mardi 29 juillet 2014

ILAY FIANGONAN’I AVO INDRINDRA MANDRITRA NY FOTOANA HISIAN’IREO LOZA



       Ary hatoky Anao izay mahalala ny anaranao . Fa tsy foinao izay mitady Anao Jehovah o ! Mankalazà an’i Jehovah  , izay mitoetra any Ziona . Ambarao any amin’ny firenena ny asany . Fa izay manadin-dra dia mahatsiaro ny ory .Tsy manadino ny fitarainany Izy  . Salamo 9 : 10-12 .
                                                            
Ireo olona masina dia arovan’ireo anjely

1.- Inona no ataon’ireo olona masina rehefa mifarana ny androm-pahasoavana ?  Isaia 26 : 20 . Inona no hanohana an’ireo olona masina ireo mandritra ilay fotoan-tsarotra ?  Isaia 33 : 15-16
 
              Izaho dia nahita ireo olona masina niala tamin’ireo tanàn-dehibe sy ireo vohitra madinika , ka nitambatra tao anatin’ny vondrona maromaro sy nivelona tao amin’ireo toerana izay tena any ambanivohitra tokoka . Ireo anjely dia nitondra sakafo sy rano ho azy ireo , fa etsy andanin’izany kosa , ireo ratsy fanahy dia mijalin’ny hanohanana sy hetaheta . Premiers Ecrits P 282 . 
             Eo amin’ny andron’ilay fizahan-toetra mampatahotra , Kristy dia hiteny manao hoe : “Mandehana hianao ry vahoakako , midira ao an’efitranonao ao , ary akatony ny varavarana , miafena ao mandritra ny fotoana fohifohy , ambaram-paha lasa an’ilay fahatezerana . Inona moa io efitrano io izay tsy maintsy hiafenan’ny  vahoakan’Andriamanitra ? Izany dia ny fiarovan’i Kristy sy ny anjeliny . Ny vahokan’Andriamanitra dia tsy hoe eo aminin’ny toerana iray ihany amin’izay fotoana izay . Io vahoaka io dia hahaforona vondrona madinika maromaro mipariaka manerana ny tany .  Maranatha p  268

2 .-Inona no tetika novolavolain’i  Hamana rehefa nangataka izy mba hisian’ny didy hamonoana an’ireo Jiosy ? Amin’ny fomba mitovy amin’izany ihany , iza no ho olona izay kendren’ireo mpankahala fivavahana ho velezina ao anatin’ny haromotan’izy ireo ? Estera 3 : 8-15 ; Apokalypsy 13 : 15
 
            Rehefa afaka izany , izaho dia nahita ireo lehibe eto amin’izao tontolo izao izay nifanolo-kevitra , ary koa , i satana sy ireo anjeliny dia tena miraharaha amin-kerimpo mafy manodidina azy ireo . Izaho dia nahita lahantsoratra izay naely manerana ny toerana samihafa teto ambonin’ny tany , mandidy manao hoe : raha ohatra ireo olo-masina ka tsy miala amin’ny hevitr’izy ireo manokana , raha toa izy ka tsy mitsipaka ny fitandremana ny Sabata mba hitandrina ny andro voalohany amin’ny herin’andro , dia havoaka ny lalàna hamonoana azy ireo ho faty rehefa afaka fotoana fohy . Eo amin’ny fotoanan’io fizahantoetra io , ireo olona masina dia nitahiry ny fahatoniany , nametraka ny fitokisany tamin’Adriamanitra , sady niantehitra tamin’ilay teny fampanantenana izay nomena azy ireo , mba handreseny manoloana an’ilay fizahan-toetra . Eo amin’ireo toerana sasantsasany aza , alohan’ny fahatongavan’ny fotoana hisian’ny fandrahonana ho faty , ireo ratsy fanahy dia hiantoraka hamono hahafaty ireo olon’Andriamanitra , kanefa misy anjely maro izay maka ny endri-dehilahy mpiady izay hiady ho an’ireo olona masina ireo . Premiers Ecrits pp 282 , 283

3 .-Inona no votoantin-kevitra ampiasain’ireo mpankahala fivavahana mba hanoherany an’ireo olona masina ? Jaona 11 : 49-50 . Inona ireo fahefana lehibe izay hiasa mavitrika ao anatin’ilay hetsika fanoherana ny vahoakan’ Andriamanitra , indrindra ao Amerika avaratra ? Apokalypsy 13 : 1-2 ; 11 : 14-17
 
             Ho lazaina fa ireo olom-bitsy izay mijoro hanohitra izay natsangan’ny fiangonana sy ny lalàm-panjakana dia tsy azo andeferana , fa aleo lavitra ireo no mijaly toy izay ny firenena manontolo no hikorotana sy tsy ho tan-dalàna . Io fonjan-kevitra io no nampiasain’ireo mpitarika ny firenena , hamelezana an’i Kristy , taon-jato valo ambin’ny folo lasa izay ! Fa tsara ho antsika hoy ilay Kaiafa fangoloka , raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny firenena , mba tsy ho rava avokoa ity firenena ity . Jaona 11 : 50 . Manana endrika ho marina izany fonjan-kevitra izany , ary amin’ny farany dia hisy didy havoaka hanamelohana ireo izay manamasina ny Sabatan’ny didy faha efatra , hiampangana azy ho mendrika hampiharana ny famaizana henjana indrindra ka hanomezana alalana ny vahoaka hamono azy ho faty rehefa afaka fotoana kely . Ny fivavahana mpanaraka an’i Roma  any Eoropa sy ny fivavahana protestanta nihemotra any Amerika dia hitovy fihetsika amin’ireo izay mankato ny didin’Andriamanita rehetra . Hery Mifanandrina pp 641 , 642

Zahana toetra tahaka an’i Jakoba                                                              

4 .-Inona ilay fizahan-toetra hatrehan’ny zanak’Andriamanitra mandritra io fotoana io ?  Jeremia 30 :5-7 . Nahoana no tsy maintsy ilaina ny fandalovan’izy ireo amin’izany fizahan-toetra izany . Jakoba 1 : 12
 
            Tsy ela taorian’izany , izaho dia nahita an’ireo olona masina tao anatin’ny tebiteby lehibe . Izy ireo dia nohodidinin’ireo ratsy fanahy izay monina eto ambonin ‘ny tany . Ny zavatra rehetra dia toa miray saina manohitra azy ireo avokoa . Ny sasantsasany tamin’izy ireo aza dia nanomboka natahotra , sao dia hamela azy ireo ho tafalatsaka eo an-tànan’ireo mpankahala fivavahana Andriamanitra . Kanefa raha ohatra ny mason’izy ireo afaka misokatra tsara , dia ho nahita ireo anjelin’Andriamanitra nanodidina azy izy . Rehefa afaka izany , izaho dia nahita an’ilay fitambaran’olona ratsy fanahy maro izay nifofofofo taminy , avy eo aho  dia nahita anjely ratsy analin’alina izay nanosika an’ireo ratsy fanahy hamono hahafaty ireo olona masina . Kanefa alohan’ny hahafahan’ireo olona ratsy fahany hanantona ny vahoakan’Andriamanitra , ireo ratsy fanahy ireo dia tsy maintsy mamakivaky an’ilay antonkon’ireo anjely masina sy mahery , izay zavatara tsy hain’izy ireo atao   mihintsy . Ireo anjelin’Andriamanitra dia hanery an’ireo ratsy fanahy hiemotra . Ny anjelin’Andriamanitra dia manosika sy mampandositra an’ireo anjely ratsy , izay misisika manodidina azy ireo . Premiers Ecrits p 283

5 .-Inona ireo fitaovana ampiasain’ny Tompo mba hanadiovana ireo zanany ? Apokalypsy 3 : 10 ; Malakia 3 : 2-4

                  Izy io dia fotoana nisian’ny tebiteby , fotoana izay tsy maintsy hiatre-hana toe-draharaha mahatsiravina ho an’ireo olona masina . Izy ireo dia niantso-antso mafy an’Andriamanitra andro aman’alina mba hahazo fanafahana . Araka ny fijerin’olombelona , dia tsy misy mihintsy ho azy ireo ny fomba hahafahana man-dositra . Ireo ratsy fanahy dia efa nanomboka nandresy sy nihiaka hoe : Nahoana ny Andriamanitrareo no tsy manafaka anareo ho afaka eo amin’ny tànanay ? Nahoana ianareo no tsy miakatra any an-danitra mba hamonjy ny ainareo ? Kanefa moa ireo olona masina dia tsy niraharaha an’izany teny izany . Tahaka an’i Jakoba , izy ireo dia nitolona tamin’Andriamanitra . Sasa-niandry mba hanafaka azy ireo ny anjely maro , kanefa izy ireo dia tsy maintsy mbola niandry kely aloha . Ireo zanak’ Andriamanitra dia tsy maintsy nisotro tamin’io kapoaka io , sy atao batisa amin’izany fomba izany . Ireo anjely izay mahatoky sy tsy mivadika amin’ny andraikiny dia nitohy niambina . Andriamanitra dia tsy namela ny anarany ho afa-baraka eo amin’ireo mpankahala fivavahana . Efa miha akaiky ny fotoana izay hanehoany ny heriny sy hanafahany amim-boninahitra an’ireo olony masina . Mba ho voninahitry ny anarany , Izy dia efa hanafaka ireo rehetra izay niandry Azy tamim-paharetana , sady manana ny anarany voasoratra ao amin’ny bokin’ny fiainana . Premiers Ecrits pp 283 , 284

Mitolona mba hahazo fandresena

6 .-Raha ohatra isika mitolona amin’Andriamanitra tahaka ny nataon’i Jakoba , inona no ho vokatr’izany ankehitriny sy eo amin’ny fotoana mampisamboaravoara ? Hosea 12 : 5 ; Isaia 63 : 9 .
 
              Tsitapitapitr’izay dia nisy Tanana nitehina teo amin’ny sorony . Noheve-riny fa fahavalo nitady handatsaka ny ainy izany ka dia niezaka araka izay tratry ny ainy izy nitolona tamin’ilay fahavalo . Rehefa nangirandratsy ny andro dia asehon’ ilay olon-tsy fantatra ny heriny mihoatra noho ny an’ny olombelona  ; notendreny ity lehilahy matanjaka ka toa nalemy ary toa tsy nanankery , nitalaho tamin-dranomaso teo ambozon’ity fahavalo tsy fantatra velively . Fantatr’i Jakoba izao fa Ilay anjelin’ny fanekena no niady taminy . Na dia nahazo kilema aza izy ka narary mafy indrindra , dia tsy nohadinoiny ny fikasany . Efa ela no niaretany tebiteby , fanenenana sy alahelo mafy noho ny fahotany .  Ankehitriny kosa dia tsy maintsy ataony izay maha azo antoka ny famelana izany . Toa efa handeha Ilay mpamangy avy amin’Andriamanitra , fa namikitra taminy i Jakoba , nitaky fitahiana . Hoy ilay anjely nanantitrantitra hoe : “ Avelao aho handeha , fa efa mazava ratsy ny andro” , nefa namaly ilay patriarika hoe : “ Tsy havelako Ianao , raha tsy tahianao aho” . Toky manao ahoana ! Fahamatorana sy fikirizana manao ahoana no asehony eto ?  Hery Mifanandrina p 643

            Ilay alina nitebiteben’i Jakoba , fony izy nitolona tamim-bavaka mba ho afaka amin’ny tànan’i Esao  dia mampiseho ny fanandramana hataon’ny vahoakan’Andriamanitra amin’ny andro fahoriana. Hery Mifanandrina p 642

 Fiovana anarana 

7 .-Inona no vokatr’ilay tolona nataon’i Jakoba sy ny fandresena azony ? Genesisy 32 : 27-28 . Inona no ho tonga amin’ny vahoakan’Andriamanitra , ary inona no anarana omena ho azy  , raha ohatra ka mandresy tahaka an’i Jakoba izy ireo ?  Apokalypsy 3 : 12
 
        …. Ho porofo mazavan’ny fandreseny sy ho fampaherezana ny hafa hanahaka ny ohata nomeny , dia novana ny anarany ka ilay nampahatsiaro ny fahotany dia nosoloana anarana izay tsangambaton’ny fandresena koa . Hery Mifanandrina p 643
             Ny Israelin’Andriamanitra  dia nampifantoka ny fijeriny ho any ambony , io vahoaka Israely io dia nihaino an’ireo teny izay nivoaka avy tao amin’ny vavan’i Jehovah izay naneno toy ny tabataban’ny varatra .Izany dia fisehoana miezinezina izay mampahatahotra loatra . Aoriana’ny hira isan’andininy , ireo olona masina dia mihiaka amin’ny feo mafy manao hoe : “ Voninahitra , Haleloia” . Ny tavan’izy ireo izay nohazavain’ny voninahitr’Andriamanitra , dia namirapiratra toy ny tavan’i Mosesy rehefa nidina avy teo an-tendrombohitr’i Sinay izy . Ireo ratsy fanahy dia tsy afaka nijery azy ireo noho ny famirapiratry ny tavany . Ary rehefa notononina ilay fitahiana mandrakizay mba ho an’ireo izay nanome voninahitra an’Andriamanitra amin’ny fitandremana ny Sabata masiny , dia heno ilay feo mafy lehibe manambara ny fandresena azon’ny olona nandresy an’ilay bibidia sy ny sariny .    Premiers Ecrits pp 285 , 286


Mba ho saintsainina lalina

Salamo 37 : 39 ; Hebreo 11 : 1-2 , 6 ; Salamo 91 : 2-9

             Raha ohatra hianareo te ho tafatoetra mijoro tsara mandritra ilay androm-pahoriana , dia tsy maintsy ilainareo ny mahafantatra an’i Kristy , Tsy maintsy ilainareo ny mandray an’ilay fanomezan’ny fahamarinany izay hisaina ho an’ny mpanota mibebaka The Review and Heralde 22 Novembre 1892 .  Message Choisie vol 1 p 425
             Eo amin’ny androm-pahoriana izay ho tonga alohakelin’ny fiverenan’ny Tompo , ireo olona marina dia tsy afaka ny handositra ny fahafatesana raha tsy amin’ny alalan’ilay raharaha ataon’ireo anjely masina . Kanefa izany toky izany dia tsy homena an’ireo mpandika  ny lalàn’Andriamanitra .  Amin’izany fotoana izany , ireo mpitondra hafatra  avy any an-danitra dia tsy afaka ny hiaro an’ireo izay mandika ny didin’Andriamanitra , na inona na inona didy nodikainy . Maranatha P 268
             Isika ankehitriny dia tsy maintsy mianatra an’ireo leson’ny finoana raha ohatra ka te ho tafatoetra mijoro tsara mandritra ireo fotoan-tsarotra izay ho avy , mba hizahana toetra ny mponina rehetra  eto ambonin’ny tany . Isika dia tsy maintsy manana ny herim-pon’ireo lehilahy mahery fo tamin’ny finoana sy ireo maty maritiora . Letres 14 Janvier 1884  . Levez vos Yeux en haut p 24

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire