mercredi 30 juillet 2014

NY FANATANTERAHANA AN’ILAY DIDIM-PITSARANA



              Rehefa hanomboka ny fitsara , ary ny tsirairay dia ho tsaraina araka izay voasoratra ao antin’ireo boky , ny fahefan’ny lalàn’ Andriamanitra dia ho raisina amin’ny fomba hafa izay tsy mitovy amin’ny fomba handraisan’ny olona azy amin’izao fotoana izao eo amin’ny tontolo kristianina . Satana dia efa nanajamba ny mason’io tontolo kristianina io , sy nampisafotofoto ny tsilon-tsainy , tahaka ny nanajambany ny mason’i Adama sy Eva , sy nanosehany azy ireo ho amin’ny fandikan-dalàna . Ny lalàn’i jehova dia tena lehibe mitovy amin’Ilay mpanao azy ihany . Eo amin’ny fotoanan’ny fitsarana , io lalàna io dia ho fantatra fa masina , marina sy tsara eo amin’ireo fitakiany rehetra . Ireo izay mandika azy dia hahafantatra fa hanao fampamoahana lehibe sy mampahita loza eo anantrehan’Andriamanitra . Satria mantsy ireo fitakian’Andriamanita dia mahatapaka . ( RH 7 /5 1901 )  Commentaires Bibliques p 414

Ny fihetsika mamitaka sy mahery miady ananan’i satana

1 .-Inona no ho fihetsik’i satana aorian’ilay fitsanganan’ireo mpankahala fivavahana ? Karazan’olona manao ahoana ireo izay ho eo ambany fahefany ? Apokalypsy 20 : 3b , 7 .
                         
                Rehefa izany , Jesosy sy ireo anjeliny , narahin’ireo olona voavotra rehetra , dia niverina nankeo amin’ilay tanàna . Ireo ratsy fanahy niharan’ny fanamelohana , dia nitaraina sy nidridridridry nameno ny habakabaka . Tamin’izay , dia hitako i satana nanomboka indray ny asany . Izy dia nandalo , ary niverina nandalo indray teo amin’ireo olom-peheziny , nampahery an’ireo malemy , ary niteny tamin’izy ireo fa izy sy ny  anjeliny dia mahery indrindra .  Notondroiny ireo olona marobe tsy hita isa izay nitsangana tamin’ny maty  .Tao amin’izy ireo dia nisy mpiady tena malaza indrindra , mpanjaka maro izay tena havanana indrindra amin’ny ady , izay nandresy sy naka fanjakana  maro . Tao koa ireo olona lavabe sy matanjaka , ireo lehilahy mahery fo izay mbola tsy resy mihintsy hatrizay hatrizay . Isan’izy ireo ihany koa i Napoléon  , ilay mpanjaka feno avonavona sy fahavononana miredareda hanam-pahefana , izay nampangovitra fanjakana maro raha vantany vao manantona fotsiny izy . Hita tao ihany koa ireo lehilahy maro izay nanana halavana mahagaga sy tsanganana feno fahamendrehana izay tsy lavo nandritra ny ady , ary nangetaheta fandresena mandrakariva . Rehefa nivoaka avy tao anatin’ny fasana izy ireo , dia nanohy indray nanamasaka ny fizotran’ny eritreriny izay natsahatry ny fahafatesana . Izy ireo dia nanolokolo ny faniriana te handresy izay nameno ny sainy rehefa lavo izy . Pemiers Ecrits pp 292 , 293

2 .-Ahoana no fomba andresen’i satana lahatra an’ireo olona ireo mba hitambatra aminy eo amin’ilay ady hanoherany an’i Jesosy sy ireo olona voavotra ? Apokalypsy 20 : 8
 
               Manomana ny ady mafy farany ahazoana ny fahefana fara-tampony izao i Satana . Raha mbola nesorina taminy ny heriny ka voasakana tsy hanao ny asa famitahana ny andrianan’ny lanitra , dia oriory izy sady kivy , nefa kosa rehefa mitsangana amin’ny maty ny ratsy fanahy , ka hitany ireto vahoaka marobe miandany aminy , dia velona indray ny fanantenany , ka tapa-kevitra izy fa tsy hitsoaka amin’ity ady goavana ity . Halahany eo ambany fanevany ny tafiky ny olom-bery rehetra , ka amin’ny alalan’ireo no ilofosany hanatanteraka ny teti-kady novolavolainy . Babon’i Satana ny ratsy fanahy . Nanaiky ny hotarihin’ny lehiben’ny mpikomy izy ireo tamin’ny nandavany an’i Kristy . Vonona ny handray ny soso-kevitra avy aminy sy hankato ny baikony izy . Toy ny efa fanaony hatrany amboalohany anefa , dia tsy miseho mivantana ho i Satana ilay fahavalo . Mihambo ho andriana tompon’izao tontolo izao araka ny hitsiny izy , ary tsy andrariny no nankana an-keriny ny fananany taminy . Miseho ho toy ny mpanavotra izy amin’ireo mpanompony voafitaka , ary manome toky azy izy fa , ny heriny no namoaka azy ireo avy ao ampasany , ary efa madiva hamonjy azy avy eo ampelatanan’ny fitondrana tsy refesimandidy lozabe indrindra izy . Satria miala ny fanatrehan’i Kristy dia manao fahagagana i Satana hanohanany ny fihamboany . Mampahatanjaka ny malemy izy ary mahatonga ny rehetra hanana ny toe-tsainy sy ny herimpony …. Hery Mifanandrina p 690                
                                                                     
Ny ady farany ho amin’ny fahefana 

3 .-Eo ampanohizana ny ady ho amin’ny fahefana , inona no hetsika hataon’i Satana sy ireo mpankahala fivavahana ?  Apokalypsy 20 : 9a
 
     … Manolo-tena hitarika azy hiady amin’ny tobin’ny olona masina izy , sy haka ankeriny ny tanànanAndriamanitra . Feno hafalian-demonia izy raha manondro ireto vahoaka alinalina tsy tambo hisaina izay nitsangana tamin’ny maty , ary ambarany fa amin’ny maha mpitarika azy , dia azony atao tokoa ny hanafaka ny tanàna ary haka indray ny seza fiandrianany sy ny fanjakany.
              Mila hevitra amin’ny anjeliny i Satana , ary avy eo dia amin’ireo mpanjaka sy mpanafika ary lehilahy mahery .  Mahita ny hery sy ny isan’ireo miandany aminy izy , ka ambarany fa vitsy tafika ao an-tanàna raha ampitahaina amin’ny azy , koa dia azony resena . Mamolavola tetika izy ireo mba hakany ny harena sy ny voninahintr’i Jerosalema vaovao . Avy hatrany dia atomboka ny fihomanana ho amin’ny ady .  Misy mpanao taozavatra havanana manefy fitaovam-piadiana . Ireo mpitari-tafika fanta-daza amin’ny fahombiazany , no mandamina ny vahoaka marobe lian’ady ho andiany sy vondrona . Hery Mifanandrina pp 690-691

4.- Na dia efa very sy mahafantatra tanteraka ny herin’Andriamanitra aza i Satana , moa ve izy  hanaiky hilefitra ? Daniel 10 : 13 .  Hatraiza no fahatongavany miaraka amin’ireo anjeliny ? Apokalypsy 20 : 9 b
 
              Amin’ny farany dia omena ny baiko handroso , ka indreo vahoaka marobe tsy hita isa no mihetsika , dia tafika miezinezina tsy mbola nisy mpitari-tafika na iza na iza teto an-tany , nibaiko izay toa azy , ka na dia avondrona aza ny andiantafika rehetra efa navory hatramin’ny niandohan’ny ady teto an-tany , dia tsy mahatoraka azy velively . Satana , ilay mpiady mahery indrindra , no loha-lalana , ary mampiray ny heriny ireo anjeliny ho amin’ity ady farany ity . Manaraka azy ny mpanjaka sy ny mpifehy mahery ary ny vahoaka marobe , manao andiany lehibe samy tarihin’ny mpitarika voatendry avy . Mandroso amim-pilaminana toy ny famindran’ny miara-mila ireo laharana mifanizina mamakivaky ny tany mitriatriatra sy mikitoatoana , manatona ny tananan’Andriamanitra . Noho ny baikon’i Jesosy dia akatona ny vavahadin’i Jerosalema vaovao .… Hery mifanandrina p 691

Fisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra

5 .-Faminaniana inona ary no ho tanteraka ? Inona no ho hitan’ireo mpankahala fivavahana ? Kolosiana 3 : 4

                Rehefa izany , Jesosy sy ireo tafik’anjeliny manontolo , ary koa ireo olona masina rehetra , izay nisatroka satro-boninahitra mamirapiratra , dia niakara teo amin’ny rindrin’ny mandan’ilay tanàna . Jesosy dia niteny tamin’ny feo feno fiandrianana manao hoe : “ Ry mpanota aoka ianareo  hibanjina ny valisoan’ireo olona marina . Ary ianareo izay olona navotana dia aoka hibanjina ny tambiny raisin’ireo ratsy fanahy ”  . Ilay vondrona lehibe misy an’ireo ratsy fanahy dia mijery ilay vondrona feno voninahitra misy an’ireo olona  marina , izay  nitsangana teo ambonin’ny rindrin’ilay tanàna . Teo ampahitana  ny famira-piratr’ireo satro-boninahitra manjelanjelatra teo amin’ny lohan’ireo olona marina , ary koa ny tavan’izy ireo mamirapiratry ny voninahitra , sady mampitomaratra ny endrik’i Jesosy , ary koa , teo ampibanjinana an’ilay voninahitra tsy hay lazaina , sy ny fiandrianan’ilay Mpanjakan’ny Mpanjaka , sy Tompon’ny Tompo ,  dia niha ketraka ny herim-pon’ireo ratsy fanahy . Pemiers Ecrits pp 293 , 294

Ny fiafaran’ilay ady ho amin’ny fahefana 

6 .-Rehefa izany , inona ary no hanjo an’ireo olona very an’alinalina ireo ? Apokalypsy 20 : 9-10 . Ho fitsinjovana an’izany rehetra izany , inona no zavatra izay tsy maintsy ilaintsika hianarana ? I Jaona 3 :4 ; Romana 6 : 22a
  
            Toa tsy mahahetsika i satana raha mibanjina ny voninahitra sy ny fian-drianan’i Kristy . Tsaroan’ilay kerobima manaloka fahiny ny toerana nahalavoany . Serafima namirapiratra izy . “ zanaky ny maraina ” , kanefa akory izato fiovany , izato fitotongany . Voaroaka mandsrakizay tsy ho ao amin’ny filan-kevitra izay nanomezam-boninahitra azy fahiny izy . Hafa izao no hitany mijoro eo anilan’ny Ray , manarona ny voninahiny . Hitany ny satro-boninahitra napetraky ny anjely avo ranjanana sy miendrik’andriana teo andohan’i Kristy , ary fantany fa ny toerana ambony tazonin’io anjely io dia nety ho azy teo aloha .  Hery Mifanandrina p 696
                Satana dia niantoraka niroso teo afovoan’ilay vondrona misy azy , manao izay hanosehany an’ireo olona an’alinalina ireo hanao hetsika . Kanefa moa Andriamanitra dia mandatsaka afo avy any an-danitra , ary ireo lehibe eto amin’izao tontolo izao , ireo olona mahery , ireo andriana sy ireo sahirana , dia ho levon’ny afo avokoa . Hitako fa ny sasany dia levona vetivety  , fa ny sasany kosa dia nijaly nandritra ny fotoana elaela ihany . Izy ireo dia nandray ny anjarany araka izay nataony tamin’ny fahavelomany . Ny sasantsasany dia naharitra andro maromaro  vao levona , ary raha mbola nisy aina kely tao anatin’izy ireo tao , dia tsapany tsara ny fijaliana  sy ny fanaintainana izay nahazo azy  . Ilay anjely dia miteny mano hoe : “ Ny kankany dia tsy ho faty mihintsy , ny afon’izy ireo dia tsy ho faty mihintsy raha mbola misy koa ataoma anankiray harapaka” . Premiers Ecrits p 294

Ny fahasambaran’ireo olona voavotra

7 .-Fomba ahoana no handiovan’Andriamanitra ny tany , ary tahaka ny ahoana no fifaliana izay ho tonga mandrakizay ho an’ireo olona voavotra ? Malakia 4 : 2-3 . Iza ary arak’izany no ho Ilay Mpanjaka tokana izay mifehy ny voahary manontolo ?   Zakaria 14 : 9 ; Lioka 1 : 31-33
 
             Ilay anjely dia niteny tamiko nanao hoe : satana no fakany , ireo zanany no rantsana . Izy ireo dia ho levona ankehitriny , ireo fakany sy ireo ratsany dia maty amin’ny fahafatesana mandrakizay . Tsy hitsangana amin’ny maty intsony izy ireo na oviana na oviana . Andriamanitra dia hanao tontolo iray madio . Rehefa afaka izany dia nijery aho , ary hitako ilay afo izay nandevona an’ireo ratsy fanahy . Io afo io dia nandoro ny zavatra rehetra izay ratsy maharikoriko sy maloto . Io afo io dia manadio ny tany . Nijery indray mandeha koa aho ary dia hitako ny tany voadio . Tsy nahitana ny mariky ny ozona intsony na dia kely aza . Ny fanamboniny izay be kitoatoana teo aloha , dia lasa tahaka ny lemaka anankiray midadasika . Ny voahary manontolo , izay noforonin’Andriamanitra dia voadio ; tapitra ilay fifanandrinana lehibe . Na aiza na aiza jerena , dia tsy misy afatsy zava-kanto no hita . Ireo olona voavotra rehetra , na tanora na antitra , na lehibe na kely , dia nanipy ny satro-boninahitr’izy ireo teo an-tongotry ny Mpamonjy . Ary niankohoka teo anantrehany , ka nanompo an’Ilay anankiray izay Velona mandrakizay . Ny tany vaovao ao anatin’ny hakantony manontolo , sy ao anatin’ny voninahiny , dia ho lova mandrakizay ho an’ireo olona voavotra . Ny fanjakana sy ny fahalehibiazana izay misy eto ambanin’ny lanitra dia nomena ho an’ireo olo-masin’Ilay Mpanjaka , ary ireo olo-masina ireo dia tsy maintsy mahazo izany fanjakana izany , mandritra ny mandrakizay . Premiers Ecrits p 295

 Mba ho saintsainina lalina    

Isaia 34 : 2 ; Salamo 11 : 6 ; II Peterra 3 : 7 ; Apokalypsy 15 : 3-4
             Voaantso hiseho eo anantrehan’ny fitsaran’Andriamanitra avokoa ny ratsy fanahy rehetra , voapanga ho namadika ny fitondram-panjakan’ny lanitra . Tsy misy mpisolo vava hiaro azy ireo ; tsy manana fialan-tsiny izy ; koa dia mivoaka ny didim-pitsarana hanameloka azy amin’ny fahafatesana mandrakizay  … Tahaka ny fonjamby voaempo ny vohon’ny tany ,  izay  ahitana farihy afo midadasika misamboaravoara . Izao no andro fitsarana sy fandringanana ny olona ratsy fanahy . Fa Jehovah manana andro famaliana dia taona famaliana hiadiana ho an’i Ziona  … Nampiharina ny famaizana feno noho ny fandikan-dalàna ; afa-po ny fitakian’ny fahamarinana ; ary eo am-pibanjinana izany ny tany sy ny lanitra , dia manambara fa marina Jehovah .  Hery Mifanandrina pp 695 , 700 

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire