lundi 21 juillet 2014

NY FIKOROROHANA EO AMIN'NY VAHOAKAN'I TSITOHA



«Nihena ny isan’io vondrona io. Ny sasany dia nihintsana tamin’ilay sivana sy namela ilay làlana lava. (Jereo Apokalipsy 3: 15, 17. Ireo feno tsy firarahina sy ireo tsy miraharaha, izay tsy niaraka tamin’ireo nametraka ambony ny tombam-bidin’ny fandresena sy ny famonjena mba haharitra amin’ny fivavahana, dia tsy hahazo na inona na inona ka tavela any aoriana any amin’ny maizina. Ny toeran’izy ireo dia nosoloin’ireo izay nanaiky ny fahamarinana malaky ka niditra ho isan’io laharana io. Nanohy nanodidina azy ireo hatrany ireo anjely ratsy kanefa tsy nanana fahefana tamin’ izy ireo izy. [Jereo Efesiana 6: 12-18.] » –Counsels for the Church, p. 271.

ILAY FANDAVANA NY HAFATRA SY NY FIKOROROHANA

1. Inona no fampitandremana omen’ilay Vavolombelona mahatoky ho an’ny fiangonan’I Laodikia? Nahoana io fanambarana io no hiteraka fikororohana eo amin’ireo vahoakan’Andriamanitra? Apokalypsy 3: 14-16.

«Nanontany ny dikan’ny fikororohana izay hitako aho. Novaliana aho fa izany dia vokatry ilay toro- hevitra avy amin’Ilay Vavolombelona marina ho an’ny fiangonan’i laodikia. Io toro hevitra io dia hisy fiantraikany ao amin’ny fon’izay mandray azy, ka hitondra azy hanandratra ny fahamarinana izany. Misy sasantsany izay tsy hanaiky ka hanohitra izany, ary izany no hahatonga ny fikororohana eo amin’ny vahoakan’Andriamanitra » Premiers Ecrits, p. 270.

2. Ahoana ny toetoetra misy ireo fanahy sasany izay milaza azy ho mino ny fahamarinana? Moa ve ampy ny hoe voasoratra ao anatin’ny bokin’ny fiangonana ny anarana? Matio 25: 1, 2, 10-12.

«Fanambarana miezinezina no hataoko amin’ny fiangonana: tsy misy anarana iray amin’ny roapolo voasoratra ao amin’ny bokim-piangonana no ho vonona hamita ny fihazakazahany eto an-tany ary tsy ho hita, raha hitranga izany, amin’izao toerana misy ny mpanota mahazatra izao, izany hoe tsy misy an’Andriamanitra ary tsy misy fanantenana eto an-tany. Ireny olona ireny dia manao asa manompo an’Andriamanitra kanefa raha ny tena marina dia manompo an’i Mamona izy ireny. Io fanompona tapany ho an’ny andaniny sy tapany ho an’ny ankilany io raha ny tena marina dia fandavana mitohy an’I Kristy fa tsy fanehoana ny finoana. Maro no niditra tao amin’ny fiangonana nefa nihazona ny toetra tsy mety mankatoa sy mafy hatoka; … » Service chrétien, p. 51.

3. Iza no ho voasivana ka handao ny fiangonana? Apokalypsy 3 : 16. Iza no haharitra amin’ny finoana hatramin’ny farany? Apokalypsy 3 : 5 ; Matio 10 : 32, 33.
 
« Tao ho ao, dia nijery ny manodidina ahy aho mba hijery ireo izay tena mpanara-dia ny Tompo feno fanetren-tena sy be famidram-po ka tena very hevitra ny fanahiko ».

« Maro amin’ ireo izay maneho ny finoany ny amin’ny fiandrasana ny fiavian’ny Tompo fanindrony, no miaina tahaka ireo olon’izao tontolo izao: ny fikatsahana ny hahazo ny fankasitrahan’ny olona manodidina azy no himatimatesany fa tsy ny hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra. Izy ireo dia mangatsiaka sy mpanaraka ny fombafomba fotsiny, tahaka ireo fiangonana anarana fotsiny izay vao avy nialany. Ny hafatra ho an’i Laodika dia namaritra tanteraka ny fepetra izay arahany. (Jereo Apokalypsy 3: 14 – 20). Tsy mangatsiaka na mafana izy ireo fa matimaty. Raha laviny ny fihainoana ilay “vavolombelona matoky sy marina” ka tsy mibebaka marina izy; raha tsy mividy ilay volamena voadio tamin’ny afo, sy ny fitafiana fotsy hotafiany, sy ny odimaso atao amin’ny masony izy, dia  halohan’ny vavan’ Andriamanitra.. » – Premiers Ecrits, pp. 107, 108.

« Andriamanitra dia mitaky fifohazan-panahy sy fanavaozam-panahy. Raha tsy izany ireo olona matimaty ireo dia vao maika tsy ho ankasitrahan’ Andriamanitra ary hiafara amin’ny tsy fanekeny azy ireo ho zanany intsony.Messages choisis, vol. 1, p. 148.

ANTONY HAFA MAHATONGA NY FIKOROROHANA

4. Inona ihany koa ny antony hafa mahatonga ny fikororohana sy ny fahaverezan’ny fanahy ? Matio 7 : 26, 27 ; 1 Jaona 2 : 19.
« Nahasarika ny fisainako ny asa tsara tao amin’ ireo vahoak’ Andriamanitra, ary hitako fa ny fizahan-toetra tsirairay nalefa dia natao hanatsarana sy hanadiovana ireo izay milaza azy ho kristiana ka natao mba hamoahana ireo tai-drendrika ao aminy. Matetika ny tena volamena madio dia tsy hita miavaka. Isaky ny misy ny olana ara-pivavahana dia tsy mahazaka fakam-panahy ny sasany ka mianjera. Rehefa am-pandalovin’ Andriamanitra eo amin’ny zanak’ olombelona ny fikororohana dia maro ireo niparitaka tahaka ny ravin-kazo mihintsana. Ny fitomboan-karena dia mampitombo ireo izay mihambo ny tenany ho kristiana. Ny ady sy ny fifandrafiana dia mampiala azy ao amin’ny Fiangonana, satria tsy mahatoky izy. Nilaozany isika satria tsy anisan’ny antsika izy. Betsaka ny tafitohana rehefa tonga ny fanenjehana noho ny tenin’AndriamanitraTémoignages pour l’Eglise, vol. 1, p. 549.

NY FIKOROROHANA FARANY

5. Tsy maintsy hifanehatra amin’ny inona ny vahoakan’Andriamanitra aoriana kely ao? Inona no hitranga amin’ireo izay tsy tena miorina tsara amin’ny tena fototra? Jakoba 1 : 2-4 ; Matio 13 : 20, 21.
 
« Rehefa ho avy ny fotoana fisedrana, dia haseho ireo izay nitana ny tenin’ Andriamanitra ho fitsipika mifehy ny fiainany. Amin’ny fahavaratra dia tsy misy fahasamihafana firy ny hazo maintso lalandava sy ny hazo sisa rehetra; fa rehefa mitsoka kosa ny rivo-panalan’ny ririnina, dia tsy miova ny hazo maitso lalandava, fa ringitra tsy misy ravina intsony kosa ny hazo hafa. Toy izany koa, tsy miavaka amin’ny tena Kristiana ankehitriny izay manana fo mamitaka milaza ny tenany ho Kristiana, nefa kosa efa akaiky ny fotoana izay hisehoan’ ny fahasamihafana. Aoka hipoitra ny fanoherana, aoka hanjaka indray ny fitiavam-bavaka diso toerana sy tsy mahay mandefitra, aoka hirehitra indray ny fanenjehana , dia hirondrona avokoa ny manana toetra matimaty sy ny mihatsaravelatsihy ka handao ny finoany ; fa hijoro tsy azo hozongozonina tahaka ny vatolampy kosa ny tena Kristiana marina, hihamatanjaka ny finoany, hmirapiratra kokoa ny fanantenany, mihoatra noho ny tamin’ny androm-piadanana. »Hery Mifanandrina, pp. 628.

NY FIOMANANA ILAINA MBA HO TAFAJANONA HO MAHATOKY AMIN’NY FAHAMARINANA

6. Inona ny fanampiana azontsika itokisana na dia ao anatin’ny toe-draharaha sarotra indrindra aza? Jaona 14: 16. Inona no ilaina ankehitriny mba hahamafy orina antsika ao amin’ny fahamarinana? Matio 7 : 24 ; 24 : 13.
 
« Ny Fanahy Masina dia efa nampanantenaina, tahaka ny antoky ny hery ho an’ ireo izay hiady mba hahazoana ny fandresena.  Ny Fanahy Masina, dia manome hery mihoatra ny herin’olombelona, sy mampianatra ireo tsy manam-pahalalana ao amin’ny zava-miafin’ny fanjakan’ Andriamanitra. Fampanantenana mahafinaritra manao ahoana moa no efa nomena antsika tamin’ny nilazana tamintsika fa ny Fanahy Masina no ho andry fiankinana ho antsika !” »Avec Dieu chaque jour, p. 52.
« Manao ahoana ny toerana misy anao eo anatrehan’Andriamanitra ankehitriny?  Ny fanontaniana dia tsy ny hoe: inona re ny toerana hisy ahy amin’ny androm-pahoriana na any aoriana any? Fa kosa hoe: mba manao ahoana ny toe-panahinao ankehitriny? Andeha hiasa ve ianao anio?  Maniry ny hanao fanandramana manokana ho an’ny tsirairay isika amin’izao fotoana izao. Ankehitriny, ny faniriantsika dia ny hitoeran’I Kristy ao anatintsika. » – (The Review and Herald, 9 avril 1889. Vous recevrez une puissance, p. 129.

7. Inona ny tsiambaratelo mba tsy hahatonga antsika ho tavela ivelan’ny fanjakan’Andriamanitra fa mba hiaraka kosa amin ‘ireo mpandresy ? 2 Korintiana 20 : 20 ; Jaona 12 : 35.
 
« Ireo izay manana ny fahamendrehana ambony indrindra tamin’ireo izay voavonjy izay mijoro eo anoloan’ny seza fiandrian’ Andriamanitra sy ny zanak’ondry, izay mitafy lamba fotsy, dia mahalala ny ady tsy maintsy hatrehana mba hivoahana ho mpandresy, satria izy ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe. Izay rehetra nihemotra kosa fa tsy nandroso tamin’ io ady io, dia tsy ho afaka handositra amin’ny fotoana izay hampahory indrindra ny fanahy rehetra, kanefa na dia teto ambonin’ny tany aza i Noa sy Daniela ary Joba, dia tsy hahavonjy ny zananilahy na ny zananivavy ireo, satria ny tsirairay dia samy hamonjy ny fanahiny amin’ny fahamarinan’ny tenany.»Témoignages pour l’Eglise, vol. 2, p. 78.
« Amin’ izany fotoana izany, ao amin’ny Fiangonana, ny volamena dia ho sarahiana amin’ny varahina. Ny mpivavaka marina dia hiavaka mazava ny amin’ny fisehony ivelany. Maro ireo kintana izay notsiriritintsika noho ny fahazavany no tsy ho hita ao anatin’ny haizina. Ho an’ireo rehetra izay mihanona fotsiny ho toy ny fampihaingona ny fitoerana masina, kanefa tsy mitafy ny fahamarinana’I Kristy dia ho feno fahamenarana noho ny fitajahany.. » Service chrétien, pp. 61, 62.

8. Amin’ny andro farany, inona ny vokatry ny fifandonana hisy eo amin’ny marina sy ny diso ? Apokalypsy 18 : 1-4.
 
« Tao anatin’ny fahitana dia naseho ahy ireo tafika anankiroa ao anatin’ny ady mahatsiravina. Ny anankiray dia nialohavan’ny tafika mitondra ny marikan’izao tontolo izao; ary ny iray miaraka amin’ilay sainan’ny fiangonana izay misy ny ràn’Ilay Mpanjaka Emanoela. Saina mifanaraka no nandrakotra ny vovoka; rehefa misy miala ny tafikin’ny Tompo ka mitambatra amin’ny fahavalo ary foko miampy foko miala amin’ny laharan’ny satana mba hikambana amin’ny vahoakan’Andriamanitra izay mitandrina ny lalàna. » Témoignages pour l’Eglise, vol. 3, p. 263.

Mba ho saintsainina lalina

Hebreo 3 : 12-14 ; 10 : 35-39 ; 12 : 28.



«Nahita mpino vitsivitsy nanana finoana lehibe nihiaka tamin’ny feo feno fitaintainana, nitaraina tamin’Andriamanitra aho. Maloka ny endrik’izy ireo, maneho adin-tsaina mafy sy tolona anatiny ao. Naneho fahavonona lehibe sy fijorona matotra izy ireo ; hantsembohana no nandravaka ny andriny. Matetika rehefa mahatsapa ny faneken’Andriamanitra izy ireo dia miramirana ; fa vetivety ihany dia miverina indray ny hafanam-po  ny ahiahy ny tahotra lehibe ao anatin’izy ireo.

«Ireo anjely ratsy dia mailaka ny hitangorona eo amin’izy ireo, mandatsaka azy ireo ao anatin’ny aizina mba hanakonana azy ireo tsy hahita an’I Jesosy, ka rehefa takona ny mason’izy ireo dia hataon’i satana izay hahavery ny fanantenany sy himonomonona hanohitra an’Andriamanitra.Ny fiarovana tokana ho azy ireo dia ny mampifantoka ny fijeriny any ambony. Miambina ny vahoakany ny anjelin’ Andriamanitra, ka rehefa misy rivotra voapoizina alefan’ny anjely ratsy hanodidina ireo izay ao anatin’ny tebiteby; ireo anjely tsara dia manidina mba handrava ilay aizina matevina. »Premiers Ecrits, pp. 269, 270.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire