Na
dia hampidirin’ny fahavalo any am-ponja aza ireo olon’Andriamanitra mahatoky ,
dia tsy hahasakana ny firaisan’ny fanahiny amin’i Kristy ireo rindrin’ny tranomaizina . Ilay
mahita ny fahalemeny rehetra , Ilay mahafantatra ny fitsapana rehetra , dia
ambonin’ny fahefana rehetra eto an-tany . Ho avy ao amin’ny toerana manirery ao
an-trano maizina ny anjely ; ka hitondra fahazavana sy fiadanana avy any
an-danitra . Ho toy ny lapa ny tranomaizina ; satria mitoetra ao ny manankarena
amin’ny finoana ka hohazavain’ny fahazavana avy any an-danitra ireo rindrina
manjombona . Tahaka ny fony i Paoly sy Silasy nivavaka sy nihira fiderana
tamin’ny mamaton’alina tao amin’ny tranomaizina
. Hery Mifanandrina pp 652 , 653 .
Ireo vokatra faha enina voalohany ateraky ny loza
1.-Inona no hiseho rehefa mandrotsaka ny loza faha enina avy ao
anatin’ny kapoakany ilay anjely ? Apokalypsy 16 : 12 . Inona ilay fahefana
asehon’ny ony Eofrata ?
Inona moa io Ony lehibe Eofrata io
, izay androtsahana an’ilay loza ? Ny olona sasany dia mihevitra fa izy io dia
tena ilay Eofrata marina izay mikoriana ao Azia . Ny olona hafa sasany kosa
mihevitra fa izy io dia sary tandindona maneho an’ilay firenena izay eo amin’ny
faritany andalovan’ny Ony Eofrata dia i Turquie izany . Ity fihevitra farany
ity no toa mendrika kokoa ho fidiana noho ny antony maro , araka ity toko sy
andininy ity : Apokalypsy 16 : 12 . Isika rehetra dia samy manaiky fa ny Ony
Eofrata dia sary maneho ny fahefana Turquie .
Uriah Smith l’Apokalypse p 161 .
2 .-Ao anatin’ity tontolon-kevitra ity , moa ve ny Ony Eofrata tsy
maintsy raisina hoe tena Ony marina ara-bakiteny sa tsy maintsy ho raisina ho
tandin-dona ? Inona no asehon’ireo rano rehefa ampiasaina ara-tandindona io
teny io ? Apokalypsy 17 : 15
Miaraka amin’ireo antony rehetra
izay tsy anekena ny Ony Eofrata ho ara-bakiteny , dia tsy maintsy raisina ho
ara-tandindona io Ony Eofrata io , toy ny sary tandindona maneho an’ilay
fahefana izay manana an’ilay faritany misy ,
tundra-han’io Ony io teo amin’ny
fiantombohan’ilay fahamarinana . Ny rehetra dia miara-manaiky mba hilaza fa io
fahefana io dia manondro an’i Turquie .
Noho izany , dia azontsika atao ny mitady ny fahatanterahan’ireo zavatra
miavaka manokana raiketin’io faminaniana io ao anantin’ireo zavatra izay
mahakasika ny firenena Turquie . Ny Ony Eofrata dia sary maneho ny fahefan’ny
firenena Turquie . Noho izany , ny fahamainan’io Ony io dia ny fihenan’ny
fahefan’i Turquie , ny fihenana tsikelikely an’ireo sisin-taniny . Izany no
tena zavatra izay tena niseho marina .
Nandritra ny taon-jato maro ,ny
faritanin’ny Palestina sy ny faritanin’ny Eofrata dia teo ambany fanapahan’ireo
Governora Silamo, teo ambany fifehe-zan’ny
Turquie . Noho izany dia ara-drariny tsara ny mino fa ny firenena Turquie dia
ho tonga eo amin’ny fiafarany alohan’ny handefasan’ireo mpanjakan’ny tany ny
tafik’izy ireo ho eo amin’io firenena io . Ny fiafaran’i Turquie dia manondro
ny sehatra ho amin’ilay adin’ny Aramagedona
. Uriah Smith l’Apokalypse pp 161 , 164 .
Ireo fanahy ratsy eo ampanaovana ny asany
3 .-Inona ihany koa ireo vondrona hafa izay miasa eo amin’ny sehatr’izao
tontolo izao mandritra ny loza faha enina ?
Apokalypsy 16 : 13
Ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy ao
, i Jaona dia manoratra mikasika an’ilay fitambaran’ireo mponina eto ambonin’ny
tany mba hanafoana ny didin’Andriamanitra . Izy ireo dia manana fikasana
anankiray mitovy , ary manolotra ny heriny
sy ny fahefany rehetra ho an’ilay bibidia . Izy ireo dia hiady amin’ilay
Zanak’Ondrin ‘Andriamanitra , ary ilay Zanak’Ondry haharesy azy , satria Izy
dia tompon’ny Tompo sy Mpanjakan’ny Mpanjaka . Ary ireo voaantso , sy voafidy ,
ary mahatoky miaraka Aminy , dia handresy azy ireo ihany koa . Apokalypsy 17 :
13-14 . Ary nahita aho fa indreo fanahy maloto telo tahaka ny sahona avy
tamin’ny vavan’ilay dragona sy tamin’ny vavan’ilay bibidia ary tamin’ny
vavan’ilay mpaminany sandoka . Selected
Messages vol 3 p 423
4.-Mba hahatanteraka ny fikasan’ireo mpamitaka ,
fanenjehana mahatsiravina manao ahoana sy toy inona no entin’ireo vondrona hafa
ireo manantona ny mpanjakan’ny tany manontolo ? Apokalypsy 16 : 14
Ny fiandohan’ireo fanahy ratsy
ireo dia manambara fa , izy ireo dia hanao hetsika manova zavatra mihintsy eo
anivon’ireo antoko lehibe misahana ny fivavahana eto amin’izao tontolo izao ,
izay voaseho amin’ny alalan’ilay dragona ,ilay bibidia , ary ilay mpaminany
sandoka . Izany hoe : Ny fanompoan-tsampy , ny fivavahana katolika Romanina ary
ny fivavahana Protestanta mpitsipaka ny fivavahana marina . Uriah
Smith l’Apokalypse p 164 .
Hatramin’ny nipoahan’ilay ady lehibe tany an-danitra no efa fikasan’i
Satana ny handrodana ny lalàn’Andriamanitra . Izany no antony nanangany ny
fanevan’ny fikomiana tamin’ny Mpamorona
, ary rehefa voaroaka avy tany an-danitra izy , dia mbola nanohy ny ady tety
an-tany . Ny hamitaka ny olona sy hitarika azy amin’izany handika ny
lalàn’Andriamanita no fenitra tsy miova kendreny ho tratrarina . Na ny fialana
amin’ny lalàna manontolo , na ny fitsipahana ny anankiray amin’ny didy no
ahavitany izany , dia hitovy ny vokany amin’ny farany . Izay “ diso amin’ny
iray loha” dia manamavo ny lalàna manontolo ; ny hery miasa mangina avy aminy
sy ny ohatra omeny dia samy mitory fandikan-dalàna ; “ tonga meloka amin’izy
rehetra izy” . Hery Mifanandrina p 607
5 .-Aiza no mitambatra ireo herin’ny ratsy mba hamita an’ilay asa
fandripahana ataon’izy ireo ? Joela 3 : 2 , 9-12
Ireo herin’ny ratsy dia tsy hiala eo
amin’ny tany misy ny ady raha tsy efa niady izy . Kanefa moa ny
fitondran’Andriamanitra dia handray anjara
amin’io adin’ny Haramagedona io . Rehefa ny tany hazavain’ny
voninahitr’ilay anjelin’ny fahazavana lehibe ,
ireo hery ara- pivavahana , ny tsara sy ny ratsy , dia hifoha amin’ny torimasony , ary ireo
andian-tafik’Ilay Andriamanitra velona dia handray ny andraikiny . Maranatha
p 255
I Jaona dia vavolombelona ihany koa
manambara ireo fisehoan-javatra mahatsiravina izay ho tonga mba ho famantarana
ny amin’ny fihavian’i Kristy . Jaona dia nahita andian-tafika maro niangona mba
ho amin’ilay ady , ary hitany ihany koa ny fon’ny olona nihareraky ny tahotra
mafy . chust Triumphantp 316 .
6.- Moa ve Andriamanitra dia hamela an’ireo mpankahala
fivavahana haha-tanteraka ny drafi-trasa mpandripaka ataon’izy ireo , ka hamela
azy hanohitra sy handrava ny fahamarinana sy ny vahoakan’Andriamanitra ? Inona
no voalazan’ny faminaniana mikasika io fotoana mampatahotra io ? Apokalypsy 16
: 15a
Hianjady amin’izay rehetra mitady
hampahory sy hamono ny vahoakan’ Andriamanitra ny fitsarany . Mahatonga ny
ratsy fanahy ho sahisahy handika ny lalàna ny fahari-pony ela , nefa azo antoka
fa tsy maintsy hihatra ny famaizana ary ho loza indrindra izany noho ny
fahelan’ny fotoana . Fa Jehovah hitsangana tahaka ny teo amin’ny tendrombohitra
Perizima , ho tezitra tahaka ny teo amin’ny lohasahan’i Gibeona Izy , mba
hanaovany ny asany . Tsy ilay vitainy
mandra-kariva anefa , Isaia 28 : 21 . Asa tsy fanaon’Ilay Andriamanintsika be
famindram-po ny famaizana . Raha velona koa Aho hoy Jehovah Tompo , dia tsy
sitrako ny hahafatesan’ny ratsy fanahy . Ezekiela 33 : 11 . Mamindra fo sy
miantra Jehovah , mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana … mamela
heloka sy fahadi-soana ary fahotana kanefa tsy mety manamarina ny meloka .
Mahari-po Jehovah sady be hery ary tsy mety manamarina ny meloka . Ezekiela 24
: 6-7 . Amin’ny alalan’ny zava-mahatsiravina nefa araka ny fahamarinana , no ho
entin’ Andriamanitra hiarovany ny fahefan’ny lalàny nohitsakitsahina . Azo
lanjalanjaina amin’ny tsy fahazotoan’ny Tompo hampihatra ny fitsarany ny
hamafin’ny valin’asa miandry ny mpandika lalàna
. Hery Mifanandrina p 653
7 .-Na dia eo aza ny toe-draharaha sarotra dia sarotra , inona ilay
fitahiana izay ho raisin’ireo zanak’Andriamanitra amin’io fotoana io ?
Apokalypsy 16 : 15b
Aorian’ilay fanoritsoritana izay
ataon’i Jaona ho antsika , ao amin’ny Apokalypsy toko faha 16 , mikasika an’io fahefana mahagaga io , izay
mampi-tambatra ny olona manerana izao tontolo izao mba ho amin’ilay
fanandrinana lehibe , dia nesorina ilay sary tandindona , ary ilay feo dia
maneno toy ny trompetra izay mamerina indray manome feo mazava tsara manao hoe
: “Indro avy toy ny mpangalatra Aho .
Sambatra izay miambina ka miaro ny fitafiany , fandrao mandeha mitanjaka izy ,
ka ho hita ny fahamenarany”. Les Evenements
des derniers jours p 250
Mba ho
saintsainina lalina
Hebreo
3 : 17-19 ; Salamo 121 : 1-8 ; Isaia 33 : 14-16
… Moa ve nanadino an’i Josefa nohodidinin’ireo
mpanompo sampy tany Egypta Izy ? Moa ve nanadino an’i Elia Izy rehefa
niozonozona i Jezebela fa hanao aminy toy izay natao tamin’ireo mpaminanin’i
Bala ? Moa ve nanadino an’i Jeremia tao anaty lavaka fatsakana lalina sy
maizina tao amin’ny tranomaizina nisy azy Izy ? Moa ve nanadino ireo telo
lahy mendrika tao amin’ny lafaoro nirehitra afo Izy , na an’i Daniela tao an-davaky ny liona ?
Izay nazoto nianantra ny Soratra
Masina ihany ary izay nandray ny fitiavana ny fahamarina ihany no ho voaaro
amin’ny fitaka mahery vaika izay hamabo an’izao tontolo izao . Amin’ny
alalan’ny teny vavolombelona ao amin’ny Baiboly no hamantarany an’ilay
mpamitaka miova endrika . Hipaika ho an’ny rehetra ny ora fisedrana . Ny
fanasivanana hataon’ny fakampanahy no hampiseho ny kristia-nina tena izy marina
tokoka . Moa ve tafaorina mafy eo amin’ny tenin’ Andriamanitra ny vahoakany ,
ka tsy hilefitra na dia amin’izay voaporofon’ny retsi-pandreny mazava aza ? Moa
ve hifikitra amin’ny Baiboly irery ihany izy rehefa tonga ny fotoan-tsarotra
toy izany ? Raha azo atao dia hosakanan’i satana ny miomana mba hijoro amin’io
andro io . Hery Mifanandrina pp 652 , 651
Aucun commentaire:
Enregistrer un commentaire