mardi 1 juillet 2014

ILAY VONDRONA LEHIBE IZAY MISY IREO VAHOAKA MAROBE SY IREO 144 000



“Ary ny anankiray tamin’ ny loholona namaly ka nanao tamiko hoe: “Iza moa ireto miankanjo ankajo fotsy lava? Ary avy taiza izy? Fa hoy izaho taminy : Tompoko ianao no mahalala. Dia hoy izy tamiko : ireo no avy tamin’ ny fahoriana lehibe, ary ny ankanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ ny ran’ ny Zanak’ ondry.” Apokalypsy 7 : 13, 14

KARAZANA OLOM-BOAVONJY ROA

1-Rehefa avy nandre ilay isa 144.000 I Jaona, izay isa manambara an’ ireo izay mandray ny tombo-kasen’ Ilay Andriamanitra velona, inona ihany koa no vondrona hitany tao anatin’ ny fahitAna izay misy an’ ireo olona mitafy akanjo fotsy ? Apokalypsy 7 : 1-4, 9


2-Rehefa avy nahita ireo vahoaka an’ alinalina izay mitafy akanjo fotsy I Jaona, inona no fanontanina napetraky ny anankiray tamin’ ireo loholona taminy ? Apokalypsy 7 : 13
 
“Raha vantany vao vita ny fametrahana tombon-kase, dia nibanjina ireo vahoaka analinalina izay niankohoka tamim-pitalanjonana teo anatrehan’ Andriamanitra manoloana ny seza fiandrianany I Jaona. Ireo vahoaka marobe  ireo dia tsy misy isalasalana fa ireo olom-boavonjy avy amin’ ny firenena rehetra, avy amin’ ny fokom-pirenena rehetra, sy ny fiteny rehetra, izay nitsangana tamin’ ny maty tamin’ ny fiavian’ I Kristy fanindroany, izany dia manaporofo fa ny fametahana tombon-kase no ilay asa farany atao amin’ ny vahoakan’ Andriamanitra alohan’ ny hamindrana azy…
“Ireo fanontaniana izay napetrak’ ilay loholona tamin’ I Jaona manao hoe : “Iza moa ireto miakanjo akanjo fotsy lava ary avy taiza izy ireo?” Raha ampifandraisina amin’ ny valin-tenin’ I Jaona hoe : “Tompoko, hianao no mahalala” dia manambara fa tsy nahalala I Jaona, ary tsy mifanandrify mihitsy raha toa ka manondro ireo vahoaka analinalina manontolo izay hitany teo anatrehany.” Uriah smith l’ Apocalypse, pp. 59, 60

NY FANANDRAMANA LALOVAN’ IREO 144.000

3-Inona no fanandramana izay nandalovan’ ilay vondrona misy ireo mitafy akanjo fotsy ao amin’ ny Apokalypsy 7 : 13? Ampitahao amin’ ny fanandraman’ ireo 144.000 izany. Apokalypsy 7 : 14-16
 
« Eo amin’ ny ranomasina manganohano tahaka ny vato kristaly eo anoloan’ ny seza fiandrianana, dia ilay ranomasina fitaratra miharo afo - mamirapiratra indrindra noho ny voninahitr’ Andriamanitra - no ivorian’ ireo olona marobe « nandresy ny bibi-dia sy ny sariny ary ny isan’ ny anarany ». Miaraka amin’ ny Zanak’ ondry eo amin’ ny tendrombohitr’ i Ziona, « manana ny lokangan’ Andriamanitra », no mitsangana ireo efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy navotana avy tamin’ ny olona ; ary injany ren'ny «feon’ ny mpitendry lokanga mitendry ny lokangany », « tahaka ny fihondrohon’ ny rano be sy tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy ». Ary « mihira toa tononkira vaovao eo anoloan’ ny seza fiandrianana… izy » dia hira izay tsy misy olona afaka mianatra izany afa-tsy ny efatra arivo amby efatra alina sy iray hetsy. Hiran’ i Mosesy sy ny Zanak’ ondry izany, dia hiram-pahafahana. Tsy misy afa-tsy ireo 144.000 no afaka mianatra io hira io satria hira avy amin’ ny fanandramana nataony izany, fanandramana izay tsy mbola nananan’ ny antokon’ olona hafa na oviana na oviana. « Ireo no manaraka ny Zanak’ ondry na aiza na aiza no halehany ». Ireo izay nafindra avy amin’ ny velona dia isaina ho « Voaloham-bokatra ho an’ Andriamanitra sy ho an’ ny Zanak’ Ondry ». « Ireo no avy tamin’ ny fahoriana lehibe » : nandalo tamin’ ny « andro fahoriana izay tsy mbola nisy tahaka azy hatrizay nisian’ ny firenena » ; niaritra ny tebiteby tamin’ ny andro fahorian’ ny Jakoba, nijoro tsy nanana mpanelanelana izy nandritra ny fotoana nampiharan’ Andriamanitra ny fitsarany farany. Afaka anefa izy izao satria « ny ankanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ ny ran’ ny Zanak’ Ondry ». « Ary tsy nisy lainga hita teo am-bavany,  sady tsy nanan-tsiny Izy ». « Ary noho izany dia nitoetra eo anoloan’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra izy ka manompo Azy andro aman’alina eo amin’ ny Tempoliny, ary ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana dia hamelatra ny tranolainy handrakotra azy ». Efa nahita ny tany ravan’ ny mosary sy ny areti-mandringana, izy ireo, nahita ny masoandro nanan-kery handoro tamin’ ny  hafanana be ary efa niaritra fahoriana, hanoanana sy hetaheta. Nefa «tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo ary tsy haninona azy ny  masoandro na izay hafanana akory. Fa ny Zanak’ondry izay eo afovoan’ ny seza fiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ ny loharanon’ ny ranon’ aina ; ary ho fafan’ Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ ny masony. » Hery mifanandrina, pp. 674, 675.

NY TOETRAN’ IREO VONDRONA ANAKIROA
4-Avy aiza ary avy vanim-potoana toa inona no niavian’ ireo vahoakabe analinalina? Apokalypsy 7 : 9

“Raha nanopy ny masony teo amin’ireo taonjato maro ho avy ilay mpahita tany Patmosy, dia nahatazana ny famerenana an’Isiraely indray ao amin’ny tany vaovao izy. “Rehefa afaka izany, hoy izy, dia hitako fa, indro, nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tami’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samy hafa fiteny nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry, niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany, dia niantso tamin’ny feo mahery izy nanao hoe; Ny famonjena anie ho an’Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianany sy ny Zanak’ondry. Ary ny anjely rehetra nitsangana manodidina ny seza fiandrianana mbamin’ny loholona sy ny zava-manan’aina efatra, dia niankohoka teo anoloan’ny seza fiandrianana izy ka nivavaka tamin’Andriamanitra nanao hoe: Amena! Ny fiderana sy ny voninahitra sy ny famonjena sy ny fisaorana sy ny haja sy ny hery ary ny faherezana anie ho an’Andriamanitsika mandrakizay mandrakizay!” Mpaminany sy mpanjaka 587

5-Soritsorito ireo zavatra izay maha samihafa ny toetran’ ireo vahoaka analinalina sy ireo 144.000? Apokalypsy 7 : 4-9

IREO 144.000

-Ny niavian’ izy ireo: avy amin’ ireo foko roa ambiny folon’ ny Isiraely, izay midika ireo izay manaraka ny hafatry ny anjely telo amin’ ny fomba mahatoky tsy mivadika.
-Fotoana: ny fametahana tombo-kase dia nanomboka tamin’ ny taona 1844, rehefa nanomboka ilay asa fametahana tombo-kase.
-Tombo-kase : ireo 144.000 dia mandray ny fanomezan’ ny Fanahy Masina ary voaisy ny tombo-kasen’ Ilay Andriamanitra Velona.
“Ireo izay hanana ny tombo-kasen’ Andriamanitra eo amin’ ny handrin’ izy ireo, dia tsy maintsy mitandrina ny andro fitsaharana voalazan’ ny didy faha-efatra. Io no mampiavaka azy ireo amin’ ireo tsy mahatoky izay manaiky ny zavatra naorin’ olombelona eo amin’ ny toeran’ ilay tena andro fitsaharana marina. Ny fitsaharan’ Andriamanitra no ilay famantarana mampiavaka izay hanavahana ny olona izay manompo an’ Andriamanitra sy izay tsy manompo Azy. ( MS 27, 1899)” Commentaires bibliques p 398

ILAY VONDRONA LEHIBE MISY IREO VAHOAKA ANALIN-KISA

-Ny niavian’ ireo vahoaka ireo : avy amin’ ny firenena rehetra, ny fokom-pirenena rehetra, ny fiteny rehetra ; ireo no voaavotra nandritra ny fotoana rehetra
-Fotoana : ny fotoana dia nanomboka hatrany am-piandohana ka nandritra ireo taonjato rehetra ambara-pahatongan’ ny farany.
-Tombo-kase : ireo voaavotra dia voaisy ny tombo-kasen’ ny Fanahy Masina
“Farany, dia, indreo “olona betsaka tsy tambo isaina avy amin’ny firenena rehetra sy ny fokom-pirenena sy ny olona ary ny samihafa fiteny nitsangana teo anoloan’ny seza fiandrianana sy teo anatrehan’ny Zanak’ondry; niakanjo akanjo fotsy lava sady nitana sampan-drofia teny an-tànany”. Vita ny adiny, azony ny fandresena. Nahatanteraka ny fihazakazahany izy ka nahatratra ny loka.” Hery mifanadrina. P. 692
“Afaka mahita ao amin’ ilay asa natao tamin’ ny andro pentekosta isika, ny zavatra izay ho vita amin’ ny alàlan’ ny fampiasana ny finoana. Ireo izay nino an’ I Kristy dia voaisy ny tombo-kasen’ ny Fanahy masina. (MS 85, 1903)” Commentaires bibliques p 260

NY ISIRAELY ARA-PANAHY

6-Iza ilay vahoaka isiraely ara-panahy ankehitriny ? Moa ve ny apostoly Jakoba nandefa ny taratasy nosoratany ho an’ ireo foko roa ambiny folo ao amin’ ny Isiraely ara-bakiteny sa ho an’ ny fiangonan’ Andriamanitra? Jakoba 1 : 1

“Ny zavatra izay nokasain’ Andriamanitra hatao ho an’ izao tontolo izao tamin’ ny alàlan’ Isiraely, izay vahoaka voafidy,dia hataony amin’ ny alàlan’ ny fiangonany…
“…Ny tenin’ny Tompo nambarany tamin’ny mpaminaniny ho an’ireo izay hiova fo sy hitandrina ny lalàn’Andriamanitra, dia nilazany fa izy ireo dia hisaina ho isan’ireo Isiraely ara-panahy: Fiangonan’I Kristy.” Prophètes et rois, pp 540, 287
 “Ireo foko folo tao avaratra dia lasa babo ka niala tamin’ ny fireneny tamin’ ny taona 722 talohan’ I Jesosy Kristy ( II Mpanjaka 17 : 6, 23). Olona vitsy monja avy tamin’ ny taranak’ izy ireo no niverina tany palestina ( jereo Ezra 6 : 17 ; 8 : 35). Araka izany ary, ireo foko roa ambiny folon’ ny isiraely dia tsy nisy teo amin’ ny fotoan’ andron’ I Jaona sy Jakoba. Jakoba dia nety nampiasa ny teny hoe : “foko roa ambiny folo” amin’ ny hevitra maneho ny sarambabem-bahoakan’ Andriamanitra manerana izao tontolo izao.’Seventh-day Adventist Bible commentary, Commentaires sur Jacques 1 : 1

7-Fintino ny toetran’ ireo zanakalahy (foko) roa ambin’ ny folon’ I Jakoba, ary ampitahao amin’ny toetran’ ny Isiraely vaovao? Genesisy 49 : 1-27
 
“Rehefa ho faty tokoa I Jakoba, dia nantsoina hanodidina ny farafarany avokoa ny zanany rehetra; ary hoy izy taminy : “Mivoria, hianareo mba hanambarako aminareo izay ho tonga aminareo any am-parany.” Impiry impiry moa izy, no efa nieritreritra tamim-pangitangitahana ny amin’ny ho avy sy ny amin’ izay hanjo ny taranany tsirairay avy. Izao izy, raha voahodidin’ny zanany izay vonona handray ny tso-dranony farany, dia notsindrin’ ny Fanahin’ Andriamanitra ka nahita ny ho avin’ ny zanany tsirairay avy.…”
 “Hatramin’ izay taona maro nivarotany an’ I Josefa izay, dia nisy fiovana tokoa ny toetran’ ny zanak’ I Jakoba. Fahiny izy ireo dia be fialonana, mpanao an-keriny, loza be, mpamaly faty; ny fahoriana anefa dia nahatonga azy ho tsara fanahy amin’ ny namany, mpandà-tena ho an’ ny hafa, tia an-drainy ; ary na dia efa samy zoki-olona avokoa aza izy, dia nahay nankatoa tsara ny baikon-drainy.” Patriarka sy mpaminany p 231, 220

AVERINA IANARANA SY MBA HO SAINTSAININA LALINA
-Ahoana no fomba afahantsika manazava fa ireo vahoaka analinalina sy ireo 144.000 dia tsy ao anatin’ ny vondrona iray?
-Moa ve vahoaka iray ihany na firenena iray ihany no mivondrona ao anatin’ io vahoaka analinalina io?
-Inona no fifandraisan’ ireo 144.000 amin’ ny hafatry ny anjely faha-telo?

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire