jeudi 3 juillet 2014

FANAMBARANA IREO TOE-JAVATRA LEHIBE HITRANGA AMIN'NY ANDRO FARANY





 Araka ny fijerin’ny faminaniana ao amin’ny Baiboly, etsy andaniny dia misy olona maro, tafiditra ao anatin’ izany ny mpino marobe izay te hahafantatra izay ho entin’ny ampitso ho azy ireo hoe amin’ny fomba ahoana no hifandraisan’ izany eo amin’ny fiainany. Izany no antony nametrahan’ny mpianatra fanontaniana mikasika ny ho avy rehefa nandre an’ i Jesosy nilaza ny karazana faminaniana izy ireo. Vokatr’ izany, indray andro izy ireo dia nangataka taminy hoe : « Lazao aminay izay andro hahatongavan'izany, ary izay ho famantarana ny fihavianao sy ny fahataperan'izao tontolo izao ? » Matio 24: 3.

 « Etsy ankilany ny Mpamonjy Izy tenany, no mampahalala ireo mpanompony mikasika izay ho tonga eto amin’ity izao tontolo izao ity sy ny mponina ao aminy. Ny mpaminanin’ Andriamanitra dia nilaza hoe: « Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo raha tsy milaza ny heviny amin’ny mpaminany mpanompony » Amosa 3: 7.
Tsy ny hanomezana fahafaham-po ny amin’ny fitia te hahalala fotsiny no nanaovana izany fa kosa mba hanampiana ny olona, mba hanomezana azy ny fahazavana eo amin’ny lalan-tery izay izorany. Nanolotra faminaniana tena tsara tokoa Andriamanitra ao amin’ny teniny.
 Araka izany, inona no zavatra tsy maintsy hataontsika miaraka amin’ireo fanambarana lehibe ara-paminaniana mikasika ny toe-javatra farany mialoha ny fiavian’I Kristy fanindroany? Nilaza ny Apostoly Paoly fa isika dia tokony handray izany am-pahamatorana mba hahatsara antsika manokana sy ho an’ireo rehetra izay maniry sy vonon-kihaino ny tenin’ Andriamanitra: « Ary manana ny teny faminaniana atao mafy orina kokoa isika; koa raha mandinika izany ianareo, dia manao tsara, fa toy ny jiro mahazava ao amin'ny fitoerana maizimaizina izany, mandra-pahazavan'ny andro, ka miposaka ao am-ponareo ny fitarik'andro » 2 Petera 1: 19.

Tsy mitovy ny fahazahoana ny fahamarinana; tombotsoa masina sy fitahiana izany, « Raha toa isika ka nianatra ireo karazana antana-tohatry ny faminaniana, dia ho haintsika ny hanavaka mazava tsara ny fahamarinana izay ambarany amintsika ankehitriny amin’ny alàlan’ireny faminaniana ireny. Tompon’ andraikitra ny amin’ny tombontsoa izay noraisintsika isika sy ny fahazavana izay nirehitra teny amin’ny làlantsika. Ireo izay niaina tany amin’ny taon-jato taloha tany dia tompon’ andraikitra ny amin’ny zavatra noraisiny. Ny fizahan-toetra nahazo azy dia nahakasika ny sasantsasany tao amin’ny soratra masina. Kanefa kosa izy ireo tsy nahazo ny fahamarinana izay azontsika ka tsy afaka ny hotsaraina amin’ny fahazavana   izay tsy nambara taminy. Nanana ny Baiboly izy ireo tahaka antsika; kanefa kosa ny fanambarana ny fahamarinana manokana mahakasika indrindra ireo toe-javatra farany eo amin’ny tantaran’ny tany dia natokana ho an’ireo izay ho velona amin’ny andro farany »Témoignages pour l’Eglise, vol. 1, p. 325.
                                                                         
 Trangan-javatra mahatsiravina sy goavana no hiseho ao amin’ny fotoana fohy manerana izao tontolo izao. Saika isan-kerinadro dia hisy tatitra momba ny horohoron-tany atsy , tondran-drano eroa, ny olona sy ny fitondran-panjakana dia tsy maintsy hiatrika fahasarotana maro sy olana goavana. Ry rahalahy sy anabavy, izany zavata izany dia milaza amintsika fa tsy maintsy miomana sy ho vonona ny hihaona amin’ny Mpamonjy am-pifaliana isika, tahaka ny zaza izay miandry fatratra maika hahita ny fianakaviany izay nandao azy nandritra ny fotoana ela. Mananatra antsika ny Mpamonjy manao hoe: « Dia tahaka izany koa ianareo, raha vao hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia aoka ho fantatrareo fa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra». «Dia miomàna koa ianareo; fa ho avy ny Zanak'olona amin'izay ora tsy ampoizinareo. » Lioka 21: 31; 12: 40.
                                                                                                                                                                                                         
« Ry rahalahy, ianareo izay nanambarana ny fahamarinan’ny tenin’ Andriamanitra, inona no ho ataonareo rehefa hitranga ireo toe-javatra farany amin’ny tantaran’ ity izao tontolo izao ity? Azonareo an-tsaina ve ny maha-zava-dehibe ny fahatanterahan’izany? Takatrareo tsara ve ny halehiben’ny fiomanana ilaina ety an-tany sy any an-danitra? Aoka ireo rehetra izay nandray ny fahazavana sy nanana ny tombontsoa tamin’ny famakiana sy fihainoana ny faminaniana mba hitandrina izany tsara, satria ‘antomotra ny andro’.  Aoka tsy hisy hanota na dia iray aza, ny fahotana izay antony mahatonga ny ratsy rehetra eto amin’ity izao tontolo izao ity. Ary aza miaina maharitra intsony amin’ny toetra marary sy feno fahadalana.  Aoka ny anjaran’ny fanahinareo tsy hiankina amin’ny kisendrasendra. Aoka ho azonao antoka tanteraka fa miandany amin’ny Tompo ianao. Aoka ity fanontaniana manaraka ity hipetraka amin’ireo rehetra izay manana fo tsotra sy madio : « Iza no afaka haharitra hatramin’ny farany ? » Moa ve ianareo efa nanery ny tenanareo amin’izao ora faran’ny androm-pahasoavana izao mba hanatsarana ny toetranareo? Moa ve efa nodiovina reo ny fanahinareo ho afaka amin’ny pentim-pahotana rehetra? Moa ve niainanareo ny fahamarinana izay nomena anareo? Moa ve ny toetra sy ny asanareo mifanaraka amin’ny zavatra inoanareo?”Témoignages pour l’Eglise, vol. 3, p. 10.

« Ny lohahevitra izay ho velabelarin-tsika manomboka amin'ity : « Fanambarana ireo toe-javatra lehibe hiseho amin’ny andro farany » dia nomanina ny mba hanaitra, hanetsika sy hampahery ireo rahalahy sy anabavy tsirairay mba hanome lanja ny amin’ny fiomanany manokana sy ny iraka izay nampanaovina azy. Maniry indrindra izahay mba ho ny mambra tsirairay, ireo olona rehetra liana ny amin’ny fahamarinan’ny famonjena, ary koa ny mpamaky tsirairay mba hihevitra tsara am-pahamatorana ireo loha-hevitra ireo ka hivavaka mba handraisany ny fitahiana lehibe sy ny fiomanana ilaina ahafahana mandalo ireo toe-javatra farany ka handray an’ I Kristy amin-kafaliana ao amin’ny voninahiny. Amen!    »Témoignages pour l’Eglise, vol. 3, p. 10.

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire