lundi 21 juillet 2014

NY FIANTOMBOHAN'NY ANTSO AVO LEHIBE



«Tsy maintsy toriana amin’izao tontolo izao ilay hafatry ny anjely faha telo, mampitandrina ny olona mba tsy hiankohoka eo anolohan’ ny bibi-dia sy ny sariny, ka manasa azy ireo mba hitambatra amin’ireo izay mitandrina ny didin’Andriamanitra sy ny finoana an’I Jesosy. Apokalipsy 14 : 12. Tsy nampahafantarin’Andriamanitra antsika hoe rahoviana io hafatra io no hifarana, na rahoviana no hifarana ny andro-pahasoavana… Ny adidin-tsika dia ny mifoha, miasa sy miandry, ary miasa tsy ankijanona ho an’ireo fanahy izay efa mby ho faty. »Maranatha, p. 105.

MANOMBOKA NY ANTSO AVO LEHIBE

1. Inona no ambaran’ny famiananiana mikasika ny fomba hanambaran’ny anjely fahatelo ny hafatra entiny ? Rahoviana no manomboka ny tapany voalohany amin’ilay antso avo lehibe? Apokalypsy 14 : 9-13 ; 18 : 1, 2, 4.
 
Rehefa miha manatona ny ady farany ny mambran’ny vatan’I Kristy, ilay androm-pahorian’i Jakoba, tsy maintsy mino an’I Kristy sy tonga mpandray anjara amin’ny fanahiny izy ireo. Mandritra ilay hafatra fahatelo zay mihika amin’ny feo mahery, sy ny fifaranan’ny asa amin’ny voninahitra lehibe, ireo mpanompo mahatokin’Andrimanitra dia mandray anjara amin’izany. Ny Ranon’orana farany no mamelombelona azy ireo sy manampy azy ireo rehefa mandala ilay fotoan-tsarotra. Ny endrik’izy ireo dia hazavain’ny voninahitra izay miaraka amin’ilay anjely fahatelo. » Témoignages pour l’Eglise, vol. 1, p. 147.
« Efa atomotra ny fotoan’ny fizahan-toetra fara-tampony, satria ilay hiaka lehiben’ilay anjely fahatelo dia efa nanomboka nanambara tamintsika ny fahamarinan’I Kristy, Ilay Mpamonjy izay mamela ny fahotana. Izany no fiantombohan’ny fahazavana avy amin’ny anjely izay tsy maintsy hameno ny tany rehetra ny voninahiny. »Messages choisis, vol. 1, p. 425.

2. Tamin’ny taona 1888, tamin’ny alàlan’iza Andriamanitra no niasa mba hanombohana ny asan’ilay anjely izay nameno ny tany ny voninahiny?  Araka ny Soratra Masina, inona no andrasany amin’ny vahokany ? Isaia 60 : 1, 2.

 «Ny Tompo , nohon’ny hantrany lehibe dia nandefa hafatra sarobidy tamin’ny alalan’ireo rahalahy (E.G) Waggoner et (A.T) Jones. Io hafatra io dia nanana tanjona ny hanandratra eo anatrehan’izao tontolo izao, Ilay Mpamonjy, nohombohana nohon’ny otan’izao tontolo izao. Nanolotra ilay fanamarinana amin’ny finoana Izy tamin’ny sarany izay nalohany. Nanasa ny olona handray ny fahamarinan’I Kristy izy, izay naseho tamin’ny fankatoavana tanteraka ny lalàn’Andrimanitra. » Les événements des derniers jours, p. 202.
«Ny asan’io anjely io dia tonga hanohy ny hafatra fahatelo; rehefa tonga ny fotoana izay hahatonga io fanamabarana io ho hiaka lehibe. Ny vahoakan’Andriamanitra noho izany dia voaomana ho vonona ny handresy amin’ny fotoan’ny fizahan-toetra lehibe izay tsy maintsy hatrehin’izy ireo tsy ho ela. Hitako ireo anjely anankiroa feno ny fahazavana lehibe, nitory tsy misy tahotra ny hafatry ny anjely fahatelo. »Premiers écrits, p. 277.

3. Inona no nitranga tamin’ilay hafatry ny fanamarinana amin’ny finoana tamin’ny taona 1888 tany amin’ny fivoriambe tany Minnéapolis Minnesota? Moa ve ny toe-tsaina nitranga tao amin’io fivoriambe io nitovy tamin’ny an’ireo israelita fahiny ? Ezekiela 20 : 13a ; 1 Samoela 8 : 7.

«Ny fandavana  hiala amin’ny hevitra izay naorina hatry ny ela sy ny fanekena ny fahamarinana dia manazava ny fanoherana ilay hafatry ny Tompo nentin’ I Waggoner sy Jones tany Minneapolis (Conférence de Minneapolis) . Rehefa nandrisika io fanoherana io satana dia nahomby ny tetika mba hahatonga ny vahoaka tsy hahazo ny hery lehibe avy amin’ny Fanahy Masina izay nirian’Andriamanitra hampitaina amin’izy ireo. Ilay fahavalo dia nahavita nanakana io hafatra izay tokony nambara tamin’izao tontolo izao, izay tokony hamelona indray ny fanandramana nataon’ny apostoly tamin’ny pentekosta. Notoherina ny fahazavana izay tokony namiratra tamin’izao tontolo izao tamin’ny voninahiny; ary nisy tamin’ireo rahalahintsika nanampy tamin’ny fanakanana izao tontolo izao tsy hahazo ny fahazavana. » Messages choisis, vol. 1, p. 276.
Ny fihetsika hita tamin’io fahamarinana fototra io dia mifangaro. Nandritra ny fivoriana tamin’ny Conférence General tamin’ny 1893, .T Jones miresaka momban’ny fandraisana ny hafatra tany Minneapolis, nitatitra hoe : ‘Fantatro fa nisy sasantsasany tany nanaiky ny hafatra,  ny hafa dia nandà azy tanteraka. Ary fantatrareo ihany koa izany. Ny sasany kosa dia niezaka nitoetra an-tsasan-dàlana, ka nandray ny hafatra toy izany.’ » – (General Conference Bulletin, 1893, p. 185) Selected Messages, vol. 3, pp. 158, 159.

VAHOAKA IRAY VOADIO

4. Fanandramana lalina tahaka ny ahoana no ilaintsika mba hahatonga antsika ho fitaovana tsara ho an’ Andriamanitra? Jakoba 4 : 10 ; 1 Petera 5 : 6.

«Tsy maintsy miady isika mba hahafahantsika miditra amin’ilay varavarana tena izy. Satria io varavarana io dia tsy miozongozona. Tsy avelany iditra ao ny toe-tsaina misalasala. Izao isika dia tsy maintsy mitodika amin’ny herintsika rehetra any amin’ny fiainana mandrakizay, miaraka amin’ny hery mifandanja amin’ny tombabidiny. Tsy ny vola, tsy ny fananana, na ny toerana misy eo amin’izao tontolo izao no manokatra ny varavaran’ny paradisa, fa ny fananana toetra kristiana. Tsy noho ny toerana ambony, na ny zava-bitan’ny saina no hazahoantsika ny satroboninahitra tsy mety maty. Io fanomezana io dia omena ho an’ireo izay malemy sy tsotra fo ihany sy ireo izay nametraka ny fitokiany an’Andriamanitra. (The Southern Watchman, 16 avril 1903.) » – Service chrétien, p. 301.

5. Inona no hitranga amin’ireo fahadisoana sy fahalementsika rehefa avy nandalo fanandraman’ny fiovam-po marina isika? Esaia 43 : 25 ; Mika 7 : 18, 19 ; Asa 3 : 19.
 
« Ho an’izay rehetra nibebaka marina ny amin’ny fahotany ka mitaky ny ran’i  Kristy ho fanavotana azy amin’ny alalan’ny finoana, dia asiana soratra hoe : « Voavela » mifanitsy amin’ny anarany ao amin’ny bokin’ny lanitra ; rehefa tonga mpiray amin’ny fahamarinan’i Kristy izy, ka hita fa mifandrindra amin’ny lalàn’ Andriamanitra ny toetra amam-panahiny, dia voakosoka ny fahotany,  ary hisaina ho mendrika ny fiainana mandrakizay izy… »Hery Mifanandrina, p. 499.

NY FANOMEZAN’NY FANAHY MASINA SY NY RANONORANA FARANY

6 Eo amin’ny zava-boahary, inona no omen’ny Tompo mandrakariva mba hahatonga ny voa hitsimoka? Inona no dikan’izany eo amin’ny fiainana ara-panahy ? Joela 2 : 23 ; Jeremia 5 : 24.
 
«Ny ranon’orana farany, izay manamasaka ny famokaran’ny tany, dia maneho ny fahasoavana avy amin’ny Fanahy Masina izay manomana ny fiangonana amin’ny fihavian’ny Zanak’olona. Fa rehefa mbola tsy tonga ny ranon’orana voalohany dia tsy hisy mihitsy fiainana; ilay ravina maintso dia tsy hipoitra. Raha tsy hoe ireo orana voalohany manatanteraka ny asany, ny orana farany dia tsy ho afaka ny hamoha tsara. …»
«Tsy maintsy hita misy fivoarana maharitra ny amin’ny fahamarinana kristiana, fitomboana maharitra amin’ny fanandramana kristiana. …
«Ny olona tsirairay dia tsy maintsy tonga saina ny amin’ny zavatra ilainy manokana. Ny fo dia tsy maintsy afaka amin’ny fahalotoana rehetra sy madio mba ahafahan’ny Fanahy Masina mitoetra ao aminy. » – Témoignages pour les pasteurs, pp. 259, 260.
«Ny lavaka natao tamin’ny lalana dia tsy maintsy hamboarina. Ny hafatra dia tsy maintsy toriana amin’ny feo mafy mba hanairana ny mponina maneran-tany. Ny vahoakan’Andriamanitra dia tsy maintsy manadio ny fanahiny ka mankatoa ny fahamarinana sy miomana hitoetra tsy misy pentina eo anatrehan’ny fihaviany. »Maranatha, p. 59.

7 Inona ilay fampanantenana mahagaga izay nomena mikasika ny fahatanterahan’ny asan’ny Filazantsara ? Zakaria 10 : 1 ; Jakoba 5 : 7. Iza no handray ilay fahasoavana manokana ?
 
« Nefa rehefa akaiky ny fiafaran’ny fijinjana ny tany , dia hisy fanomezana manokana ny fahasoavana ara-panahy nampanantenaina , izay hanomana ny  fiangonana ho amin’ny fiavian’ny Zanak’olona . Ampitoviana amin’ny filatsaky ny ranonorana aoriana io firotsahan’ny Fanahy io ; ary io fanampin-kery io no tokony handefasan’ny Kristiana fangatahana amin’ny Tompon’ny vokatra « amin’ny andro fara-orana ». Ho valin’izany dia « handatsaka ranonorana mivatravatra ho anareo aloha Jehovah , eny , ny loha orana sy ny fara orana aloha … » Zakaria 10 : 1 ) Vavolombelona Mahery p 49
«Fa ireo izay nankatoa tamin’ny zavatra rehetra sy ireo izay naharesy tamin’ny sakana rehetra, na inona na inona vidin’ny fandresena; ireo izay nanaraka ny torohevin’Ilay vavolombelona mahatoky no handray ny ranon’orana farany sy vonona ny ho hafindra. »Témoignages pour l’Eglise, vol. 1, p. 70.

8. Iza no hita fa tena zanak’Andriamanitra marina ao anatin’ilay ady hifanaovana amin’y bibidia sy ny sariny ? Esaia 8 : 16, 20 ; Apokalypsy 12 : 17 ; 14 : 12.
 
« ‘Ho amin’ny lalàna sy teny vavolombelona ihany ». Eo amin’ny fahabetsahan’ ny fampianarana sy ny tsangan-kevitra mifanipaka, dia ny lalàn’ Andriamanitra no hany fitsipika tokana tsy mety diso izay hisedrana ny hevitra rehetra, ny fampianarana rehetra sy ny tsangan-kevitra rehetra. Hoy ny mpaminany: “Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, dia olona izay tsy iposahan’ny fahazavan’ny maraina”. Esaia 8: 20. » Hery Mifanandrina, p. 466.

Mba ho saintsainina lalina

Asan’ny Apostoly  2 : 17-21.

«Fa ny feon’ny fieritreretana dia tsy tokony ho terena , eny fa na dia hitandrina ny tena sabata marina aza, satria Andriamanitra dia tsy mandray afa-tsy ny fanompoana vokatry ny fo. (RH 15/4/1890) »Commentaires bibliques, p. 405.
«Mety ho toy izany koa ankehitriny. Aoka ireo Kristiana hametraka amin’ny sisiny ny fankahalana ka mifantoka amin’ny famonjena ny fanahy. Aoka izy ireo hitaky amin’ny finoana, ireo fitahiana nampanantenaina, dia hahazo izany. Ny firotsahan’ny Fanahy tamin’ny pentekosta dia ilay ranon’orana voalohany, ary ny vokatr’izany dia voninahitra lehibe. Fa ny ranon’orana farany dia ho maro vokatra noho izany. »Témoignages pour l’Eglise, vol. 3, p. 248.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire