo mpitondra rafi-panjakana, tahaka izany ihany koa ny filazana amin’ny fomba manetriketrina ny fanambarana ny fahaleovan-tena sy ny lalàm-panorenana. Ahafahana misoroka ny tsy fifandeferana sy ny fanenjehana, ireo mpanorina ny firenena dia niambina mba tsy horombahan’ny fahefan’ olon-tsotra. » Hery Mifanandrina, p.457.

5. Inona ny fahagagana lehibe ho ataon’io biby io eo ambany fifehezan’i satana? Apokalypsy 13 : 13 ; Matio 7 : 21-23.
 
Raha raisina ireo vahoaka manana fivavahana ara-kevitra fotsiny, ny Fanahin’ny faminaniana dia niteny hoe: ireo izay manompo an’ Kristy ivelambelany fotsiny, fa kosa tsy fantatr’ilay Mpitarika azy. Afaka milaza izy ireo: «  Tompoko, Tompo, afaka asehoany ireo marary izay notsaboiny sy ireo asa mampitolagaga, ary mihambo ho nandray betsaka ny fanahy sy ny herin’ Andriamanitra noho ireo mitandrina (mitazona) ny lalàna ; kanefa ny asan’izy ireo dia nataony teo ambany fanara-mason’ny fitondran’ny fahavalon’ny fahamarinana, izay famitaham-panahy no tanjony, ary ny tanjon’ izy ireo dia ny hampisaraka ny fankatoavana ny fahamarinana sy ny adidy. Ho avy tsy ho ela , dia mbola misy ny fihesoan’ ny fahefana izay manao fahagagana, fa voasoratra hoe : « nanao fahagagana hatramin’ny nampiditra afo avy avy an-danitra ho eto an-tany ary eo anatrehan’ ny olona (ST 26/2/1885). » – Commentaires bibliques, p. 404.

AHOANA NY FOMBA HIFORONAN’ILAY SARIN’NY BIBIDIA?

6. Inona moa ilay sarin’i bibidia ? Ahoana ny fomba hipoirany? Apokalypsy 13 : 14.
 
« Inona anefa ny « sarin’ny bibi-dia » ary fomba ahoana no anaovana izany ? Ny sary dia ataon’ilay bibidia manana tandroka roa, ary sary ho an’ny bibi-dia izany. Voalaza koa fa sarin’ny bibi-dia izany. Noho izany mba hahafantarana ny hoe toy inona ilay sary ary ahoana no anaovana izany dia tsy maintsy mandinika ireo toetoetry ny bibi-dia isika – dia ny fahefana papaly izany »

« Rehefa voaloto ny fiangonana voalohany noho ny nialany tamin’ny fahadiovan’ny filazantsara sy noho ny nanekeny ireo fomba amam-panao jentilisa, dia veriny ny Fanahy sy ny herin’ Andriamanitra; ary mba hahazoany mifehy ny feon’ny fieritreretan’ny vahoaka dia nitady tohana avy tamin’ny fahefana ara-politika izy. Ny vokatr’izany dia ny fahefana papaly, ny fiangonana izay mifehy ny fahefan-panjakana ary nampiasa izany ho fanatanterahana ny zava-kendreny, indrindra tamin’ny famaizana ny “herezia”. Mba hanaovan’i Etazonia sary ho an’ny bibi-dia, dia tsy maintsy mifehy ny fitondram-panjakany ny fahefana ara-pivavahana ary hampiasain’ny fiangonana koa ny fahefam-panjakana mba hahatanteraka ny fikasany. »Hery Mifanandrina, p. 455, 456.

7. Inona no hitranga amin’ireo karazam_piangonana manaraka ny fampianaran’ny bibidia sy ny sariny ? Manao ahoana ny hery miasa mangina amin’ny fifangaroan’ny Fiangonana amin’ny fitondram-panjakana, ho voafehy ve izany ? Salamo 2 : 1-4.
 
« … Nefa efa taona maro izao no nisian’ny fihetseham-po mafy sy nitombo hatrany tao amin’ny fiangonana mitana ny finoana Protestanta izay maniry firaisana miorina eo ambonin’ireo fampianarana iraisana. Mba hampijoroana ny firaisana toy izany, dia tsy maintsy avela ny adi-hevitra momba ny lohateny tsy ifanarahan’ny rehetra – na zava-dehibe toy inona ara-Baiboly aza izany . »

« Rehefa ireo fiangonana lohandoany any Etazonia, izay miray noho ny amin’ny foto-pinoana iarahan’ izy rehetra manaiky, no hiasa mangina amin’ny fanjakana mba hanamafy ny lalàna ataony sy hanohana ny asa natsangany, amin’izay dia ho nanao sarin’ny ambaratongam-pahefana Romana i Amerika Protestanta ka ny fampiharana sary ataon’ny fanjakana amin’ireo izay nisaraka aminy no vokatr’izany tsy azo sakanana. »Hery Mifanandrina, pp. 458, 459.

8. Inona no hitranga amin’ireo vahoakan’Andriamanitra aoriana kely ao, ary inona no tsy maintsy andrasany ho tonga ? 1 Petera 1 : 7 ; Apokalypsy 14 : 12, 13.
 
« Nasehon’ny Tompo tamiko mazava tsara fa ny sarin’ny bibi-dia dia hipoitra mialoha ny fiafaran’ny taon-pahasoavana, satria izy no hanambatra ilay fitsapana lehibe ho an’ny vahoak’ Andriamanitra, ary amin’izany no fomba hamaritana izay ho anjaran’ny tsirairay …

« Tsy maintsy hifanandrina amin’ny fitsapana ny zanak’ Andriamanitra mialoha ny hametahana azy ireo ny tombon-kase. Ireo rehetra izay hanaporofo ny fankatoavany am-pahitsiham-po aman-tsaina an’ Andriamanitra amin’ny fitandremeny ny lalàny, sy ny handavany ny hanaiky ny andro fitsaharana diso, dia hilatsaka ho miaramila eo ambany fanevan’ Ilay Jehovah Andriamanitra Tompo ka handray ny tombo-kasen’ Andriamanitra velona. Fa ireo rehetra izay mandao ny fahamarinana fototra avy any an-danitra ka hanaiky ny Alahady ho andro fitsaharana, no handray ny mariky ny bibi-dia (Lettre11, 1890). »Commentaires bibliques, p. 404.

Mba ho saintsainina lalina

Apokalypsy 14 : 6-13 ; Jakoba 1 : 3, 12 ; Hebreo 11 : 6.



« Amin’ny alalan’ny Anjely voalohany dia antsoina ny olona hatahotra an’ Andriamanitra sy hanome voninahitra Azy ary hiankohoka eo anatrehany amin’ny maha-Mpamorona ny lanitra sy ny tany Azy. Mba anaovana izany, dia tsy maintsy mankato ny lalàny koa ny olona . Hoy ny olon-kendry iray hoe: « Andriamanitra no atahory, ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony ataon’ny olona rehetra » Mpitoriteny 12 : 13. Raha tsy misy fankatoavana ny didiny dia tsy misy fanompoana ankasitrahan’ Andriamanitra. « Fa izao no fitiavana an’ Andriamanitra dia ny hitandremantsika ny didiny » ,«Izay manentsi-tadiny tsy hihaino ny lalàna , na ny fivavahany aza dia fahavetavetana » .’ 1 Jaona 5 : 3 ; Ohabolana 28 : 9. »Hery Mifanandrina, p. 45

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire