vendredi 18 juillet 2014

NY SARIN'NY BIBI-DIA



« Ho avy ny fotoana izay hanenjehana ireo vahoakan’ Andriamanitra satria manamasina ny andro fahafito izy. Ny devoly no nanova ny andro sabata, nanantena ny hanapotika tanteraka ny fikasan’ Andriamanitra. Ny faniriany dia ny ho kely hery kokoa ny didin’ Andriamanitra eto amin’izao tontolo izao mihoatra noho ny lalàn’ olombelona. Ilay lehilahin’ ota izay nieritreritra ny ho afaka ‘hanova ny fotoana sy ny lalàna’, dia hamoaka lalàna hanery ny olona rehetra hankato ny andro voalohany amin’ny herinandro. Kanefa ny vahoak’ Andriamanitra dia tsy maintsy mijanona ho mahatoky. Ny Tompo dia hiasa ho azy ireo, ka hampiseho mazava tsara fa Izy no Andriamanitry ny andriamanitra rehetra.  » Témoignages pour l’Eglise, vol. 3, p. 466.

 NY HERIN’ILAY BIBIDIA IZAY MITENY TAHAKA NY DRAGONA

2.Iza no nanome fahefana ilay sarin’ny bibidia mba hiteny sy hanao hetsika mahery vaika toy izany? Apokalypsy 13 : 11, 15.
 
« Voalazan’ny faminaniana fa tahaka ny fitenin’ny dragona ny fiteniny, ary hanatanteraka ny baiko rehetra ny bibidia voalohany eo amin’ny fanatrehany izy; manambara mazava ny fisehon’ny saina tsy mandefitra sy ny fanenjehana mitovy amin’ny fisainana voaseho tamin’ny alalan’ireo firenena misolon-tena ny dragona sy ny leoparda. »La tragédie des siècles, p. 479.

 2. Noho izany, ahoana ny fihetsika ho asehon’ilay biby manana tandroka roa ? Inona avy ireo hery izay hitambatra ao anatin’izany fifanarahana manimba izany? Apokalypsy 13 : 16.
 « Ilay bibi-dia nanan-tandroka roa dia mandidy «  ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na tsy andevo na ny andevo », handray «  marika eo amin’ny tanany ankavanana na eo amin’ny handriny avokoa, mba tsy hisy hahazo hividy na hivarotra, afa-tsy izay manana ny marika, dia ny anaran’ny bibi-dia, na ny isan’ny anarany » Apokalypsy 13 : 16, 17. Ny hafatra fampitandremana nalefan’ny anjely fahatelo dia manao hoe : « Raha misy miankohoka eo anoloan’ny bibi-dia sy ny sariny ka mandray ny marika eo amin’ny handriny na amin’ny tanany, dia izy koa no hisotro ny divain’ny fahatezeran’ Andriamanitra », « Ny bibi-dia » voalaza ao amin’ity, izay haneren’ ilay bibi-dia manan-tandroka roa ny fiankohofana eo anatrehany, dia ny voalohany, na ilay bibi-dia tahaka ny leoparda ao amin’ny Apokalypsy 13 – dia ny fahefana papaly ». Ny « sarin’ny bibi-dia » dia mampiseho io endriky ny fivavahana Protestanta mihemotra izay hiseho rehefa hitady ny fanampian’ny fahefam-panjakana ny fiangonana Protestanta mba handidy hankatoavana ny fampianarana. Mbola hofaritana ny atao hoe ny « mariky ny bibi-dia. »Hery Mifanandrina, p. 459.

FANAFIHANA ATAON’ILAY SARIN’NY BIBIDIA

3. Inona ny famelezana mavaivay ataon’ilay sarin’ny bibidia  amin’ireo vahoakan’Andriamanitra ? Apokalypsy 13 : 17. Noho izany, ahoana no ataon’ireo vahoakan’ Andriamanitra amin’ireo zava-tsoa izay nankininy tamin’izy ireo ?

« Ho avy ny fotoana, ireo mpitandrina ny didin’Andriamanitra dia tsy afaka ny hividy sy hivarotra. Mahavitriha hianareo amin’ny famoahana ny talentanareo. Raha toa ka Andriamanitra mahatoky anareo amin’ny vola, aseho ny fahatokisanareo amin’ny andraikitrareo ; aza avela handry ny vola fa ataovy izay hanome voa azy, mba amin’ny fiverenan’i Kristy dia afaka ny handray izay Azy miaraka amin’ireo tombony. Amin’ny fotoana ny fahoriana farany, mialoha ny fahataperan’ny asa , ny anarivony na ny dolara na ny euros no hapetraka hampifaliana eo ambony alitara.  Hihevitra ireo lehilahy sy vehivavy   fa tombotsoa iray voatahy ny mandray anjara amin’ny fanomanana ny fanahy maro mba hahafahan’izy ireo hijoro amin’ny andro lehiben’i Jehovah, ary ireo hanolotra vola aman-jatony izay mora aminy ny hanolotra noho ny hanolotra vola kely amin’izao fotoana izao. Raha toa ka ny fitiavan’i Kristy miredareda ao anatin’ny fon’ireo izay milaza ny tenany ho zanany, hohitantsika amin’izao ankehitriny izao ny fisehoan’ny fisainana mitovy. Raha fantany mantsy fa efa akaiky anie ny fiafaran’ny asa rehetra izay tanteraka ho amin’ny famonjena  ny fanahy, nahafoy ny fananany tamim-pitiavana ireo mpivavaka tao amin’ny fiangonana voalahany. Niasa tamin-kafanam-po izy ireo ho amin’ny fampandrosoana ny fanjakan’ Andriamanitra tahaka ireo olon’ izao tontolo izao izay nafana fo koa mba hiasa ho amin’ny haren’ izao tontolo izao. Nampiasa ny fahaizana sy ny fahalalana ary nihetsika taminkafanam-po sy tamim-panetren-tena mba hahazoana fitaovana tsy ho hangonina fa hotehirizina ao amin’ny sopitry ny haren’ny lanitra.” -  Maranatha, p. 181.

NY MOMBAMOMBA ILAY BIBIDIA IZAY NIAKATRA AVY TAMIN’NY RANOMASINA
 
4. Firy ny marik’ilay bibidia, ary ahoana no fomba fanisana azy? Apokalypsy 13 : 18.

« Ny fanazavan-teny izay mipariaka tamin’ny fotoana nanaraka ny fanavaozana dia ny 666 izay maneho ny « Vicarius Filii Dei »  izay midika hoe : solon-tenan’ny zanak’ Andriamanitra » iray amin’ireo lohahevitra ho an’ny pape ny Roma. Ny lanja ara-tarehimarikan’ireo tarehin-tsoratra mitsinjara io lohahevitra io miakatra ho 666 toy izao :
   
« V  I    C    A  R  I  V  S      F  I   L   I   I         D    E   I
« 5+1+100+0+0+1+5+0  +  0+1+50+1+1   +  500+0+ 1   =  666 »

– [Ecrit par les auteurs des Commentaires] Seventh-day Adventist
Bible Commentary, vol. 7, p. 823.

Ny papa dia milaza ny tenany ho solontenan’ i Jesosy Kristy kanefa amin’ny inona eo amin’ny toetrany no mampitovy azy  amin’ny Mpamonjy ? Moa ve izy efa nampiditra an-tranomaizina na nanorotoro olona noho ny fandavany ny maha Mpanjakan’ny lanitra azy ? Moa ve efa nanameloka ho faty ireo izay tsy nandray azy izy ? La tragédie des siècles, p. 619.

FAHASAMIHAFANA EO AMIN’NY MARIKY NY BIBIDIA SY NY TOMBOKASEN’ ANDRIAMANITRA

5. Inona no nataon’ireo fikambanana sasany tamin’ny lalàn’ Andriamanitra  ? Habakoka 1 : 4a. Moa ve tsy mahataitra ny zanak’ Andriamanitra izany fanovana ny lalàna izany  ? Salamo 119 : 26.
 
« Tahaka ny efa voalaza etsy ambony, ny mariky ny herin’ Andriamanitra dia ny Sabata masin’ny didy faha-efatra. Ny fandikan’ny papa io lalàna io tsy manova ny teny, raha tsy tokana ihany dia ny fanajana io didy io. Ny lalàn’ Andriamanitra dia milaza fa ny andro fahafito dia Sabatan’ Andriamanitra Andriamanitrao. Ny fiangonana Katolika romana dia manambara fa ny fitazonana ho masina io didy io dia mametraka ny Andro Alahady ( ho andro voalohany) ho fivavahana sy ireo asa-panompoana.’ - Butler’s Catechism. Eo am-panamarinana fa ny fiangonana dia manana ny fahefana mametraka ny andro firavoravoana , ny fotokevitra hijoroan’ ny katekisma dia milaza fa : “ fa raha tsy manana izany karazan-pahefana izy dia tsy ho afaka ny hanao toy ireo nataon’ ireo mpanidraindra ny fivavahana  moderna. Tsy nanova ny fankatoavana ny alahady ho andro voalohany amin’ny herinandro ho fankatoavana ny asabotsy izay andro fahafito, fiovana, izay tsy misy fahefana izay voasoratra milaza izany. The Desire of Ages, Appendix to 1898 Edition, Note 1 to p. 122.

6. Raha mbola manao drafitra hampanaiky ny foto-keviny ilay bibidia sy ny sariny, inona kosa no hiakan’ilay anjely fahatelo ? Apokalypsy 14 : 9-11.

Ny fampitandremana faran ‘izay mapihorohoro indrindra izay tsy mbola nampilazaina an’ olona tsy maintsy maty dia izay hita ao amin’ny hafatry ny anjely fahatelo. Io fahotana io dia faran’ izay mahatsiravina satria hianjera amin’ireo mpandika lalàna ireo ny fahatezaran ‘Andriamanitra tsy misy fampindram-po. Araka izany dia  tsy ho afaka ny hametraka izao tontolo izao ao anaty haizina avy amin’io ota voalaza io. Araka izany ny fampitandremana hanoherana io ota io dia tsy maintsy ho tonga eto amin’izao tontolo izao alohan’ny fitsaran’ Andriamanitra, ny tsirairay dia tsy maintsy hahalala ny antony sy manana fotoana miala amin’ izany ( fahotana). Kanefa ny faminaniana dia milaza fa izany fitsarana izany dia hambaran’ ny anjely voalohany ho an’ ny firenena rehetra, fokon-pirenena rehetra, ny samihafa fiteny ary ny olona rehetra. Ny fampitandreman’ny anjely fahatelo dia hafatry ny anjely telo., ny fampitandremana dia fampahalalana hatraiza hatraiza , na amin’ny fotona inona, na amin’ny fotona inona. Hoy ny faminaniana, hambaran’ny anjely manidina eo afovoan’ lanitra amin’ny feo mafy io fampitandremana io. Araka izany dia hisarika ny sain’ izao tontolo izao izy.La tragédie des siècles, p. 487

NY FANDRESENA NY BIBIDIA SY NY SARINY

7. Na dia eo aza ny fifanoherana lehibe, inona no hitranga amin’ireo izay tsy manaiky ny marika sy ny isan’ny herin’olombelona ? Apokalypsy 15 : 2, 3. Inona no tsiambaratelon’ny fandresena ? Apokalypsy 12 : 11 ; 1 Jaona 5 : 3, 4.
 
«  Tao anatin’ io fifanandrinana io, ny mpiandany amin’ny Kristy dia nizara roa : ery andaniny dia ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy mitana ny finoana an’ i Jesosy, etsy ankilany ireo miankohaka amin’ny bibidia sy ny sariny ka mandray marika amin’ ny handriny. Ny fiangonana sy ny fanjakana dia hanambatra ny heriny mba ho ambany vahoany izy rehetra Ary ny olona rehetra, na ny kely na ny lehibe, na ny manan-karena na ny malahelo, na ny tsy andevo na ny andevo, dia ampandraisiny marika eo amin'ny tànany ankavanana na eo amin'ny handriny avokoa Apocalypse 13 : 16, 17, ny vahoak’ Andriamanitra dia tsy handray izany. Ary nahita aho fa, indro, toa ranomasina fitaratra miharo afo, ary izay naharesy ka afaka tamin'ny bibi-dia sy ny sariny ary ny isan'ny anarany dia nitsangana teo amoron'ny ranomasina fitaratra, nitana lokangan'Andriamanitra.  Ary mihira ny fihiran'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, sy ny fihiran'ny Zanak'ondry izy manao hoe: Lehibe sy mahatalanjona ny asanao, Tompo o, Andriamanitra Tsitoha; Mahitsy sy marina ny lalanao, Ry Mpanjaka mandrakizay. Apocalypse15 : 2, 3.
« …Ilaina indrindra ny finoana mba hitandremana ny lalàn’ Andriamanitra ; fa « raha tsy amin’ny finoana dia tsy misy azo atao hahazoana sitraka aminy » Ary “ ota izay rehetra tsy avy amin’ny finoana”.Hebreo 11 : 6 ; Romana 14 : 23. »Hery Mifanandrina,pp. 450.

Mba ho saintsainina lalina

Apokalypsy 7 : 2, 3, 14-17 ; 16 : 2 ; 19 : 20 ; 20 : 4.

« … Kanefa tsy fotoanan’ny fihemorana, na fahamenarana ny finoantsika. Izany fahasarotana mampiavaka voasoritra ao amin’ireo teny ireto: «  Indro ny faharetan’ny olona masina dia izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra sy ny finoana an’ Jesosy, tsy maintsy ho entina eto amin’izao tontolo izao mandra-pahatongan’ ny fiafaran’ny taom-pahasoavana. » Témoignages pour l’Eglise, vol. 2, p. 493.
« Andriamanitra mihitsy no nametraka eo am-pelatantsika takelaka misy soratra hoe : « Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy »  Apocalypse 14:12. Hafatra manokana ny hafatra nomentsika, hafatra fampitandremana. Natokana hitarihina ireo izay manaiky izany,  tsy ho any amin’ ireo barika loaka tsy misy rano, fa kosa ho any amin’ny loharano velona tsy mety ritra »Témoignages pour l’Eglise, vol. 3, p. 175.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire