mardi 29 juillet 2014

NY LOZA FAHA FITO SY IREO MPANKAHALA FAHAMARINANA



             Ka ho reraka ny fon’ny olona noho ny fahatahorany sy ny fiandrasany izay zavatra ho tonga ambonin’ny tany ; fa ny herin’ny lanitra dia hohozongozonina . Ary amin’izany andro izany dia hahita ny zanak’olona avy eo amin’ny rahona amin-kery sy voninahitra lehibe izy . Lioka 21 : 26-27 . Tena be vovinahitra  tokoa ny fanafahana an’ireo izay miandry amim-paharetana ny fihavian’i Kristy , sady manana ny anarany voasoratra ao anatin’ny bokin’ny  fiainana . 
Hery Mifanandrina  p 688

Ilay anjely faha fito dia nandraraka ny tao anatin’ny kapoakany 


1 .-Inona ilay feo lehibe izay nivoaka avy tao amin’ny tempoly any an-danitra rehefa ilay anjely faha fito nandraraka ny tao anatin’ny kapoakany ? Rehefa heno any an-danitra io feo io , inona no ho tonga eto an-tany ? Apokalypsy 16 : 17
 
                Isika dia tsy maintsy mianatra ny amin’ny fomba izay hirotsahan’ilay loza faha fito . Ireo herin’ny ratsy dia tsy hiala mihintsy eo amin’ny toeran’ny ady raha tsy efa avy niady . Maranatha p 255  
              Amin’ny mamaton’alina Andriamanitra no maneho ny heriny hanafaka ny olony . Miposaka ny masoandro mamirapiratra amin’ny heriny . Mifandimby haingana dia haingana ny famantarana sy ny fahagagana . Raiki-tahotra sy zendana ny ratsy fanahy mijery , fa ny tsara fanahy kosa mibanjina ny antoka nomena hanafahana azy amin’ny fifaliana feno fanajana . Toa miala amin’ny fizotra mahazatra azy avokoa ny zava-boahary rehetra . Mijanona tsy mikoriana ny rano . Misy rahona maizina sy mavesatra mifandona . Eo anivon’ny lanitra misafotofoto dia misy faritra mazava mamirapiratry ny voninahitra tsy hay lazaina , ary re avy ao ny feon’Andriamanitra , tahaka ny feon’ny ranobe ,  manao hoe “ vita” Hery Mifanandrina p 662

Ireo zava-nitranga teo amin’ny zava-boahary

2 .-Inona no ho tonga eto ambonin’ny tany mandritra ny loza faha fito ? Apokalypsy 16 : 18
              Ireo tanàn-dehibe sy ireo vohitra izay rava vokatry ny horohorontany , dia lasa antontanjavatra sisa avy amin’ny tanàna rava . Ireo tendrombohitra izay niala tamin’ny toerany dia  namela lava-bato lehibe maro . Vatolampy maro izay natsi-pin’ny ranomasina , na voaongotra teo ambonin’ny tany , no niely teo amin’ny fanamboniny . Hazo goavam-be maro no voaongotra ka lavo teo ambonin’ny tany .  Premiers ecrits pp 289 , 190

3 .-Taonjato maro tany aloha tany , iza no niresaka momba ireo tranganja-vatra ireo izay sady niseho tany an-danitra , no niseho teto ambonin’ny tany ? Hagay 2 : 6 ; Isaia 24 : 20 

            Mihovitrovitra ny lanitra sy ny tany eo ampandrenesana io feo io . Misy horohorontany mafy sy lehibe  “ izay tsy mbola nisy toy izany hatrizay nisian’ny olona tety ambonin’ny tany , eny , tsy mbola nisy horohorontany mafy sy lehibe toy izany” . Apokalypsy 16  : 17-18 . Toa misokatra sy mikatona ny lanitra . Hery Mifanandrina p 662 , 663 
              Koa , ilay  nampihorohoro ny tany tamin’ny  feony no nanao izao fanambarana izao : “ Indray maka koa tsy ny tany ihany no hampihorohoroiko , fa ny lanitra koa” . Jehovah hierona any ambony ary hanandratra ny feony any amin’ny fitoerany masina” . Jahovah hierona hanandratra ny feony ; ka hihorohoro ny tany aman-danita” . Hebreo 12 : 26 . Ary amin’izany andro lehibe manatomotra izany , “ dia lasa tahaka ny taratasy voahorona ny lanitra , ary ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia nafindra niala tamin’ny fitoerany” .  Apokalypsy 6 : 14 . “ Mivembena dia mivembena tahaka ny mamo ny tany ka mitsingevana toy ny fandriana mihantona ; ary mitambesatra aminy ny fahadisoany , dia potraka izy ka tsy ho tafarina intsony ”  Isaia 24 : 20 .  Patriarika sy Mpaminany p 343

I Babylona dia mandray ny kapoakan’ny fahatezeran’Andriamanitra

4 .-Eo amin’iza no ilatsahan’ny fahatezeran’Andriamanitra tsy misy indrafo ?  Apokalypsy 16 :19

  
           Toa manila-tselatra avy ao ny voninahitra avy amin’ny seza fiandrianan’ Andriamanitra . Tahaka ny volotara hozongozonin’ny rivotra ny tandrombohitra , ary mipariaka ombieny ombieny ny silatsilaky ny vatolampy . Misy feo miroho-ndrohona toy izany mialoha ny tafio-drivotra . Misafoaka ny ranomasina . Re ny fimamamaman’ny tafio-drivota , moa va tsy feon’ny demonia handeha hamafy fandravana . Mivoitra sy mietry , misamboaravoara tahaka ny onjan-dranomasina ny tany manontolo . Triatriatra ny vohon’ny tany . Toa mikoro hatramin’ny fano-renany . Milentika ny tendrombohitra mitomandavana . Voatelina ny nosy misy mponina . Ny seranan-tsambo izay nanjary tahaka  an’i Sodoma noho ny haratsian-toetrany dia voasaron’ny rano misafoaka . Tsaroana eo anantrehan’Andriamanitra i Babylona lehibe “ mba homena azy ny kapoaky ny divain’ny firehetan’ny fahatezerany”  . Hery Mifanandrina p 663

Ireo filatsahan’ny havandra

5 .-Hery manao ahoana no mamaritra ny fiafaran’ny loza faha fito ? Apokalypsy 16 : 20-21
 
             Ao amin’ny Apokalypsy , i Jaona dia manoratra toy izao : Ary ny faha fito dia nampidina ny tao an-doviany tamin’ny rivotra ; dia nisy feo mahery nivoaka avy tao amin’ny tempoly , teo amin’ny seza fiandrianana , nanao hoe “ Vita”. Ary nisy havandra vaventy nilatsaka avy tany an-danitra ho amin’ny olona , tokony ho lanjan-talenta iray avy ; ary niteny ratsy an’Andriamanitra ny olona noho ny loza avy tamin’ny havandra . Fa lehibe loatra izany loza izany . Apok 16 : 17 , 21 . 

            Nisy havandra vaventy tokony ho milanja talenta iray avy , manao ny asa fandravany Apokalypsy 19 : 21 . Voaravona amin’ny tany ireo tanàna feno rehareha indrindra eto an-tany . Ireo lapa mamirapiratra izay tsy nandalan’ny olo-malaza teto amin’izao tontolo izao ny hareny ho voninahitry ny tenany , dia rava ka mirodana eo imasony , ary ny vahoakan’Andriamanitra izay nogadrana noho ny finoany dia afaka .  Hery Mifanandrina p 663

Tahotra sy fahitana mialoha ny tranganjavatra ho avy

6 .-Inona avy no ho fitoetran’ny sain’ny mponina eto ambonin’ny tany ? Hagay 2 : 7a ; Lioka 21 : 26

            I Jaona dia vavolombelon’ity fanambarana mahagaga ity . Izy dia nahita ny ranomasina sy ny onjany nirohondrohona , ny olona maro niha reraky ny tahotra mafy . Izy dia nahita ny tany voahozongozona , Ireo tendrombohitra dia tafafindra teo afovoan’ny ranomasina , ny  rano miherona sy misamboaravoara , ny tendrombohitra mibontsina toy ny onjandrano . I Jaona dia nahita an’ireo loza mandripaka sy ireo areti-mifindra , ny mosary ary ny fahafatesana teo am-panatanterahan’izy ireo ny asa mahatsiravina iandraiketany . Témoignages pour les Pasteurs  p 226

7 .-Inona no hambaran’Andriamanitra Ray amin’ireo mpankahala fivavahana ? Salamo 50 : 6 ; 119 : 142
 
               Raha miakatra ho any amin’Andriamanitra ireo teny milaza fahatokiana masina ireo , dia misinda ny rahona ary miseho ny lanitra feno kintana heni-boninahitra tsy hay lazaina raha ampitahaina amin’ny habakabaka mainty sy mitory havinirana eo andaniny roa . Mitosaka avy eo amin’ny vavahady midanadana ny voninahitr’Ilay tanànan’ny lanitra . Amin’izay dia misy tànana miseho eny amin’ny lanitra mitana vato fisaka roa voakombona . Hoy ny mpaminany : “ Hasehon’ny lanitra ny fahamarinany fa Andriamanitra no mpitsara” . Salamo 50 : 9 . Io lalàna masina io , izay fahamarinan’Andriamanitra , ilay nomena ho mpitarika ny fiainana tao Sinay tao anatin’ny kotrokorana sy ny lelafo , no aseho amin’ny olona ankehi-triny ho fitsipiky ny fitsarana . Sokafan’ilay tànana ny vato fisaka , ary hita eo ny lalàn’ny Didy Folo , voasikotra toy ny tamin’ny penina afo . Mazava indrindra ny teny ka azon’ny rehetra vakiana . Mifoha ny fitadidiana , voaroaka tsy ho ao an-tsain’ny rehetra ny haizin’ny finoanoam-poana sy ny hevi-diso , ary hitan’ny mponina rehetra eto an-tany ny Didy Folo nomen’Andriamanitra , hentitra , maha-faoka be . Tsy hay lazaina ny horohoro sy ny famoizam-pon’ireo izay nanitsa-kitsaka ny didy masina  nataon’Andriamanitra ho tandremana . Hery Mifanandrina p 665

Mba ho saintsainina lalina 

Salamo 7 : 11 ; Isaia 33 : 14 ; Joba 40 : 11-12 ; Salamo 94 : 1-2 ; 119 : 21

            Ny fandikana ny didin’Andriamanitra , na dia indray mandeha fotsiny aza , eo amin’ny antsipiriany madinika indrindra, dia fahotana .  Ny tsy fampiharana ny teny fanamelohana an’io fahotana io dia heloka be vava eo amin’ny rafi-pandaminan’Andriamanitra . Izy dia mpitsara , Ilay mpiaro ny fahamarinana , dia io fahamarinana izay fitoeran’ny seza fiandrianany sy fiorenan’io seza fiandrianany io . Tsy azon’Andriamanitra atao ny mamela ny lalànany , tsy azony atao ny mandao ny zavatra izay tena bitika indrindra ao antin’io lalàna io, mba hikendry ny hanao fandeferana amin’ny fahotana sy hamela heloka . Ny fahitsiana , ny fahamarinana ary ny fahalavorariana eo amin’ny toetran’ny lalàna dia tsy maintsy hazonina sy hamarinina eo anantrehan’ny tontolon’ny lanitra , sy eo anantrehan’ireo tontolo izay tsy mba lavo . Manuscript 145 , 30 Decembre 1897 ; Levez vos Yeux en Haut p 370
          Tsy hanan-tahotra ireo zanak’Andriamanitra eo anivon’ny rivo-dozan’ny fahatezeran’Andriamanitra : “ Fa Jehovah no fialofan’ny olony sy fiarovana mafy ho an’ny Zanak’Israely” Joela 4 : 16 . Hitondra fifaliana tsy tambo tononina sy be voninahitra ho an’ny mpankato ny andro izay hitondra horohoro sy fandringanana ho an’ireo mpandrika ny lalàn’Andriamanitra Patriarika sy Mpaminany p 345

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire