jeudi 3 juillet 2014

FANAMARINANA SY FANAMASINANA AMIN'NY FINOANA



« Rehefa nandresy lahatra ny amin’ny fahotana ny Fanahy Masina , ka nampiseho ny tarigetran’ny fahamarinana ho hitan’ny saina , dia misarika ny fitiavana hiala amin’ny zavatr’ity tany ity Izy , ka mameno ny fanahy amin’ny faniriana fahamasinana . “ Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ny marina rehetra” Jaona 16 : 13, hoy ny Mpamonjy . Raha mety ho volavolaina ny olona ,dia hamasinina ny tenany manontolo . Horaisin’ny Fanahy ny zavatra araka an’Andriamanitra ka hataony tombokase amin’ny fanahiny . Ny heriny no hahatonga ny lalan’ny fiainana tsy hisy kitoantoana, hany ka tsy misy na dia iray aza tokony ho very lalana ny amin’izany . » Vavolombelona Mahery , pp. 47, 48.

IREO ANDRAIKITRA FOTOTRY NY LALÀNA

1. Inona ny andraikitra manan-danja tazomin’ny lalàna eo amin’ny olona izay mahatsapa ny filany Mpamonjy ? Romana 7 : 7. Aiza no mety hahitan’ny mpanota very fanantenana iray famonjena? Galatiana 3 : 24 ; Romana 3 : 24.
 
« ‘Toy ny boky mitondra antsika eo amin’i Kristy ny lalàna, mba hahatonga antsika ho voamarina amin’ny finoana. Galatiana 3 :24. Amin’io andininy io ny Apostoly rehefa  nobitsihin’ny Fanahy Masina dia nanambara indrindra momban’ny lalàna moraly. Izy no mampahafantatra antsika ny fahotana ka maneho amintsika fa mila mihazakazaka mankamin’I Kristy isika mba hahazoana famelan-keloka sy fiadanana rehefa mibebaka eo antrehan’ Andriamanitra sy mino an’I Jesosy Tompontsika. »Messages choisis, vol. 1, pp. 275, 276.
« Mampiseho ny otany amin’ny olona ny lalàna, fa tsy mitondra fanafody hanasitranana izany. Mampanantena fiainana ho an’ny mankato izy, nefa manambara fa fahafatesana no anjaran’ny mpandika azy. Ny filazantsaran’i Kristy irery ihany no mahay manafaka ny mpanota amin’ny fanamelohan’ny fahotana na ny fahalotoana avy aminy. Tsy maintsy mibebaka amin’Andriamanitra izy, satria nandika ny lalàny ; tsy maintsy mino an’i Kristy izy, Ilay sorona nanavotra azy. Amin’izany fomba izany no ahazoany « famelana ny heloka tamin’ny lasa » ka mahatonga azy ho mpiray amin’ny fomban’Andriamanitra. Zanak’Andriamanitra izy, manana ny fanahin’ny fananganan’anaka izay iantsoany hoe : « Aba, Ray ô ! » Hery Mifanandrina p. 482.

EO AM-PANDRAISANA NY FANAMARINANA
2. Inona no mialoha ny fanamarinana ny mpanota? 2 Petera  3 : 9 ; 1 Jaona 1 : 9. Inona no atao hoe fibebahana marina? Lioka 15 : 17-22 ; 18 : 13, 14.

« Ny fibebahana dia fahatsapana hirifiry ny amin’ny fahotana natao sy ny famelàna izany.  Tsy ho afaka amin’ ny fahotana isika raha toa ka tsy mahita aloha ny haratsin’izany ; tsy hisy fiovam-piainana mihitsy ambaram-pialana tanteraka amin’ny fahotana amin’ny fo manontolo » – Vers Jésus, p. 21.

«Ny tena fibebahana marina dia mihoatra ny hirifiry ny amin’ny fahotana natao : fiodinana tanteraka amin’ny ratsy izany. »Patriarches et Prophètes, p. 543.
« … Tsy maintsy mianjera tsy misy hery eo amin’Ilay vatolampy hianareo dia Jesosy Kisty. Tsy maintsy mahatsapa hianareo fa mila fanafody ary ilay hany fanafody tokana miady amin’ny fahotana dia ny ràn’I Kristy. Tsy azo io fanafody tokana io raha tsy amin’ny fibebahana eo anatrehan’Andriamanitra sy amin’ny finoana an’I Jesosy Kristy Tompontsika… Tsy hanan-danja ny ràn’I Kristy raha tsy ho an’ireo izay mahatsapa ny heriny manadio. » Maranatha, p. 71.

3. Nahoana no tsy hisy mihitsy izany hoe mahazo ny famonjena nefa tsy nisy fibebahana sy finoana? Asa 20 : 20, 21 ; 2 Korintiana 7 : 10, 11.
 
« Miara-miasa amin’ny finoana ny fibebahana: mitaky izany ny filazantsara ho toy ny fepetran’ny famonjena. Nitory momban’ny fibebahana i Paoly. Hoy izy : ‘ka tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko tao amin’ny isan-trano ; ary nambarako tamin’ny jiosy sy ny jentilisa koa ny fibebahana amin’Andriamanitra sy ny finoana an’I Jesosy Kristy Tompontsika. Asan’ny apostoly 20 : 20, 21. Tsy misy famonjena rehefa tsy misy fibebahana.  Tsy misy mpanota izay  tsy manenina ny amin’ny fahotany afaka ny hino ao am-pony fa hahazo fanamarinana. Ny fibebahana dia hadikan’i Paoly hoe : ‘fa ny alahelo araka an’Andriamanitra dia miasa fibebahana ho famonjena tsy hanenenana’  II Korintiana 7 :10. Tsy azo amin’ny fahamendrehana io fibebahana io, fa manomana ny fo hanaiky an’I Kristy ho toy ny Mpamonjy tokana, fanantenana tokana ho an’ny fanahy very. »La foi et les oeuvres, p. 100.

4. Amin’ny alàlan’iza irery irery ihany no ahafahana mahazo ny tena fibebahana, ny finoana, ary ny famelana ny fahotana? Asa 5 : 30, 31. Arak’izany ary, inona no andraikitr’ilay persona faha-telo amin’ny maha-Andriamanitra ? Galatiana 5 : 22, 23.


« Kanefa ahoana ny fomba fibebahan’ny olnona ? Moa ve izany avy any anatiny ? Tsia, satria manohitra an’Andriamanitra ny natioran’ny fo. Noho izany ahoana no ahatonga ny fo ho taitra amin’ny fibebahana rehefa tsy manan-kery hanao izany izy ? Iza no mitondra ny olona hibebaka? I Jesosy Kristy. Ahoana no fomba hanosehany ny olona ho torotoro ? Misy fomba anarivony afahana ahatongavana amin’izany. »La foi et les oeuvres, p. 58.
«Rehefa miaina amin’ny alalan’ny fibebahana sy ny finoana isika , ka manaiky an’I Kristy ho Mpamonjy , ny Tompo dia mamela ny fahotantsika, ka mamerina ny didim-pitsarana voasoratra ho any amin’ny fandikana ny lalàna. Miseho eo anatrehan’Andriamanitra ho toy ny olona marina ilay mpanota ; tian’ny lanitra izy ary amin’ny alalan’ny fanahy dia mifandray amin’ny Ray sy ny Zanany izy…

«Iza , ankoatran’ny Fanahy Masina no mampiseho amin’ny fanahin’ny olona ny tokony ho izy amin’ny moralin’ny fahamarinana, sy mahatonga alahelo arakan’ Andriamanitra izay mamokatra fibebahana tsy hanenenana, sy mandrisika ny asan’ny  finoana ao amin’ilay tokana afaka mamonjy amin’ny fahotana rehetra ? »Selected Messages, vol. 3, pp. 191, 137, 138.

NY FAHAMARINANA ISAINA SY IREO VOKATR’IZANY

5. Inona no mitranga rehefa avy voamarina ny mpanota iray nibebaka? Romana 5 : 1, 2 ; Jaona 5 : 24 ; Romana 6 : 22.
 
«Rehefa mamindra fo amin’ny mpanota iray Andriamanitra, manala azy tsy hiaran’ny sazy sahaza azy, mikarakara azy ho toy ny tsy mbola nanota mihitsy, raisiny ilay olona sy hamarininy amin’ny alalan’ny fahamendrehan’I Kristy. Tsy afaka ny ho voamarina ny mpanota raha tsy noho ny fanavotana neken’ny Zanaka malalan’Andriamanitra, izay nanao sorona ho an’ny mpanota eo amin’ny tany meloka. » – Messages choisis, vol. 1, p. 456.
« …Tonga tamin’izay rehetra nanaiky an’i Kristy ho Mpamonjin’ny tenany manokana ny Fanahy Masiana ho mpananatra , mpanamasina , mpitarika ary vavolombelona . Arakaraka ny maha-etiety kokoa ny niarahan’ny mpino tamin’Andriamanitra , dia arakaraka izany koa no mampahazava kokoa sy mampahery kokoa ny teny vavolombelona nataony ny amin’ny fitiavan’ny Mpanavotra sy ny fahasoavany mamonjy . Ny lehilahy sy ny vehivavy izay nandray tombontsoa betsaka tamin’ny fanantrehan’ny Fanahy Masina nandritra ireo taonjato lava nisian’ny fanenjehana sy ny fizahan-toetra , dia toy ny famantarana sy fahagagana teo amin’izao tontolo izao . Teo anantrehan’ny anjely sy ny olona no nanehoany ny hery manovan’ny fitiavana manavotra . » Vavolombelona Mahery , pp. 44, 45.

NY ASA FANOVANA ATAON’NY FANAHY MASINA

6. Inona ny hery manova izay miasa mavitrika ao anatin’ny tena mpino iray ? Titosy 3 : 5-7 ; Jaona 16 : 13-15.


«Ny fanjakan’I Kristy dia tsy haorina amin’ny fanampahan-kevitra amin’ny tribonaly na amin’ny antenimiera na amin’ny fivorian’ny parlemanta, na amin’ny fidiran’ny olona lehiben’izao tontolo izao ; fa haorina amin’ny asan’ny Fanahy Masina izay mampahafantatra ny natioran’I Kristy amin’ny olona … Izany no hery tokana afaka manova ny taranak’olombelona. Ahatongavana amin’izany dia ny fampianarana sy ny fampiharana ny tenin’Andriamanitra no hataon’ny olona». »Jésus-Christ, p. 506.
  « Nomena ny Fanahy mba hiasa ho famelombelomana sy hahatonga ny famonjena notanterahin’ny Mpanavotra antsika hisy vokany. Mitady mandrakariva ny hisarika ny sain’ny olona ho amin’ilay Fanatitra lehobe izay natao teo amin’ny hazo fijalian’i Kalvary ny Fanahy. Miezaka Izy ny hamelatra ny fitiavan’Andriamanitra amin’izao tontolo izao, sy hanokana ireo haren-tsarobidin’ny Soratra Masina eo imason’ny fanahy resy lahatra. » Vavolombelona Mahery , p. 47.

7. Inona no ataon’Ilay Mpampionona ao amin’ilay asa lehibe izay manova ny olombelona ? Jaona 16 : 8 ; 1 Tesaloniana 5 : 23.
 « Ny fanamasinan’ny fanahy avy amin’ny Fanahy Masina dia fambolena ny toetran’i Kristy ao amin’ny olombelona . Ny fivavahan’ny filazantsara dia Kristy ao amin’ny fiainana ho foto-kevitra velona sy miasa . Tsy inona izany fa ny fahasoavan’i Kristy aseho eo amin’ny toetra amam-panahy sy tanterahina amin’ny asa tsara . Tsy azo sarahina amin’ny sampana rehetra amin’ny fiainana andavanandro ny foto-kevitry ny filazantsara . Ny fitsipika rehetra eo amin’ny fanandramana sy ny asan’ny kristianina dia tokony ho fanehoana ny fiainan’I Kristy . » Henoinareo ny Fanoharana pp. 336, 337.
« …Ny fanahy tsirairay mino dia tsy maintsy mampifanaraka tanteraka ny sitrapony amin’ny an’ Andriamanitra ka mitoetra amin’ny fibebahana sy ny alahelo ny amin’ny fahotana hatrany. Mampihatra ny finoana amin’ny fahamendrehan’ny fanavotana nataon’Ilay Mpamonjy ka mandroso amin-kery, sy voninahitra ho amin’ny voninahitra hatrany. »La foi et les oeuvres, p. 105.

MANDRAY ANJARA AMIN’NY NATIORA MAHA-ANDRIAMANITRA

 8. Mandray anjara amin’ny inona ny olona iray rehefa mibebaka sy mandray an’I Jesosy Kristy ho Mpamonjy azy manokana? 2Petera 1: 3, 4. Tahaka ny Tompony, inona no ataon’io olona io? Apokalypsy 14: 12.
« Ny fahamarinana avy any an-danitra dia tonga mba hanadio ny olona amin’ny fisainana tsy masina rehetra. Mitarika ny olona hanana fihetsika maha te ho tia izy , fitiavana malefaka, mihevitra tsara ireo izay mila fanampiana ; ireo ao anatin’ny olana sy ireo mijaly. Izany no fankatoavana ara-bakiteny ny tenin’I Kristy. » – Manuscrit 34, 1894…
«Tonga hijaly hiloso toerana antsika Kristy, mba hahafahany manome ny fahamarinany. Tsy misy afatsy fomba tokana no ahafahantsika mandositra izany dia amin’ny  fahatongavantsika mpandray anjara amin’ny natioran’ ny lanitra irery ihany »  Selected Messages, vol. 3, pp. 199, 197.

Mba ho saintsainina lalina


Romana 6 : 18 ; Efesiana 2 : 5-10 ; Titosy 3 : 5-7.



«Fanehoana ny fisainan’Andriamanitra ny lalàna. Rehefa mandray izany ao amin’I Kristy isika dia tonga tahaka ny Azy ny fisainantsika. Mampiakatra ny faniriantsika ho  ambony kokoa sy ireo fironana maha olona, faniriana mahery noho ny  fakam-panahy , ka mitaona antsika hiala amin’ny fahotana. ‘Be fiadanana izay tia ny lalànao ; Ary tsy misy mahatafintohina azy.’ Salamo 119 :165 »Messages choisis, vol. 1, p. 277.
«Mandrakariva ny finoana manamarina dia miteraka fibebahana tena izy sy asa tsara, izany no vokatry ny tena finoana marina.  Tsy misy finoana mamonjy ka tsy miteraka vokatra tsara. Nomen’Andriamanitra ho an’izao tontolo izao I Jesosy ho tonga mpisolo ny mpanota. Amin’ny fotoana hampiarana ny tena finoana ny fahamendrehan’ny sorona amin’ny vidiny tsy hita lany, ka mitaky an’I Kristy ho toy ny Mpamonjy ny tena manokana, amin’io fotoana io ilay mpanota dia voamarina eo anatrehan’Andriamanitra satria voavela ny helony. . » Manuscrit 46, 1891 Selected Messages, vol. 3, p. 195.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire