mercredi 2 juillet 2014

ISA ARA-TANDINDONA SA ARA-BAKITENY NY 144 000 ???



“Ary nahare ny isan’ izay voahisy tombo-kase aho : efatra arivo amby efatra alina amby iray hetsy no voaisy tombo-kase avy tamin’ ny firenen’ ny zanak’ Isiraely rehetra.” Apokalypsy 7 : 4

ISA VOAFARITRA TSARA

1-Inona no tranga lehibe manan-danja izay henon’ I Jaona sy hitany tao anatin’ ny fahitana? Apokalypsy 7 : 4 ; 14 : 1
 
“Nahita zanak’ Ondry iray teo an-tendrombohitra Ziona I Jaona, ary niaraka tamin’ io Zanak’ Ondry io ireo 144.000 izay nanana ny anaran’ ny Rainy voasoratra teo amin’ ny handrin’ izy ireo.” (RH 19/03/1889) Commentaires bibliques, p. 406
“Ary ny ‘sisa’ dia voavela heloka, ary tsy izany ihany, fa koa nekena sy nomem-boninahitra. Nohodidinina hamama fotsy teo amin’ ny lohan’ ireo zanaka sisa ireo. Ho mpanjaka sy mpisorona ho an’ Andriamanitra izy ireo. Ary satana dia mbola mandefa ireo fiampangana sy mitady handringana azy ireo, kanefa mandritra izany, dia misy anjely masina maro izay mandalo etsy sy eroa mametaka tombo-kase amin’ ireo sisa ireo. Izy ireo no olona sisa izay mijoro eo an-tendrombohitr’ I Ziona miaraka amin’ Ilay zanak’ Ondry, ary dia voasoratra eo amin’ ny handrin’ izy ireo ny anaran’ ny Ray.” Témoignages pour l’ égilise, vol 2, p 212

2- Inona ireo fanambarana ao anatin’ ny soratra masina izay manampy antsika mba hahafantatra tsara fa ny 144.000 dia isa ara-bakiteny? Inona no ambaran’ ireo soratra avy amin’ ny tsindri-mandrin’ Andriamanitra mikasika an’ ireo 144.000? Apokalypsy 14 : 13
 
“Ireo 144.000 dia nahaforona efa-joro tanteraka teo ambonin’ ilay ranomasina fitaratra.” Premiers écrits, p 16
« … Miaraka amin’ ny Zanak’ ondry eo amin’ ny tendrombohitr’ i Ziona, « manana ny lokangan’ Andriamanitra », no mitsangana ireo efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy navotana avy tamin’ ny olona ; ary injany re « ny feon’ ny mpitendry lokanga mitendry ny lokangany », « tahaka ny firohondrohon’ ny rano be sy tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy ». Ary « mihira toa tonon-kira vaovao eo anoloan’ ny seza fiandrianana… izy » dia hira izay tsy misy olona afaka mianatra izany afa-tsy ny efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy. Hiran’ i Mosesy sy ny Zanak’ ondry izany, dia hiram-pahafahana. Tsy misy afa-tsy ny 144.000 no afaka mianatra io hira io; satria hira avy amin’ ny fanandramana nataony izany, fanandramana izay tsy mbola nananan’ ny antokon’ olona hafa na oviana na oviana. » Hery mifanandrina, pp. 674, 675.

POROFO IRAY HAFA IZAY AVY AMIN’ NY TSINDRIMANDRIN’ ANDRIAMANITRA

3-Inona ihany koa ny asa iray hafa ataon’ I Jesosy izay hifarana rehefa feno ny isa 144.000? Apokalypsy 22 : 11
 
“Nahita anjely maro nihazakazaka tetsy sy teroa tany an-danitra aho, ny iray tamin’ izy ireo izay nitondra bokim-panoratana dia niverina avy teto ambonin’ ny tany ka nanao tatitra tamin’ I Jesosy fa ny asa nataony dia efa vita, ary ireo olona masina dia voaisa sy voaisy tombo-kase. Rehefa afaka izany dia hitako ny Mpamonjy, izay efa nanao ilay raharahany teo anoloan’ ny fiaran’ ny fanekena izay misy ireo didy folo, nanipy ilay fandoroana ditin-kazo manitra teo amin’ ny tany. Natsangany ireo tànany ary niteny tamin’ ny feo mahery Izy nanao hoe : “Vita!”
“Nandritra ilay vanim-potoana nampangitakitaka izay nanomboka teo amin’ ny fotoana namaranan’ I Jesosy ny asa fanelanelanana nataony, ireo olona masina dia efa tsy nanana mpanelanelana intsony teo anatrehan’ Andriamanitra.” Premiers écrits, pp 279, 280
“…Efa voafetra ny ho anjaran’ ny tsirairay, na ho fiainana, na ho fahafatesana. Efa nanao fanavotana ho an’ ny vahoakany Kristy ary nikosoka ny fahotany. Feno ny isan’ ny mpanompony…” Hery mifanadrina pp 639, 640

4-Raha toa ka ireo olona 144.000 fotsiny ihany no voaisy tombon-kase araka ny hafatry ny anjely fahatelo, moa ve tsy isa izay tena voafetra izany? Inona no lazain’ ireo fanambarana mikasika izany? Matio 24 : 37, I Petera 3 : 20
 
“Ny vahoakan’ Andriamanitra izay aseho ara-tandindona amin’ ny alalàn’ ny hoe vehivavy madio sy ireo zanany, dia naseho fa tena vitsy. Eo amin’ ny fotoanan’ ny anrdo farany dia tsy hisy afa-tsy ireo sisa. Jaona dia manambara fa ny olona izay tafiditra ao anatin’ ireo sisa ireo dia ireo izay “mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy ny finoana an’ I Jesosy”. Commentaires bibliques, pp 400, 401
“Mitambatra amin’ I Kristy ny lanitra manontolo mba hahatonga azy ireo haheno ireto teny mampangitakitaka manaraka ireto manao hoe : “Vita! Vita!  ny drafi-pamonjena!”, kanefa moa olona tena vitsy tokoa no nanaiky azy io. Rehefa mitsahatra ilay feo malefaky ny famindram-po, ireo ratsy fanahy dia azon-tahotra sy horohoro ; henon’izy ireo tamin’ ny fomba mazava tsara ireto teny manaraka ireto manao hoe : “tratra aoriana loatra! tratra aoriana loatra !” Premiers écrits p 281

AOKA ISIKA HIEZAKA MBA HO TAFIDITRA

5-Nahoana no misy mpitandrina sabata maro izay mahalala an’ ireo hafatry ny anjely telo nefa tsy hahazo ny tombo-kasen’ Andriamanitra? Efesiana 2 : 5, 8 ; Romana 3 : 24 ; Apokalypsy 3 : 15, 16

“Ny ankapoben’ ireo izay mihambo ho kristiana, dia handalo amin’ ny fahafantarana hadisoan-kevitra mangidy eo amin’ ny andron’ Andriamanitra. Tsy manana ny tombo-kasen’ Ilay Andriamanitra velona mipetaka eo amin’ ny handriny izy. Ny toetrany matimaty sy mihanahana dia manala-baraka an’ Andriamanitra mihoatra noho ireo hita fa tsy mpino. Mamindra mitsapatsapa ao anatin’ ny aizina izy ireo, kanefa azony natao ny niroso voatsilon’ ny fahazavan’ ny mitatao vovonana teo ambany fitarihan’ Ilay tsy mba diso hevitra na oviana na oviana. (Lettre 121, 1903)” Commentaires bibliques p 398
“Na isika mamory miaraka amin’ I Kristy, na isika manahaka. Na isika kristiana tapa-kevitra marina, na tsy kristiana mihitsy. Kristy dia manao hoe : “fantatro ny asanao, fa tsy mangatsika na mafana hianao; aleo ho mangatsika na ho mafana hianao. Fa satria matimaty hianao ka tsy mafana na mangatsika dia efa haloan’ ny vavako hianao.” Apokalypsy 3 : 15, 16.” Testimonies for the church, vol 1, p 126

6-Ahoana no ho toe-piainantsika raha  toa isika ka voaray ao anatin’ ireo 144.000? Lioka 13 : 24, Matio 11 : 12 ; Salamo 119, 58, Jeremia 29 : 13
 
“ ‘Ny fanjakan’ ny lanitra dia rombahina, ary ireo izay manao an-keriny no maharombaka azy’. Ilay hoe fanaovana an-keriny dia atao amin’ ny fo manontolo. Ny hoe mihanahana dia midika hoe mivadibadika. Tsy maintsy manana fanapahan-kevitra raikitra, fahafoizan-tena ary ezaka feno fanoloran-tena marina mba afahana manatanteraka ny fiomanana. Ny feon’ ny fieritreretana sy ny fahatsapan-javatra dia afaka mitambatra ; kanefa tsy hahomby mihitsy isika raha toa ka tsy miasa ny sitrapontsika. Ny fahafahana mahataka-javatra ananantsika sy ireo fihetseham-pontsika dia tsy maintsy ampiasaina. Ny hafanam-po sy ny vavaka mafana dia tsy maintsy hasolo toerana ny fanaovana tsirambina sy ny tsy-firehana. Amin’ ny alàlan’ ny finoana ireo fahamendrehan’ I Kristy irery ihany, sy amin’ ny alàlan’ ireo ezaka raikitra sy mafana, no ahafahantsika mandresy sy mahazo ny fanjakan’ ny lanitra. Ny fotoana ananantsika mba hiasana dia tena fohy. Ho avy fanindroany tsy ho ela intsony Kristy.” (YI 24/05/1900)” Commetaires bibliques, p 16

IREO TOMBON-TSOA MANOKANA

7-Fomba ahoana no hizahan-toetra tanteraka ireo 144.000 sy hanadiovana azy? Inona ireo tombon-tsoa manokana ananan’ izy ireo ao amin’ ilay Jerosalema vaovao? Malakia 3 : 1, 2 ; Apokalypsy 7 : 15
 
« Ireo zay velona eto an-tany amin’ny fotoana hifaranan’ny fanelanelanana ataon’ i Kristy ao amin’ny fitoerana masina any an-danitra, dia hijoro tsy misy mpanalàlana eo anatrehan’Andriamanitra masina. Tsy maintsy ho tsy misy pentina ny akanjony, tsy maintsy ho voadio ho afaka amin’ny fahotana ny toetra amam-panahiny noho ny famafazana ny ra.Noho ny fahasoavan’ Andriamanitra sy ny fiezahany feno hafanam-po dia tsy maintsy ho mpandresy ireo amin’ny ady atao amin’ny ratsy. Raha mbola mandroso ny fitsarana famotopotorana any an-danitra, ary esorina avy tao amin’ny fitoerana masina ny fahotan’ireo mpino mibebaka, dia tsy maintsy hisy asa fanadiovana manokana ho fanesorana ny fahotana eo anivon’ny vahoakan’Andriamanitra eto an-tany. » Hery mifanandrina p.439

8-Inona no fiomanana izay tsy maintsy ilaina mba hafahana mijoro eo amin’ ny tendrombohitra Ziona miaraka amin’ Ilay zanak’ Ondry sy mihira ny fihirana vaovao? Apokalypsy 14 : 3-5

“Ireo izay ho tarihin’ Ilay Zanak’ Ondry ho eo amin’ ireo loharano velona, sady ho fafany ny ranomaso rehetra eo amin’ ny masony, dia ireo izay mandray ankehitriny ny fahalalana sy ny fahatakarana ireo zavatra voalaza ao amin’ ny Baiboly, izay Tenin’ Andriamanitra…
 “Tsy mahazo maka tahaka olona isika. Tsy misy olona na dia iray aza izay tena hendry ampy tsara mba ho tonga modely alaintsika tahaka. Tsy maintsy mibanjina an’ I Jesosy Kristy izay feno fahatanterahana sy fahamarinana ary fahamasinana isika. Izy no mpamorona sy mpanefa ny finoantsika, Izy no Ilay Modely. Ny fiainany no ilay refim-piainana izay tsy maintsy tratrarintsika. Ny toetrany no modely arahintsika. Araka izany ary, aoka isika hanaisotra hiala ao anatin’ ny saintsika ao ireo fisalasalana sy ireo zava-manakana eto amin’ ity fiainana ity, aoka ny saintsika hifantoka amin’ I Kristy satria amin’ ny alàlan’ ny fibanjinantsika Azy no afahantsika hiova ho tahaka Azy. Afaka mampifantoka ny fijerintsika amin’ I Kristy isika mba ho fanasoavana ny tenantsika. Afaka manana toky amin’ ny fibanjinana Azy isika, satria Izy dia mahay ny zavatra rehetra amin’ ny alalàn’ ny fijerinvantsika sy fieritreretantsika Azy. Hitoetra ao anatintsika Izy ary hametraka ao antsaintsika ao ny fanantenana ny voninahiny.
“Aoka isika hiezaka miaraka amin’ ny hery rehetra izay omen’ Andriamanitra antsika mba ho isan’ ireo 144.000.(RH 9/03/1905) Commetaires bibliques p 398

AVERINA IANARANA SY MBA HO SAINTSAININA LALINA
-Inona no porofo lazain’ ny tsindri-mandry avy amin’ Andriamanitra fa ny isa 144.000 dia ara-bakiteny?
-Inona no hiseho rehefa tratra ny isan’ ireo izay voaisy tombo-kase?
-Ahoana  no ho fihetsik’ ireo izay mandray ny tombo-kasen’ ny lanitra?

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire